< Joba 31 >
1 Efa nampanekeko ny masoko; Koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy?
Med augo hev eg gjort ei pakt; eg skal’kje skygna etter møy.
2 Fa raha izany, dia inona no anjara avy amin’ Andriamanitra any ambony. Sy lova avy amin’ ny Tsitoha any amin’ ny avo?
Kva gav meg elles Gud der uppe? Kva arv gav Allvald frå det høge?
3 Moa tsy loza va no manjo ny ratsy fanahy? Ary tsy fahoriana va no mahazo ny mpanao ratsy?
Kjem ikkje udådsmann i naud? Og illgjersmenn i ulukka?
4 Moa tsy Andriamanitra va no mijery ny lalako ka manisa ny diako rehetra?
Ser ikkje han på mine vegar? Tel ikkje han kvart stig eg gjeng?
5 Raha tàhiny nandeha tamin’ ny fitaka aho na niezaka tamin’ ny fahafetsena.
Dersom eg fram med fals hev fare, og foten sprunge etter svik
6 (Enga anie ka holanjain’ Andriamanitra eo amin’ ny mizanan’ ny fahamarinana aho! Dia ho fantany ny tsi-fananako tsiny);
- Gud vege meg på rettferds vegt, so han kann sjå eg skuldlaus er! -
7 Raha tàhiny nivily niala tamin’ ny lalana ny diako, na nanaraka ny masoko ny foko, na nisy tsiny niraikitra tamin’ ny tanako:
Veik mine stig frå vegen av, hev hjarta etter augo gjenge, var det ein flekk på mine hender,
8 Dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hihinana, ary aoka ho fongotra izay amboleko.
so gjev ein annan et mitt såd, og riv mi planting upp med rot!
9 Raha tahìny adala tamin’ ny vadin’ olona ny foko, ka namitsaka teo am-baravaran’ ny namako aho,
Let eg min hug av kvinna dåra, sneik eg til grannens dør meg fram,
10 Dia aoka kosa ny vadiko halain’ ny sasany, ary aoka olon-kafa no handry aminy.
so lat mitt viv åt andre mala, og andre yver ho seg bøygje!
11 Fa fahavetavetana izany, eny, heloka tokony hotsarain’ ny mpitsara;
For dette er ei skjemdarferd, eit brot som dom og straff fortener,
12 Fa afo mandevona hatrany amin’ ny fandringanana izany ka hanongotra ny vokatro rehetra.
ein eld som eta vil til avgrunns og øydeleggja all mi eiga.
13 Raha tàhiny aho nandà ny rariny izay an’ ny ankizilahiko na ny ankizivaviko, raha nifamaly tamiko izy,
Vanvyrd’ eg retten åt min træl og trælkvinna i trætta med deim?
14 Dia inona no hataoko, raha hitsangana Andriamanitra? Ary ahoana no havaliko Azy, raha handinika Izy?
- Kva gjord’ eg då, når Gud reis upp? Kva svara eg, når han meg klaga?
15 Fa moa tsy Izay nanao ahy tany an-kibo ihany va no nanao azy koa? Ary tsy Iray ihany va no namorona anay tany am-bohoka?
Dei er som meg i morsliv skapte; ein forma oss i moderfang -
16 Raha tàhiny aho nandà Izay nirin’ ny malahelo ka nahapahina ny mason’ ny mpitondratena,
Um eg sagde nei når arming bad, og let enkja gråtande gå burt,
17 Na nihinana ny sombin-kaniko irery, ka tsy mba nihinanan’ ny kamboty
hev eg mitt brød åleine ete, so farlaus inkje fekk ein bit,
18 (Fa tsy izany, fa hatry ny fony mbola tanora aho, dia notezaina teo amiko tahaka ny zanaka ny kamboty, Ary nitondra ny mpitondratena hatrany an-kibon-dreniko aho);
- nei, far for han eg var frå yngdi, frå morsliv var eg hennar førar -
19 Raha tàhiny aho nahita olona efa ho faty noho ny tsi-fananan-damba. Na malahelo tsy manan-kitafy,
Såg eg ein stakar utan klæde, ein fatig utan yverplagg,
20 Koa tsy nankasitraka ahy ny tenany, ary tsy nanafàna azy ny volon’ ondriko;
og so hans lender ei meg signa, og ei mi saueull han vermde,
21 Raha tahìny aho naninjitra ny tanako hampahory ny kamboty, saingy hitako fa nisy niandany tamiko teo am-bavahady:
hev eg mot farlaus handi lyft, av di eg medhald fekk i retten:
22 Dia aoka ny foto-tsandriko hitsoaka hiala amin’ ny rangomainako, eny, aoka ny sandriko ho latsaka hiala amin’ ny taolam-panaviko.
