< Jeremia 6 >
1 Hianareo, zanak’ i Benjamina, mandosira faingana hiala an’ i Jerosalema, ary tsofy ao Tekoa ny anjomara, ka manaova tsangan’ afo ao Beti-hakerema; Fa misy loza sy fandringanana be miposaka avy any avaratra.
便雅悯人哪,你们要逃出耶路撒冷, 在提哥亚吹角, 在伯·哈基琳立号旗; 因为有灾祸与大毁灭从北方张望。
2 Ziona zanakavavy dia ampitoviko amin’ ny fiandrasan-ondry misy ahitra milenodenoka.
那秀美娇嫩的锡安女子, 我必剪除。
3 Ao aminy no alehan’ ny mpiandry sy ny ondry; Haoriny manodidina azy ny lainy, ka samy handany ny ao akaikiny avy izy.
牧人必引他们的羊群到她那里, 在她周围支搭帐棚, 各在自己所占之地使羊吃草。
4 Mitaova ianareo hanao ady masìna hamelezana azy; Mitsangàna, ka andeha isika hiakatra antoandro. Lozantsika! fa lasan-davitra ny andro, ka efa mandroso ny aloky ny hariva.
你们要准备攻击她。 起来吧,我们可以趁午时上去。 哀哉!日已渐斜, 晚影拖长了。
5 Mitsangàna, ka andeha isika hanao latsak’ alina, ary aoka horavantsika ny trano-beny.
起来吧,我们夜间上去, 毁坏她的宫殿。
6 Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro; Kapao ny hazo, ary manandrata tovon-tany hamelezana an’ i Jerosalema; Io ilay tanàna hovaliana, feno fampahoriana ny ao anatiny.
因为万军之耶和华如此说: 你们要砍伐树木, 筑垒攻打耶路撒冷。 这就是那该罚的城, 其中尽是欺压。
7 Toy ny loharano mampiboiboika ny ranony no ampiboiboihany ny faharatsiany; An-keriny sy fandravana no re ao aminy; Eo anatrehako mandrakariva ny faharariana sy ny faharatrana.
井怎样涌出水来, 这城也照样涌出恶来; 在其间常听见有强暴毁灭的事, 病患损伤也常在我面前。
8 Minoa anatra ianao, ry Jerosalema, fandrao miombotra miala aminao ny fanahiko, ary fandrao hataoko tany lao ianao, dia tany tsy honenana.
耶路撒冷啊,你当受教, 免得我心与你生疏, 免得我使你荒凉, 成为无人居住之地。
9 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hotsimponina fatratra toy ny fitsimpona voaloboka izay sisa amin’ ny Isiraely; Avereno ho amin’ ny sakeliny ny tananao toy ny mpioty voaloboka.
万军之耶和华曾如此说: 敌人必掳尽以色列剩下的民, 如同摘净葡萄一样。 你要像摘葡萄的人摘了又摘,回手放在筐子里。
10 Iza no hilazako sy hanariko mba handrenesany? Indro, ny sofiny dia tsy voafora, ka tsy mahahaino izy; He! tsatsoiny ny tenin’ i Jehovah ka tsy ankamaminy.
现在我可以向谁说话作见证,使他们听呢? 他们的耳朵未受割礼,不能听见。 看哪,耶和华的话他们以为羞辱, 不以为喜悦。
11 Fa ny fahatezeran’ i Jehovah mahafeno ahy ka tsy zakako tsindriana intsony! Aidino amin’ ny ankizy madinika eny an-dalambe sy amin’ ny fiokoan’ ny zatovo izany; Fa na lehilahy na vehivavy dia hosamborina avokoa, ary ny anti-panahy mbamin’ ny ela niainana koa;
因此我被耶和华的忿怒充满,难以含忍。 我要倾在街中的孩童和聚会的少年人身上, 连夫带妻, 并年老的与日子满足的都必被擒拿。
12 Ary ho lasan’ ny sasany ny tranony mbamin’ ny sahany sy ny vehivavy koa; Fa hahinjitro amin’ ny mponina amin’ ny tany ny tanako, hoy Jehovah,
他们的房屋、田地, 和妻子都必转归别人; 我要伸手攻击这地的居民。 这是耶和华说的。
13 Satria izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy fatra-pila harena avokoa; Na ny mpaminany na ny mpisorona dia samy mamitaka avokoa.
因为他们从最小的到至大的都一味地贪婪, 从先知到祭司都行事虚谎。
14 Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran’ ny oloko zanakavavy tamin’ ny nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona!
他们轻轻忽忽地医治我百姓的损伤, 说:平安了!平安了! 其实没有平安。
15 Nomenarina izy noho ny nanaovany fahavetavetana, nefa tsy mba menatra akory izy ary tsy mba valahara; Koa ho lavo ao amin’ izay lavo izy, amin’ ny andro hamaliako azy dia ho tafintohina izy, hoy Jehovah.
