< Joba 16 >

1 Dia namaly Joba ka nanao hoe:
Then Job answered and said,
2 Efa nandre zavatra maro toy izany aho; Mpampionona mahasorisorena foana ianareo rehetra.
I have heard many such things: miserable comforters are all of you all.
3 Efa tapitra va izay ny bedibedy foana? Sa mbola misy manesika anao hamaly ahy ihany?
Shall vain words have an end? or what emboldens you that you answer?
4 Izaho kosa mba mahazo miteny tahaka anareo, raha mba tonga tahaka ahy ianareo; eny, mahazo manamboatra teny ho enti-mamely anareo aho ary mahazo mihifikifi-doha aminareo;
I also could speak as all of you do: if your soul were in my soul's position, I could heap up words against you, and shake mine head at you.
5 Mahazo mampahery anareo amin’ ny Vavako aho, ary mahazo mampitony ny alahelonareo ny fampiononana ataon’ ny molotro.
But I would strengthen you with my mouth, and the moving of my lips should subside your grief.
6 Na dia miteny aza aho, dia tsy mitsahatra ny alaheloko; Ary na dia mangìna aza aho, dia tsy misy mihena izany.
Though I speak, my grief is not subsided: and though I forbear, what am I eased?
7 Fa ankehitriny efa nandreraka ahy Izy; Naringanao ny ankohonako rehetra.
But now he has made me weary: you have made desolate all my company.
8 Ary efa nampifezaka ny tenako Hianao, ka dia vavolombelona amiko izany. Ary mitsangana hiampanga ahy ny fahahiazako, ka dia tondromaso akaiky izany.
And you have filled me with wrinkles, which is a witness against me: and my leanness rising up in me bears witness to my face.
9 Amin’ ny fahatezerany no amiravirany sy andrafiany ahy, mihidy vazana amiko Izy; Eny, miseho ho fahavaloko Izy ka mampivandravandra ny masony amiko;
He tears me in his wrath, who hates me: he gnashes upon me with his teeth; mine enemy sharpens his eyes upon me.
10 Nisanasana vava tamiko ny olona; Latsa no nentiny namely ny takolako; Mitambatra hamely ahy izy.
They have gaped upon me with their mouth; they have smitten me upon the cheek reproachfully; they have gathered themselves together against me.
11 Efa voatolotr’ Andriamanitra ho amin’ ny ratsy fanahy aho, ary natsipiny ho eo an-tànan’ ny mpanota.
God has delivered me to the ungodly, and turned me over into the hands of the wicked.
12 Tamin’ ilay izaho tsy nanana ahiahy iny, dia nanorotoro ahy Izy; Nosamboriny tamin’ ny hatoko aho ka nomontsaniny, sady natsangany ho marika hokendreny.
I was at ease, but he has broken me asunder: he has also taken me by my neck, and shaken me to pieces, and set me up for his mark.
13 Manodidina ahy ny mpandefa zana-tsipìkany; Mamaky ny voako Izy ka tsy miantra ary manidina ny aferoko ho amin’ ny tany.
His archers compass me round about, he cleaves my reins asunder, and does not spare; he pours out my gall upon the ground.
14 Bangabangainy lalandava aho, ka miroatra hamely ahy tahaka ny lehilahy mahery Izy.
He breaks me with breach upon breach, he runs upon me like a giant.
15 Lamba fisaonana no voazaitrako hanarona ny hoditro, ary nalàko baraka tamin’ ny vovoka ny tandroko.
I have sewed sackcloth upon my skin, and defiled my horn in the dust.
16 Ny tavako tera-menan’ ny fitomaniana, ary eo amin’ ny hodi-masoko ny aloky ny fahafatesana;
My face is foul with weeping, and on my eyelids is the shadow of death;
17 Kanefa tsy misy eto an-tanako izay mba nalaina an-keriny; Ary madio ny fivavako.
Not for any injustice in mine hands: also my prayer is pure.
18 Ry tany ô, aza manarona ny rako, ary aoka tsy ho voahazona ny fitarainako!
O earth, cover not you my blood, and let my cry have no place.
19 Fa na dia ankehitriny aza, indro, any an-danitra ny Vavolombeloko, eny, ny Vavolombeloko dia any amin’ ny avo.
Also now, behold, my witness is in heaven, and my record is on high.
20 Na dia mihomehy ahy aza ny sakaizako, dia mamarin-dranomaso eo anatrehan’ Andriamanitra kosa aho,
My friends scorn me: but mine eye pours out tears unto God.
21 Mba hanamarina ahy olombelona eo anatrehany Izy sy hanafa-tsiny ahy zanak’ olombelona amin’ ny sakaizako.
O that one might plead for a man with God, as a man pleads for his neighbour!
22 Fa rehefa lasa ny taona vitsy, dia handeha any amin’ ny lalana izay tsy hiverenako intsony aho.
When a few years are come, then I shall go the way whence I shall not return.

< Joba 16 >