< Jeremia 5 >

1 Miveziveze eny an-dalamben’ i Jerosalema ianareo, ka izahao sy fantaro ary tadiavo ao an-kalalahana, fa raha mba misy olona hitanareo, izay manao ny marina sy mitady ny hitsiny, dia havelako ny helok’ i Jerosalema.
“Pitani uku ndi uku mʼmisewu ya Yerusalemu, mudzionere nokha, funafunani mʼmabwalo ake. Ngati mungapeze munthu mmodzi amene amachita zachilungamo ndi kufunafuna choonadi, ndipo ndidzakhululukira mzinda uno.
2 Ary na dia misy aza manao hoe: Raha velona koa Jehovah, dia entiny mianian-tsy tò izany.
Ngakhale anthu akulumbira kuti, ‘Pali Yehova wamoyo,’ komabe akungolumbira mwachinyengo.”
3 Jehovah ô, tsy mijery ny toe-panahy mahatoky va ny masonao? Namely azy Hianao, nefa tsy nahatsiaro naharary izy; Nandany azy Hianao, nefa tsy nety nino anatra izy; Nohamafisiny mihoatra noho ny harambato ny tarehiny, tsy nety niverina izy.
Inu Yehova, kodi suja mumafuna anthu onena zoona? Inu munawakantha anthuwo, koma sanamve kupweteka; munawaphwanya anthuwo, koma sanatengepo phunziro. Anawumitsa mitima yawo ngati mwala ndipo anakaniratu kulapa.
4 Ka dia hoy izaho: Olona ambany ireto; Adala izy fa tsy mahalala ny lalan’ i Jehovah, na ny fitsipik’ Andriamaniny;
Ndiye ndinati, “Awa ndi amphawi chabe; anthu ochita zopusa. Sadziwa njira ya Yehova, sazindikira zimene Mulungu wawo amafuna.
5 Handeha ho any amin’ ny lehibe aho lahy ka hiteny aminy, fa ireny dia mahalala ny lalan’ i Jehovah sy ny fitsipik’ Andriamaniny; Kanjo ireny koa aza dia samy efa nanapaka zioga sy nanito fatorana.
Tsono ndidzapita kwa atsogoleri ndi kukayankhula nawo; ndithu iwo amadziwa njira ya Yehova, amadziwa zomwe Mulungu wawo amafuna.” Koma ayi, iwonso anathyola goli la Yehova ndipo anadula msinga zawo.
6 Koa noho izany dia mamely azy ny liona avy any an’ ala, ary mandringana azy ny amboadia avy any an-efitra, ny leoparda miandry hamely ny tanànany, ka izay rehetra mivoaka avy ao dia viraviraina; Fa efa maro ny fahadisoany, ary fatratra ny fiodinany.
Choncho mkango wochokera ku nkhalango udzawapha, mmbulu wochokera ku thengo udzawawononga, kambuku adzawabisalira pafupi ndi mizinda yawo kuti akhadzule aliyense amene adzayesera kutuluka mʼmizindamo pakuti kuwukira kwawo ndi kwakukulu ndipo abwerera mʼmbuyo kwambiri.
7 Koa nahoana Aho no hamela ny helokao? Efa nahafoy Ahy ny zanakao ka efa nianiana tamin’ izay tsy Andriamanitra; Efa nampianianiko izy, nefa nijangajanga ihany ka nirohitra niditra tao an-tranon’ ny vehivavy janga.
Yehova akuti, “Kodi ndingakukhululukireni bwanji ndi zimene mwachita? Ana anu andisiya Ine ndipo amapembedza milungu imene si milungu konse. Ine ndinawapatsa zonse zimene ankasowa, komabe iwo anachita chigololo namasonkhana ku nyumba za akazi achiwerewere.
8 Tahaka ny soavaly tsara fahana izy ka nikarenjy tamin’ izay tiany, samy naneno tamin’ ny vadin’ ny namany avy.
Monga amachitira akavalo onenepa akamamemesa, aliyense wa iwo ankathamangira mkazi wa mnzake.
9 Tsy hovaliako va izy amin’ izany? hoy Jehovah; Ary tsy hialako fo va ny firenena toy izany?
Tsono ndingaleke kuwalanga chifukwa cha zimenezi?” akutero Yehova. “Kodi nʼkuleka kuwulipsira mtundu woterewu?