他们行可憎的事知道惭愧吗? 不然,他们毫不惭愧, 也不知羞耻。 因此,他们必在仆倒的人中仆倒; 我向他们讨罪的时候, 他们必致跌倒。 这是耶和华说的。
16 Izao no lazain’ i Jehovah: Mijanona eo an-dalana ianareo, ka izahao, ary anontanio izay lalana masaka hatry ny ela. Dia izay lalana mankany amin’ ny tsara, ka iny no izory, dia hahita fitsaharana ho an’ ny fanahinareo ianareo; Nefa hoy izy: Tsy hizotra izahay.
耶和华如此说: 你们当站在路上察看, 访问古道, 哪是善道,便行在其间; 这样,你们心里必得安息。 他们却说:我们不行在其间。
17 Ary nasiako mpitily ianareo hanao hoe: Henoy ny feon’ ny anjomara! Nefa hoy ianareo: Tsy hihaino izahay.
我设立守望的人照管你们, 说:要听角声。 他们却说:我们不听。
18 Koa henoinareo, ry jentilisa, ary aoka ho fantatrareo, ry fiangonana, ny hanjo azy.
列国啊,因此你们当听! 会众啊,要知道他们必遭遇的事。
19 Henoy, ry tany! Indro, Izaho hahatonga loza amin’ ity firenena ity, dia ny vokatry ny heviny ihany; Fa tsy nihaino ny teniko izy, ary nolaviny ny lalàko.
地啊,当听! 我必使灾祸临到这百姓, 就是他们意念所结的果子; 因为他们不听从我的言语, 至于我的训诲,他们也厌弃了。
20 Nahoana no itondrana ditin-kazo mani-pofona avy any Sheba Aho sy veromanitra avy any amin’ ny tany lavitra? Tsy sitrako ny fanatitra doranareo, ary tsy mamiko ny zavatra vonoinareo hatao fanatitra.
从示巴出的乳香, 从远方出的菖蒲 奉来给我有何益呢? 你们的燔祭不蒙悦纳; 你们的平安祭,我也不喜悦。
21 Koa izao no lazain’ i Jehovah: Indro hasiako fahatafintohinana eo amin’ ity firenena ity, ka dia samy ho tafintohina amin’ izany ny ray mbamin’ ny zanany; Ho faty ny olona mbamin’ ny namany.
所以耶和华如此说: 我要将绊脚石放在这百姓前面。 父亲和儿子要一同跌在其上; 邻舍与朋友也都灭亡。
22 Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, misy firenena avy any amin’ ny tany avaratra, dia firenena lehibe mitsangana avy any amin’ ny faran’ ny tany;
耶和华如此说: 看哪,有一种民从北方而来, 并有一大国被激动,从地极来到。
23 Tsipika sy lefona no entiny, lozabe sady tsy mamindra fo izy; Ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina, sady mitaingin-tsoavaly izy ary voaomana tahaka ny lehilahy ho amin’ ny ady, hamelezana anao, ry Ziona zanakavavy.
他们拿弓和枪, 性情残忍,不施怜悯; 他们的声音像海浪匉訇。 锡安城啊, 他们骑马都摆队伍, 如上战场的人要攻击你。
24 Efa renay ny lazany, ka miraviravy tanana izahay; Fahoriana no mahazo anay, eny, fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka.
我们听见他们的风声,手就发软; 痛苦将我们抓住, 疼痛仿佛产难的妇人。
25 Aza mivoaka ho any an-tsaha, ary aza mandeha amin’ ny lalambe; Fa manan-tsabatra ny fahavalo, misy fampangorohoroana manodidina.
你们不要往田野去, 也不要行在路上, 因四围有仇敌的刀剑和惊吓。
26 Ry oloko zanakavavy, misikìna lamba fisaonana ianao, ary mihosena lavenona, ka manaova fisaonana toy ny fisaonana zanakalahy tokana, dia fitomaniana fatratra; Fa ho avy tampoka amintsika ny mpandringana.
我民哪,应当腰束麻布,滚在灰中。 你要悲伤,如丧独生子痛痛哭号, 因为灭命的要忽然临到我们。
27 Ho mpizaha toetra ao amin’ ny oloko no nanendreko anao, dia ho fiarovana mafy, mba ho fantatrao sy hizahanao toetra ny alehany.
我使你在我民中为高台,为保障, 使你知道试验他们的行动。
28 Tena maditra avokoa izy rehetra ka mandehandeha manaratsy, varahina sy vy izy; Samy mpanao ratsy avokoa izy rehetra.
他们都是极悖逆的, 往来谗谤人。 他们是铜是铁, 都行坏事。
29 May ny tafoforana, levon’ ny afo ny firaka, foana ny nandrendrehan’ ny mpandrendrika, fa tsy voaisotra ny ratsy.
风箱吹火,铅被烧毁; 他们炼而又炼,终是徒然; 因为恶劣的还未除掉。
30 Ataon’ ny olona hoe, volafotsy tsy lany izy, satria tsy lanin’ i Jehovah.
人必称他们为被弃的银渣, 因为耶和华已经弃掉他们。