< Jeremia 51 >
1 Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hamporisihiko ny fanahin’ ny mpandringana hamely an’ i Babylona sy izay monina ao Leba-kamay.
Hili ndilo asemalo Bwana: “Tazama nitaamsha roho ya mwangamizi dhidi ya Babeli na watu wakaao Leb-Kamai.
2 Ary haniraka olona hafa firenena ho any Babylona Aho, izay hikororoka azy ka hahafoana ny taniny; Fa hamely azy manodidina amin’ ny andro fahoriana ireo.
Nitawatuma wageni Babeli kumpepeta na kuiharibu nchi yake; watampinga kila upande katika siku ya maafa yake.
3 Izay manenjana tsipìka mbamin’ izay miandranandrana amin’ ny akanjo fiarovan-tenany, dia aoka samy hasian’ izay manenjana tsipìka; Aza tsitsinareo ny zatovony, aringano avokoa ny miaramilany rehetra,
Usimwache mpiga upinde afunge kamba upinde wake, wala usimwache avae silaha zake. Usiwaonee huruma vijana wake; angamiza jeshi lake kabisa.
4 Mba hiampatrampatra any amin’ ny tanin’ ny Kaldeana ny faty, ary izay voatrobaka dia hiampatrampatra any an-dalambeny.
Wataanguka waliouawa katika Babeli, wakiwa na majeraha ya kutisha barabarani zake.
5 Fa Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely sy ny Joda, dia tsy hahafoy azy ho mpitondratena, na dia henika ny fahotany amin’ ny Iray Masin’ ny Isiraely aza ny taniny.
Kwa maana Israeli na Yuda hawajaachwa na Mungu wao, Bwana Mwenye Nguvu Zote, ingawa nchi yao imejaa uovu mbele zake yeye Aliye Mtakatifu wa Israeli.
6 Mandosira hiala an’ i Babylona ianareo, ary samia mamonjy ny ainareo avy; Aoka tsy ho voaringana noho ny fahotany ianareo; Fa izao no andro famalian’ i Jehovah, Izy no hamaly azy.
“Kimbieni kutoka Babeli! Okoeni maisha yenu! Msiangamizwe kwa sababu ya dhambi zake. Ni wakati wa kisasi cha Bwana, atamlipa kile anachostahili.
7 Babylona dia kapoaka volamena teny an-tànan’ i Jehovah, Izay nahamamo ny tany rehetra; Ny divainy efa nisotroan’ ny firenena, koa izany no nahavery saina ireny.
Babeli alikuwa kikombe cha dhahabu katika mkono wa Bwana; aliufanya ulimwengu wote ulewe. Mataifa walikunywa mvinyo wake; kwa hiyo sasa wameingiwa na wazimu.
8 Tampoka no naharavan’ i Babylona sy nahatorotoroany; Idradradradrao izy; Makà balsama hatao amin’ ny feriny maharary azy, fa angamba ho sitrana ihany izy.
Babeli ataanguka ghafula na kuvunjika. Mwombolezeni! Tafuteni zeri ya kutuliza maumivu yake, labda anaweza kupona.
9 Nitady hanasitrana an’ i Babylona izahay, nefa tsy nety sitrana izy; Afoizo izy, ka andeha isika samy handeha ho any amin’ ny tanintsika avy; Fa mahatakatra ny lanitra ny helony ary mitehika amin’ ny rahona.
“‘Tungemponya Babeli, lakini hawezi kuponyeka; tumwacheni, na kila mmoja wetu aende nchi yake mwenyewe, kwa kuwa hukumu yake inafika angani, inapanda juu hadi mawinguni.’
10 Nasehon’ i Jehovah ny fahamarinantsika; Andeha, ka aoka hotorintsika ao Ziona ny asan’ i Jehovah Andriamanitsika.
“‘Bwana amethibitisha haki yetu; njooni, tutangaze katika Sayuni kitu ambacho Bwana Mungu wetu amefanya.’
11 Lambolamboy ny zana-tsipìka, tano ny ampinga; Jehovah efa namporisika ny fanahin’ ny mpanjakan’ ny Mediana; Fa ny hamely an’ i Babylona no nosaininy, mba handringanana azy; Fa famalian’ i Jehovah izany, eny, famaliana noho ny tempoliny.
