< Joba 20 >
1 Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:
2 Noho izany dia mamaly ahy ny eritreritro, eny, noho ny fihetsiketsiky ny saiko.
3 Reko lalandava ny anatra mampahamenatra ahy; Ary ny fanahiko mamaly ahy avy amin’ ny fahalalako.
4 Tsy fantatrao va fa hatramin’ ny ela, eny, hatrizay nampitoerana ny olona tetỳ ambonin’ ny tany,
5 Dia vetivety foana ny firavoravoan’ ny ratsy fanahy, ary indray mipi-maso monja ny fifalian’ ny mpihatsaravelatsihy?
6 Fa na dia mipaka amin’ ny lanitra aza ny hahavony, ka mitehika amin’ ny rahona ny lohany,
7 Dia ho very mandrakizay toy ny dikiny ihany izy; Izay nahita azy dia hanao hoe: Aiza izy?
8 Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy ho hita; Eny, ampandosirina tahaka ny tsindrimandry amin’ ny alina izy.
9 Ny maso izay mijery, dia indray mitopy ihany no ahitany azy; Ary dia tsy hahita azy intsony ny fitoerany.
10 Ny zanany hitambitamby amin’ ny malahelo, ary ny tànany ihany no hampody ny hareny.
11 Ny taolany dia feno ny herin’ ny fahatanorana, Nefa hiara-mandry aminy eo amin’ ny vovoka izany.
12 Na dia mamy ao am-bavany aza ny ratsy, ka afeniny ao ambanin’ ny lelany,
13 Ary tsitsiny ka tsy foiny, fa tehiriziny ao amin’ ny lanilaniny ihany,
14 Dia miova ny haniny ao an-kibony, ka aferon’ ny vipera no ao anatiny.
15 Harena no nateliny, nefa aloany indray; Loaran’ Andriamanitra hiala ao an-kibony izany.
16 Ny poizin’ ny vipera no hotsentsefiny; Hahafaty azy ny lelan’ ny menarana.
17 Tsy ho faly mahita renirano izy, dia ony sy riaky ny tantely sy ronono.
18 Tsy azony atelina izay nikelezany aina, fa tsy maintsy hampodiny; Na dia be aza ny hareny, dia tsy ho araka izany ny hafaliany.
19 Fa nampahory sy nahafoy ny reraka izy ka naka trano an-keriny, fa tsy hahatontosa azy.
20 Satria tsy mahalala mionona ny kibony, dia tsy hahavonjy ny tenany mbamin’ ny tiany indrindra izy.
21 Tsy misy tsy tratry ny fieremany; Ka dia tsy haharitra ny fiadanany.
22 Ho poriporitra izy, na dia mihoa-pampana aza ny fananany; Ny tanan’ ny ory no hamely azy.
23 Halefan’ Andriamanitra ny fahatezerany mirehitra hameno ny kibony; Eny, halatsany aminy toy ny ranonorana izany ho hanina ho azy.
24 Raha mandositra ny vy fiadiana izy, dia hahavoa azy miboroaka ny tsipìka varahina;
25 Tsoahany izany, ka mivoaka avy amin’ ny tenany; Eny, ny manelatselatra dia mivoaka avy amin’ ny aferony; Lasa izy azon’ ny fahatahorana mafy.
26 Ny aizim-pito no voarakitra ho amin’ ny raki-malalany; Afo tsy tsofina no handoro azy sady handevona izay sisa ao amin’ ny lainy.
27 Hambaran’ ny lanitra ny helony, Ary ny tany hitsangana hiampanga azy,
28 Ho lasa ny harena tafiditra ao an-tranony; Eny, ho levona izany amin’ ny andro fahatezerany.
29 Izany no anjaran’ ny ratsy fanahy avy amin’ Andriamanitra, sy lova voatendrin’ Andriamanitra ho azy.