< Joba 29 >

1 Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:
Ayubu akaendelea na hoja yake, akasema:
2 Enga anie ka ho tahaka ny tamin’ ireny volana lasa ireny aho! Dia tahaka ilay tamin’ ny andro niarovan’ Andriamanitra ahy!
“Tazama jinsi ninavyoitamani miezi iliyopita, zile siku ambazo Mungu alikuwa akinilinda,
3 Fony mbola nazava teo ambonin’ ny lohako ny jirony, ary ny fahazavany no nandehanako tao amin’ ny maizina;
wakati taa yake iliniangazia kichwani changu, na kwa mwanga wake Mungu nikapita katikati ya giza!
4 Eny, tahaka ny toetro fony aho mbola fararano, raha niseho teo ambonin’ ny laiko ny fisakaizan’ Andriamanitra;
Natamani siku zile nilizokuwa katika ustawi wangu, wakati urafiki wa Mungu wa ndani ulipoibariki nyumba yangu,
5 Fony mbola tao amiko ny Tsitoha, Ary nanodidina ahy ny zanako;
wakati Mwenyezi alikuwa pamoja nami, nao watoto wangu walikuwa wamenizunguka,
6 Fony mbola nanasa ny tongotro tamin’ ny rononomandry aho, ary ny vatolampy namoaka renirano diloilo teo amiko;
wakati njia yangu ilikuwa imenyweshewa siagi, nao mwamba ukanimiminia vijito vya mafuta ya zeituni.
7 Raha niainga niakatra ho eo amin’ ny vavahadin’ ny tanàna aho ka nametraka ny fipetrahako teo an-kalalahana,
“Wakati nilipokwenda kwenye lango la mji na kuketi katika kiwanja,
8 Dia nahita ahy ny zatovo ka niampirimpirina; Ary niainga ny fotsy volo, dia nijoro;
vijana waliniona wakakaa kando, nao wazee walioketi wakasimama;
9 Nangina tsy niteny ny lehibe ka nitampim-bava;
wakuu wakaacha kuzungumza na kuziba vinywa vyao kwa mikono yao;
10 Tsy sahy niteny ny mpanapaka, ary ny lelany niraikitra tamin’ ny lanilaniny.
wenye vyeo wakanyamazishwa, nazo ndimi zao zikagandamana na makaakaa ya vinywa vyao.
11 Izay sofina nandre dia nanao ahy hoe sambatra; Ary Izay maso nahita dia vavolombelona ho ahy,
Yeyote aliyenisikia alinena mema juu yangu, nao walioniona walinisifu,
12 Satria namonjy ny ory izay nitaraina aho sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy.
kwa sababu nilimwokoa maskini aliyeomba msaada, naye yatima aliyekuwa hana wa kumsaidia.
13 Ny fisaoran’ izay efa ho faty dia tonga tamiko; Ary ny fon’ ny mpitondratena nampifaliko.
Mtu aliyekuwa karibu kufa alinibariki, nami niliufanya moyo wa mjane kuimba.
14 Nitafy fahamarinana aho, ka mba nitafy ahy kosa izy; Eny, tahaka ny lamba sy ny hamama ny rariny izay nananako.
Niliivaa haki kama vazi langu; uadilifu ulikuwa joho langu na kilemba changu.
15 Efa maso ho an’ ny jamba aho ary tongotra ho an’ ny mandringa.
Nilikuwa macho ya kipofu na miguu kwa kiwete.
16 Efa ray ho an’ ny malahelo aho, ary ny adin’ ny olona tsy fantatro aza nodinihiko.
Nilikuwa baba kwa mhitaji; nilimtetea mgeni.
17 Namaky ny nifin’ ny ratsy fanahy aho ka nandrombaka ny babo teo am-bavany
Niliyavunja meno makali ya waovu, na kuwapokonya wahanga kwenye meno yao.
18 Dia hoy izaho: Eo amin’ ny akaniko ihany no hialako aina, ary hanamaro ny androko toy ny fasika aho.
“Nikafikiri, ‘Nitafia katika nyumba yangu mwenyewe, nazo siku zangu zitakuwa nyingi kama chembechembe za mchanga.
19 Ny fakako ho azon’ ny rano, ary ny ando hitoetra amin’ ny sampako mandritra ny alina.
Mizizi yangu itafika mpaka kwenye maji, nao umande utakaa juu ya matawi yangu usiku kucha.
20 Ho vaovao amiko lalandava ny voninahitro, ary ny tsipikako hihahenjana eny an-tanako.
Utukufu wangu utabakia kuwa mpya ndani yangu, upinde wangu daima utaendelea kuwa mpya mkononi mwangu.’
21 Nihaino ahy ny olona, dia niandry, ka nangina tamin’ ny fanolorako saina izy.
“Watu walinisikiliza kwa tumaini, wakingojea ushauri wangu kwa utulivu.
22 Rehefa niteny aho, dia tsy mba namaly intsony izy; ary nitetevan’ ny teniko izy.
Baada ya mimi kuzungumza, hawakusema zaidi; maneno yangu yaliingia masikioni mwao kwa makini.
23 Niandry ahy toy ny fiandry ny ranonorana izy ary nitanatana vava toy ny fiandry ny fara-orana.
Waliningojea kama manyunyu ya mvua na kuyapokea maneno yangu kama ardhi inyonyavyo mvua ya vuli.
24 Raha nisy nila ho ketraka, dia mbola niseho miramirana taminy ihany ny tarehiko, ary tsy nahamaloka ny fahazavan’ ny tavako ireo.
Walipokata tamaa niliwaonyesha uso wa furaha; nuru ya uso wangu ilikuwa ya thamani kwao.
25 Nifidy ny lalan-kalehany aho ka nipetraka ho lohany, eny, nitoetra toy ny mpanjaka teo amin’ ny miaramila sy toy ny mpampionona ny misaona aho.
Niliwachagulia njia na kukaa kama mkuu wao; niliishi kama mfalme katikati ya majeshi yake; nikawa kama yeye anayewafariji waombolezaji.

< Joba 29 >