< Jeremia 52 >

1 Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema; ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin’ i Jeremia avy any Libna.
Sedekia alikuwa na umri wa miaka ishirini na mmoja alipoanza kutawala; akatawala miaka kumi na mmoja huko Yerusalemu. Jina la mamaye lilikuwa Hamutali; alikuwa binti Yeremia wa Libna.
2 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, araka izay rehetra nataon’ i Joiakima.
Akafanya maovu machoni pa Yahwe; akafanya kila alichokifanya Yehoyakimu.
3 Fa ny fahatezeran’ i Jehovah no nahatongavan’ izany tamin’ i Jerosalema sy ny Joda ambara-pandroakany azy tsy ho eo anatrehany. Ary Zedekia niodina tamin’ ny mpanjakan’ i Babylona.
Kwa hasira ya Yahwe, matukio haya yote yalitukia Yerusalemu na Yuda, hata alipowatoa mbele yake mwenyewe. Kisha Sedekia akaasi dhidi ya mfalme wa Babeli.
4 Ary tamin’ ny andro fahafolo tamin’ ny volana fahafolo tamin’ ny taona fahasivy nanjakan’ i Zedekia, dia tonga Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy ny miaramilany rehetra, hamely an’ i Jerosalema, ka nitoby tandrifiny sady nanao tilikambo manodidina azy izy.
Ikawa katika mwaka wa tisa wa utawala wa mfalme Sedeki, katika mwezi wa kumi, na siku ya kumi ya mwezi huo, Nebukadneza, mfalme wa Babeli, alikuja na jeshi lake lote dhidi ya Yerusalem. Wakapiga kambi kuukabili, nao wakajenga ukuta wa kuusuria kuuzunguka.
5 Ary ny tanàna dia nataony fahirano hatramin’ ny fahiraika ambin’ ny folo taona nanjakan’ i Zedekia mpanjaka.
Hivyo mji ukausuriwa mpaka mwaka wa kumi na moja wa utawala wa mfalme Sedekia.
6 Ary tamin’ ny andro fahasivy tamin’ ny volana fahefatra dia mafy ny mosary tao an-tanàna, fa tsy nisy hanina ho an’ ny olona tompon-tany.
Katika mwezi wa nne, siku ya tisa ya mwaka huo, njaa ikawa kali sana mjini hata hakukuwa na chakula kwa watu wa nchi.
7 Ary nisy voabanga ny tanàna, dia nandositra alina ny miaramila rehetra ka niala tao an-tanàna tamin’ ny lalana mankamin’ ny vavahady tanelanelan’ ny manda roa, izay eo anilan’ ny sahan’ ny mpanjaka (fa ny Kaldeana nanodidina ny tanàna), ka nandeha tamin’ ny lalana mankeny amin’ ny tani-hay.
Kisha mji ukatobolewa, na wapiganaji wote wakakimbia nje ya mji wakati wa usiku kwa njia ya lango lililokuwa kati ya kuta mbili, kwa bustani ya mfalme, japokuwa Wakaldayo walikuwa wameuzunguka mji. Hivyo wakaenda kwa njia ya Araba.
8 Ary ny miaramilan’ ny Kaldeana nanenjika ny mpanjaka ka nahatratra an’ i Zedekia teny amin’ ny tani-hay any Jeriko; dia nipariaka nandao azy ny miaramilany rehetra.
Lakini jeshi la Wakaldayo likamfuatia mfalme na kumpata Sedekia katika tambarare za bonde la Mto Yordani karibu na Yeriko. Jeshi lote lilikuwa limetawanyika mbali naye.
9 Ary voasambotra ny mpanjaka ka nentiny niakatra ho any amin’ ny mpanjakan’ i Babylona tao Ribla any amin’ ny tany Hamata, ka dia notsaraina tao izy.
Wakamkamata mfalme na kumleta hadi kwa mfalme wa Babeli huko Ribla katika nchi ya Hamathi, alipotoa hukumu juu yake.
10 Ary ny mpanjakan’ i Babylona namono ny zanakalahin’ i Zedekia teo imason-drainy; ary ny mpanapaka ny Joda rehetra koa dia novonoiny tao Ribla.
Mfalme wa Babeli akawachinja wana wa Sedekia mbele ya macho yake, na huko Ribla akawachinja viongozi wote wa Yuda.
11 Ary nopotsiriny ny mason’ i Zedekia, dia nafatotry ny mpanjakan’ i Babylona tamin’ ny gadra varahina izy ka nentiny nankany Babylona ary nataony tao an-trano-maizina mandra-pahafatiny.
Kisha akayaondoa macho ya Sedekia, akamfunga katika vifungo vya shaba, na kumleta Babeli. Mfalme wa Babeli akamweka kifungoni hata siku ya kufa kwake.
12 Ary tamin’ ny andro fahafolo tamin’ ny volana fahadimy tamin’ ny taona fahasivy ambin’ ny folo nanjakan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, dia tonga tany Jerosalema Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, mpanompon’ ny mpanjakan’ i Babylona,
Basi mwezi wa tano, siku ya kumi ya mwezi, ambao ulikuwa mwaka wa kumi na tisa wa utawala wa mfalme Nebukadneza, mfalme wa Babeli, Nebuzaradani akaja Yerusalemu. Alikuwa jemedari wa walinzi wa mfalme na mtumishi wa mfalme wa Babeli.
