< Jeremia 7 >

1 Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah:
O KA olelo keia i hiki mai ai io Ieremia la, mai o Iehova mai, i mai la.
2 Mitsangana eo am-bavahadin’ ny tranon’ i Jehovah, ary torio eo izao teny izao, ka ataovy hoe: Mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianareo, ry Joda rehetra, izay miditra amin’ ireto vavahady ireto mba hiankohoka eo anatrehan’ i Jehovah.
E ku oe ma ka puka o ka hale o Iehova, a malaila oe e kala aku ai i keia olelo, a e i aku. E hoolohe oukou i ka olelo a Iehova, e ka Iuda a pau i komo nei iloko o na pukapa e hoomana ia Iehova.
3 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, dia hamponeniko amin’ ity tany ity ianareo.
Ke olelo mai nei o Iehova o na kaua, ke Akua o ka Iseraela penei. E hoomaikai oukou i ko oukou mau aoao, a me ka oukou hana ana, a na'u no e hoonoho loa ia oukou ma keia wahi.
4 Aza matoky ny teny lainga hoe: Tempolin’ i Jehovah, tempolin’ i Jehovah, Tempolin’ i Jehovah ity.
Mai hilinai oukou ma na olelo wahahee, me ka olelo iho, Ka luakini o Iehova, Ka luakini o Iehova, Ka luakini o Iehova, keia mau mea.
5 Fa raha ataonareo tsara mihitsy ny lalanareo sy ny ataonareo, ka mitsara marina ny adin’ olona amin’ ny namany ianareo,
No ka mea, ina hoomaikai oiaio oukou i ko oukou mau aoao, a me ka oukou hana ana; ina e hana oiaio oukou i ka pono mawaena o ke kanaka, a me kona hoa;
6 Ary tsy mampahory ny vahiny sy ny kamboty sy ny mpitondratena, na mandatsaka rà marina amin’ ity tany ity, sady tsy manaraka andriamani-kafa hahatonga loza aminareo,
Ina hookaumaha ole oukou i ka malihini. i na keiki makua ole, a me na wahine kanemake, a hookahe ole i ke koko hala ole ma keia wahi, aole hoi e hele mamuli o na'kua e, i mea e hewa'i oukou;
7 Dia hamponeniko amin’ ity tany ity ihany ianareo, dia eto amin’ ny tany nomeko ny razanareo, hatramin’ ny ela ka ho mandrakizay.
Alaila, e hoonoho loa au ia oukou i keia wahi i ka aina a'u i haawi aku ai i ko oukou poe makua, a mau loa aku no.
8 He! ianareo matoky ny teny lainga, nefa tsy mahasoa tsinona izany.
Aia hoi, ke hilinai nei no oukou i na wahahee hope ole.
9 Hay! hangalatra sy hamono olona sy hijangajanga va ianareo ary hianian-tsy tò sy handoro ditin-kazo manitra ho an’ i Bala sady hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo?
E aihue anei oukou, a pepehi kanaka, a moe kolohe, a e hoike wahahee, a e kuni i ka mea ala no Baala, a e hele mamuli o na'kua e a oukou i ike ole ai?
10 Nefa mbola avy miseho ao anatrehako amin’ ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity ihany ianareo ka manao hoe: Efa voavonjy izahay mba hanaovana ireto fahavetavetana rehetra ireto!
A e hele mai anei, a ku imua o'u iloko o keia hale, ka mea i heaia ma ko'u inoa, a e olelo iho, Ua hoolaia makou, i hana makou i keia mau mea hoopailua a pau?
11 Moa ataonareo ho zohy fieren’ ny jiolahy va ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity? Indro, ny tenako aza dia mahita izany, hoy Jehovah.
O keia hale i kapaia ma ko'u inoa, ua lilo anei ia i lua no ka poe powa i ko oukou mau maka? Aia hoi, ua ike no wau, wahi a Iehova.
12 Fa mandehana ianareo any amin’ ny fitoerako izay ao Silo, dia ilay nasiako ny anarako any am-boalohany, ka jereo izay nataoko taminy noho ny haratsian’ ny Isiraely oloko.
Aka, e hele oukou, ano, i ko'u hale ma Silo, i kahi a'u i waiho ai i ko'u inoa i kinohi, a e ike hoi i ka mea a'u i hana'i ia wahi no ka hewa o ko'u poe kanaka no ka Iseraela.
