< Joba 30 >
1 Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy na dia izay tokon-jandriko aza, dia zanak’ ireo izay nolaviko tsy ho isan’ ny amboa miandry ny ondriko akory aza.
“Lakini sasa watu wadogo kwa umri kuniliko wananidhihaki, watu ambao baba zao ningekataa kwa dharau kuwaweka pamoja na mbwa wangu wa kulinda kondoo.
2 Eny, mampaninona ahy ny herin’ ny tànan’ ireo. Izay efa very fahatanjahana?
Nguvu za mikono yao zingekuwa na faida gani kwangu, kwa kuwa nguvu zao zilikuwa zimewaishia?
3 Manjenjena noho ny tsi-fisian-kanina sy ny mosary izy; Homankomana foana any an-tany karankaina izy, dia eo an-katoky ny loza sy ny fandringanana.
Wakiwa wamekonda kutokana na kupungukiwa na kwa njaa, walizurura usiku katika nchi kame iliyo ukiwa.
4 Mitsongo anambodihena eo amin’ ny kirihitrala izy, ary ny fakan’ ny anjavidy no fihinany.
Katika vichaka walikusanya mimea ya chumvi, nacho chakula chao kilikuwa mizizi ya mti wa mfagio.
5 Roahina tsy ho eo amin’ ny olona izy sady akoraina toy ny mpangalatra.
Walifukuzwa mbali na watu wao, wakipigiwa kelele kama wevi.
6 Any an-dohasaha mahatsiravina no tsy maintsy itoerany, dia ao an-dava-tany sy an-dava-bato.
Walilazimika kuishi katika mikondo ya vijito vilivyokauka, kwenye majabali na mahandaki.
7 Minananana eny amin’ ny kirihitrala izy ary mitangorona eo ambanin’ ny amiana.
Kwenye vichaka walilia kama punda, na walijisongasonga pamoja kwenye vichaka.
8 Zanaky ny adala izy sady zanaky ny tsy manan-kaja, ka roahina tsy ho eo amin’ ny tany.
Wao ni watoto wa wapumbavu wenye asili ya ubaya, waliofukuzwa watoke katika nchi.
9 Ary ankehitriny efa ataony an-kira aho. Eny, efa ambentinteniny aho.
“Nao sasa wana wao wananidhihaki katika nyimbo; nimekuwa kitu cha dhihaka kwao.
10 Ataony toy ny zava-betaveta aho ka halaviriny, ary tsy menatra handrora ny tavako izy.
Wananichukia sana na kujitenga nami, wala hawasiti kunitemea mate usoni.
11 Fa noketrahin’ Andriamanitra ny kofehiko, ka nampietreny aho; Ka dia mba nesorin’ iretsy kosa teo anatrehako ny lamboridiny.
Sasa kwa kuwa Mungu ameilegeza kamba ya upinde wangu na kunitesa, wamekuwa huru kunitendea waonavyo.
12 Misy androvolahy mitsangana eo ankavanako; Manosika ny tongotro hiala izy ary manandratra tovon-tany hampidirany loza amiko.
Kuume kwangu kundi linashambulia; wao huitegea miguu yangu tanzi, na kunizingira.
13 Mandrava ny lalako sy manararaotra ny andravana ahy izy, nefa ny tenany tsy manan-kamonjy,
Huizuia njia yangu, nao hufanikiwa katika kuniletea maafa, nami sina yeyote wa kunisaidia.
14 Toy ny fiditra eo amin’ ny banga lehibe no fihaviny, ka avy ao amin’ ny voarava no imaonany.
Wananijia kama watu wapitao katika ufa mpana; katikati ya magofu huja na kunishambulia.
15 Voatodika hamely ahy ny fampitahorana: Manenjika ny voninahitro tahaka ny rivotra izy, ka levona tahaka ny rahona ny famonjena ahy
Vitisho vimenifunika; heshima yangu imetoweshwa kama kwa upepo, salama yangu imetoweka kama wingu.
