< Joba 18 >
1 Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:
Sai Bildad mutumin Shuwa ya amsa,
2 Mandra-pahoviana no hamandrika teny ianareo? Mba hendre aloha, dia vao hiteny izahay.
“Yaushe za ka gama maganganun nan? Ka dawo da hankalinka sa’an nan za mu iya yin magana.
3 Sao ataonareo ho biby anie izahay ka tahaka ny maloto eo imasonareo?
Don me muke kamar shanu a wurinka, ka ɗauke mu mutanen wofi?
4 Ry ilay mamiravira tena amin’ ny fahatezerana, noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho lao, ary ny vatolampy hafindra hiala amin’ ny fitoerany?
Kai da ka yayyage kanka don haushi, za a yashe duniya saboda kai ne? Ko kuma duwatsu za su matsa daga wurinsu?
5 Tsy izany, fa ho faty ny jiron’ ny ratsy fanahy, ary hilopilopy ny lelafony;
“An kashe fitilar mugu; harshen wutarsa ya daina ci.
6 Ny mazava manjary maizina ao amin’ ny lainy, ary ny jirony eo amboniny dia maty.
Wutar cikin tentinsa ta zama duhu; fitilar da take kusa da shi ta mutu.
7 Etena ny herin’ ny diany, ary ny fisainany ihany no mandavo azy.
Ƙarfin takawarsa ya ragu; dabararsa ta ja fāɗuwarsa.
8 Fa ny tongony ihany no mahatonga azy eo amin’ ny fandrika harato, ka manitsaka eo amin’ ny harato izy;
Ƙafafunsa sun kai shi cikin raga, yana ta yawo a cikin ragar.
9 Azon’ ny fandrika ny ombelahin-tongony ary voahazon’ ny tadivavarana
Tarko ya kama ɗiɗɗigensa; tarko ya riƙe shi kam.
10 Miafina ao amin’ ny tany ny fandrika haningotra azy sy ny tonta eny an-dalana.
An ɓoye masa igiya da za tă zarge shi a ƙasa; an sa masa tarko a kan hanyar da zai bi.
11 Fampitahorana no mampitahotra azy manodidina ka mampivadi-po azy eny amin’ ny alehany rehetra.
Tsoro duk ya kewaye shi ta kowane gefe yana bin shi duk inda ya je.
12 Liana azy ny loza, ary ny fandringanana dia vonona eo anilany;
Masifa tana jiransa; bala’i yana shirye yă fāɗa masa a lokacin da zai fāɗi.
13 Eny, laniny tsikelikely ny hodiny; ny momba ny tenany dia lanin’ ny lahimatoan’ ny fahafatesana.
Ya cinye wani sashe na gaɓar jikinsa; ɗan fari na mutuwa ya cinye ƙafafunsa.
14 Ongotana hiala amin’ ny lainy ny zavatra itokiany, ka tsy maintsy ho entina ho amin’ ilay mpanjaka mampahatahotra indrindra izy.
An yage shi daga zaman lafiyar da yake yi a cikin tentinsa aka sa shi tsoro sosai.
15 Izay tsy taranany no hitoetra ao amin’ ny lainy; Solifara no hafafy amin’ ny fonenany.
Wuta ta cinye tentinsa; farar wuta ta rufe wurin da yake zama.
16 Maina ny fakany ao ambany, ary tapaka ny rantsany eo ambony.
Jijiyoyinsa sun bushe a ƙasa rassansa sun mutu a sama.
17 Ny fahatsiarovana azy dia very tsy ho eo amin’ ny tany. Ary tsy malaza eny ivelany izy.
An manta da shi a duniya; ba wanda yake ƙara tunawa da shi.
18 Roahina hiala amin’ ny mazava ho any amin’ ny maizina izy ary enjehina hiala amin’ izao tontolo izao.
An tura shi daga cikin haske zuwa cikin duhu, an kore shi daga duniya.
19 Tsy manana fara mandimby eo amin’ ny fireneny izy, ka tsy misy tsy tratry ny loza ny ao amin’ ny fonenany.
Ba shi da’ya’ya ko zuriya cikin mutanensa, ba sauran wanda yake a raye a wurin da ya taɓa zama.
20 Ny manjo azy dia italanjonan’ ny any andrefana, ary ny any atsinanana raiki-tahotra.
Mutanen Yamma suna mamakin abin da ya faru da shi; tsoro ya kama mutanen gabas.
21 Izany tokoa no anjaran’ ny ratsy fanahy, ary izany no manjo ny tsy mahalala an’ Andriamanitra.
Ba shakka haka wurin zaman mugun mutum yake, haka wurin zaman wanda bai san Allah ba yake.”