< Joba 21 >
1 Dia namaly Joba ka nanao hoe:
Kisha Ayubu akajibu na kusema,
2 Mihainoa dia mihainoa ny teniko, Ary aoka izany no ho fampiononanareo ahy.
“Sikilizeni hotuba yangu kwa makini, hii na iwe faraja yenu.
3 Mandefera amiko ianareo, fa mba hiteny kosa aho izao; Ary rehefa tapitra ny teniko, dia mandatsalatsà ihany indray ianareo.
Nimeteswa, lakini pia nitasema; nikisha kusema, endeleeni kudhihaki.
4 Raha ny amiko, moa ny ataon’ ny olona va no itarainako? Ary raha izany, nahoana no hahalefitra ny fanahiko?
Lakini kwangu mimi, malalamikio yangu ni kwa mtu? Kwa nini nisiwe mwenye subira?
5 Jereo aho, dia aoka ho talanjona ianareo, ary mitampena vava.
Nitazameni na mshangae, nanyi wekeni mkono wenu midomoni mwenu.
6 Eny, raha mahatsiaro izany aho, dia raiki-tahotra, sady toran-kovitra ny tenako:
Ninapoyafikiria mateso yangu, ninaumizwa, mwili wangu unaogopa.
7 Nahoana no velona ny ratsy fanahy ka sady tratrantitra no be hery?
Kwa nini waovu wanaendelea kuishi, wanazeeka, na kuwa na uwezo katika madaraka?
8 Ny zanany koa mitomoetra tsara eo anatrehany, ary ny zafiny eo anoloany.
Wazao wao wanathibitishwa mbele zao, na uzao wao unaimarika machoni pao.
9 Ny ankohonany miadana ka tsy manan-tahotra, ary ny tsorakazon’ Andriamanitra tsy mamely azy.
Nyumba zao ziko salama mbali na hofu; wala fimbo ya Mungu haiko juu yao.
10 Ny ombilahiny mampiteraka ka mahavanona; Ny ombivaviny miteraka ka tsy mamotsotra.
Dume lao la ng'ombe linazalisha; halishindwi kufanya hivyo; ng'ombe wao anazaa na hafishi ndama wake akiwa mchanga.
11 Mamoaka ny zanany madinika toy ny ondry aman’ osy izy, ka mikoriana ny zanany.
Wanawapeleka wadogo wao kama kundi la kondoo, na watoto wao hucheza.
12 Mihoby mitondra ampongatapaka sy lokanga izy ary mifaly amin’ ny feon-tsodina.
Wanaimba kwa tari na vinubi na hufurahi kwa muziki na zomari.
13 Mandany ny androny amin’ ny fahafinaretana izy; Amin’ ny indray mipi-maso monja no idinany any amin’ ny fiainan-tsi-hita. (Sheol )
Wanatumia siku zao katika mafanikio, na wanashuka kuzimu kwa utulivu. (Sheol )
14 Kanefa anie ireo no manao amin’ Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny lalanao.
Wanamwambia Mungu, 'Ondoka kwetu kwani hatutaki ufahamu wowote juu ya njia zako.
15 Zinona izay Tsitoha, no hotompoinay? Ary inona no soa ho azonay, raha mivavaka aminy?
Mwenye enzi ni nani, hata tumwabudu? Tutafaidika na nini tukimwabudu? Tutapata faida gani ikiwa tutamwomba?
16 Indro, tsy avy amin’ ny tenany ihany ny fahafinaretany! Ho lavitra ahy anie ny fisainan’ ny ratsy fanahy!
Tazama, je mafanikio yao hayamo katika mikono yao wenyewe? Sina cha kufanya na ushauri wa waovu.
17 Indraindray foana no mba maty ny jiron’ ny ratsy fanahy, sy tonga ny loza manjo azy. Ary amelaran’ Andriamanitra fandrika ireny noho ny fahatezerany,
Mara ngapi taa za waovu huzimwa, au kwamba majanga huja juu yao? Mara ngapi inatokea kwamba Mungu husambaza huzuni kwao kwa hasira?
18 Ka tonga tahaka ny mololo voatetika indaosin’ ny rivotra izy sy tahaka ny akofa entin’ ny tafio-drivotra.
Ni mara ngapi inatokea kwamba wanakuwa kama mabua mbele ya upepo au kama makapi yanayopeperushwa na dhoruba?
