< Joba 16 >
1 Dia namaly Joba ka nanao hoe:
A LAILA olelo mai la o Ioba, i mai la,
2 Efa nandre zavatra maro toy izany aho; Mpampionona mahasorisorena foana ianareo rehetra.
He nui na mea like a'u i lohe ai: He poe hooluolu hoopilikia oukou a pau.
3 Efa tapitra va izay ny bedibedy foana? Sa mbola misy manesika anao hamaly ahy ihany?
He hope anei no na huaolelo makani? Heaha ka mea hoala mai nei ia oe, i olelo mai ai oe?
4 Izaho kosa mba mahazo miteny tahaka anareo, raha mba tonga tahaka ahy ianareo; eny, mahazo manamboatra teny ho enti-mamely anareo aho ary mahazo mihifikifi-doha aminareo;
E hiki no ia'u ke olelo aku e like me ka oukou; Ina paha ua noho oukou ma ko'u wahi. E hiki no ia'u ke hookui i ka olelo ku e ia oukou; A e hooluliluli aku i ko'u poo ia oukou.
5 Mahazo mampahery anareo amin’ ny Vavako aho, ary mahazo mampitony ny alahelonareo ny fampiononana ataon’ ny molotro.
Aka, e hookupaa no au ia oukou me kuu waha, A o ka hooluolu ana o kuu lehelehe, e hoopaa aku no ia.
6 Na dia miteny aza aho, dia tsy mitsahatra ny alaheloko; Ary na dia mangìna aza aho, dia tsy misy mihena izany.
Ina e olelo aku au, aole e oluolu kuu eha; Ina e noho malie hoi au, pehea ia e haalele ai ia'u?
7 Fa ankehitriny efa nandreraka ahy Izy; Naringanao ny ankohonako rehetra.
Aka, ano ua hooluhi mai ia ia'u; Ua luku mai oe i ko'u ohana a pau.
8 Ary efa nampifezaka ny tenako Hianao, ka dia vavolombelona amiko izany. Ary mitsangana hiampanga ahy ny fahahiazako, ka dia tondromaso akaiky izany.
Ua hoopaa mai oe ia'u, i mea hoike; O kuu wiwi, ke ku mai no ia ia'u, A e hoike mai imua o kuu maka.
9 Amin’ ny fahatezerany no amiravirany sy andrafiany ahy, mihidy vazana amiko Izy; Eny, miseho ho fahavaloko Izy ka mampivandravandra ny masony amiko;
Ke haehae mai nei kona huhu, a ua inaina mai ia ia'u; Ke nau mai nei ia ia'u me kona mau niho; O kuu enemi, ke hookala nei ia i kona mau maka maluna o'u.
10 Nisanasana vava tamiko ny olona; Latsa no nentiny namely ny takolako; Mitambatra hamely ahy izy.
Ua hamama lakou maluna o'u me ko lakou waha; Ua papai lakou ia'u ma ka papalina me ka hoino: Ua hoakoakoaia lakou ma kahi hookahi e ku e ia'u.
11 Efa voatolotr’ Andriamanitra ho amin’ ny ratsy fanahy aho, ary natsipiny ho eo an-tànan’ ny mpanota.
Ua hoolilo ke Akua ia'u i ka poe hewa, A ua haawi ia'u iloko o ka lima o ka poe aia.
12 Tamin’ ilay izaho tsy nanana ahiahy iny, dia nanorotoro ahy Izy; Nosamboriny tamin’ ny hatoko aho ka nomontsaniny, sady natsangany ho marika hokendreny.
I noho maluhia la no wan, aka, ua ulupa mai nei ia ia'u; Ua lalau mai ia ma kuu a-i, a ulupa mai no ia ia'u, Ua hooku mai ia'u i hoailona nona.
13 Manodidina ahy ny mpandefa zana-tsipìkany; Mamaky ny voako Izy ka tsy miantra ary manidina ny aferoko ho amin’ ny tany.
Ua hoopuni kona poe panapua ia'u, Ua wahi mai ia i na puupaa o'u, aole e hookuu ae; Ua ninini iho ia i kuu au ma ka honua.
14 Bangabangainy lalandava aho, ka miroatra hamely ahy tahaka ny lehilahy mahery Izy.
Ua wawahi roai ia ia'u, me ka wahi ana mahope o ka wahi ana, Ua lele mai ia maluna o'u me he mea ikaika la.
15 Lamba fisaonana no voazaitrako hanarona ny hoditro, ary nalàko baraka tamin’ ny vovoka ny tandroko.
Ua humuhumu au i ke kapa ino maluna o kuu ili, Ua hoohaumia au i kuu pepeiaohao iloko o ka lepo.
16 Ny tavako tera-menan’ ny fitomaniana, ary eo amin’ ny hodi-masoko ny aloky ny fahafatesana;
Ua ulaula kuu maka i ka uwe ana, A maluna o ko'u mau lihilihi maka ke aka o ka make.
17 Kanefa tsy misy eto an-tanako izay mba nalaina an-keriny; Ary madio ny fivavako.
Aole no ka mea pono ole iloko o ko'u lima; A o ka'u pule, ua maemae hoi ia.
18 Ry tany ô, aza manarona ny rako, ary aoka tsy ho voahazona ny fitarainako!
E ka honua, mai uhi oe i ko'u koko, Aole hoi e haawi i wahi no kuu uwe ana.
19 Fa na dia ankehitriny aza, indro, any an-danitra ny Vavolombeloko, eny, ny Vavolombeloko dia any amin’ ny avo.
Ano hoi, aia ma ka lani kuu mea ike maka, A o kuu mea hoike ma na wahi kiekie.
20 Na dia mihomehy ahy aza ny sakaizako, dia mamarin-dranomaso eo anatrehan’ Andriamanitra kosa aho,
O kuu poe hoino, o ko'u mau makamaka no ia: Ke hu aku nei kuu maka i ke Akua.
21 Mba hanamarina ahy olombelona eo anatrehany Izy sy hanafa-tsiny ahy zanak’ olombelona amin’ ny sakaizako.
Ina he mea e uwao me ke Akua no ke kanaka, E like me ke kanaka no kona hoalauna!
22 Fa rehefa lasa ny taona vitsy, dia handeha any amin’ ny lalana izay tsy hiverenako intsony aho.
A hala he hapa na makahiki, Alaila e hele aku au i ke ala aole au e hoi hou mai.