< Joba 25 >

1 Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe.
Then Bildad the Shuhite answered,
2 Fanapahana sy fampahatahorana no ao aminy, manao fihavanana any amin’ ny avo Izy.
“Dominion and fear are with him. He makes peace in his high places.
3 Azo isaina va ny miaramilany? Ary fahazavan’ iza no tsy ihoaran’ ny Azy?
Can his armies be counted? On whom does his light not arise?
4 Ary aiza no hahamarina ny zanak’ olombelona eo anatrehan’ Andriamanitra? Ary aiza no hadio izay tera-behivavy?
How then can man be just with God? Or how can he who is born of a woman be clean?
5 Indro, ny volana aza tsy mangarangarana, ary ny kintana aza tsy madio eo imasony;
Behold, even the moon has no brightness, and the stars are not pure in his sight;
6 Koa mainka fa ny olombelona, izay kankana, ary ny zanak’ olombelona, izay olitra.
How much less man, who is a worm, and the son of man, who is a worm!”

< Joba 25 >