16 Ary ankehitriny, raraka ato anatiko ny fanahiko. Fenjàn’ ny andro fahoriana aho.
“Sasa maisha yangu yamefikia mwisho; siku za mateso zimenikamata.
17 Ny alina mampahalò ny taolako ho afaka amiko, ary tsy mitsahatra ireo manotahota ahy ireo.
Usiku mifupa yangu inachoma; maumivu yanayonitafuna hayatulii kamwe.
18 Noho ny haben’ ny hery dia tonga tsy antonona ny akanjoko, manenda ahy tahaka ny vozon-dobaka izany.
Kwa uwezo wake mkuu Mungu huwa kwangu kama nguo; hushikamana nami kama ukosi wa vazi langu.
19 Eny, nanary ahy teo amin’ ny fotaka Izy, ka efa tahaka ny vovoka sy ny lavenona aho
Yeye amenitupa kwenye matope, nami nimekuwa kama mavumbi na majivu.
20 Mitaraina aminao aho, nefa tsy mihaino ahy Hianao; Mijoro eo aho, nefa ierenao foana.
“Ee Bwana, ninakulilia wewe lakini hunijibu; ninasimama, nawe unanitazama tu.
21 Efa manjary lozabe amiko Hianao; Ny herin’ ny tananao no andrafianao ahy.
Wewe unanigeukia bila huruma; unanishambulia kwa nguvu za mkono wako.
22 Aingainao ho eny amin’ ny rivotra aho ka alefanao handeha, ary levoninao amin’ ny tafio-drivotra mifofofofo ho tsinontsinona aho.
Unaninyakua na kunipeperusha kwa upepo; umenirusha huku na huko kwenye dhoruba kali.
23 Fa fantatro fa hampodinao any amin’ ny fahafatesana aho, dia any amin’ ny trano fivorian’ ny olombelona rehetra.
Ninajua utanileta mpaka kifoni, mahali ambapo wenye uhai wote wamewekewa.
24 Kanefa tsy manainga ny tànany va ny olona, raha ianjeran’ ny rava? Ary tsy mitaraina va izy, raha tratry ny loza?
“Hakika hakuna yeyote amshambuliaye mhitaji, anapoomba msaada katika shida yake.
25 Tsy nitomany ny ory va aho? Tsy nangorakoraka ny malahelo va ny fanahiko?
Je, sikulia kwa ajili ya wale waliokuwa katika taabu? Je, nafsi yangu haikusononeka kwa ajili ya maskini?
26 Fa niandry ny soa aho, kanjo tonga ny ratsy; Ary nanantena ny mazava aho, kanjo avy ny maizina.
Lakini nilipotazamia mema, mabaya yalinijia; nilipotafuta nuru, ndipo giza lilipokuja.
27 Nandevilevy ny tsinaiko ka tsy nanam-pitsaharana; Nitsena ahy ny andro fahoriana.
Kusukwasukwa ndani yangu kamwe hakutulii; siku za mateso zinanikabili.
28 Mitsaitsaika mitafy lamba fisaonana aho sady tsy mahita masoandro; Mitsangana aho ka mitaraina eo ampivorian’ ny olona.
Ninazunguka nikiwa nimeungua, lakini si kwa jua; ninasimama katika kusanyiko nikiomba msaada.
29 Rahalahin’ ny amboadia aho Ary naman’ ny ostritsa.
Nimekuwa ndugu wa mbweha, rafiki wa mabundi.
30 Efa mainty ny hoditro sady miendakendaka, ary efa karankaina noho ny hafanana ny taolako.
Ngozi yangu imekuwa nyeusi nayo inachunika; mifupa yangu inaungua kwa homa.
31 Nanjary fisaonana ny lokangako. Ary feon’ ny mitomany ny sodiko.
Kinubi changu kimegeuka kuwa maombolezo, nayo filimbi yangu imekuwa sauti ya kilio.