19 Andriamanitra, hoy ianareo, mbola hampijaly ny zanany noho ny helodrainy! Tsia; fa ny tenan’ ireny ihany no aoka hovaliany, mba hahalalany.
Mnasema, 'Mungu huweka hatia ya mtu kwa watoto wake kuilipa.' Na alipe yeye mwenyewe, ili kwamba aweze kujua hatia yake mwenyewe.
20 Aoka ny masony ihany no hahita ny loza manjo azy, ary aoka ny tenany ihany no hisotro ny fahatezeran’ ny Tsitoha.
Acha macho yake yaone uangamivu wake mwenyewe, na acha anywe gadhabu ya Mwenyezi.
21 Fa mampaninona azy moa ny amin’ ny taranany mandimby azy, raha tapaka ny isan’ ny androny?
Kwani anaangaliaje familia yake mbele yake idadi ya miezi yake inapokwisha.
22 Moa Andriamanitra va no hampianarim-pahalalana, nefa Izy no mitsara ny any an-danitra aza?
Je kuna mtu anaweza kumfundisha Mungu maarifa kwa kuwa yeye huwaukumu hata walio juu?
23 Maty ny anankiray, raha tsy mbola mihena ny fahatanjahany, sady miadana tokoa ka tsy manana ahiahy;
Mtu mmoja ufa katika nguvu zake kamili, akiwa na utulivu kabisa na kwa amani.
24 Feno ronono ny fitoeran-drononony, ary vonton-tsoka ny taolany.
Mwili wake hauna uhitaji, na kiini cha mifupa yake ina unyevu na afya njema.
25 Ary ny anankiray maty amin’ ny fahorian’ ny fanahiny kosa ka tsy mba nanandrana soa akory.
Mtu mwingine ufa kwa uchungu wa nafsi, bila kujifurahisha kwa jambo lolote jema.
26 Samy mandry ao amin’ ny vovoka izy roa tonta, ka feno olitra ny tenany.
Wanazikwa kaburini wote kwa pamoja, funza wanawafunika wote.
27 Indro, fantatro ny hevitrareo sy ny saim-petsy amelezanareo ahy;
Tazama, nayajua mawazo yenu, na jinsi mnavyotaka kunikosesha.
28 Fa hoy ianareo: Aiza ny tranon’ ny mpitohatoha? Ary aiza ny lay fitoeran’ ny ratsy fanahy?
Kwa kuwa mwasema, 'Iko wapi sasa nyumba ya mwana wa mfalme? Liko wapi kao alipokaa mwovu?'
29 Kanefa tsy mba nanontany tamin’ ny mpandeha amin’ ny tany lavitra va ianareo? Ary tsy heverinareo va ny zava-mahagaga, ambaran’ Ireo hoe:
Je hamjawauliza wasafiri? Hamfahamu wanavyoweza kusema,
30 Amin’ ny andro hahitan-doza dia voaaro ihany ny ratsy fanahy, ary amin’ ny andro fahatezerana dia enti-miala izy?
kwamba mwovu anaepushwa na siku ya shida, na kwamba anawekwa mbali na siku ya gadhabu?
31 Iza no hanambara ny lalany eo anatrehany? Ary raha misy zavatra nataony, iza no sahy hamaly azy?
Ni nani atakaye ituhumu siku ya mwovu mbele yake? Ni nani atakayemwadhibu kwa alichokifanya?
32 Ary ho entina ho eny an-tany fandevonana izy ka mbola hitazana ao am-pasana;
Hata hivyo atapelekwa kaburini; watu wataliona kaburi lake.
33 Ho mamy aminy ny bainga any an-dohasaha, ary ny olona rehetra hanaraka azy, toy ny nandehanan’ ny maro tany alohany.
Udongo wa bondeni utakuwa mtamu kwake; watu wote watamfuata, hata kuwe na watu wengi mbele yake.
34 Endrey! ity ianareo mba mampionona ahy foana! Ary ny famalianareo anefa, raha voasana tsara, dia lainga ihany!
Ni jinsi gani basi mtanifariji bila kufikiri, kwa kuwa majibu yenu hayana lolote ila uongo?”