< Joba 27 >
1 Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:
2 Raha velona koa Andriamanitra, Izay efa nandà tsy hanome ahy ny rariny, sy ny Tsitoha, Izay efa nampangidy ny aiko.
3 Fa mbola ato anatiko ihany ny aiko, ary eo am-bavoroko ny Fanahin’ Andriamanitra.
4 Dia tsy hanao teny tsy marina ny molotro, ary tsy hanonom-pitaka ny lelako.
5 Sanatria raha hanaiky ny anareo ho marina aho! Mandra-pialan’ ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho.
6 Ny fahamarinako dia hazoniko mafy ka tsy ho foiko; Ny foko tsy manome tsiny ahy akory na dia ny amin’ ny androko iray monja aza.
7 Aoka ho hita fa ratsy fanahy ny fahavaloko, ary tsy marina izay mitsangana hanohitra ahy.
8 Fa inona no fanantenan’ ny mpihatsaravelatsihy, raha maito ny ainy, ka tsoahan’ Andriamanitra ny fanahiny?
9 Hihaino ny fitarainany va Andriamanitra, raha ozoim-pahoriana izy?
10 Ho azony hiravoravoana va ny Tsitoha? Hahazo miantso an’ Andriamanitra mandrakariva va izy?
11 Hampianatra anareo ny amin’ ny tànan’ Andriamanitra aho, ary tsy hisorona anareo aho ny amin’ ny hevitry ny Tsitoha.
12 Indreo, ianareo rehetra samy efa nahita izany; Koa nahoana ianareo no manao hevi-poana?
13 Izao no anjaran’ ny ratsy fanahy avy amin’ Andriamanitra, sy lovan’ ny lozabe raisiny avy amin’ ny Tsitoha:
14 Na dia mihamaro aza ny zanany, dia ho an’ ny sabatra ihany ireny. Ary ny zaza aterany tsy ho voky hanina;
15 Ny ankohonany sisa dia hasitrik’ Ifahafatesana, ary tsy hisaona azy ny mpitondratenany;
16 Na dia mahary volafotsy hoatra ny vovoka aza izy ary mahangona fitafiana hoatra ny fotaka,
17 Eny, manangona ihany izy, nefa ny marina no hitafy izany, ary ny tsy manan-tsiny no hizara ny volafotsy;
18 Manao ny tranony tahaka ny an’ ny lolofotsy izy, ary tahaka ny trano rantsan-kazo ataon’ ny mpiandry voly;
19 Ao avokoa ihany ny hareny, raha vao mandry izy; Nefa nony ahirany ny masony, dia tsy ao intsony ireny.
20 Ny fampahatahorana mahatratra azy tahaka ny riaka: Nony alina paohin’ ny tafio-drivotra izy;
21 Ny rivotra avy any atsinanana mampiainga sy mahalasa azy ka mipaoka azy hiala amin’ ny fitoerany;
22 Asian’ Andriamanitra izy ka tsy iantrany, ary mandositra dia mandositra ho afaka amin’ ny tànany izy;
23 Tehafin’ ny olona tanana izy sady isitrisirany ka ampialainy amin’ ny fonenany.