“Noeni mishale, chukueni ngao! Bwana amewaamsha wafalme wa Wamedi, kwa sababu nia yake ni kuangamiza Babeli. Bwana atalipiza kisasi, kisasi kwa ajili ya Hekalu lake.
12 Manangàna faneva eo akaikin’ ny mandan’ i Babylona; Ataovy mafy ny fiambenana; Alatsaho ny mpiambina, alamino ny Otrika; Fa Jehovah sady efa nisaina no nahatanteraka izay nolazainy ny amin’ ny mponina any Babylona.
Twekeni bendera juu ya kuta za Babeli! Imarisheni ulinzi, wekeni walinzi, andaeni waviziao! Bwana atatimiza kusudi lake, amri yake juu ya watu wa Babeli.
13 Hianao izay monina eny amoron’ ny rano be sady be rakitra, tonga ny fiafaranao, ka tsy hisy intsony ny filanao harena.
Wewe uishiye kando ya maji mengi na uliye na wingi wa hazina, mwisho wako umekuja, wakati wako wa kukatiliwa mbali.
14 Jehovah, Tompon’ ny maro, nianiana tamin’ ny tenany hoe: Hofenoiko olona maro toy ny valala tokoa ianao, ary ireny dia hanakora hamely anao,
Bwana Mwenye Nguvu Zote ameapa kwa nafsi yake mwenyewe: ‘Hakika nitakujaza na watu, kama kundi la nzige, nao watapiga kelele za ushindi juu yako.’
15 Dia Ilay nanao ny tany tamin’ ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin’ ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin’ ny fisainany.
“Aliiumba dunia kwa uweza wake; akaweka misingi ya ulimwengu kwa hekima yake na akazitandaza mbingu kwa ufahamu wake.
16 Raha nampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia nampiakatra zavona avy tany amin’ ny faran’ ny tany; Manao ny helatra ho an’ ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin’ ny firaketany.
Atoapo sauti yake, maji yaliyo katika mbingu hunguruma, huyafanya mawingu yainuke kutoka miisho ya dunia. Hupeleka umeme wa radi pamoja na mvua, naye huuleta upepo kutoka ghala zake.
17 Efa ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina ny mpanefy volamena rehetra noho ny amin’ ny sarin-javatra voasokitra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina, satria tsy misy aina ao aminy.
“Kila mtu ni mjinga na hana maarifa; kila sonara ameaibishwa na sanamu zake. Vinyago vyake ni vya udanganyifu, havina pumzi ndani yavyo.
18 Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; Amin’ ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.
Havifai kitu, ni vitu vya kufanyia mzaha, hukumu yavyo itakapowadia, vitaangamia.
19 Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran’ i Jakoba, fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely no firenena lovany; Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany.
Yeye Aliye Fungu la Yakobo sivyo alivyo, kwani ndiye Muumba wa vitu vyote, pamoja na kabila la urithi wake: Bwana Mwenye Nguvu Zote ndilo jina lake.
20 Langilangiko sy fiadiako ianao; Fa ianao no ho entiko manorotoro firenena, ary ianao no ho entiko mandringana fanjakana,
“Wewe ndiwe rungu langu la vita, silaha yangu ya vita: kwa wewe navunjavunja mataifa, kwa wewe naangamiza falme,
21 Ary ianao no ho entiko manorotoro soavaly sy ny mpitaingina azy, ary ianao no ho entiko manorotoro ny kalesy sy ny mpitaingina azy;
kwa wewe navunjavunja farasi na mpanda farasi, kwa wewe navunjavunja gari la vita na mwendeshaji wake,
22 Hianao koa no ho entiko manorotoro ny lehilahy sy ny vehivavy, ary ianao no ho entiko manorotoro ny antitra sy ny tanora, ary ianao no ho entiko manorotoro ny zatovo sy ny virijina;
kwa wewe napondaponda mwanaume na mwanamke, kwa wewe napondaponda mzee na kijana, kwa wewe napondaponda kijana wa kiume na mwanamwali,
23 Hianao koa no ho entiko manorotoro ny mpiandry ondry sy ny ondry andiany, ary ianao no ho entiko manorotoro ny mpiasa tany sy ny ombiny roa mizioga, ary ianao no ho entiko manorotoro ny governora sy ny lefiny.
kwa wewe nampondaponda mchungaji na kundi, kwa wewe nampondaponda mkulima na maksai, kwa wewe nawapondaponda watawala na maafisa.