13 ka nandoro ny tranon’ i Jehovah sy ny tranon’ ny mpanjaka mbamin’ ny trano rehetra tany Jerosalema: ny trano lehibe rehetra dia nodorany tamin’ ny afo avokoa.
Akaiteketeza nyumba ya Yahwe, kasiri, na nyumba zote za Yerusalemu; pia kila jengo mhimu mjini alilichoma.
14 Ary ny manda rehetra manodidina an’ i Jerosalema dia noravan’ ny miaramilan’ ny Kaldeana rehetra, izay nanaraka ny lehiben’ ny mpiambina.
Kama kwa kuta za kuuzunguka Yerusalemu, jeshi lote la Wababeli lililokuwa pamoja na jemedari wa mlinzi wakaviaribu.
15 Ary ny sasany tamin’ ny olona malahelo mbamin’ ny olona sisa tao an-tanàna sy izay efa nandositra nanatona ny mpanjakan’ i Babylona mbamin’ ny vahoaka maro be sisa dia nentin’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, ho babo avokoa.
Kama kwa watu maskini sana, watu waliosalia walioachwa katika mji, waliokuwa wamemwendea mfalme wa Babeli, na baadhi ya watu wenye ujuzi - Nebuzaradan, jemedari wa askari walinzi, akawachukua baadhi yao uhamishoni.
16 Nefa ny olona malahelo dia namelan’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, ihany mba ho mpamboatra tanim-boaloboka sy ho mpiasa tany.
Lakini Nebuzaradani, jemedari wa mlinzi, akawaacha baadhi ya maskini sana wa nchi kuitunza mizabibu na mashamba.
17 Ary ireo andry varahina teo amin’ ny tranon’ i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny tavin-drano varahina lehibe, izay teo amin’ ny tranon’ i Jehovah, dia novakivakin’ ny Kaldeana, ka nentiny ho any Babylona ny varahina rehetra.
Lakini kwa nguzo za shaba lilizokuwa katika nyumba ya Yahwe, mishikio na bahari ya shaba iliyokuwa katika nyumba ya Yahwe, Wakaldayo wakaivunja vipande wakaondoka navyo kurudi Babeli.
18 Ary nentiny koa ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron’ afo sy ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely mbamin’ ny fanaka varahina rehetra izay nenti-nanao fanompoam-pivavahana.
Vyungu, makoleo, kinara cha taa, mabakuri, na vitu vyote vya shaba ambavyo makuhani walikuwa wakivitumia hekaluni - Wakaldayo wakavichukua vyote.
19 Ary nentin’ ny lehiben’ ny mpiambina koa ny lovia sy ny fitoeran-davenon-jiro sy ny lovia famafazana sy ny fandraofan-davenona sy ny fanaovan-jiro sy ny lovia kely sy ny kapoaka na ny volamena na ny volafotsy dia samy nentin’ ny lehiben’ ny mpanapaka avokoa,
Makalai na chetezo cha uvumba, mabakuri, vyungu, kinara cha taa, vikaango, makalai zilizotengenezwa kwa dhahabu, na zilizotengenezwa kwa dhahabu - kapteni wa mlinzi wa mfalme akazichukua pia.
20 ary ny andry roa sy ny tavin-drano lehibe iray atỳ ny omby varahina roa ambin’ ny folo, Izay teo ambanin’ ny fitoeran-tavin-drano, izay nataon’ i Solomona mpanjaka ho an’ ny tranon’ i Jehovah; ny varahina tamin’ izany fanaka rehetra izany dia tsy hita lanja.
Nguzo mbili, bahari, na ng'ombe kumi na wawili wa shaba waliokuwa chini yake, vitu Selemani alivyokuwa amevifanya kwa ajili ya nyumba ya Yahwe, vikiwa na shaba nyingi sana isiyoweza kupimwa.
21 Fa ny andry, dia valo ambin’ ny folo hakiho no hahavony, ary roa ambin’ ny folo hakiho ny manodidina azy; ary ny hateviny dia voantondro efatra, fa poakaty izy.
Nguzo zilikuwa na urefu wa dhiraha kumi na nane kila moja, na mstari kuzunguka kila moja wenye urefu wa dhiraha kumi na mbili. Kila moja ilikuwa na unene wa vidole vinne na tundu.
22 Ary nisy kapitaly varahina teo aminy; dimy hakiho no hahavon’ ny kapitaly anankiray, ka nisy harato sy ampongabendanitra manodidina ny kapitaly, samy varahina avokoa izy. Ny andry faharoa koa sy ny ampongabendanitra dia mba tahaka izany ihany koa.
Kichwa cha shaba kilikuwa juu yake. Kichwa kilikuwa dhiraha tano urefu wake, kazi ya waya zinazokingamana na makomamanga kukizunguka. Chote kilitengenezwa kwa shaba. Na nguzo nyingine ilikuwa na makomamanga yake vilikuwa kama ya kwanza.
