< Joba 10 >
1 Maharikoriko ahy ny aiko; Hamoaka ny fitarainako aho sy hiteny noho ny fangidian’ ny fanahiko
“Na gaji da rayuwa; saboda haka bari in faɗi zuciyata gabagadi yadda raina yake jin ba daɗi.
2 Hanao amin’ Andriamanitra hoe aho: Aza manameloka ahy; Mba ampahalalao izay anton’ ny iadianao amiko aho.
Zan ce wa Allah, kada ka hukunta ni, amma ka gaya mini laifin da na yi maka.
3 Mahafaly Anao va ny hampahory sy hanary ny efa nisasaranao ka hamirapiratra amin’ ny fisainan’ ny ratsy fanahy?
Kana jin daɗin ba ni wahala, don me ka yashe ni, abin da ka halitta da hannunka, yayinda kake murmushi game da shirye-shiryen mugaye?
4 Manana maso nofo va Hianao? Na mijery tahaka ny fijerin’ ny zanak’ olombelona?
Idanunka irin na mutum ne? Kana gani yadda mutum yake gani ne?
5 Tahaka ny andron’ ny zanak’ olombelona va ny andronao? Na tahaka ny taonan’ ny olombelona ny taonanao,
Kwanakinka kamar na mutane ne, ko shekarunka kamar na mutane ne
6 No dia mikaroka izay heloko Hianao sy mikatsaka izay fahotako,
da za ka neme ni da laifi ka hukunta ni?
7 Na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho, ary tsy misy mahavonjy amin’ ny tananao?
Ko da yake ka san ba ni da laifi, kuma ba wanda zai iya cetona daga hannunka.
8 Ny tananao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray aho izao.
“Da hannuwanka ka ƙera ni, kai ka halicce ni. Yanzu kuma kai za ka juya ka hallaka ni?
9 Masìna Hianao, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho, ka hamerina ahy amin’ ny vovoka indray Hianao!
Ka tuna cewa ka mulmula ni kamar yumɓu. Yanzu za ka mai da ni in zama ƙura kuma?
10 Tsy naidinao toy ny ronono va aho ka nampandrinao toy ny ronono-mandry?
Ba kai ka zuba ni kamar madara ba, na daskare kamar cuku.
11 Eny, notafianao hoditra sy nofo aho ary norarinao tamin’ ny taolana sy ny ozatra.
Ka rufe ni da tsoka da fata, ka harhaɗa ni da ƙasusuwa da jijiyoyi?
12 Aina sy famindram-po no nomenao ahy; Ary ny fiahianao no niaro ny aiko.
Ka ba ni rai ka kuma yi mini alheri, kuma cikin tanadinka ka kula da ruhuna.
13 Saingy izao no nafeninao tao am-ponao, eny, fantatro fa tao aminao izao:
“Amma wannan shi ne abin da ka ɓoye a zuciyarka, na kuma san abin da yake cikin zuciyarka ke nan.
14 Raha manota aho, dia mamantatra ahy Hianao ka tsy manafaka ahy amin’ ny heloko.
In na yi zunubi kana kallo na kuma ba za ka fasa ba ni horo ba don laifin da na yi.
15 Raha meloka aho, dia lozako! Ary na dia marina aza aho, dia tsy ho sahy miandrandra, satria feno henatra sady mahatsiaro fahoriana aho.
Idan ina da laifi, kaitona! Ko da ba ni da laifi, ba zan iya ɗaga fuskata ba, gama kunya ta ishe ni duk ɓacin rai ya ishe ni.
16 Fa raha sahy miandrandra aho, dia hihaza ahy tahaka ny liona masiaka Hianao; Ary hiverina indray Hianao, ka ho mahagaga ny famelinao ahy.
In na ɗaga kaina, za ka neme ni kamar zaki ka sāke nuna al’ajabin ikonka a kaina.
17 Mbola hanangana vavolombelona vaovao mandrakariva hanameloka ahy Hianao sy hampitombo ny fahatezeranao amiko; Fahavalo mifanontona no mamely ahy.
Kana sāke kawo sababbin waɗanda za su ba da shaida a kaina kana ƙara haushinka a kaina; kana ƙara kawo mini hari.
18 Ka nahoana no namoaka ahy foana avy tany am-bohoka Hianao? Fa raha tsy izany, dia ho niala aina aho, ka tsy mba nisy maso nahita ahy akory.
“Me ya sa ka fito da ni daga cikin uwata? Da ma na mutu kafin a haife ni.
19 Ary efa toy ny tsy ary aho. Ka nentina avy tany an-kibo ho any am-pasana.
Da ma ba a halicce ni ba, da na mutu tun daga cikin cikin uwata na wuce zuwa kabari!
20 Tsy vitsy va ny androko? Koa mitsahara Hianao, mihataha mba hakako aina kely,
’Yan kwanakina ba su kusa ƙarewa ba ne? Ka rabu da ni don in ɗan samu sukuni na ɗan lokaci
21 Dieny tsy mbola lasa tsy hiverina aho, dia ho any amin’ ny tanin’ ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana,
kafin in koma inda na fito, ƙasa mai duhu da inuwa sosai,
22 Ho any amin’ ny tany maizim-pito, dia ny an’ ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana, sady maizim-pito ny famirapiratana any.
zuwa ƙasa mai duhun gaske, da inuwa da hargitsi, inda haske yake kamar duhu.”