24 Ary hampanodiaviko an’ i Babylona sy ny mponina rehetra any Kaldea ny ratsy rehetra izay efa nataony tao Ziona teo imasonareo, hoy Jehovah.
“Mbele ya macho yako nitamlipiza Babeli na wote waishio Ukaldayo kwa ajili ya makosa yote waliyofanya katika Sayuni,” asema Bwana.
25 Indro mamely anao Aho, ry tendrombohitra ahitan-doza. Izay mandringana ny tany rehetra, hoy Jehovah; Ary hahinjitro ny tanako hamelezana anao, dia hakodiako hianjera amin’ ny harambato ianao ka hataoko tendrombohitra mirehitra.
“Mimi niko kinyume nawe, ee mlima unaoharibu, wewe uangamizaye dunia yote,” asema Bwana. “Nitanyoosha mkono wangu dhidi yako, nikuvingirishe kutoka kwenye kilele cha mwamba, na kukufanya mlima ulioteketezwa kwa moto.
26 Ary tsy mba hakana vato hatao fehizoro ianao, na hatao vato fanorenana; Fa ho lao mandrakizay ianao, hoy Jehovah.
Hakuna jiwe litakalochukuliwa kutoka kwako kwa ajili ya kufanywa jiwe la pembeni, wala jiwe lolote kwa ajili ya msingi, kwa maana utakuwa ukiwa milele,” asema Bwana.
27 Manangana faneva eny amin’ ny tany; Mitsofa anjomara any amin’ ny firenena; Manendre firenena hamely azy; Antsoy ny fanjakan’ i Ararata sy Miny ary Askenaza hamely azy; Asio mpifehy hamely azy; Mampiakara soavaly toy ny valala volovoloina.
“Twekeni bendera katika nchi! Pigeni tarumbeta katikati ya mataifa! Andaeni mataifa kwa ajili ya vita dhidi yake, iteni falme hizi dhidi yake: Ararati, Mini na Ashkenazi. Wekeni jemadari dhidi yake, pelekeni farasi wengi kama kundi la nzige.
28 Manendre firenena sy ireo mpanjakan’ ny Mediana hamely azy, ny governora sy ny lefiny rehetra ary ny tany rehetra anjakany.
Andaeni mataifa kwa ajili ya vita dhidi yake, wafalme wa Wamedi, watawala wao na maafisa wao wote, pamoja na nchi zote wanazotawala.
29 Mihorohoro sy mangovitra ny tany; Fa tanterahina amin’ i Babylona ny fikasan’ i Jehovah rehetra, mba hahatonga ny tany Babylona ho lao tsy misy mponina.
Nchi inatetemeka na kugaagaa, kwa kuwa makusudi ya Bwana dhidi ya Babeli yanasimama: yaani, kuangamiza nchi ya Babeli ili pasiwe na yeyote atakayeishi humo.
30 Nitsahatra tamin’ ny ady ny lehilahy maherin’ i Babylona, nitoetra tao amin’ ny batery fiarovana izy, lany ny heriny; Tonga toy ny vehivavy izy; Nodorana ny fonenany, tapaka ny hidiny.
Mashujaa wa Babeli wameacha kupigana, wamebaki katika ngome zao. Nguvu zao zimekwisha, wamekuwa kama wanawake. Makazi yake yameteketezwa kwa moto, makomeo ya malango yake yamevunjika.
31 Mifamoivoy be ihany ny iraka mpihazakazaka, ary mifamoivoy be ihany ny mpitondra teny, mba hanambara amin’ ny mpanjakan’ i Babylona Fa afaka ny tanànany manontolo.
Tarishi mmoja humfuata mwingine, na mjumbe humfuata mjumbe, kumtangazia mfalme wa Babeli kwamba mji wake wote umetekwa,
32 Ary efa azo ny fitàna, ary nodorany tamin’ ny afo ny heniheny, sady toran-kovitra ny miaramila.
Vivuko vya mito vimekamatwa, mabwawa yenye mafunjo yametiwa moto, nao askari wameingiwa na hofu kuu.”