23 Ary nisy ampongabendanitra enina amby sivi-folo teo ivelany; ary ny ampongabendanitra rehetra manodidina ny harato dia zato.
Hivyo kulikuwa na makomamanga tisini na sita ubavuni mwa kila kichwa, na makomamanga mia moja juu ya nyaya zilizokingamana kukizunguka.
24 Ary ny lehiben’ ny mpiambina nisambotra an’ i Seraia mpisoronabe sy Zefania mpisorona manarakaraka ary mpiandry varavarana telo lahy;
Jemedari wa mlinzi akamchukua Seraya mfungwa, kuhani mkuu, pamoja na Sefania, kuhani wa pili, na wale mabawaba watatu.
25 ary tao an-tanàna no nisamborany ny tandapa anankiray, mpifehy ny miaramila, ary fito lahy tamin’ izay mpitoetra eo anatrehan’ ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ary ny mpanoratry ny komandin’ ny miaramila, izay mpandamina ny ho miaramila, sy ny olona tompon-tany enim-polo lahy izay hita teo an-tanàna,
Kutoka mjini akamchukua mfungwa afsa aliyekuwa juu ya askari, na watu saba wa wale waliomshauri mfalme, waliokuwa wamesalia mjini. Akamchukua mfungwa afsa wa jeshi la mfalme aliyekuwa na wajibu wa kuwaingiza watu katika jeshi, pamoja na watu mashuhuri sitini kutoka katika nchi waliokuwamo mjini.
26 dia nosamborin’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, ireo ka nentiny ho any amin’ ny mpanjakan’ i Babylona tao Ribla.
Kisha Nebuzaradani, jemedari wa mlinzi, akawachukuwa na kuwaleta kwa mfalme wa Babeli huko Ribla.
27 Dia novonoin’ ny mpanjakan’ i Babylona tao Ribla any amin’ ny tany Hamata ireo. Toy izany no nitondrana ny Joda ho babo niala tamin’ ny taniny.
Mfalme wa Babeli akawaua huko Ribla katika nchi ya Hamathi. Kwa njia hii, Yuda akaondoka katika nchi yake na kwenda uhamishoni.
28 Izao no olona izay nentin’ i Nebokadnezara ho babo tamin’ ny taona fahafito, Jiosy telo amby roa-polo sy telo arivo;
Hawa walikuwa watu Nebukadneza aliwaamisha: katika mwaka wa saba, Wayudea 3, 023.
29 tamin’ ny taona fahavalo ambin’ ny folo nanjakan’ i Nebokadnezara dia roa amby telo-polo amby valon-jato no olona nentiny ho babo avy tany Jerosalema;
Katika mwaka wa kumi na nane wa Nebukadneza alichukuwa 832 kutoka Yerusalemu.
30 tamin’ ny taona fahatelo amby roa-polo nanjakan’ i Nebokadnezara dia Jiosy dimy amby efa-polo amby fiton-jato no nentin’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, ho babo. Ny tontalin’ izy rehetra dia enin-jato amby efatra arivo.
Katika mwaka wa ishirini na tatu wa Nebukadneza, Nebuzaradani, jemedari wa walinzi wa mfalme, aliwahamisha Wayudea 745. Jumla ya watu walioamishwa walikuwa 4, 600.
31 Ary tamin’ ny andro fahadimy amby roa-polo tamin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo tamin’ ny taona fahafito amby telo-polo taorian’ ny namaboana an’ i Joiakina, mpanjakan’ ny Joda, tamin’ ny taona vao nanjakan’ i Evila-merodaka, mpanjakan’ i Babylona, dia nasandrany hiala tao an-trano-maizina Joiakina, mpanjakan’ ny Joda.
Ikawa baadaye katika mwaka wa thelathini na saba wa kufungwa kwake Yohoyakini, mfalme wa Yuda, katika mwezi wa kumi na mbili, siku ya ishirini na tano ya mwezi, Evili Merodaki, mfalme wa Babeli akamfungua Yehoyakini mfalme wa Yuda kutoka kifungoni. Ilikuwa mwaka ambao Evili Merodaki alianza kutawala.
32 Dia nitenenany soa izy, ka ny seza fiandrianany dia nataony ambony noho ny seza fiandrianan’ ireo mpanjaka namany tao Babylona.
Akaongea naye kwa upole na akampa kiti cha heshima kuliko cha wafalme wengine aliokuwa pamoja nao huko Babeli.
33 Ka dia novan’ i Joiakina ny fitafiany fony izy mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin’ ny andro niainany rehetra.
Evili Merodaki akaondoa mavazi ya gerezani ya Yehoyakini, na Yehoyakini akala chakula cha daima katika meza ya mfalme siku zote zilizosalia za maisha yake.
34 Ary ny hanina nohaniny dia hanina homena avy amin’ ny mpanjakan’ i Babylona, araka ny tokony ho anjarany isan’ andro isan’ andro tamin’ ny andro rehetra niainany mandra-pahafatiny.
Na alipewa posho ya chakula cha kila siku kwa maisha yake yote yaliyosalia mpaka siku ya kufa kwake.

< Jeremia 52 >