10 Miakara eo amin’ ny mandany ianareo, ka mameleza, nefa aza dia levonina avokoa izy; Esory ny sakeliny, satria tsy an’ i Jehovah izy.
“Pitani ku minda yake ya mipesa ndi kukayiwononga, koma musakayiwononge kotheratu. Sadzani nthambi zake pakuti anthu amenewa si a Yehova.
11 Fa efa nivadika tamiko mihitsy ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda, hoy Jehovah.
Nyumba ya Israeli ndi nyumba ya Yuda onse akhala osakhulupirika kotheratu kwa Ine.”
12 Nahafoy an’ i Jehovah izy ka nanao hoe: Tsy Izy no izy; Tsy hisy loza hanjo antsika, ary tsy hahita sabatra na mosary isika;
Iwowa ankanama ponena za Yehova kuti, “Yehova sangachite zimenezi! Choyipa sichidzatigwera; sitidzaona nkhondo kapena njala.
13 Ny mpaminany dia hanjary rivotra, ary tsy ao am-pony Ilay miteny; Eny, izany no hanjo azy.
Mawu a aneneri azidzangopita ngati mphepo; ndipo mwa iwo mulibe uthenga wa Yehova. Choncho zimene amanena zidzawachitikira okha.”
14 Koa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny maro. Noho ny nanaovanareo izany teny izany, indro, hataoko afo ny teniko izay eo am-bavanao, ary ity firenena ity ho kitay hazo ka holevoniny.
Chifukwa chake Yehova Mulungu Wamphamvuzonse akuti, “Popeza kuti anthu awa ayankhula mawu amenewa, tsono mawu anga ndidzawasandutsa moto mʼkamwa mwako ndipo anthu awa ndidzawasandutsa nkhuni zimene moto udzapserezeretu.
15 Indro, efa hitondra firenena avy lavitra Aho hamely anareo, ry taranak’ Isiraely, hoy Jehovah, dia firenena mateza hery, Firenena hatry ny ela, Firenena izay tsy fantatrao ny fiteniny, ka tsy ho azonao izay lazainy.
Inu Aisraeli,” Yehova akuti, “Ndikukubweretserani mtundu wa anthu ochokera kutali, ndi mtundu umene sunagonjetsedwepo, mtundu wakalekale umene chiyankhulo chawo inu simuchidziwa, zimene akunena inu simungazimvetse.
16 Ny tranon-jana-tsipìkany dia tahaka ny fasana misokatra; Izy rehetra dia samy lehilahy mahery avokoa.
Zida zawo za nkhondo zapha anthu ambirimbiri; onsewo ndi ankhondo amphamvu okhaokha.
17 Ary hohaniny ny vokatrao sy ny haninao, hohaniny ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, hohaniny ny ondry aman’ osinao sy ny ombinao, hohaniny ny voalobokao sy ny aviavinao, sady horavany amin’ ny sabatra ny tanàna mimanda izay itokianao.
Adzakudyerani zokolola zanu ndi chakudya chanu, adzapha ana anu aamuna ndi aakazi; adzakupherani nkhosa zanu ndi ngʼombe zanu, adzawononga mpesa wanu ndi mikuyu yanu. Ndi malupanga awo adzagwetsa mizinda yanu yotetezedwa imene mumayidalira.
18 Nefa na dia amin’ izany andro izany aza, hoy Jehovah, tsy dia holevoniko avokoa ianareo.
“Komabe pa masiku amenewo sindidzakuwonongani kotheratu,” akutero Yehova.
19 Ary raha hoy izy: Nahoana Jehovah Andriamanitsika no dia nanao izany rehetra izany tamintsika? Dia hovalianao hoe: Toy ny nahafoizanareo Ahy sy ny nanompoanareo andriamani-kafa teo amin’ ny taninareo no hanompoanareo ny firenen-kafa any amin’ ny tany izay tsy anareo.
Ndipo pamene anthu adzafunsa Yehova kuti, “Chifukwa chiyani Yehova Mulungu wathu wachita zimenezi?” Iwe udzawawuze kuti, “Monga momwe mwasiyira Ine ndi kutumikira milungu yachilendo mʼdziko mwanu, momwemonso mudzatumikira anthu a mʼdzikonso lachilendo.”