33 Fa izao no lazain i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Babylona zanakavavy dia tahaka ny famoloana amin’ ny andro anosena azy; Ary raha mbola tsy toy inona dia ho avy ny andro hijinjana azy.
Hili ndilo Bwana Mwenye Nguvu Zote, Mungu wa Israeli, asemalo: “Binti Babeli ni kama sakafu ya kupuria wakati inapokanyagwa; wakati wa kumvuna utakuja upesi.”
34 Efa lanin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, izahay; Naringany izahay; Napetrany toy ny vata tsy misy entana izahay; Nateliny toy ny fitelin’ ny mamba izahay; Nivokisan’ ny kibony ny zava-piko, ka dia nandroaka ahy izy.
“Nebukadneza mfalme wa Babeli ametula, ametufanya tuchangayikiwe, ametufanya tuwe gudulia tupu. Kama nyoka ametumeza na kujaza tumbo lake kwa vyakula vyetu vizuri, kisha akatutapika.
35 Aoka ny mponina ao Ziona hanao hoe: Hanody an’ i Babylona anie ny loza nanjo ahy sy ny nofoko! Ary aoka Jerosalema hanao hoe: Hanody ny mponina any Kaldea anie ny rako!
Jeuri iliyofanyiwa miili yetu na iwe juu ya Babeli,” ndivyo wasemavyo wakaao Sayuni. “Damu yetu na iwe juu ya wale waishio Babeli,” asema Yerusalemu.
36 Koa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hisolo vava anao amin’ ny adinao Aho sady hanao famaliana ho anao, ary horitiko ny ranomasiny, sy hataoko tankina ny loharanony.
Kwa hiyo, hili ndilo Bwana asemalo: “Tazama, nitatetea shauri lako na kulipiza kisasi kwa ajili yako; nitaikausha bahari yake na kuzikausha chemchemi zake.
37 Ary Babylona ho tonga korontam-bato, ho fonenan’ ny amboadia, ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra, ka tsy hisy mponina.
Babeli utakuwa lundo la magofu na makao ya mbweha, kitu cha kutisha na kudharauliwa, mahali asipoishi mtu.
38 Hiara-mierona toy ny liona tanora izy; Hikaonkaona toy ny zana-diona izy.
Watu wake wote wananguruma kama simba wadogo, wanakoroma kama wana simba.
39 Raha mbola liana izy, dia hanaovako fanasana ho azy, ka hataoko mamo izy mba hiravoravo, dia hatory amin’ ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy Jehovah.
Lakini wakati wakiwa wameamshwa, nitawaandalia karamu na kuwafanya walewe, ili wapige kelele kwa kicheko, kisha walale milele na wasiamke,” asema Bwana.
40 Hampidiniko ho any amin’ ny famonoana toy ny zanak’ ondry izy, sy toy ny ondrilahy mbamin’ ny osilahy.
“Nitawateremsha kama wana-kondoo waendao machinjoni, kama kondoo dume na mbuzi.
41 Endrey! afaka Sesaka! Ary azo ilay fidèran’ ny tany rehetra, Endrey! tonga figagana any amin’ ny firenena Babylona.
“Tazama jinsi Sheshaki atakamatwa, majivuno ya dunia yote yatakavyonyakuliwa. Babeli atakuwa mwenye hofu kiasi gani kati ya mataifa!
42 Ny ranomasina nanafotra an’ i Babylona; Voasaron’ ny habetsahan’ ny onjany izy.
Bahari itainuka juu ya Babeli; mawimbi yake yenye kunguruma yatamfunika.
43 Ny tanànany dia lao sy karankaina ary tani-hay, dia tany tsy onenan’ olona sady tsy misy zanak’ olombelona mamaky eo.
Miji yake itakuwa ukiwa, kame na jangwa, nchi ambayo hakuna yeyote anayeishi ndani yake, ambayo hakuna mtu anayepita humo.
44 Ary Bela dia hampijaliko any Babylona, ka hasaiko haloany izay nateliny; Ary ny firenena tsy hitanjozotra hankany aminy intsony; Ny mandan’ i Babylona dia hirodana.
