< Joba 12 >

1 Dia namaly Joba ka nanao hoe:
Ndipo Ayubu akajibu:
2 Marina ary fa ianareo ihany tokoa olombelona! Ary hiara-maty aminareo ny fahendrena!
“Bila shaka ninyi ndio watu, nayo hekima itakoma mtakapokufa!
3 Kanefa izaho mba manan-tsaina tahaka anareo ihany koa; Tsy latsaka noho ianareo aho; Fa iza moa no tsy nahalala izay zavatra toy izany?
Lakini mimi ninao ufahamu kama ninyi; mimi si duni kwenu. Ni nani asiyejua mambo haya yote?
4 Tonga fihomehezan’ ny sakaizako aho. Dia izaho izay niantso an’ Andriamanitra ka novaliany; Eny, tonga fihomehezana ny olona marina tsy manan-tsiny.
“Nimekuwa mtu wa kuchekwa na rafiki zangu, ingawa nilimwita Mungu naye akanijibu: mimi ni mtu wa kuchekwa tu, ingawa ni mwadilifu na nisiye na hatia!
5 Endrehin-datsa ny ozoim-pahoriana, raha araka ny hevitry ny miadana, eny, vonona ho amin’ izay ela mangozohozo ny latsa.
Wanadamu wakiwa katika utulivu huwa na dharau kwa wale wenye msiba kana kwamba ndiyo haki ya wale ambao miguu yao inateleza.
6 Mandry fahizay ny lain’ ny mpitohatoha, Ary mitoetra tsy manahy izay sahy mampahatezitra an’ Andriamanitra, dia izay mitondra ny herin’ ny tànany ho andriamaniny
Hema za wanyangʼanyi hazisumbuliwi, wale wanaomghadhibisha Mungu wako salama: wale wamchukuao mungu wao mikononi mwao.
7 Kanefa anontanio ange ny biby, fa hampianatra anao izy, ary ny voro-manidina, fa hanambara aminao izy;
“Lakini ulizeni wanyama, nao watawafundisha, au ndege wa angani, nao watawaambia;
8 Ary makà saina amin’ ny tany, dia hampianatra anao izy. Ary ny hazandrano any an-dranomasina hampahalala anao.
au zungumzeni na dunia, nayo itawafundisha, au acheni samaki wa baharini wawape taarifa.
9 Iza no tsy mahalala, raha mandinika ireny rehetra ireny, fa ny nanao izany dia ny tanan’ i Jehovah,
Ni nani miongoni mwa hawa wote asiyejua kwamba mkono wa Bwana ndio uliofanya hili?
10 Izay mitana ny ain’ ny zava-manan’ aina rehetra sy ny fofonain’ ny olombelona rehetra?
Mkononi mwake kuna uhai wa kila kiumbe, na pumzi ya wanadamu wote.
11 Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny? Ary tsy ny vava va no manandrana ny hanina?
Je, sikio haliyajaribu maneno kama vile ulimi uonjavyo chakula?
12 Ao amin’ ny fotsy volo ny fahendrena, ary ny fahela-velona no ahazoam-pahalalana.
Je, hekima haipatikani katikati ya wazee? Je, maisha marefu hayaleti ufahamu?
13 Ao amin’ Andriamanitra kosa no misy fahendrena sy hery; Izy no manana hevitra sy fahalalana.
“Hekima na nguvu ni vya Mungu; shauri na ufahamu ni vyake yeye.
14 Indro, mandrava Izy, ka tsy hatsangana intsony; Manidy ny olona Izy, ka tsy hovohana.
Kile anachokibomoa hakiwezi kujengeka tena; mtu aliyefungiwa naye hawezi kufunguliwa.
15 Indro, manampina ny rano Izy, ka dia ritra iny; Ary alefany indray ka mahasimba ny tany.
Akizuia maji, huwa pana ukame; akiyaachia maji, huharibu nchi.
16 Izy no manana hery sy tena fahendrena; Samy eo an-tanany avokoa ny voafitaka sy ny mpamitaka.
Kwake kuna nguvu na ushindi; adanganywaye na adanganyaye, wote wawili ni wake.
17 Alany voninahitra ny mpanolo-tsaina, dia entiny. Ary asehony ny fahadalan’ ny mpitsara.
Yeye huwaondoa washauri wakiwa wametekwa nyara, naye huwapumbaza wanaotoa maamuzi.
18 Vahany ny fifehezan’ ny mpanjaka, ka feheziny mahazaka ny valahany.
Huondoa pingu zilizofungwa na wafalme, na kuwafunga mishipi ya kiunoni.
19 Alàny voninahitra ny mpisorona, dia entiny, ary ny mafy orina ela dia ravany.
Huwaondoa makuhani wakiwa wametekwa nyara, na kuwaangusha waliojiimarisha muda mrefu.
20 Koroiny ny laha-tenin’ ny mahay, ary ny fahazavan-tsain’ ny anti-panahy dia esoriny.
Hunyamazisha midomo ya washauri wanaoaminika, na kuondoa busara ya wazee.
21 Mandatsaka fanamavoana amin’ ny andriandahy Izy, ary ketrahiny ny fehin-kibon’ ny matanjaka.
Huwamwagia dharau wanaoheshimika, na kuwavua silaha wenye nguvu.
22 Manala rakotra izay lalina Izy mba tsy ho maizina ary mitondra ny aloky ny fahafatesana ho eo amin’ ny mazava.
Hufunua mambo ya ndani ya gizani, na kuyaleta nuruni yale yaliyositirika sana.
23 Mahalehibe ny firenena Izy, nefa mandringana azy koa, mampihahaka ny firenena Izy, nefa mitondra azy hody indray.
Huyafanya mataifa yatukuke na kuyaangamiza; hufanya mataifa kuwa makubwa, naye huyatawanya.
24 Mahavery saina ny loholona amin’ ny tany Izy ary mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana;
Huwaondolea viongozi wa nchi akili zao; huwapeleka watangetange nyikani pasipo na njia.
25 Mitsapatsapa amin’ ny maizina tsy misy mavaza ireo; ary mampivembena azy tahaka ny olona mamo Izy.
Hupapasa gizani pasipokuwa na mwanga; huwafanya wapepesuke kama walevi.

< Joba 12 >