< Jeremia 9 >
1 Enga anie ka ho rano ny lohako, ary ho loharanon-dranomaso ny masoko, mba hitomaniako andro aman’ alina noho ny voavono amin’ ny oloko zanakavavy!
Aa, ndikanakonda kuti mutu wanga ukanakhala chitsime cha madzi, ndi maso anga ngati kasupe wa misozi! Ndikanalira usana ndi usiku kulirira anthu anga amene aphedwa.
2 Enga anie ka hahita fitoerana any an-efitra aho tahaka ny fitoeran’ ny mpandeha! Dia hahafoy ny fireneko aho ka hiala aminy, satria mpijangajanga avokoa izy rehetra, eny, mpivadika miray tetika izy.
Ndani adzandipatsa malo ogona mʼchipululu kuti ndiwasiye anthu anga ndi kuwachokera kupita kutali; pakuti onse ndi achigololo, ndiponso gulu la anthu onyenga.
3 Manenjana ny lelany toy ny fanenjana tsipìka izy mba handefa lainga. Ary tsy araka ny marina no mahahery azy etỳ ambonin’ ny tany; Fa mandroso amin’ ny ratsy ka hatramin’ ny ratsy izy, ary Izaho tsy mba fantany, hoy Jehovah.
“Amapinda lilime lawo ngati uta. Mʼdzikomo mwadzaza ndi mabodza okhaokha osati zoonadi. Amapitirirabe kuchita zoyipa; ndipo sandidziwa Ine.” Akutero Yehova.
4 Samia miaro tena amin’ ny namany avy ianareo. Ary aza misy matoky olona na dia ny rahalahy aza; Fa ny rahalahy rehetra dia mamingana tokoa, ary ny namana rehetra mandehandeha manaratsy.
“Aliyense achenjere ndi abwenzi ake; asadalire ngakhale abale ake. Aliyense amafuna kumudyera mʼbale wake masuku pa mutu. Choncho aliyense amachitira bwenzi lake ugogodi.
5 Izy rehetra samy mamitaka ny namany avy, ka tsy misy miteny marina; Mampianatra ny lelany handainga izy ary manasa-tena amin’ ny fanaovan-dratsy.
Aliyense amamunamiza mʼbale wake ndipo palibe amene amayankhula choonadi. Anapazoloweza pakamwa pawo kunena zabodza; amalimbika kuchita machimo.
6 Ny fonenanao dia ao anatin’ ny fitaka; Fitaka no nandavany tsy hahalalana Ahy, hoy Jehovah.
Iwe wakhalira mʼchinyengo ndipo ukukana kundidziwa Ine,” akutero Yehova.
7 Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Indro, handrendrika sy hizaha toetra azy Aho; Fa ahoana no hataoko noho ny amin’ ny oloko zanakavavy?
Nʼchifukwa chake Yehova Wamphamvuzonse akuti, “Taonani, Ine ndidzawasungunula ngati chitsulo ndi kuwayesa. Kodi ndingachite nawonso bwanji chifukwa cha machimo awo?
8 Zana-tsipìka mahafaty ny lelany ka miteny fitaka; Raha amin’ ny vavany, dia miteny fihavanana amin’ ny namany izy, kanjo ao anatiny kosa dia manao otri-po.
Lilime lawo lili ngati muvi wakuthwa; limayankhula zachinyengo. Aliyense ndi pakamwa pake amayankhula mawu achikondi kwa mnansi wake, koma mu mtima mwake amakonzekera zomuchita chiwembu.
9 Tsy hovaliako va izy amin’ izany zavatra izany? hoy Jehovah, tsy hialako fo va ny firenena toy izany?
Kodi ndilekerenji kuwalanga chifukwa cha zimenezi? akutero Yehova. ‘Kodi ndisawulipsire mtundu wotere wa anthu?’”
