< Joba 19 >
1 Dia namaly Joba ka nanao hoe:
そこでヨブは答えて言った、
2 Mandra-pahoviana no hampalahelovanareo ny fanahiko sy hanorotoroanareo ahy amin’ ny fiteny?
「あなたがたはいつまでわたしを悩まし、言葉をもってわたしを打ち砕くのか。
3 Efa im-polo izay no nanaratsianareo ahy; Tsy misoroka izay hampahory ahy ianareo.
あなたがたはすでに十度もわたしをはずかしめ、わたしを悪くあしらってもなお恥じないのか。
4 Ary raha diso tokoa aho, dia izaho ihany no andrian’ ny fa hadisoako.
たといわたしが、まことにあやまったとしても、そのあやまちは、わたし自身にとどまる。
5 Raha mirehareha amiko kosa ianareo ka mampiaiky ahy ho nanao izay mahamenatra,
もしあなたがたが、まことにわたしに向かって高ぶり、わたしの恥を論じるならば、
6 Dia aoka ho fantatrareo fa Andriamanitra no efa nampitanondrika ahy ka efa naningotra ahy tamin’ ny fandrika haratony.
『神がわたしをしえたげ、その網でわたしを囲まれたのだ』と知るべきだ。
7 Indro, miantso mafy aho hoe: Loza! nefa tsy misy mamaly ahy; Mitaraina aho, nefa tsy mahita rariny.
見よ、わたしが『暴虐』と叫んでも答えられず、助けを呼び求めても、さばきはない。
8 Ny lalako dia nofefeny, ka tsy afa-mandroso aho; ary nasiany maizina teo amin’ ny lalana alehako.
彼はわたしの道にかきをめぐらして、越えることのできないようにし、わたしの行く道に暗やみを置かれた。
9 Ny voninahitro nalany tamiko, ary nesoriny ny satro-boninahitra teo an-dohako.
彼はわたしの栄えをわたしからはぎ取り、わたしのこうべから冠を奪い、
10 Efa nandrava ahy manodidina Izy, ka efa ho faty aho; Ary efa nofongorany tahaka ny hazo ny fanantenako.
四方からわたしを取りこわして、うせさせ、わたしの望みを木のように抜き去り、
11 Dia nampirehetiny tamiko ny fahatezerany, ka nataony ho fahavalony aho.
わたしに向かって怒りを燃やし、わたしを敵のひとりのように思われた。
12 Miara-mandroso ny antokon’ ny miaramilany ary manandratra tovon-tany hamelezany ahy izy ka mitoby manodidina ny laiko.
その軍勢がいっせいに来て、塁を築いて攻め寄せ、わたしの天幕のまわりに陣を張った。
13 Ny rahalahiko efa nampanalaviriny ahy; Ary ny olona nahazatra ahy efa nihafahafa tamiko avokoa.
彼はわたしの兄弟たちをわたしから遠く離れさせられた。わたしを知る人々は全くわたしに疎遠になった。
14 Efa tsy misy eto intsony ny havako, ary ny sakaizako efa nanadino ahy.
わたしの親類および親しい友はわたしを見捨て、
15 Ny vahiny izay mitoetra ao an-tranoko sy ny ankizivaviko aza samy manao ahy ho olon-kafa; Tonga olon-ko azy eo imasony aho.
わたしの家に宿る者はわたしを忘れ、わたしのはしためらはわたしを他人のように思い、わたしは彼らの目に他国人となった。
16 Antsoiko ny mpanompoko, nefa tsy namaly ahy izy; Mifona aminy amin’ ny vavako aho.
わたしがしもべを呼んでも、彼は答えず、わたしは口をもって彼に請わなければならない。
17 Ny fofonaiko mahaloiloy ny vadiko, ary maharikoriko ny zanak’ ineny aho.
わたしの息はわが妻にいとわれ、わたしは同じ腹の子たちにきらわれる。
18 Eny, ny ankizilahy madinika aza mamingavinga ahy; Raha te-hitsangana aho, dia miteny mamely ahy ireny.
わらべたちさえもわたしを侮り、わたしが起き上がれば、わたしをあざける。
19 Na dia izay nifankazatra tamiko indrindra aza dia manao ahy ho zava-betaveta, ary izay olon-tiako dia mivadika ho fahavaloko.
親しい人々は皆わたしをいみきらい、わたしの愛した人々はわたしにそむいた。
20 Ny taolako miraikitra amin’ ny hoditro sy ny nofoko, ary ny akanjo-nifiko ihany no hany sisa azoko enti-mandositra.
わたしの骨は皮と肉につき、わたしはわずかに歯の皮をもってのがれた。
21 Mamindrà fo amiko, mamindrà fo amiko ianareo, ry sakaizako ô; fa ny tànan’ Andriamanitra efa mikasika ahy.
わが友よ、わたしをあわれめ、わたしをあわれめ、神のみ手がわたしを打ったからである。
22 Nahoana no manenjika ahy tahaka an’ Andriamanitra koa ianareo ka tsy mety afa-po amin’ ny nofoko?
あなたがたは、なにゆえ神のようにわたしを責め、わたしの肉をもって満足しないのか。
23 Enga anie ka ho voasoratra ny teniko! Enga anie ka ho voatomboka eo amin’ ny boky ireny!
どうか、わたしの言葉が、書きとめられるように。どうか、わたしの言葉が、書物にしるされるように。
24 Enga anie ka ho voasoratra amin’ ny vy fanoratana sady voasy firaka eo amin’ ny vatolampy ho mandrakizay izy!
鉄の筆と鉛とをもって、ながく岩に刻みつけられるように。
25 Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ ny vovoka Izy.
わたしは知る、わたしをあがなう者は生きておられる、後の日に彼は必ず地の上に立たれる。
26 Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin’ ny nofoko aho, dia hahita an’ Andriamanitra;
わたしの皮がこのように滅ぼされたのち、わたしは肉を離れて神を見るであろう。
27 Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko ato anatiko.
しかもわたしの味方として見るであろう。わたしの見る者はこれ以外のものではない。わたしの心はこれを望んでこがれる。
28 Raha hoy ianareo: Andeha hanenjika azy fatratra isika. Fa hita ao anatiny ny fototry ny mahameloka azy.
あなたがたがもし『われわれはどうして彼を責めようか』と言い、また『事の根源は彼のうちに見いだされる』と言うならば、
29 Dia matahora ny sabatra ianareo; Fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra, mba ho fantatrareo fa misy fitsarana.
つるぎを恐れよ、怒りはつるぎの罰をきたらすからだ。これによって、あなたがたは、さばきのあることを知るであろう」。