< Joba 11 >
1 Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:
А Софар Намаћанин одговори и рече:
2 Moa tsy hovaliana va ny teny be toy izany? Ary moa raha maro vava, dia ho marina va?
Зар на многе речи нема одговора? Или ће човек говорљив остати прав?
3 Ny bedibedinao va no hampangina ny olona? Ka dia haniratsira ianao, ka tsy hisy handresy lahatra,
Хоће ли твоје лажи ућуткати људе? И кад се ругаш, зар те неће нико посрамити?
4 Ary dia hiteny hoe: Madio ny teny nalahatro, ary tsy nanan-tsiny teo imasonao aho.
Јер си рекао: Чиста је наука моја, и чист сам пред очима твојим.
5 Enga anie ka hiteny Andriamanitra ka hiloa-bava hamaly anao!
Али кад би Бог проговорио и усне своје отворио на те,
6 Dia hasehony aminao ny fahendrena miafina, fa tsy hita lany izany, ka dia ho fantatrao fa tsy dia novalian’ Andriamanitra avokoa ny helokao.
И показао ти тајне мудрости, јер их је двојином више, познао би да те Бог кара мање него што заслужује твоје безакоње.
7 Takatry ny sainao va ny fomban’ Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha
Можеш ли ти тајне Божије докучити, или докучити савршенство Свемогућег?
8 Avo tahaka ny lanitra izany! ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fiainan-tsi-hita! ka inona no fantatrao? (Sheol )
То су висине небеске, шта ћеш учинити? Дубље је од пакла, како ћеш познати? (Sheol )
9 Lava noho ny tany ny ohany ary lehibe noho ny ranomasina.
Дуже од земље, шире од мора.
10 Raha mandroso Izy ka misambotra ary manao fitsarana, dia iza moa no mahasakana Azy?
Да преврати, или затвори или сабере, ко ће Му бранити?
11 Fa Izy mahafantatra ny olon-dratsy; Ary hitany ny heloka, na dia tsy mandinika akory aza Izy.
Јер зна ништавило људско, и видећи неваљалство зар неће пазити?
12 Koa na dia ny olom-poana aza dia hahazo fahendrena, ary na dia ny zanaky ny boriki-dia aza dia hateraka ho olombelona.
Човек безуман постаје разуман, премда се човек рађа као дивље магаре.
13 Raha ampanatrehinao Azy ny fonao, ary atantinao aminy ny tananao,
Да ти управиш срце своје и подигнеш руке своје к Њему,
14 Ka misy heloka eo an-tananao, dia ario lavitra izany, ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao;
Ако је безакоње у руци твојој, да га уклониш, и не даш да неправда буде у шаторима твојим,
15 Dia hahazo hanandratra ny tavanao tsy misy tsiny ianao, koa hijoro tsara ary tsy hatahotra;
Тада ћеш подигнути лице своје без мане и стајаћеш тврдо и нећеш се бојати;
16 Fa ho hadinonao ny fahorianao: Toy ny rano efa nandalo no hahatsiarovanao azy.
Заборавићеш муку, као воде која протече опомињаћеш је се;
17 Ary hamirapiratra lavitra noho ny mitataovovonana ny andronao; na dia sendra manjombona aza, dia ho tonga tahaka ny maraina.
Настаће ти време ведрије него подне, синућеш, бићеш као јутро;
18 Hatoky ianao, satria misy fanantenana; eny, hijery manodidina ianao ka handry tsy amin’ ahiahy.
Уздаћеш се имајући надање, закопаћеш се, и мирно ћеш спавати.
19 Dia ho tafandry ianao, fa tsy hisy hanaitaitra; Ary maro no hila sitraka aminao.
Лежаћеш, и нико те неће плашити, и многи ће ти се молити.
20 Fa ny mason’ ny ratsy fanahy kosa ho pahina, ka ho very avokoa ny fiarovana azy, ary ny fialàna aina ihany no hany sisa azony antenaina.
Али очи ће безбожницима ишчилети, и уточишта им неће бити, и надање ће им бити издисање.