< Joba 32 >

1 Ary nitsahatra tsy namaly intsony izy telo lahy ireo, satria nanamarin-tena Joba.
Enti saa mmarima baasa yi ammua Hiob bio, efisɛ na ɔteɛ wɔ ɔno ara ani so.
2 Ary nirehitra kosa ny fahatezeran’ i Eliho, zanak’ i Barakela, Bozita, avy amin’ ny fokon’ i Rama; eny, tamin’ i Joba no nirehetan’ ny fahatezerany, satria nanao ny tenany ho marina noho Andriamanitra izy.
Na Busini Barakel babarima Elihu a ofi Ram abusua mu no bo fuw Hiob yiye sɛ obu ne ho bem na ommu Onyankopɔn mmom bem.
3 Ary tamin’ ny sakaizany telo lahy koa no nirehetan’ ny fahatezerany, satria tsy nahita teny havaliny izy ireo, kanefa nanameloka an’ i Joba.
Ne bo fuw nnamfonom baasa no sɛ wɔantumi anya nnyinaso bi ammɔ Hiob nsɛm no angu, nanso wobuu no fɔ.
4 Ary Eliho mbola niandry an-dr’ i Joba aloha vao niteny, fa ireo no ela niainana kokoa noho izy.
Elihu twɛn sɛ afoforo no bɛkasa akyerɛ Hiob, efisɛ na wɔanyinyin sen no.
5 Ary rehefa hitany fa tsy nanan-kavaly izy telo lahy, dia nirehitra ny fahatezerany;
Na ohuu sɛ nnipa baasa no nni asɛm biara ka bio no, nʼabufuw no sɔree.
6 ka dia niteny Eliho, zanak’ i Barakela, Bozita, ka nanao hoe: Mbola tanora aho, fa ianareo kosa efa fotsy volo, koa dia niaoriandriana aho aloha, fa tsy sahy nanambara aminareo izay fantatro.
Enti Busini Barakel babarima Elihu kae se, “Meyɛ abofra, na moyɛ mpanyimfo; ɛno nti na misuroo sɛ mɛka nea minim akyerɛ mo.
7 Hoy izaho: Aoka ny fahanterana no hiteny, ary aoka ny hamaroan’ ny taona no hampianatra fahendrena.
Medwenee sɛ, ‘Ɛsɛ sɛ mpanyimfo kasa; ɛsɛ sɛ wɔn a wɔn ani afi kyerɛ nyansa.’
8 Kanefa ny fanahy izay ao anatin’ ny zanak’ olombelona sy ny fofonoin’ ny Tsitoha no mahahendry azy.
Nanso honhom a ɛte onipa mu, Otumfo no home no na ɛma ntease.
9 Tsy dia ny fahalehibiazana no mahahendry, ary tsy dia ny fahanterana no ahalalana ny rariny;
Ɛnyɛ mpanyimfo nko na wɔyɛ anyansafo, ɛnyɛ wɔn a wɔn ani afi nko na wɔte nea eye ase.
10 Ary noho izany dia hoy izaho: Aoka samy hihaino ahy; Izaho koa mba hanambara izay fantatro.
“Enti mise: Muntie me; me nso mɛka mʼadwene.
11 Indro, niandry ny teninareo aho, ary nandinika ny teny nalahatrareo, mandra-pihevitrareo izay holazaina;
Metwɛn wɔ bere a na morekasa, mitiee mo adwenkyerɛ; bere a na munhu nea monka no,
12 Eny, nihaino dia nihaino anareo aho, fa he! tsy nisy naharesy lahatra an’ i Joba ianareo, na nahavaly ny teniny akory;
meyɛɛ aso maa mo pa ara, nanso mo mu biara antumi ankyerɛ sɛ Hiob ayɛ mfomso; mo mu biara anyi ne nsɛm no ano.
13 Fandrao ianareo hanao hoe: Hitanay ny fotony: Andriamanitra no maharesy azy, fa tsy olona.
Monnka se, ‘Yɛahu nyansa; momma Onyankopɔn mmɔ nʼasɛm no ngu, na ɛnyɛ onipa.’
14 Tsy nandaha-teny hamely ahy anefa izy; Ary tsy araka ny teninareo no havaliko azy.
Nanso Hiob nkasa ntia me, na merennyina mo adwenkyerɛ so mmua no.
15 Very hevitra terỳ izy ireo, ka tsy namaly intsony; Efa nanalavitra azy ny teny.
“Wɔn ho adwiriw wɔn, wonni hwee ka bio; wɔn nsɛm asa.
16 Hangina va aho, raha tsy miteny izy ireo, fa mijanona foana izy ka tsy mamaly intsony?
So ɛsɛ sɛ metwɛn wɔ bere a wɔayɛ komm yi, saa bere yi a wogyinagyina ha yi a wonni mmuae biara no?
17 Anjarako kosa izao, koa dia hamaly aho; Eny, izaho hanambara izay fantatro;
Me nso mɛka bi me nso mɛka mʼadwene.
18 Fa feno teny ny foko; Manery ahy ny fanahy ato anatiko.
Efisɛ nsɛm ahyɛ mʼanom ma, na honhom a ɛte me mu no hyɛ me sɛ menka;
19 Endrey! ny ato anatiko dia efa tahaka ny divay izay tsy misy hiainana, efa ho triatra tahaka ny siny hoditra vaovao izy.
Me mu no, mete sɛ nsa a ɛhyɛ toa mu te sɛ nsa kotoku foforo a ɛrebɛpae.
20 Hiteny aho mba hisy hiainako tsara; Hiloa-bava aho ka hamaly.
Ɛsɛ sɛ mekasa na me ho tɔ me; ɛsɛ sɛ mibue mʼano na mema mmuae.
21 Aoka tsy hizaha tavan’ olona akory aho, ary aoka tsy handrobo olona.
Merenyɛ nhwɛanim na merennɛfɛdɛfɛ obiara;
22 Fa tsy mba mahay mandrobo aho; Raha izany, dia halain’ ny Mpanao ahy faingana aho.
na sɛ makwadaw adɛfɛdɛfɛ mu a, anka me Yɛfo beyi me afi hɔ ntɛm so.

< Joba 32 >