< Joba 28 >

1 Fa misy tany fihadiana volafotsy, ary misy tany fahazoana volamena, izay diovina.
Hakika kuna machimbo ya fedha, wanaposafisha dhahabu.
2 Ny vy dia alaina avy amin’ ny tany, ary ny varahina arendrika avy amin’ ny vato.
Chuma uchimbwa; shaba uyeyushwa kutoka katika jiwe.
3 Ny mpihady vola mampisava ny maizina ka mizaha hatramin’ ny faran’ ny zavatra rehetra ao, dia ny vaton’ ny aizim-pito sy ny aloky ny fahafatesana;
Mtu anaondoa giza na kutafuta, katika mpaka wa mbali, mawe hayaonekani na giza totoro.
4 Mihady lavaka mihalavitra amin’ izay itoeran’ olona izy ka tsy ampoizin’ ny tongotra akory, ary mihantona sy mitsingevaheva any ambany lavitra ny olona izy.
Huchimba shimo mbali na makazi ya watu, mahali pasipopitwa na mtu. Huning'inia mbali na watu; uharakisha kwenda na kurudi.
5 Ny tany no ihavian’ ny hanina; Ary ny ao ambaniny dia avadika tahaka ny afo.
Kwa nchi, kizalishwapo chakula, inapinduliwa kama kwa moto.
6 Fitoeran’ ny safira ny vatony, ary misy akoram-bolamena ao aminy
Mawe yake yana johari, na vumbi lake lina dhahabu.
7 Làlana tsy fantatry ny vorona mpihaza ary tsy hitan’ ny mason’ ny voromahery,
Hata ndege mwindaji hapajui, wala jicho la kipanga halijapaona.
8 Sady tsy nodiavin’ ny zanaky ny bibi-dia ary tsy mba nalehan’ ny liona masiaka.
Ndege mwenye majivuna hajawai kuiona njia hiyo, wala simba mkali kupita pale.
9 Maninjitra ny tànany amin’ ny vatokaranana ireo ary mamadika ny tendrombohitra hatramin’ ny fotony;
Mtu huchimba mwamba mgumu; hupindua milima katika vyanzo vyake.
10 Ny vatolampy tatahany hatao lalan-drano, ary izay zava-tsoa rehetra dia hitan’ ny masony avokoa.
Huweka njia katika miamba; macho yake pale kila kilicho cha thamani.
11 Tampenany ny lalan-drano mba tsy hisy mitete. Ary izay zava-miafina dia avoakany ho amin’ ny mazava.
Hufunga vyanzo hata wasiondoke; kilichofichika pale hukifunua.
12 Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? ary aiza no fitoeran’ ny fahalalana?
Hekima itakuwa wapi? Mahali pa ufahamu ni wapi?
13 Tsy misy zanak’ olombelona mahalala ny vidiny, ary tsy hita eo amin’ ny tanin’ ny velona izy.
Mtu hafahamu thamani yake; wala haipatikani katika nchi ya walio hai.
14 Hoy ny lalina: Tsy ato anatiko izy; Ary, tsy ato amiko izy, hoy ny ranomasina.
Vilindi vya maji chini ya nchi husema, 'Haiko kwangu'; bahari husema, 'Haipo pamoja nami.'
15 Ny volamena tsara tsy mahatakalo azy, ary ny volafotsy tsy azo lanjaina ho vidiny;
Hainunuliwi kwa dhahabu; wala hailinganishwi na fedha.
16 Ny volamena avy any Ofira tsy ampy ho tombany, na ny beryla saro-bidy sy ny safira aza.
Haiwezi kuthamanishwa na dhahabu ya Ofiri, kwa jiwe jeusi la thamani au johari.
17 Ny volamena sy ny fitaratra tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy azo takalozana firavaka tena volamena izy.
Dhahabu na fuwele hailingani nayo kwa thamani; wala haiwezi kubadilishwa kwa vito vya dhahabu safi.
18 Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato krystaly, fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy.
Hailinganishwi na marijani wala yaspi; hakika, thamani ya hekima inapita madini ya rubi.
19 Ny topaza avy any Etiopia dia tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy mahatakalo azy ny tena volamena tsara
Topazi ya Ethiopia hailinganishwi nayo; wala kuthamanishwa kwa dhahabu safi.
20 Dia avy aiza ary ny fahendrena? Ary aiza no fitoeran’ ny fahalalana?
Je hekima inatoka wapi? Mahali pa ufahamu ni wapi?
21 Miafina amin’ ny mason’ ny velona rehetra izany ary takona amin’ ny voro-manidina.
Hekima imejificha mbali na macho ya viumbe wote na ndege wa angani.
22 Hoy Abadona sy Ifahafatesana: Ny sofinay ihany no nandrenesany ny filazana azy.
Mauti na uharibifu husema, 'Tumesikia tu tetesi kwa masikio yetu.'
23 Andriamanitra ihany no mahalala ny lalana ho any aminy, ary Izy no mahafantatra ny itoerany;
Mungu hufahamu njia ya kuipata; anapafahamu ilipo.
24 Fa Izy no mitsinjo hatramin’ ny faran’ ny tany ary mahatazana manerana izao ambanin’ ny lanitra rehetra izao,
Kwani uona miisho yote ya dunia na huona chini ya mbingu zote.
25 Ka manendry ny lanjan’ ny rivotra ary mamatra ny rano amin’ ny famarana.
Hapo kale, alifanya nguvu za upepo na kuyagawanya maji kwa kipimo.
26 Raha nanao lalana ho an’ ny ranonorana Izy sy lalana halehan’ ny helatry ny kotrokorana,
Aliiwekea mvua tamko na njia ya radi na munguromo.
27 Dia nahita ka nanambara azy Izy; Eny, nanorina azy Izy sady namantatra azy;
Kisha akaiona hekima na kuitangaza; aliianzisha, bila shaka, na kuipima.
28 Dia hoy Izy tamin’ ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialàna amin’ ny ratsy no fahalalana.
Aliwambia watu, 'Tazameni, kumcha Bwana - ni hekima; kuacha uovu ni ufahamu.”

< Joba 28 >