Nitamwadhibu Beli katika Babeli, na kumfanya atapike kile alichokimeza. Mataifa hayatamiminika tena kwake. Nao ukuta wa Babeli utaanguka.
45 Mivoaha avy ao afovoany ianareo, ry oloko, ary samia mamonjy ny ainareo avy ianareo, mba tsy ho azon’ ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah.
“Tokeni ndani yake, enyi watu wangu! Okoeni maisha yenu! Ikimbieni hasira kali ya Bwana.
46 Ary fandrao ketraka ny fonareo, ka matahotra ianareo noho ny tsaho miely amin’ ny tany; Fa amin’ ny iray taona dia hisy tsaho, ary amin’ ny taona manaraka indray dia mbola hisy tsaho ihany koa sy loza amin’ ny tany, dia mpanapaka mamely mpanapaka.
Msikate tamaa wala msiogope tetesi zitakaposikika katika nchi; tetesi moja inasikika mwaka huu, nyingine mwaka unaofuata; tetesi juu ya jeuri katika nchi, na ya mtawala dhidi ya mtawala.
47 koa, indro, avy ny andro hamaliako ny sarin-javatr’ i Babylona; Ho menatra ny taniny rehetra; Ary ny fatiny rehetra dia hiampatrampatra eo aminy.
Kwa kuwa hakika wakati utawadia nitakapoziadhibu sanamu za Babeli; nchi yake yote itatiwa aibu, na watu wake wote waliouawa wataangukia ndani yake.
48 Ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy dia hihoby noho ny amin’ i Babylona, satria tonga ao aminy avy any avaratra ireo mpandringana, hoy Jehovah.
Ndipo mbingu na dunia na vyote vilivyomo ndani yake vitapiga kelele za shangwe juu ya Babeli, kwa kuwa kutoka kaskazini waharabu watamshambulia,” asema Bwana.
49 Toy ny nampiampatramparan’ i Babylona ny faty tamin’ ny Isiraely, dia ho toy izany no hiampatramparan’ ny faty amin’ ny tany rehetra noho ny amin’ i Babylona.
“Babeli ni lazima aanguke kwa sababu ya kuwaua Waisraeli, kama vile waliouawa duniani kote walivyoanguka kwa sababu ya Babeli.
50 Hianareo izay tsy voan’ ny sabatra, mialà, fa aza mijanona; Tsarovy Jehovah, raha mbola lavitra ianareo. Ary aoka ho mby an-tsainareo Jerosalema.
Wewe uliyepona upanga, ondoka wala usikawie! Mkumbuke Bwana ukiwa katika nchi ya mbali, na utafakari juu ya Yerusalemu.”
51 Menatra izahay, fa efa nandre latsa; Manarona ny atrehinay ny henatra; Fa ny hafa firenena no niditra teo amin’ ny fitoerana masìna amin’ ny tranon’ i Jehovah.
“Tumetahayari, kwa maana tumetukanwa na aibu imefunika nyuso zetu, kwa sababu wageni wameingia mahali patakatifu pa nyumba ya Bwana.”
52 Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hamaliako ny sarin-javatra voasokitra ao koa; Ary hitoloko eran’ ny taniny rehetra ny voatrobaka.
“Lakini siku zinakuja,” asema Bwana, “nitakapoadhibu sanamu zake, na katika nchi yake yote waliojeruhiwa watalia kwa maumivu makali.
53 Na dia miakatra any an-danitra aza Babylona, ary na dia ataony mafy aza ny fitoerana avo izay heriny, dia avy amiko no hihavian’ ny mpandringana azy, hoy Jehovah;
Hata kama Babeli ikifika angani na kuziimarisha ngome zake ndefu, nitatuma waharabu dhidi yake,” asema Bwana.
54 Injany! misy feo mitaraina avy any Babylona sy fandringanana be avy any amin’ ny tanin’ ny Kaldeana!
“Sauti ya kilio inasikika kutoka Babeli, sauti ya uharibifu mkuu kutoka nchi ya Wakaldayo.
55 Fa Jehovah no mandrava an’ i Babylona sy mampitsahatra ny fihorakorahana eo aminy, ary hirohondrohona toy ny rano be ny onjany, eny, re tokoa ny feon’ ny firohondrohony.