20 Ambarao ao amin’ ny taranak’ i Jakoba, ary torio ao amin’ ny Joda hoe:
“Lengeza izi kwa ana a Yakobo ndipo mulalikire kwa anthu a ku Yuda kuti,
21 Henoy izao, ry firenena adala sady tsy manan-tsaina, izay mana-maso, fa tsy mahita, ary manan-tsofina, fa tsy mandre:
Imvani izi, inu anthu opusa ndi opanda nzeru, inu amene maso muli nawo koma simupenya, amene makutu muli nawo koma simumva.
22 Izaho va tsy atahoranareo? hoy Jehovah; Tsy mangovitra va ianareo eo anatrehako, izay nanao ny fasika ho fefin’ ny ranomasina, dia fetra mandrakizay tsy azony hihoarana? Ka na dia mitopatopa aza ny onjany, dia tsy mahavaky azy, ary na dia mirohondrohona aza, dia tsy mahahoatra azy.
Kodi simuyenera kuchita nane mantha?” Akutero Yehova. “Kodi simuyenera kunjenjemera pamaso panga? Ine ndinayika mchenga kuti ukhale malire a nyanja, malire a muyaya amene nyanjayo singadutsepo. Mafunde angawombe motani, koma sangathe kupitirira malirewo; mafunde angakokome motani, koma sangadutse malirewo.
23 Fa ity firenena ity dia manana fo maditra sy miodina; Mihodìna izy ka lasa,
Koma anthu awa ndi nkhutukumve ndiponso a mitima yowukira; andifulatira ndipo andisiyiratu.
24 Ary tsy manao anakampo akory hoe: Aoka isika hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitsika, izay mandatsaka ranonorana, dia ny loha-orana sy ny fara-orana amin’ ny fotoany avy; Ary ireo herinandro voatendry ho amin’ ny fararano dia tandremany ho antsika.
Sananenepo mʼmitima mwawo kuti, ‘Tiyeni tizipembedza Yehova Mulungu wathu. Kodi suja amatipatsa pa nthawi yake mvula yachizimalupsa ndi yamasika. Iye salephera konse kutipatsa nyengo ya kholola.’
25 Ny helokareo no nampiala izany, ary ny fahotanareo no misakana ny soa tsy ho azonareo.
Koma zolakwa zanu zalepheretsa zonsezi; ndipo machimo anu akumanitsani zabwino.
26 Fa misy hita fa ratsy fanahy ny oloko; Mamitsaka sy mijoko toy ny mpamandri-borona izy, mamela-pandrika izy, ka olona no azony.
“Pakati pa anthu anga pali anthu ena oyipa amene amabisalira anzawo monga amachitira mlenje mbalame ndiponso ngati amene amatchera misampha kuti akole anthu anzawo.
27 Toy ny tranom-borona feno vorona no mahafeno fitaka ny tranony; Ary noho izany dia tonga lehibe sy mpanankarena izy.
Nyumba zawo zadzaza ndi chuma chochipeza mwa chinyengo ngati zikwere zodzaza ndi mbalame. Nʼchifukwa chake asanduka otchuka ndi olemera.
28 Efa mihatavy izy ka mandimandina, dia mihoa-pampana amin’ ny fanaovan-dratsy; Tsy mety mitsara ady mba hahazoan’ ny kamboty ny rariny izy, ary ny adin’ ny malahelo tsy mba tsarainy.
Ndipo ananenepa ndi kukhala ndi matupi osalala. Ntchito zawo zoyipa nʼzopanda malire; saweruza mwachilungamo nkhani ya ana amasiye kuti iyende bwino, sateteza ufulu wa anthu osauka.
29 Tsy hovaliako amin’ izany va izy? hoy Jehovah; Tsy hialako fo va ny firenena toy izany?
Kodi Ine ndingaleke kuwalanga chifukwa cha zimenezi? Kodi ndisawulipsire mtundu woterewu? Akutero Yehova.
30 Zava-mahagaga sy mahatsiravina no atao eo amin’ ny tany;
“Chinthu chothetsa nzeru ndi choopsa kwambiri chachitika mʼdzikomo:
31 Ny mpaminany maminany lainga, ny mpisorona: manapaka araka izay atoron’ ireny, ary ny oloko mankasitraka izany; Koa hanao ahoana re ianareo any am-parany?
Aneneri akunenera zabodza, ndipo ansembe akuvomerezana nawo, ndipo anthu anga akukonda zimenezi. Koma mudzatani potsiriza?

< Jeremia 5 >