< Joba 2 >
1 Ary tamin’ ny indray andro koa dia avy ireo zanak’ Andriamanitra hiseho teo anatrehan’ i Jehovah, ka dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy hiseho teo anatrehan’ i Jehovah.
Tsiku linanso pamene ana a Mulungu anabwera kudzadzionetsa pamaso pa Yehova, nayenso Satana anabwera nawo limodzi kudzadzionetsa pamaso pa Yehova.
2 Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Avy taiza ianao? Ary Satana dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin’ ny tany aho ka nivezivezy teny.
Ndipo Yehova anati kwa Satana, “Kodi iwe ukuchokera kuti?” Satana anayankha Yehova kuti, “Ndakhala ndikungoyendayenda ndi kumangozungulira mʼdzikoli.”
3 Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Efa nandinika an’ i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’ Andriamanitra ka mifady ny ratsy? Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy, na dia nanesika Ahy hamongotra azy foana aza ianao.
Pamenepo Yehova anati kwa Satana, “Kodi unalingalirapo za mtumiki wanga Yobu? Palibe wina pa dziko lapansi wofanana naye; ndi munthu wosalakwa ndi wolungama mtima, munthu amene amaopa Mulungu ndi kupewa zoyipa. Ndipo iye akanalibe wangwiro, ngakhale iwe unandiwumiriza kuti ndikulole kuti umuvutitse popanda chifukwa.”
4 Ary Satana dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin’ ny hoditra, eny, izay rehetra ananan’ ny olona dia homeny ho-fefin’ ny ainy.
Satana anayankha kuti, “Iye ayesedwe mʼthupi mwake. Munthu angathe kupereka zonse ali nazo malingana iyeyo ali ndi moyo.
5 Fa ahinjiro ange ny tananao, ka tendreo ny taolany sy ny nofony raha tsy handà Anao eo Imasonao aza Izy e!
Koma tatambasulani dzanja lanu ndi kuwononga thupi lake, ndipo iyeyo adzakutukwanani ndithu pamaso panu.”
6 Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Indro, eo an-tananao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana.
Yehova anati kwa Satana, “Chabwino, iye ali mʼmanja mwako; koma moyo wake usawuchotse.”
7 Dia nivoaka Satana avy teo anatrehan’ i Jehovah ka namely vay ratsy an’ i Joba hatramin’ ny faladiany ka hatramin’ ny tampon-dohany.
Choncho Satana anachoka pamaso pa Yehova napita kukazunza Yobu ndi zilonda zaululu pa thupi lake lonse.
8 Dia naka tavim-bilany hihaorany izy, raha nipetraka teo an-davenona.
Pamenepo Yobu anatenga phale ndi kumadzikanda nalo atakhala pa dzala la phulusa.
9 Ary hoy ny vadiny taminy: Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va ianao? Mahafoiza an’ Andriamanitra ianao, dia aoka ho faty.
Mkazi wake anati kwa iye, “Kodi ukuwumirirabe kukhala wangwiro? Tukwana Mulungu kuti ufe!”
10 Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin’ ny anankiray amin’ ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’ Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa? Tamin’ izany rehetra izany dia tsy nanota tamin’ ny molony Joba.
Yobu anayankha kuti, “Ukuyankhula ngati mkazi wopusa. Kodi tidzalandira zokoma zokhazokha kwa Mulungu, osalandiranso zowawa?” Mu zonsezi, Yobu sanachimwe pa zimene anayankhula.
11 Ary rehefa ren’ ny sakaizan’ i Joba telo lahy ny fahoriana rehetra izay nanjo azy, dia samy niainga avy tany amin’ ny fonenany avy izy dia Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ary nifamotoana izy mba handeha hitsapa alahelo sy hampionona azy.
Abwenzi atatu a Yobu, Elifazi wa ku Temani, Bilidadi wa ku Suki ndi Zofari wa ku Naama, atamva za tsoka lonse limene linamugwera iye, ananyamuka ku nyumba zawo nakumana malo amodzi mopangana kuti apite ndi kukamupepesa Yobu ndi kumutonthoza.
12 Ary nanopy ny masony teny lavidavitra eny izy telo lahy ka tsy nahafantatra azy, dia nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary samy nandriatra ny lambany avy koa izy rehetra, dia nanopy vovoka ho amin’ ny lanitra hiraraka amin’ ny lohany.
Atamuona Yobuyo, iwo ali chapatalipo, sanathe kumuzindikira. Choncho anayamba kulira mokweza mawu ndipo anangʼamba mikanjo yawo ndi kuwaza fumbi pa mitu yawo.
13 Ary niara-nipetraka teo aminy tamin’ ny tany hafitoan’ andro sy hafitoan’ alina izy, nefa tsy nisy niteny taminy na dia indraim-bava akory aza, satria hitany fa mafy loatra ny fahoriany.
Tsono anakhala naye pamodzi pansi kwa masiku asanu ndi awiri, usana ndi usiku omwe. Palibe ndi mmodzi yemwe anayankhula naye, chifukwa anazindikira kuti Yobu amavutika kwambiri.