10 Noho ny amin’ ny tendrombohitra no hitomaniako sy hidradradrako, ary noho ny amin’ ny kijana any an-efitra no hanaovako hira fa halahelovana, satria may izy, ka tsy misy mandeha mamaky eo aminy, ary tsy misy fimàmàn’ omby re intsony, ary na ny voro-manidina na ny bibi-dia samy efa nandositra ka lasa avokoa.
Ndidzakhetsa misozi ndi kulira kwamphamvu chifukwa cha mapiri ndipo ndidzadandaula chifukwa cha msipu wa ku chipululu. Malo onsewo awonongeka ndipo palibe amene amapitako, ndipo sikumveka kulira kwa ngʼombe. Mbalame zamlengalenga zathawa ndipo nyama zakuthengo zachokako.
11 Ary Jerosalema dia hataoko korontam-bato sy fonenan’ ny amboadia; ary ny tanànan’ ny Joda hataoko lao tsy hisy mponina.
Ndipo Yehova anati, “Ndidzasandutsa Yerusalemu kukhala bwinja, malo okhalamo ankhandwe; ndipo ndidzawononga mizinda ya Yuda kotero kuti palibe munthu amene adzakhalemo.”
12 Iza no olon-kendry mba hahafantatra izao, sady efa nitenenan’ ny vavan’ i Jehovah mba hanambara izao? Fa nahoana no noravana ny tany sady may ho toy ny efitra, ka tsy misy mandeha mamaky eo aminy?
Ine ndinati, “Kodi munthu wanzeru ndani woti nʼkumvetsa zimenezi? Kodi ndani amene Yehova anayankhula naye zimenezi kuti akafotokozere ena? Nʼchifukwa chiyani dziko lawonongeka ndi kusanduka chipululu, mʼmene anthu sadutsamo?”
13 Ary hoy Jehovah: satria nahafoy ny lalàko izay nataoko teo anoloany izy ka tsy nankato izany ary tsy nihaino ny feoko,
Yehova anati, “Nʼchifukwa chakuti anthuwa analeka kutsata malamulo anga amene ndinawapatsa; sanandimvere kapena kuwasamala.
14 Fa nandeha araka ny ditry ny fony sy nanaraka ireo Bala araka izay nampianarin’ ny razany azy,
Mʼmalo mwake, anatsatira zolakwa za mʼmitima yawo; anapembedza Abaala ngati momwe makolo awo anawaphunzitsira.”
15 Dia izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hofahanako zava-mahafaty ity firenena ity sy hampisotroiko rano mangidy;
Tsono chimene Ine Yehova Wamphamvuzonse, Mulungu wa Israeli ndidzachite ndi anthu amenewa ndi ichi: “Ndidzawadyetsa chakudya cha ziphe ndi kuwamwetsa madzi a ndulu.
16 Ary haeliko any amin’ izay jentilisa tsy fantany na fantatry ny razany izy; Ary hampanenjehiko azy ny sabatra ambara-pandaniko azy.
Ndidzawabalalitsa pakati pa mitundu ya anthu imene iwowo kapena makolo awo sanayidziwe, ndipo ndidzawalondola ndi ankhondo mpaka nditawawononga.”
17 Izao no lazain’ i Jehovah. Tompon’ ny maro: Mihevera tsara, ka antsoy ireny vehivavy mpanao hira fahalahelovana mba ho avy; Eny, ampanalao ireny vehivavy mahay mba ho tonga;
Yehova Wamphamvuzonse akuti, “Tsopano ganizirani! Muyitane akazi olira mwachisoni kuti abwere; itanani akazi odziwa kulira bwino.”
18 Ary asaovy haingana ireny hanandratra fidradradradrana ho antsika, mba hampijojy ny ranomasontsika sy hampivarina ny ranomaso avy amin’ ny hodimasontsika.
Anthu akuti, “Abwere mofulumira kuti adzatilire mpaka mʼmaso mwathu mutatuluka misozi ndi kuti msidze zathu zinyowe ndi madzi.
