< Joba 27 >
1 Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:
Ndipo Ayubu akaendelea na hoja yake, akasema:
2 Raha velona koa Andriamanitra, Izay efa nandà tsy hanome ahy ny rariny, sy ny Tsitoha, Izay efa nampangidy ny aiko.
“Hakika kama Mungu aishivyo, aliyeninyima haki yangu, Mwenyezi ambaye amenifanya nionje uchungu wa nafsi,
3 Fa mbola ato anatiko ihany ny aiko, ary eo am-bavoroko ny Fanahin’ Andriamanitra.
kwa muda wote nitakaokuwa na uhai ndani yangu, nayo pumzi ya Mungu ikiwa puani mwangu,
4 Dia tsy hanao teny tsy marina ny molotro, ary tsy hanonom-pitaka ny lelako.
midomo yangu haitanena uovu, wala ulimi wangu hautatamka udanganyifu.
5 Sanatria raha hanaiky ny anareo ho marina aho! Mandra-pialan’ ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho.
Sitakubaliana nanyi kabisa kuwa mko sahihi; hadi nife, sitakana uadilifu wangu.
6 Ny fahamarinako dia hazoniko mafy ka tsy ho foiko; Ny foko tsy manome tsiny ahy akory na dia ny amin’ ny androko iray monja aza.
Nitadumisha haki yangu wala sitaiacha; dhamiri yangu haitanisuta muda wote ninaoishi.
7 Aoka ho hita fa ratsy fanahy ny fahavaloko, ary tsy marina izay mitsangana hanohitra ahy.
“Watesi wangu wawe kama waovu, nao adui zangu wawe kama wasio haki!
8 Fa inona no fanantenan’ ny mpihatsaravelatsihy, raha maito ny ainy, ka tsoahan’ Andriamanitra ny fanahiny?
Kwa maana mtu asiyemcha Mungu analo tegemeo gani anapokatiliwa mbali, Mungu anapouondoa uhai wake?
9 Hihaino ny fitarainany va Andriamanitra, raha ozoim-pahoriana izy?
Je, Mungu husikiliza kilio chake, shida zimjiapo?
10 Ho azony hiravoravoana va ny Tsitoha? Hahazo miantso an’ Andriamanitra mandrakariva va izy?
Je, anaweza kumfurahia Mwenyezi? Je, atamwita Mungu nyakati zote?
11 Hampianatra anareo ny amin’ ny tànan’ Andriamanitra aho, ary tsy hisorona anareo aho ny amin’ ny hevitry ny Tsitoha.
“Nitawafundisha juu ya uweza wa Mungu; njia za Mwenyezi sitazificha.
12 Indreo, ianareo rehetra samy efa nahita izany; Koa nahoana ianareo no manao hevi-poana?
Ninyi nyote mmeona hili wenyewe. Ni ya nini basi mazungumzo haya yasiyo na maana?
13 Izao no anjaran’ ny ratsy fanahy avy amin’ Andriamanitra, sy lovan’ ny lozabe raisiny avy amin’ ny Tsitoha:
“Hili ndilo fungu ambalo Mungu humpa mtu mwovu, urithi ule mtu mdhalimu anapokea kutoka kwa Mwenyezi:
14 Na dia mihamaro aza ny zanany, dia ho an’ ny sabatra ihany ireny. Ary ny zaza aterany tsy ho voky hanina;
Hata kama watoto wake watakuwa wengi kiasi gani, fungu lao ni kuuawa kwa upanga; wazao wake hawatakuwa kamwe na chakula cha kuwatosha.
15 Ny ankohonany sisa dia hasitrik’ Ifahafatesana, ary tsy hisaona azy ny mpitondratenany;
Tauni itawazika wale watakaonusurika miongoni mwao, nao wajane wao hawatawaombolezea.
16 Na dia mahary volafotsy hoatra ny vovoka aza izy ary mahangona fitafiana hoatra ny fotaka,
Ajapokusanya fedha nyingi kama mavumbi, na mavazi kama malundo ya udongo wa mfinyanzi,
17 Eny, manangona ihany izy, nefa ny marina no hitafy izany, ary ny tsy manan-tsiny no hizara ny volafotsy;
yale yote mtu mwovu aliyojiwekea akiba, mwenye haki atayavaa, naye asiye na hatia ataigawanya fedha yake.
18 Manao ny tranony tahaka ny an’ ny lolofotsy izy, ary tahaka ny trano rantsan-kazo ataon’ ny mpiandry voly;
Nyumba aijengayo ni kama utando wa buibui, kama kibanda alichotengeneza mlinzi.
19 Ao avokoa ihany ny hareny, raha vao mandry izy; Nefa nony ahirany ny masony, dia tsy ao intsony ireny.
Yeye hulala akiwa tajiri, lakini ndiyo mara ya mwisho; afunguapo macho yake, yote yametoweka.
20 Ny fampahatahorana mahatratra azy tahaka ny riaka: Nony alina paohin’ ny tafio-drivotra izy;
Vitisho humjia kama mafuriko; dhoruba humkumba ghafula usiku.
21 Ny rivotra avy any atsinanana mampiainga sy mahalasa azy ka mipaoka azy hiala amin’ ny fitoerany;
Upepo mkali wa mashariki humchukua, naye hutoweka; humzoa kutoka mahali pake.
22 Asian’ Andriamanitra izy ka tsy iantrany, ary mandositra dia mandositra ho afaka amin’ ny tànany izy;
Humvurumisha bila huruma, huku akikimbia kasi kukwepa nguvu zake.
23 Tehafin’ ny olona tanana izy sady isitrisirany ka ampialainy amin’ ny fonenany.
Upepo humpigia makofi kwa dharau, na kumfukuza atoke mahali pake.