< Joba 15 >

1 Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
Sai Elifaz mutumin Teman ya amsa,
2 Tokony handahatra hevi-dravina va ny olon-kendry, ka hameno ny kibony amin’ ny rivotra avy any atsinanana va,
“Mutum mai hikima zai amsa da surutai marasa kan gado ko yă cika cikinsa da iskar gabas?
3 Ary hamaly amin’ ny teny tsy mahasoa sy ny teny tsy mahatsara?
Ko zai yi gardama da maganganun wofi maganganu marasa amfani?
4 Eny, foananao ny fahatahorana an’ Andriamanitra, ary tampenanao ny fivavahana eo anatrehany;
Amma ka ma rena Allah ka hana a yi addu’a gare shi.
5 Fa ny helokao no manesika ny vavanao, ary mianatra ny lelan’ ny fetsy ianao.
Zunubanka ne suke gaya maka abin da za ka ce; kana magana kamar mai wayo.
6 Ny vavanao ihany no manameloka anao, fa tsy izaho; Ary ny molotrao ihany no mamely anao.
Bakinka zai kai ka yă baro, ba nawa ba; maganar bakinka za tă juya a kanka.
7 Hianao va no voalohany izay nateraka ho olombelona? Na naloaky ny kibo talohan’ ny tendrombohitra va ianao?
“Kai ne mutum na farko da aka fara haihuwa? Ko kai ne aka fara halitta kafin tuddai?
8 Isan’ ny mpihevitra teo amin’ Andriamanitra va ianao, ka voarombakao ho anao irery ny fahendrena?
Kana sauraron shawarar Allah? Ko kana gani kai kaɗai ne mai hikima?
9 Inona no fantatrao, ka tsy mba fantatray koa, na saina azonao, ka tsy ato aminay koa?
Me ka sani da ba mu sani ba? Wane fahimi kake da shi da ba mu da shi?
10 Ny anti-panahy sy ny fotsy volo dia misy ato aminay, eny, olona ela niainana noho ny rainao aza.
Masu furfura da tsofaffi suna gefenmu mutanen da sun girme babanka.
11 Ataonao ho tsinontsinona va ny fampiononana avy amin’ Andriamanitra sy ny teny natao aminao amin’ ny fahalemem-panahy?
Ta’aziyyar Allah ba tă ishe ka ba. Maganarsa mai laushi ba tă ishe ka ba?
12 Nahoana no dia entin’ ny fonao ianao? Ary nahoana no mipipy foana ny masonao,
Don me ka bar zuciyarka ta kwashe ka, kuma don me idanunka suke haske,
13 Ka miefonefona amin’ Andriamanitra ianao, sady miteniteny foana ny vavanao?
har kake fushi da Allah kake kuma faɗar waɗannan maganganu daga bakinka?
14 Inona ny zanak’ olombelona no mba hadio izy? Ary izay tera-behivavy no mba ho marina?
“Mene ne mutum, har da zai zama da tsarki, ko kuma mace ta haife shi, har yă iya zama mai adalci?
15 Indro, ireo anjeliny aza tsy mahatoky Azy, ary ny lanitra aza tsy madio eo imasony;
In Allah bai nuna amincewa ga tsarkakansa ba, in har sammai ba su da tsarki a idonsa,
16 Koa mainka fa izay vetaveta sy tena ratsy, dia ny olona izay misotro heloka toa rano!
mutum fa, wanda yake da mugunta da lalacewa, wanda yake shan mugunta kamar ruwa!
17 Hanambara aminao aho, ka mihainoa ahy fa izay efa hitako no holazaiko,
“Ka saurare ni, zan kuma yi maka bayani; bari in gaya maka abin da na gani,
18 Dia zavatra notorin’ ny olon-kendry, fa tsy nafeniny, dia izay azony avy tamin’ ny razany;
abin da masu hikima suka ce, ba tare da sun ɓoye wani abu da suka samu daga wurin iyayensu ba
19 Ireny ihany no nomena ny tany, ary tsy nisy olona hafa firenena nisisika teo aminy.
(waɗanda su ne masu ƙasar kafin baƙi su shigo ƙasar).
