< Joba 10 >

1 Maharikoriko ahy ny aiko; Hamoaka ny fitarainako aho sy hiteny noho ny fangidian’ ny fanahiko
My soul is weary of my life; I will leave my complaint upon myself; I will speak in the bitterness of my soul.
2 Hanao amin’ Andriamanitra hoe aho: Aza manameloka ahy; Mba ampahalalao izay anton’ ny iadianao amiko aho.
I will say to God, Do not condemn me; show me why thou contendest with me.
3 Mahafaly Anao va ny hampahory sy hanary ny efa nisasaranao ka hamirapiratra amin’ ny fisainan’ ny ratsy fanahy?
Is it good to thee that thou shouldest oppress, that thou shouldest despise the work of thy hands, and shine upon the counsel of the wicked?
4 Manana maso nofo va Hianao? Na mijery tahaka ny fijerin’ ny zanak’ olombelona?
Hast thou eyes of flesh? or seest thou as man seeth?
5 Tahaka ny andron’ ny zanak’ olombelona va ny andronao? Na tahaka ny taonan’ ny olombelona ny taonanao,
Are thy days as the days of man? are thy years as man’s days,
6 No dia mikaroka izay heloko Hianao sy mikatsaka izay fahotako,
That thou enquirest after my iniquity, and searchest after my sin?
7 Na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho, ary tsy misy mahavonjy amin’ ny tananao?
Thou knowest that I am not wicked; and there is none that can deliver out of thy hand.
8 Ny tananao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray aho izao.
Thy hands have made me and fashioned me in all my parts; yet thou dost destroy me.
9 Masìna Hianao, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho, ka hamerina ahy amin’ ny vovoka indray Hianao!
Remember, I beseech thee, that thou hast made me as the clay; and wilt thou bring me into dust again?
10 Tsy naidinao toy ny ronono va aho ka nampandrinao toy ny ronono-mandry?
Hast thou not poured me out as milk, and curdled me like cheese?
11 Eny, notafianao hoditra sy nofo aho ary norarinao tamin’ ny taolana sy ny ozatra.
Thou hast clothed me with skin and flesh, and hast fenced me with bones and sinews.
12 Aina sy famindram-po no nomenao ahy; Ary ny fiahianao no niaro ny aiko.
Thou hast granted me life and favour, and thy care hath preserved my spirit.
13 Saingy izao no nafeninao tao am-ponao, eny, fantatro fa tao aminao izao:
And these things hast thou hid in thy heart: I know that this is with thee.
14 Raha manota aho, dia mamantatra ahy Hianao ka tsy manafaka ahy amin’ ny heloko.
If I sin, then thou markest me, and thou wilt not acquit me from my iniquity.
15 Raha meloka aho, dia lozako! Ary na dia marina aza aho, dia tsy ho sahy miandrandra, satria feno henatra sady mahatsiaro fahoriana aho.
If I be wicked, woe to me; and if I be righteous, yet will I not lift up my head. I am full of confusion; therefore see thou my affliction;
16 Fa raha sahy miandrandra aho, dia hihaza ahy tahaka ny liona masiaka Hianao; Ary hiverina indray Hianao, ka ho mahagaga ny famelinao ahy.
For it increaseth. Thou huntest me as a fierce lion: and again thou showest thyself marvellous upon me.
17 Mbola hanangana vavolombelona vaovao mandrakariva hanameloka ahy Hianao sy hampitombo ny fahatezeranao amiko; Fahavalo mifanontona no mamely ahy.
Thou renewest thy witnesses against me, and increasest thy indignation upon me; changes and war are against me.
18 Ka nahoana no namoaka ahy foana avy tany am-bohoka Hianao? Fa raha tsy izany, dia ho niala aina aho, ka tsy mba nisy maso nahita ahy akory.
Why then hast thou brought me forth from the womb? O that I had given up the ghost, and no eye had seen me!
19 Ary efa toy ny tsy ary aho. Ka nentina avy tany an-kibo ho any am-pasana.
I should have been as though I had not been; I should have been carried from the womb to the grave.
20 Tsy vitsy va ny androko? Koa mitsahara Hianao, mihataha mba hakako aina kely,
Are not my days few? cease then, and let me alone, that I may take comfort a little,
21 Dieny tsy mbola lasa tsy hiverina aho, dia ho any amin’ ny tanin’ ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana,
Before I go to the place from which I shall not return, even to the land of darkness and the shadow of death;
22 Ho any amin’ ny tany maizim-pito, dia ny an’ ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana, sady maizim-pito ny famirapiratana any.
A land of darkness, as darkness itself; and of the shadow of death, without any order, and where the light is as darkness.

< Joba 10 >