13 Koa ankehitriny, hoy Jehovah, satria nanao izany zavatra rehetra izany ianareo, ary niteny taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa ka niteny taminareo, nefa tsy nohenoinareo, ary niantso anareo Aho, nefa tsy novalianareo,
A no ka oukou hana ana i keia mau mea a pau, wahi a Iehova; a olelo aku hoi au ia oukou, me ke ala ae i ka wauaao e olelo, aole nae oukou i hoolohe: a hea aku no hoi au ia oukou, aole oukou i o mai;
14 Koa dia ho toy ny nataoko tamin’ i Silo no hataoko amin’ ny trano izay efa niantsoana ny anarako sady itokianareo, sy amin’ ny fitoerana izay nomeko anareo sy ny razanareo;
Nolaila, e hana aku no au i keia hale i kapaia ma ko'u inoa, ka mea a oukou e hilinai nei, a i kahi hoi a'u i haawi aku ai ia oukou a i ko oukou poe makua, e like me ka'u i hana'i ia Silo.
15 Ary hesoriko hiala eto anatrehako ianareo toy ny nanesorako ny rahalahinareo rehetra, dia ny taranak’ i Efraima rehetra.
A e kipaku aku no au ia oukou, mai ko'u ale aku, e like me ka'u i kipaku aku ai i ko oukou poe hoahanau a pau, i ka hanauna a pau hoi o ka Eperaima.
16 Koa aza mivavaka ho an’ ity firenena ity ianao, ary aza manandratra fitarainana sy fivavahana ho azy na mifona amiko; Fa tsy hihaino anao Aho.
Nolaila, mai pule oe, no keia poe kanaka, aole hoi e hookiekie i ka leo, a me ka nouoi ana no lakou, aole hoi e uwao iho no lakou; no ka mea, aole loa au e hoolohe aku ia oe.
17 Tsy hitanao va ny ataon’ ireo any an-tanànan’ ny Joda sy any an-dalamben’ i Jerosalema?
Aole anei oe i ike i na mea a lakou e hana nei ma na kulanakauhale o ka Iuda, a ma na alanui o Ierusalema?
18 Ny zaza manangon-kitay, ny ray mandrehitra afo, ary ny vehivavy mametafeta ny koba hatao mofo ho an’ ny mpanjakavavin’ ny lanitra sy hanidinana fanatitra aidina ho an’ ny andriamani-kafa mba hampahasosotra Ahy.
Hoiliili no na keiki i ka wahie, a hoa na makuakane i ke ahi, a kaawili na wahine i ka palaoa, e hana i papapalaoa no ke alii wahine o ka lani, a uinini i ka mohai inu no na akua e, i mea e hoonaukiuki mai ai ia'u.
19 Moa Izaho va no ampahasosorin’ ireo, hoy Jehovah, fa tsy ny tenany ihany mba ho fangaihainy?
E hoonankiuki mai anei lakou ia'u, wahi a Iehova? Aole anei ia e lilo ia lakou i mea e hoopalai loa ai ko lakou mau maka?
20 Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, ny fahatezerako sy ny fahavinirako haidina amin’ ity tany ity, dia amin’ ny olona sy ny biby fiompy sy ny hazo any an-tsaha ary ny vokatry ny tany; Dia hirehitra izany ka tsy hovonoina.
Nolaila, ke olelo mai nei o Iehova ke Akua penei, Aia hoi, e nininiia'ku no ko'u huhu, a me ko'u ukiuki maluna o keia wahi, maluna o ke kanaka, a maluna o ka holoholona, a maluna o na laau o ke kula, a maluna o ka hua o ka lepo; a e a no ia, aole ia e hoopioia.
21 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Aoka ny fanatitra dorana ho naman’ ny fanatitrareo hafa alatsa-drà, ka mihinàna hena.
Ke olelo mai nei o Iehova o na kaua, ke Akua o ka Iseraela penei, E hui oukou i ko oukou mohaikuni me ko oukou alana, a e ai i ka io.
22 Fa tsy ny amin’ ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa no nitenenako tamin’ ny razanareo na nandidiako azy tamin’ ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta;
No ka mea, aole au i olelo aku i ko oukou poe makua, a i ka la a'u i lawe mai ai ia lakou mai Aigupita mai, aole au i kauoha ia lakou no na mohai kuni, a me na alana:
23 Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy ny feoko. Dia ho Andriamanitrareo Aho, ary ianareo ho oloko ka handeha amin’ ny lalana rehetra nandidiako anareo, mba hahitanareo soa.
Aka, o keia ka'u i kauoha aku ai ia lakou, i aku la, E malama i ko'u leo, a owau auanei ko oukou Akua, a o oukou auanei ko'u poe kanaka, a e hele hoi oukou ma na aoao a pau a'u i kauoha aku ai ia oukou, i mea e pomaikai ai oukou.
24 Kanjo tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny, fa nandeha tamin’ ny fisainany sy ny ditry ny fo ratsiny ihany izy dia niamboho, fa tsy mba nanatrika.