Bwana ataiangamiza Babeli, atanyamazisha makelele ya kishindo chake. Mawimbi ya adui yatanguruma kama maji makuu, ngurumo ya sauti zao itavuma.
56 Fa tonga ao aminy, dia ao Babylona, ny mpandringana, ary voasambotra ny lehilahy maheriny; Tapatapaka avokoa ny tsipìkany Satria Jehovah dia Andriamanitry ny famaliana ka hamaly tokoa.
Mharabu atakuja dhidi ya Babeli, mashujaa wake watakamatwa, nazo pinde zao zitavunjwa. Kwa kuwa Bwana ni Mungu wa kisasi, yeye atalipiza kikamilifu.
57 Ary hataoko mamo ny mpanapaka azy sy ny olon-kendriny, ny governorany sy ny lefiny ary ny olo-maheriny; Ary hatory amin’ ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany.
Nitawafanya maafisa wake na wenye busara walewe, watawala wao, maafisa, pamoja na wapiganaji wao; watalala milele na hawataamka,” asema Mfalme, ambaye jina lake ni Bwana Mwenye Nguvu Zote.
58 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Ny manda malalaka any Babylona dia horavana tokoa hatramin’ ny fanorenany, ary ny vavahadiny avo hodorana amin’ ny afo. Ka dia ho nisasatra foana ny firenena, ary ny olona ho nisasatra ho an’ ny afo ka ho reraka.
Hili ndilo Bwana Mwenye Nguvu Zote asemalo: “Ukuta mnene wa Babeli utasawazishwa, na malango yaliyoinuka yatateketezwa kwa moto; mataifa yanajichosha bure, taabu ya mataifa ni nishati tu ya miali ya moto.”
59 Ny teny izay nandidian’ i Jeremia mpaminany an’ i Seraia, zanak’ i Neria, zanak’ i Mahaseia, fony izy nandeha niaraka tamin’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, ho any Babylona tamin’ ny taona fahefatra nanjakany. Fa Seraia no lehiben’ ny mpanorin-dasy.
Huu ndio ujumbe Yeremia aliompa afisa Seraya mwana wa Neria mwana wa Maaseya, alipokwenda Babeli pamoja na Sedekia mfalme wa Yuda, katika mwaka wa nne wa utawala wake.
60 Ary nosoratan’ i Jeremia teo amin’ ny boky iray ny loza rehetra izay hanjo an’ i Babylona, dia ireo teny rehetra ireo, izay voasoratra ny amin’ i Babylona.
Yeremia alikuwa ameandika ndani ya kitabu kuhusu maafa yote yatakayoipata Babeli, yaani yote yaliyokuwa yameandikwa kuhusu Babeli.
61 Ary hoy Jeremia tamin’ i Seraia: Rehefa tonga any Babylona ianao, dia tandremo tsara mba hovakinao ireo teny rehetra ireo,
Yeremia akamwambia Seraya, “Utakapofika Babeli, hakikisha kwamba umesoma maneno haya yote kwa sauti kubwa.
62 ka manaova hoe: Jehovah ô, Hianao no niteny hamely ity tany ity handringana azy, ka tsy hisy hitoetra eto, na olona na biby, fa ho tany lao mandrakizay izy.
Kisha sema, ‘Ee Bwana, umesema utaangamiza mahali hapa ili mtu wala mnyama asiishi ndani yake, napo patakuwa ukiwa milele.’
63 Ary rehefa tapitra ny famakianao ity boky ity, dia asio vato afehy aminy, ary atsipazo ao Eofrata izy.
Utakapomaliza kusoma hiki kitabu, kifungie jiwe kisha ukitupe ndani ya Mto Frati.
64 ka ataovy hoe: Toy izao no hilentehan’ i Babylona ka tsy hifongarany intsony noho ny loza hataoko mihatra aminy, ka dia ho reraka izy. Hatreto no tenin’ i Jeremia.
Kisha sema, ‘Hivi ndivyo Babeli utakavyozama na usiinuke tena, kwa sababu ya maafa nitakayoleta juu yake. Nao watu wake wataanguka.’” Maneno ya Yeremia yanaishia hapa.