< Joba 21 >

1 Dia namaly Joba ka nanao hoe:
約伯回答說:
2 Mihainoa dia mihainoa ny teniko, Ary aoka izany no ho fampiononanareo ahy.
你們且聽一聽我的話! 這也算是你們給我的安慰。
3 Mandefera amiko ianareo, fa mba hiteny kosa aho izao; Ary rehefa tapitra ny teniko, dia mandatsalatsà ihany indray ianareo.
請讓我發言,我說完後,任你們笑罵。
4 Raha ny amiko, moa ny ataon’ ny olona va no itarainako? Ary raha izany, nahoana no hahalefitra ny fanahiko?
我豈是抱怨人﹖我失了忍耐,難道沒有理由﹖
5 Jereo aho, dia aoka ho talanjona ianareo, ary mitampena vava.
你們注意聽我,必要吃驚,且要用手堵住口。
6 Eny, raha mahatsiaro izany aho, dia raiki-tahotra, sady toran-kovitra ny tenako:
甚至我一回想,我就恐怖,全身戰慄。
7 Nahoana no velona ny ratsy fanahy ka sady tratrantitra no be hery?
惡人為何享受高壽而勢力強大﹖
8 Ny zanany koa mitomoetra tsara eo anatrehany, ary ny zafiny eo anoloany.
他們在世時,子孫昌盛,親眼看見子子孫孫。
9 Ny ankohonany miadana ka tsy manan-tahotra, ary ny tsorakazon’ Andriamanitra tsy mamely azy.
他們的住宅平安,無所畏懼,天主的棍杖也不加在他們身上。
10 Ny ombilahiny mampiteraka ka mahavanona; Ny ombivaviny miteraka ka tsy mamotsotra.
他們的公牛交尾,無不成功;母牛產子,決無流產。
11 Mamoaka ny zanany madinika toy ny ondry aman’ osy izy, ka mikoriana ny zanany.
他們使孩子跑出像羊群,子女跳躍如麋鹿。
12 Mihoby mitondra ampongatapaka sy lokanga izy ary mifaly amin’ ny feon-tsodina.
他們伴著手鼓與豎琴歌唱,隨著笛聲歡呼。
13 Mandany ny androny amin’ ny fahafinaretana izy; Amin’ ny indray mipi-maso monja no idinany any amin’ ny fiainan-tsi-hita. (Sheol h7585)
他們幸福地度過天年,平安地降入陰府。 (Sheol h7585)
14 Kanefa anie ireo no manao amin’ Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny lalanao.
但他們曾向天主說:「離開我們! 我們不願知道你的道路。
15 Zinona izay Tsitoha, no hotompoinay? Ary inona no soa ho azonay, raha mivavaka aminy?
全能者是誰,竟叫我們事奉他﹖我們祈求他有什麼好處﹖」
16 Indro, tsy avy amin’ ny tenany ihany ny fahafinaretany! Ho lavitra ahy anie ny fisainan’ ny ratsy fanahy!
看啊! 他們的幸福,豈不在他們掌握中﹖惡人的思想豈不離他很遠﹖
17 Indraindray foana no mba maty ny jiron’ ny ratsy fanahy, sy tonga ny loza manjo azy. Ary amelaran’ Andriamanitra fandrika ireny noho ny fahatezerany,
惡人的燈有多少次熄滅過﹖災禍有多少次降在他們身上﹖天主何嘗因忿怒而消滅他們﹖
18 Ka tonga tahaka ny mololo voatetika indaosin’ ny rivotra izy sy tahaka ny akofa entin’ ny tafio-drivotra.
使他們好像被風吹的碎湝﹖好像被暴風捲去的糠秕﹖
19 Andriamanitra, hoy ianareo, mbola hampijaly ny zanany noho ny helodrainy! Tsia; fa ny tenan’ ireny ihany no aoka hovaliany, mba hahalalany.
難道天主要向他的兒子討罪債﹖其實應向他本人報復,叫他覺悟!
20 Aoka ny masony ihany no hahita ny loza manjo azy, ary aoka ny tenany ihany no hisotro ny fahatezeran’ ny Tsitoha.
叫他親眼看見自己的毀滅,親自飲下全能者的義怒之杯。
21 Fa mampaninona azy moa ny amin’ ny taranany mandimby azy, raha tapaka ny isan’ ny androny?
他既逝去,他本人的歲月已絕,他的家庭對他還有什麼相干﹖
22 Moa Andriamanitra va no hampianarim-pahalalana, nefa Izy no mitsara ny any an-danitra aza?
天主既審判天上者,人豈能教給他什麼智識﹖
23 Maty ny anankiray, raha tsy mbola mihena ny fahatanjahany, sady miadana tokoa ka tsy manana ahiahy;
有人到死一無所缺,享盡了平安幸福。
24 Feno ronono ny fitoeran-drononony, ary vonton-tsoka ny taolany.
他的腰部充滿脂肪,他的骨髓潤澤豐盈;
25 Ary ny anankiray maty amin’ ny fahorian’ ny fanahiny kosa ka tsy mba nanandrana soa akory.
但有人卻至死心靈酸苦,一生毫無福樂;
26 Samy mandry ao amin’ ny vovoka izy roa tonta, ka feno olitra ny tenany.
他們卻一同埋於塵土,為蛆蟲所掩蓋。
27 Indro, fantatro ny hevitrareo sy ny saim-petsy amelezanareo ahy;
我確知你們的思想,以及對我所籌劃的陰謀。
28 Fa hoy ianareo: Aiza ny tranon’ ny mpitohatoha? Ary aiza ny lay fitoeran’ ny ratsy fanahy?
你們要問:「霸王的家在那裏﹖惡人住的帳幕在何處﹖」
29 Kanefa tsy mba nanontany tamin’ ny mpandeha amin’ ny tany lavitra va ianareo? Ary tsy heverinareo va ny zava-mahagaga, ambaran’ Ireo hoe:
你們怎麼不問過路的人﹖難道你們不承認他們的證據﹖
30 Amin’ ny andro hahitan-doza dia voaaro ihany ny ratsy fanahy, ary amin’ ny andro fahatezerana dia enti-miala izy?
「惡人在毀滅之日不受害,在憤怒之日會得救。」
31 Iza no hanambara ny lalany eo anatrehany? Ary raha misy zavatra nataony, iza no sahy hamaly azy?
他的動作,誰敢當面指摘﹖他的行為,誰能報復﹖
32 Ary ho entina ho eny an-tany fandevonana izy ka mbola hitazana ao am-pasana;
他最後被抬入墳墓,且親自守護自己的墓地。
33 Ho mamy aminy ny bainga any an-dohasaha, ary ny olona rehetra hanaraka azy, toy ny nandehanan’ ny maro tany alohany.
谷中的土壤,他感覺甘美;眾人都跟他而去,但在他前面的人,更不可勝數。
34 Endrey! ity ianareo mba mampionona ahy foana! Ary ny famalianareo anefa, raha voasana tsara, dia lainga ihany!
你們為何說空話來安慰我﹖你們的答話顯然只是欺詐!

< Joba 21 >