< Joba 18 >
1 Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:
Alors Baldad de Suhé prit la parole et dit:
2 Mandra-pahoviana no hamandrika teny ianareo? Mba hendre aloha, dia vao hiteny izahay.
Quand donc mettrez-vous un terme à ces discours? Ayez de l’intelligence, puis nous parlerons.
3 Sao ataonareo ho biby anie izahay ka tahaka ny maloto eo imasonareo?
Pourquoi nous regardez-vous comme des brutes, et sommes-nous stupides à vos yeux?
4 Ry ilay mamiravira tena amin’ ny fahatezerana, noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho lao, ary ny vatolampy hafindra hiala amin’ ny fitoerany?
Toi qui te déchires dans ta fureur, veux-tu qu’ à cause de toi la terre devienne déserte, que le rocher soit transporté hors de sa place?
5 Tsy izany, fa ho faty ny jiron’ ny ratsy fanahy, ary hilopilopy ny lelafony;
Oui, la lumière du méchant s’éteindra, et la flamme de son foyer cessera de briller.
6 Ny mazava manjary maizina ao amin’ ny lainy, ary ny jirony eo amboniny dia maty.
Le jour s’obscurcira sous sa tente, sa lampe s’éteindra au-dessus de lui.
7 Etena ny herin’ ny diany, ary ny fisainany ihany no mandavo azy.
Ses pas si fermes seront à l’étroit, son propre conseil précipite sa chute.
8 Fa ny tongony ihany no mahatonga azy eo amin’ ny fandrika harato, ka manitsaka eo amin’ ny harato izy;
Ses pieds le jettent dans les rets, il marche sur le piège.
9 Azon’ ny fandrika ny ombelahin-tongony ary voahazon’ ny tadivavarana
Le filet saisit ses talons; il est serré dans ses nœuds.
10 Miafina ao amin’ ny tany ny fandrika haningotra azy sy ny tonta eny an-dalana.
Pour lui les lacs sont cachés sous terre, et la trappe est sur son sentier.
11 Fampitahorana no mampitahotra azy manodidina ka mampivadi-po azy eny amin’ ny alehany rehetra.
De tous côtés des terreurs l’assiègent, et le poursuivent pas à pas.
12 Liana azy ny loza, ary ny fandringanana dia vonona eo anilany;
La disette est son châtiment, et la ruine est prête pour sa chute.
13 Eny, laniny tsikelikely ny hodiny; ny momba ny tenany dia lanin’ ny lahimatoan’ ny fahafatesana.
La peau de ses membres est dévorée; ses membres sont dévorés par le premier-né de la mort.
14 Ongotana hiala amin’ ny lainy ny zavatra itokiany, ka tsy maintsy ho entina ho amin’ ilay mpanjaka mampahatahotra indrindra izy.
Il est arraché de sa tente, où il se croyait en sûreté; on le traîne vers le Roi des frayeurs.
15 Izay tsy taranany no hitoetra ao amin’ ny lainy; Solifara no hafafy amin’ ny fonenany.
Nul des siens n’habite dans sa tente, le soufre est semé sur sa demeure.
16 Maina ny fakany ao ambany, ary tapaka ny rantsany eo ambony.
En bas, ses racines se dessèchent, en haut, ses rameaux sont coupés.
17 Ny fahatsiarovana azy dia very tsy ho eo amin’ ny tany. Ary tsy malaza eny ivelany izy.
Sa mémoire a disparu de la terre, il n’a plus de nom dans la contrée.
18 Roahina hiala amin’ ny mazava ho any amin’ ny maizina izy ary enjehina hiala amin’ izao tontolo izao.
On le chasse de la lumière dans les ténèbres, on le bannit de l’univers.
19 Tsy manana fara mandimby eo amin’ ny fireneny izy, ka tsy misy tsy tratry ny loza ny ao amin’ ny fonenany.
Il ne laisse ni descendance ni postérité dans sa tribu; aucun survivant dans son séjour.
20 Ny manjo azy dia italanjonan’ ny any andrefana, ary ny any atsinanana raiki-tahotra.
Les peuples de l’Occident sont stupéfaits de sa ruine, et ceux de l’Orient en sont saisis d’horreur.
21 Izany tokoa no anjaran’ ny ratsy fanahy, ary izany no manjo ny tsy mahalala an’ Andriamanitra.
Telle est la demeure de l’impie, telle est la place de l’homme qui ne connaît pas Dieu.