Aka, aole lakou i hoolohe mai, aole hoi i haliu mai i ko lakou pepeiao, aka, hele no lakou ma ka noonoo ana a ma ka paakiki o ko lakou naau hewa, a hoihope lakou, aole i hele mua.
25 Hatramin’ ny andro nivoahan’ ny razanareo avy tany amin’ ny tany Egypta ka ambaraka androany dia nirahiko ho any aminareo ihany ny mpaminany mpanompoko rehetra, eny, nifoha maraina koa isan’ andro Aho ka naniraka azy mandrakariva.
Mai ka la i hele mai ai ko oukou poe kupuna mai Aigupita mai, a hiki loa mai i keia la, ua hoouna aku au io oukou la, i ka'u poe kauwa a pau, i na kaula hoi, e ala ana i ka wanaao i kela la i keia la no ka hoouna aku.
26 Nefa tsy nihaino Ahy izy ireo sady tsy nanongilana ny sofiny, fa nanamafy ny hatony ka nanao ratsy mihoatra noho ny razany aza.
Aole nae lakou i hoolohe mai ia'u, aole hoi i haliu mai i ko lakou pepeiao, aka, hooolea no i ko lakou a-i. Kela aku no ka lakou hana hewa ana, i ka na makua o lakou.
27 Ary na dia holazainao aminy aza ireo teny rehetra ireo, dia tsy hihaino anao izy; Ary na dia antsoinao aza izy, dia tsy hamaly anao.
Nolaila oe e olelo aku ai i keia mau olelo a pau ia lakou; aka, aole no lakou e hoolohe mai ia oe. E hea aku oe ia lakou; aka, aole no lakou e o mai i kau.
28 Koa lazao aminy hoe: Ity no firenena tsy mihaino feon’ i Jehovah Andriamaniny sady tsy mino anatra; Very ny fahamarinana, fa afaka tamin’ ny vavany.
E olelo no nae oe ia lakou, He lahuikanaka keia i hoolohe ole i ka leo o Iehova o ko lakou Akua, aole hoi lakou i hoonaauao. Ua make ka oiaio, a ua hookiia mai ko lakou waha aku.
29 Hetezo ny volonao, ry Jerosalema, ka ario, ary manaova hira fahalahelovana any an-tendrombohitra mangadihady, satria lavin’ i Jehovah sy afoiny ny taranaka mahatezitra Azy.
E ako oe i kou lauoho, a e hoolei aku, a e olo ka pihe maluna o na wahi kiekie; no ka mea, ua hoole o Iehova, a ua haalele hoi i ka hanauna o kona ukiuki
30 Fa manao izay ratsy eo imasoko ny taranak’ i Joda, hoy Jehovah, mametraka ny fahavetavetany ao amin’ ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy mba handoto azy.
No ka mea, ua hana hewa na kieki a Iuda imua o ko'u alo, wahi a Iehova; ua waiho lakou i ko lakou mea e hoopailua'i maloko o ka hale i kapaia ma ko'u inoa, e hoohaumia ia wahi.
31 Ary izy nanorina ireo fitoerana avo any Tofeta, izay ao amin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinema, handoroany ny zananilahy sy ny zananivavy amin’ ny afo; Nefa zavatra tsy mba nandidiako na tao an-tsaiko akory aza izany.
A ua hana lakou i na wahi kiekie o Topeta; aia no ia maloko o ke awawa o ke keiki a Hinoma, e puhi i ka lakou keiki kane, a me ka lakou kaikamahine iloko o ke ahi, ka mea a'u i kauoha ole ai ia lakou, aole hoi i komo ia iloko o ko'u naau.
32 Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana azy intsony hoe Tofeta, na Lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa. Ary any Tofeta aza no handevenana noho ny hateren’ ny tany.
Nolaila, aia hoi, e hiki mai auanei na la, wahi a Iehova, e kapa ole ia'i ia o Topeta, aole hoi o ke awawa o ke keiki a Hinoma, aka, o ke awawa o ka make; no ka mea, e kanu kupapau no lakou ma Topeta, a piha loa ia wahi.
33 Ary ny fatin’ ity firenena ity dia ho fihinan’ ny voro-manidina sy ny bibidia, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
A e lilo na kupapau o keia poe kanaka i mea ai na na manu o ka lani, a na na holoholona o ka honua, aohe mea hooweliweli ia lakou.
34 Dia hatsahatro any an-tanànan’ ny Joda sy eny an-dalamben’ i Jerosalema ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ ny mpampakatra sy ny feon’ ny ampakarina; Fa ho lao ny tany.
Alaila, maloko o na kulanakauhale o ka Iuda, a ma na alanui o Ierusalema, e hooki no wau i ka leo o ke oli, a me ka leo o ka hauoli, a me ka leo o ke kane mare, a me ka leo o ka wahine mare; a e neoneo auanei ka aina.

< Jeremia 7 >