19 Fa misy feo midradradradra re any Ziona hoe: Indrisy! rava isika; Afa-baraka indrindra isika, satria tsy maintsy mamoy ny tany, fa efa narodana ny trano nitoerantsika.
Kulira mwachisoni kukumveka kuchokera mu Ziyoni akuti, ‘Aa! Ife tawonongeka! Tachita manyazi kwambiri! Tiyenera kuchoka mʼdziko lathu chifukwa atipirikitsa mʼnyumba zathu.’”
20 Nefa mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ianareo vehivavy, ary aoka hohenoin’ ny sofinareo ny tenin’ ny vavany, ka ampianaro fidradradradrana ny zanakavavinareo, ary samia mampianatra hira fahalahelovana ny namany avy.
Tsono inu amayi, imvani mawu a Yehova; tcherani makutu anu kuti mumve mawu a Yehova. Phunzitsani ana anu aakazi kulira mwachisoni; aliyense aphunzitse mnzake nyimbo ya maliro.
21 Fa ny fahafatesana efa nananika ny varavarankelintsika ka niditra tao an-dapantsika, mba handringana ny ankizy madinika tsy ho eny an-dalambe sy ny zatovo tsy ho eny an-kalalahana.
Imfa yatifikira kudzera mʼmazenera athu ndipo yalowa mʼnyumba zathu zotetezedwa; yapha ana athu mʼmisewu, ndi achinyamata athu mʼmabwalo.
22 Ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hiampatrampatra ny fatin’ ny olona ka ho tonga tahaka ny zezika eny an-tsaha sy tahaka ny amboara nilaozan’ ny mpijinja, Izay tsy misy manangona azy.
Yehova anandiwuza kuti ndinene izi kuti, “‘Mitembo ya anthu idzakhala ili lambalamba ngati ndowe mʼminda, ngati mapesi mʼmbuyo mwa wokolola, popanda munthu woyitola.’”
23 Izao no lazain’ i Jehovah: Aoka ny hendry tsy hirehareha amin’ ny fahendreny, ary aoka ny mahery tsy hirehareha amin’ ny heriny, ary aoka ny manan-karena tsy hirehareha amin’ ny hareny;
Yehova akuti, “Munthu wanzeru asanyadire nzeru zake, kapena munthu wamphamvu kunyadira nyonga zake, kapena munthu wolemera kunyadira chuma chake,
24 Fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin’ izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah, Izay manao famindram-po sy fitsarana marina ary fahamarinana etỳ ambonin’ ny tany; fa izany no sitrako, hoy Jehovah.
koma ngati munthu akufuna kunyadira, anyadire chinthu ichi: kuti iye amamvetsa za Ine ndipo amandidziwa, kuti ndine Yehova, amene ndimakonda chifundo, chilungamo ndiponso ungwiro pa dziko lapansi. Zimenezi ndizo ndimakondwera nazo,” akutero Yehova.
25 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hamaliako ny voafora rehetra mbamin’ ny tsy voafora koa,
“Nthawi ikubwera,” akutero Yehova, “pamene ndidzalanga onse amene anachita mdulidwe koma mu mtima sasamala nʼkomwe.
26 Dia Egypta sy Joda sy Edoma sy ny taranak’ i Amona ary Moaba mbamin’ izay rehetra voahety sisim-bolo, izay monina any an-efitra; Fa ny jentilisa rehetra dia tsy voafora, ary ny taranak’ Isiraely rehetra kosa dia tsy voafora fo.
Ndidzalanga anthu a ku Igupto, Yuda, Edomu, Amoni, Mowabu, ndiponso onse amene amakhala kutali ku chipululu. Mitundu ina yonseyi ndi yosachita mdulidwe, ngakhalenso Aisraeli nawonso sanachite mdulidwe wa mu mtima.”