< Joba 2 >

1 Ary tamin’ ny indray andro koa dia avy ireo zanak’ Andriamanitra hiseho teo anatrehan’ i Jehovah, ka dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy hiseho teo anatrehan’ i Jehovah.
Again there was a day when the sons of God came to present themselves before Jehovah; and Satan came also among them to present himself before Jehovah.
2 Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Avy taiza ianao? Ary Satana dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin’ ny tany aho ka nivezivezy teny.
And Jehovah said to Satan, Whence comest thou? And Satan answered Jehovah, and said, From wandering over the earth, and walking up and down in it.
3 Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Efa nandinika an’ i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’ Andriamanitra ka mifady ny ratsy? Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy, na dia nanesika Ahy hamongotra azy foana aza ianao.
Then said Jehovah to Satan, Hast thou observed my servant Job, that there is none like him upon the earth, an upright and good man, fearing God and departing from evil? And still he holdeth fast his integrity, although thou didst excite me against him to destroy him without a cause.
4 Ary Satana dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin’ ny hoditra, eny, izay rehetra ananan’ ny olona dia homeny ho-fefin’ ny ainy.
And Satan answered Jehovah, and said, Skin for skin, yea, all that a man hath will he give for his life.
5 Fa ahinjiro ange ny tananao, ka tendreo ny taolany sy ny nofony raha tsy handà Anao eo Imasonao aza Izy e!
But put forth now thy hand, and touch his bone and his flesh, and to thy face will he renounce thee.
6 Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Indro, eo an-tananao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana.
And Jehovah said to Satan, Behold, he is in thy hand; but spare his life.
7 Dia nivoaka Satana avy teo anatrehan’ i Jehovah ka namely vay ratsy an’ i Joba hatramin’ ny faladiany ka hatramin’ ny tampon-dohany.
Then Satan went forth from the presence of Jehovah, and smote Job with sore boils from the sole of his foot to his crown.
8 Dia naka tavim-bilany hihaorany izy, raha nipetraka teo an-davenona.
And he took a potsherd to scrape himself withal, and sat down among the ashes.
9 Ary hoy ny vadiny taminy: Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va ianao? Mahafoiza an’ Andriamanitra ianao, dia aoka ho faty.
Then said his wife to him, Dost thou still retain thine integrity? Renounce God, and die.
10 Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin’ ny anankiray amin’ ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’ Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa? Tamin’ izany rehetra izany dia tsy nanota tamin’ ny molony Joba.
But he said to her, Thou talkest like one of the foolish women. What! shall we receive good at the hand of God, and shall we not receive evil? In all this, Job sinned not with his lips.
11 Ary rehefa ren’ ny sakaizan’ i Joba telo lahy ny fahoriana rehetra izay nanjo azy, dia samy niainga avy tany amin’ ny fonenany avy izy dia Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ary nifamotoana izy mba handeha hitsapa alahelo sy hampionona azy.
Now three friends of Job heard of all this evil that had come upon him, and came each one from his home; Eliphaz the Temanite, and Bildad the Shuhite, and Zophar the Naamathite; for they had agreed to come to mourn with him, and to comfort him.
12 Ary nanopy ny masony teny lavidavitra eny izy telo lahy ka tsy nahafantatra azy, dia nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary samy nandriatra ny lambany avy koa izy rehetra, dia nanopy vovoka ho amin’ ny lanitra hiraraka amin’ ny lohany.
And they lifted up their eyes at a distance, and knew him not; then they raised their voices and wept, and rent each one his mantle, and sprinkled dust upon their heads toward heaven.
13 Ary niara-nipetraka teo aminy tamin’ ny tany hafitoan’ andro sy hafitoan’ alina izy, nefa tsy nisy niteny taminy na dia indraim-bava akory aza, satria hitany fa mafy loatra ny fahoriany.
And they sat down with him upon the ground seven days and seven nights, and none spake a word to him; for they saw that his grief was very great.

< Joba 2 >