< Joba 24 >
1 Nahoana no tsy misy fotoan’ andro voatendrin’ ny Tsitoha, ary nahoana no tsy hitan’ ny mahalala Azy izany androny Izany?
全能者既定期罰惡, 為何不使認識他的人看見那日子呢?
2 Misy mamindra fari-tany sy mangalatra omby aman’ ondry sady miandry azy.
有人挪移地界, 搶奪群畜而牧養。
3 Mandroaka ny borikin’ ny kamboty izy, ary maka ny ombin’ ny mpitondratena ho tsatòka.
他們拉去孤兒的驢, 強取寡婦的牛為當頭。
4 Manosika ny mahantra hiala amin’ ny lalana izy, ka dia miery azy avokoa ny malahelo amin’ ny tany.
他們使窮人離開正道; 世上的貧民盡都隱藏。
5 Indro, tahaka ny fivoaky ny boriki-dia any an-efitra no fivoak’ ireny ho amin’ ny asany hiremby; Ny tani-hay no ahazoany hanina ho an’ ny zanany.
這些貧窮人如同野驢出到曠野,殷勤尋找食物; 他們靠着野地給兒女糊口,
6 Any an-tsaha izy maka vilona sy mitsimpontsimpona ny voaloboky ny ratsy fanahy.
收割別人田間的禾稼, 摘取惡人餘剩的葡萄,
7 Mandry mitanjaka amin’ ny alina izy, satria tsy manan-damba, ka dia tsy manana firakotra amin’ ny hatsiaka;
終夜赤身無衣, 天氣寒冷毫無遮蓋,
8 Kotsan’ ny ranonoram-baratra any an-tendrombohitra izy, ka mitampisaka amin’ ny vatolampy, fa tsy manam-pialofana.
在山上被大雨淋濕, 因沒有避身之處就挨近磐石。
9 Misarika ny kamboty eo am-pinonoana izy ary maka tsatòka amin’ ny ory.
又有人從母懷中搶奪孤兒, 強取窮人的衣服為當頭,
10 Mandeha mitsaitsaika ireo, fa mitanjaka tsy manan-kitafy, ary noana eo am-pitondrana ny amboaram-bary.
使人赤身無衣,到處流行, 且因飢餓扛抬禾捆,
11 Manao diloilo eo anatin’ ny tambohon’ ny mpampahory azy izy; Ary manosihosy ny famiazam-boaloboka izy, nefa mangetaheta ihany.
在那些人的圍牆內造油,醡酒, 自己還口渴。
12 Mitrona ny lehilahy ao an-tanana, ary mitaraina ny fanahin’ ny voalefona; Nefa tsy ahoan’ Andriamanitra akory ny ratsy atao.
在多民的城內有人唉哼, 受傷的人哀號; 上帝卻不理會那惡人的愚妄。
13 Ireny no mpikomy amin’ ny mazava; Tsy mba mihevitra ny lalany izy, na mitoetra eo amin’ ny alehany.
又有人背棄光明, 不認識光明的道, 不住在光明的路上。
14 Raha vao mangiran-dratsy, dia mifoha ny mpamono olona; Mamono ny ory sy ny malahelo izy, ary nony alina, dia tahaka ny mpangalatra.
殺人的黎明起來, 殺害困苦窮乏人, 夜間又作盜賊。
15 Ny mason’ ny mpijangajanga miandry ny maizimaizina, ka hoy izy: Tsy misy hahalala ahy ka dia manao very maso izy.
姦夫等候黃昏, 說:必無眼能見我, 就把臉蒙蔽。
16 Misy manamy trano nony maizina; Nefa nony antoandro dia miery izy; Tsy mahalala ny mazava izy;
盜賊黑夜挖窟窿; 白日躲藏, 並不認識光明。
17 Fa ny aizim-pito no marainan’ ireo rehetra ireo; Satria efa mahazatra azy ny fampahatahoran’ ny aizim-pito izy.
他們看早晨如幽暗, 因為他們曉得幽暗的驚駭。
18 Mitsinkafona paohin’ ny rano izy; Voaozona ny anjarany eo amin’ ny tany; Tsy mivily ho amin’ ny lalana mankeny amin’ ny tanim-boaloboka izy.
這些惡人猶如浮萍快快飄去。 他們所得的分在世上被咒詛; 他們不得再走葡萄園的路。
19 Toy ny andevonan’ ny maina sy ny mafana ny ranom-panala no andevonan’ ny fiainan-tsi-hita ny mpanota. (Sheol )
乾旱炎熱消沒雪水; 陰間也如此消沒犯罪之輩。 (Sheol )
20 Manadino azy ny vohoka; manjary hanim-py ho an’ ny olitra izy ka tsy tsarovana intsony; Ary tapaka tahaka ny hazo ny ratsy fanahy,
懷他的母要忘記他; 蟲子要吃他,覺得甘甜; 他不再被人記念。 不義的人必如樹折斷。
21 Dia ilay nandroba ny momba izay tsy niteraka ary tsy nanisy soa ny mpitondratena.
他惡待不懷孕不生養的婦人, 不善待寡婦。
22 Kanefa halavain’ Andriamanitra amin’ ny heriny ny andron’ ny olo-mahery; Mitsangana indray ireo, na dia tsy nanampo izay ho velona intsony aza.
然而上帝用能力保全有勢力的人; 那性命難保的人仍然興起。
23 Ataony mandry fahizay sy tsara tohana izy, sady tsinjoviny mandrakariva ny lalany.
上帝使他們安穩,他們就有所倚靠; 上帝的眼目也看顧他們的道路。
24 Nasandratra izy, kanjo vetivety dia tsy ao intsony, dia mihalevona izy ka otazana tahaka ny olona rehetra, ary tangosana tahaka ny salohim-bary.
他們被高舉,不過片時就沒有了; 他們降為卑,被除滅,與眾人一樣, 又如穀穗被割。
25 Raha tsy izany, dia aoka hisy hamaky lainga ahy ka hampiseho ny teniko ho tsinontsinona.
若不是這樣,誰能證實我是說謊的, 將我的言語駁為虛空呢?