< Joba 23 >

1 Dia namaly Joba ka nanao hoe:
約伯回答說:
2 Mbola atao ho fikomianao ihany ny fitarainako; Ny tanana mamely ahy dia mitambesatra amin’ ny fisentoako.
直到今天,我還是痛苦的哀訴,他沉重的手掌,使我不得不呻吟。
3 Enga anie ka ho fantatro izay hahitako Azy ka ho tonga any amin’ ny fitoerany aza!
惟願我知道怎樣能尋到天主,能達到他的寶座前,
4 Dia handahatra ny teniko eo anatrehany aho. Ka hofenoiko ny teny alahatro ny vavako;
好將我的案情向他陳訴,因為我口中滿了證詞!
5 Ary hahalala izay teny havaliny ahy aho sy hamantatra izay holazainy amiko.
唯願我知道他答覆我的話,明瞭他向我說什麼!
6 Hery lehibe va no handaharany teny amiko? Tsia, fa Izy indrindra no hihaino ahy
他豈能靠強力同我爭辯﹖決不,他必留神聽我。
7 Fa amin’ izany dia olona marina no ho nifandahatra taminy; Ka dia ho nanan-drariny mihitsy aho tamin’ ny Mpitsara ahy.
如此,他會分辨出同他爭論的是個正直人,也許我可永久不再受裁判!
8 Indro, miantsinanana aho, fa tsy any Izy; Ary miankandrefana aho, fa tsy hitako Izy;
可是我往東行,他不在那裏;我往西行,也找不到他;
9 Mianavaratra amin’ izay iasany aho, fa tsy tazako Izy; Mivily any atsimo Izy, ka tsy hitako.
往北找,也看不見他;往南去,也見不到他。
10 Fa mahalala ny lalana falehako Izy; Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena.
他洞悉我所有的行動。他若試驗我,我必如純金出現。
11 Ny tongotro nifikitra tamin’ ny lalany; Eny, ny lalany no nizorako tsara, ka tsy nivily aho.
我的腳緊隨著他的足跡,謹守他的道,總沒有偏離。
12 Ny didin’ ny molony tsy mba nialako; Ny tenin’ ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako.
他所發的命令,我總沒有違背;他口中的訓言,我常保存在心中。
13 Nefa tsy miova saina Izy, iza no mahasakana Azy? Fa na inona na inona irin’ ny fanahiny dia ataony.
但他所決定的,誰能變更﹖他所樂意的,必要實行。
14 Eny, manatanteraka izay voatendry ho ahy Izy; Ary zavatra maro toy izany no ao aminy;
他為我注定的,必要完成;類似的事,還有很多。
15 Roa Izany no mampangovitra ahy eo anatrehany; Raha misaintsaina izany aho, dia matahotra Azy.
因此,為了他,我很驚慌,一想起來就害怕。
16 Fa Andriamanitra no mandrerakany foko, ary ny Tsitoha no mampangovitra ahy;
天主使我的心沮喪,全能者使我恐怖。
17 Fa tsy ny fahamaizinana no maharesy ahy, na ny maizim-pito izay manarona ny tavako.
因為我雖面臨黑暗,幽暗雖遮蓋我的面,我仍不喪氣。

< Joba 23 >