20 Ny ratsy fanahy mijalijaly amin’ ny androny rehetra, dia amin’ ny taona rehetra voatendry ho an’ ny lozabe.
Dukan kwanakin ransa mugu yana shan wahala, wahala kaɗai zai yi ta sha.
21 Feo mampitahotra no ren’ ny sofiny; Ary na dia miadana aza izy, dia avy hamely azy ihany ny mpandroba.
Ƙara mai bantsoro za tă cika kunnuwansa’yan fashi za su kai masa hari.
22 Tsy manantena ho afaka amin’ ny maizina izy; Andrasan’ ny sabatra izy.
Yana jin tsoron duhu domin za a kashe shi da takobi.
23 Mirenireny hitady izay hohaniny izy ka manao hoe: Aiza re? Fantany fa antomotra azy ny andro maizina.
Yana ta yawo, abinci don ungulaye; ya san ranar duhu tana kusa.
24 Fahoriana sy fahaporitana no mampitahotra azy; Mandresy azy ireo tahaka ny mpanjaka efa vonona ho amin’ ny ady,
Ɓacin rai da baƙin ciki sun cika shi, kamar sarkin da yake shirin yaƙi,
25 Satria naninjitra ny tanany hanohitra an’ Andriamanitra izy Ary nirehareha hanohitra ny Tsitoha.
domin ya nuna wa Allah yatsa ya rena Allah Maɗaukaki,
26 Mimaona amin’ ny fahamafian-katoka hamely Azy izy, dia amin’ ny foitran’ ampingany matevina,
ya tasar masa da faɗa da garkuwa mai kauri da kuma ƙarfi.
27 Satria efa matavitavy tarehy izy, ary mivalon-kotraka ny valahany;
“Ko da yake fuskarsa ta cika da kumatu kuma yana da tsoka ko’ina,
28 Ary monina ao an-tanana rava izy, dia ao an-trano tokony tsy hitoeran’ olona, izay efa voatendry ho korontam-bato.
zai yi gādon garuruwan da suka lalace, da kuma gidajen da ba wanda yake zama a ciki, gidajen da sun zama tarkace.
29 Tsy hanan-karena izy, sady tsy haharitra ny heriny, ka tsy ho vokatra ambonin’ ny tany ny fananany.
Ba zai sāke zama mai arziki ba, dukiyarsa ba za tă dawwama ba, abin da ya mallaka kuma ba zai bazu a ƙasar ba.
30 Tsy ho afaka amin’ ny maizina izy; ny solofony hikainkona azon’ ny lelafo; ho levon’ ny fofonain’ Andriamanitra izy.
Ba zai tsere wa duhu ba; wuta za tă ƙona rassansa, kuma numfashi daga bakin Allah zai hallaka shi.
31 Aoka tsy ho voafitaka hatoky zava-poana izy; fa zava-poana no ho valiny homena azy.
Kada yă ruɗi kansa ta wurin dogara ga abin da ba shi da amfani domin ba zai samu wani abu ba daga ciki.
32 Raha mbola tsy tonga aza ny androny, dia manjo azy izany, ary tsy ho maitso ny sampany.
Kafin lokacinsa yă cika, za a gama biyansa duka, kuma rassansa ba za su ba da amfani ba.
33 Ho tahaka ny voaloboka manintsana ny voany manta izy ary ho tahaka ny hazo oliva mampiraraka ny voniny.
Zai zama kamar itacen inabi wanda’ya’yansa suka kakkaɓe kafin su nuna, kamar itacen zaitun zai zubar da furensa.
34 Fa tsy ho vanona ny ankohonan’ ny mpihatsaravelatsihy, ary ho lanin’ ny afo ny tranon’ ny mpitoroka.
Gama marasa tsoron Allah za su zama marasa ba da’ya’ya, wuta kuma za tă ƙona tenti na masu son cin hanci.
35 Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana, ary ny kibony mamorom-pitaka.
Suna yin cikin rikici su kuma haifi mugunta; cikinsu yana cike da ruɗami.”

< Joba 15 >