Let herdi mi or led då losna, og armen brotna frå sitt bein!
23 Fa mampahatahotra ahy ny loza avy amin’ Andriamanitra, ka tsy mahavita na inona na inona aho noho ny fahalehibiazany.
For eg var ovleg rædd Guds straff, eg magtlaus stod framfor hans velde.
24 Raha tàhiny aho nanao ny volamena ho fanantenako, na nanonona ny volamena tsara hoe: Ry tokiko ô;
Um eg mi lit til gullet sette, og voni til det fine gull,
25 Raha tàhiny ho nifaly noho ny haben’ ny fananako sy noho ny nahazoan’ ny tanako harena betsaka;
Gledde eg meg ved auka rikdom, og alt eg vann meg med mi hand,
26 Raha tàhiny aho nijery ny masoandro, raha namirapiratra izy, na ny volana, raha nandeha tamin’ ny fangarangarany izy,
såg eg på ljoset når det stråla, på månen der han skreid i glans,
27 Ka voafitaka mangingina ny foko, ary nanoroka ny tanako ny vavako
vart hjarta mitt i løyndom dåra, so kyss på hand til deim eg sende,
28 (Dia heloka hanamelohan’ ny mpitsara koa izany; Fa ho nihatsaravelatsihy tamin’ Andriamanitra Izay any ambony aho);
so var det og straffande brot, då neitta eg min Gud der uppe.
29 Raha tàhiny aho nifaly noho ny loza nanjo izay nankahala ahy, na nibitabitaka, raha nozoim-pahoriana izy
Hev eg meg gledt ved uvens uferd, og jubla når han kom i skade,
30 (Tsia, fa tsy navelako hanota akory ny vavako hangataka ozona hanjo azy);
- men eg let ikkje munnen synda og banna honom ifrå livet -
31 Raha tàhiny ny tao an-daiko tsy nanao hoe: Iza moa no tsy voky tamin’ ny henany?
hev ei mitt husfolk stendigt sagt: «Kven gjekk vel svolten frå hans bord?»
32 Ny vahiny aza tsy nandry teny ala-trano; Fa novohako ny varavarako manatrika ny lalana;
- Eg let’kje framand natta ute; for ferdamann eg opna døri -
33 Raha tàhiny aho mba nanarona ny fahadisoako tahaka an’ i Adama ka nanafina ny heloko tato an-tratrako,
hev eg som Adam dult mi synd, og løynt mi misgjerd i min barm,
34 Satria nampihorohoro ny foko ny vahoaka maro be, ary natahotra aho, fandrao hamavoin’ ny fokon’ olona, ka dia namitsaka, fa tsy sahy nivoaka ny varavarana
di eg var rædd den store hop og ottast spott frå ættefrendar, so stilt eg heldt meg innum dører?
35 Enga anie ka hisy hihaino ahy! Indro ny soniako! Enga anie ka hamaly ahy ny Tsitoha! Indro ny taratasy voasoratr’ ilay manana ady amiko!
Å, vilde nokon høyra på meg! Sjå her er underskrifti mi, lat berre Allvald svara meg! Fekk eg den skrift min motpart skreiv,
36 Hataoko eny an-tsoroko tokoa izany ary hafehiko amiko ho satro-boninahitra.
den skulde eg på oksli bera og binda på meg som ein krans
37 Ny isan’ ny diako dia hambarako aminy, ary tahaka ny fanakon’ ny zanak’ andriana no hanatonako Azy.
eg melde honom kvart mitt stig, og som ein hovding møta honom.
38 Raha tàhiny mitaraina hiampanga ahy ny taniko, ka miara-mitomany ny vavasako;
Dersom min åker klagar meg, og um plogforerne lyt gråta,
39 Raha tàhiny aho nihinana ny vokatra, nefa tsy nandoa ny vidiny. Na nanao izay hahafaty ny ain’ ny tompony:
åt eg hans grøda ubetalt, tok livet eg av eigarmannen:
40 Dia aoka ny tsilo no haniry hisolo ny vary tritika. Ary ny ahi-dratsy hisolo ny vary hordea. Tapitra ny tenin’ i Joba.
Lat då for kveite klunger gro, og ugras der eg sådde bygg!» Her endar Jobs tale.