< Jeremia 1 >

1 Ny tenin’ i Jeremia, zanak’ i Hilkia, isan’ ny mpisorona tao Anatota, tamin’ ny tanin’ ny Benjamina,
These are the words of Jeremiah son of Hilkiah, one of the priests in Anathoth in the territory of Benjamin.
2 izay nanambarana ny tenin’ i Jehovah tamin’ ny andron’ i Josia, zanak’ i Amona, mpanjakan’ ny Joda, tamin’ ny taona fahatelo ambin’ ny folo nanjakany,
The word of the LORD came to Jeremiah in the thirteenth year of the reign of Josiah son of Amon king of Judah,
3 sy tamin’ ny andron’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda koa, ka hatramin’ ny faran’ ny taona fahiraika ambin’ ny folo nanjakan’ i Zedekia, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, dia hatramin’ ny namaboana an’ i Jerosalema tamin’ ny volana fahadimy.
and through the days of Jehoiakim son of Josiah king of Judah, until the fifth month of the eleventh year of Zedekiah son of Josiah king of Judah, when the people of Jerusalem went into exile.
4 Tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
The word of the LORD came to me, saying:
5 Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro, ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an’ ny firenena.
“Before I formed you in the womb I knew you, and before you were born I set you apart and appointed you as a prophet to the nations.”
6 Ary hoy kosa aho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.
“Ah, Lord GOD,” I said, “I surely do not know how to speak, for I am only a child!”
7 Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin’ izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao.
But the LORD told me: “Do not say, ‘I am only a child.’ For to everyone I send you, you must go, and all that I command you, you must speak.
8 Aza matahotra azy ianao; fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.
Do not be afraid of them, for I am with you to deliver you,”
9 Dia naninjitra ny tànany Jehovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jehovah tamiko: Indro, efa nataoko ao am-bavanao ny teniko,
Then the LORD reached out His hand, touched my mouth, and said to me: “Behold, I have put My words in your mouth.
10 ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin’ ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly.
See, I have appointed you today over nations and kingdoms to uproot and tear down, to destroy and overthrow, to build and plant.”
11 Ary tonga tamiko indray ny tenin’ i Jehovah nanao hoe: Ry Jeremia, inona izao hitanao izao? Ary hoy izaho: Rantsan-kazo mahatsiaro no hitako.
And the word of the LORD came to me, asking, “Jeremiah, what do you see?” “I see a branch of an almond tree,” I replied.
12 Dia hoy Jehovah tamiko: Marina ny ahitanao azy; fa mahatsiaro Aho mba hahatanteraka ny teniko.
“You have observed correctly,” said the LORD, “for I am watching over My word to accomplish it.”
13 Ary tonga tamiko fanindroany indray ny tenin’ i Jehovah nanao hoe: Inona izao hitanao izao; Ary hoy izaho: Vilany mangotraka no hitako, ary mitongilana mianatsimo ny vavany.
Again the word of the LORD came to me, asking, “What do you see?” “I see a boiling pot,” I replied, “and it is tilting toward us from the north.”
14 Dia hoy Jehovah tamiko: Hiroatra avy any avaratra ny loza hanjo ny mponina rehetra amin’ ny tany.
Then the LORD said to me, “Disaster from the north will be poured out on all who live in the land.
15 Fa, indro, hantsoiko firenena rehetra amin’ ny fanjakana any avaratra, hoy Jehovah; dia ho tonga izy, ka samy hametraka ny seza fiandrianany eo anoloan’ ny vavahadin’ i Jerosalema avokoa hamelezany ny mandany rehetra manodidina sy ny tanàna rehetra any Joda.
For I am about to summon all the clans and kingdoms of the north,” declares the LORD. “Their kings will come and set up their thrones at the entrance of the gates of Jerusalem. They will attack all her surrounding walls and all the other cities of Judah.
16 Ary hifandahatra aminy Aho noho ny haratsiany rehetra, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an’ ny andriamani-kafa ary ny niankohofany teo anatrehan’ ny asan’ ny tànany.
I will pronounce My judgments against them for all their wickedness, because they have forsaken Me to burn incense to other gods and to worship the works of their own hands.
17 Fa ianao kosa dia misikìna, ary miomàna, ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao; aza matahotra ireo, fandrao dia hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao.
Get yourself ready. Stand up and tell them everything that I command you. Do not be intimidated by them, or I will terrify you before them.
18 Indro, Izaho hanao anao ho tanàna mimanda sy andry vy ary manda varahina mba tsy ho leon’ ny tany rehetra, na ny mpanjakan’ ny Joda, na ny lehibeny, na ny mpisorony, na ny vahoaka.
Now behold, this day I have made you like a fortified city, an iron pillar, and bronze walls against the whole land—against the kings of Judah, its officials, its priests, and the people of the land.
19 Fa hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.
They will fight against you but will never overcome you, since I am with you to deliver you,” declares the LORD.

< Jeremia 1 >