< Jeremia 49 >
1 Ny amin’ ny taranak’ i Amona, Izao no lazain’ i Jehovah: Moa tsy manan-janakalahy va Isiraely? Ary tsy manan-kandova va izy? Koa nahoana Gada no lasan’ ny mpanjakany, ary ny vahoakany monina ao amin’ ny tanànany?
Kuhusu Waamoni: Hili ndilo asemalo Bwana: “Je, Israeli hana wana? Je, hana warithi? Kwa nini basi Moleki amechukua milki ya Gadi? Kwa nini watu wake wanaishi katika miji yake?
2 Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hampandrenesako akoran’ ady amin’ ny famelezana an’ i Raban’ ny taranak’ i Amona, ary ho tanànaolo rava izy, ary ny zana-bohiny hodorana amin’ ny afo; Ary ny Isiraely hahalasa ny an’ izay nahalaza azy, hoy Jehovah.
Lakini siku zinakuja,” asema Bwana, “nitakapopiga kelele ya vita dhidi ya Raba mji wa Waamoni; utakuwa kilima cha magofu, navyo vijiji vinavyouzunguka vitateketezwa kwa moto. Kisha Israeli atawafukuza wale waliomfukuza,” asema Bwana.
3 Midradradradrà, ry Hesbona, fa rava Ay! Mitaraina, ianareo zanakavavin’ i Raba! Misikìna lamba fisaonana ianareo; Manaova fisaonana, ary mivoivoiza eo anaty fefy; Fa lasan-ko babo ny mpanjakany, dia ny mpisorony sy ireo mpanapaka azy.
“Lia kwa huzuni, ee Heshboni, kwa kuwa Ai umeangamizwa! Pigeni kelele, enyi wakazi wa Raba! Vaeni nguo za gunia na kuomboleza, kimbieni hapa na pale ndani ya kuta, kwa kuwa Moleki atakwenda uhamishoni, yeye pamoja na makuhani na maafisa wake.
4 Nahoana no ny lohasaha no ataonao ho reharehanao, dia ny lohasahanao mahavokatra be. Ry zanakavavy mpiodina, izay mitoky amin’ ny rakiny ka manao hoe: Iza moa no ho afa-miakatra atỳ amiko?
Kwa nini unajivunia mabonde yako, kujivunia mabonde yako yaliyozaa sana? Ee binti usiye mwaminifu, unayeutumainia utajiri wako na kusema, ‘Ni nani atakayenishambulia?’
5 Indro Aho hahatonga tahotra aminao avy amin’ izay rehetra manodidina anao, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro; Ary horoahina samy hizotra amin’ izay hitsiny avy ianareo rehetra, sady tsy hisy hamory izay mandositra.
Nitaleta hofu kuu juu yako kutoka kwa wale wote wanaokuzunguka,” asema Bwana, Bwana Mwenye Nguvu Zote. “Kila mmoja wenu ataondolewa, wala hakuna hata mmoja atakayekusanya wakimbizi.
6 Ary rehefa afaka izany, dia hampodiko ihany avy amin’ ny fahababoana ny taranak’ i Amona, hoy Jehovah.
“Lakini hatimaye, nitarudisha mateka wa Waamoni,” asema Bwana.
7 Ny amin’ i Edoma. Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Tsy misy fahendrena intsony va ao Temana? Very saina va ny olon-kendry? Lany va ny fahendreny?
Kuhusu Edomu: Hili ndilo asemalo Bwana Mwenye Nguvu Zote: “Je, hakuna tena hekima katika Temani? Je, shauri limewapotea wenye busara? Je, hekima yao imechakaa?
8 Mandosira, miambohoa ianareo, mamitsaha ao amin’ ny lalina, ry mponina any Dedana, fa ny loza ho an’ i Esao dia nataoko nihatra taminy, dia ny andro hamaliako azy.
Geuka na ukimbie, jifiche katika mapango marefu kabisa, wewe uishiye Dedani, kwa kuwa nitaleta maafa juu ya Esau wakati nitakapomwadhibu.
9 Raha tonga ao aminao ny mpioty voaloboka, dia tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina akory izy; Raha avy alina ny mpangalatra, dia handrava mandra-pahafa-pony izy.
Je, kama wachuma zabibu wangekuja kwako, wasingebakiza zabibu chache? Kama wezi wangekujia usiku, je, si wangeiba tu kiasi ambacho wangehitaji?
10 Izaho dia nampitanjaka an’ i Esao, ary naharihariko ny fiereny, ka tsy mahazo miery izy; Ringana ny zanany sy ny rahalahiny ary ny namany, ka tsy ao intsony ireny.
Lakini nitamvua Esau nguo abaki uchi, nitayafunua maficho yake, ili asiweze kujificha. Watoto wake, jamaa na majirani wataangamia, naye hatakuwepo tena.
11 Ilaozy ny zanakao ho kamboty, fa Izaho no hamelona azy, ary aoka Izaho no hitokian’ ny vadinao mpitondratena.
Waache yatima wako; nitayalinda maisha yao. Wajane wako pia wanaweza kunitumaini mimi.”
12 Fa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, fa na dia izay tsy tokony hisotro amin’ ny kapoaka aza dia hisotro tokoa, ka moa ho afa-potsiny va ianao? Tsy ho afa-potsiny ianao, fa tsy maintsy hisotro tokoa.
Hili ndilo asemalo Bwana: “Kama wale wasiostahili kukinywea kikombe ni lazima wakinywe, kwa nini wewe usiadhibiwe? Hutakwepa kuadhibiwa, ni lazima ukinywe.
13 Fa ny tenako no nianianako, hoy Jehovah, fa ho tonga figagana Bozra sy ho fandatsa sy ho rava ary ho fanozonana, ary ny tanànany rehetra ho lao mandrakizay.
Ninaapa kwa nafsi yangu,” asema Bwana, “kwamba Bosra utakuwa magofu na kitu cha kutisha, cha aibu na cha kulaania; miji yake yote itakuwa magofu milele.”
14 Fa efa nahare filazana avy tamin’ i Jehovah aho, ary nisy iraka nalefa ho any amin’ ny jentilisa hanao hoe: Mivoria ianareo, ka mankanesa hamely azy, ary mitsangàna hanafika.
Nimesikia ujumbe kutoka kwa Bwana: Mjumbe alitumwa kwa mataifa kusema, “Jikusanyeni ili kuushambulia! Inukeni kwa ajili ya vita!”
15 Fa, indro, hataoko tsinontsinona eo amin’ ny firenena ianao sy fanazimbazimba eo amin’ ny olona,
“Sasa nitakufanya uwe mdogo miongoni mwa mataifa, aliyedharauliwa miongoni mwa watu.
16 Ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, Izay mifikitra amin’ ny tampon’ ny havoana, ny fahatahorana anao sy ny avonavon’ ny fonao no namitaka anao; Fa na dia ataonao eny amin’ ny avo tahaka ny an’ ny voromahery aza ny akaninao, dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah.
Vitisho vyako na kiburi cha moyo wako vimekudanganya, wewe unayeishi katika majabali ya miamba, wewe unayedumu katika miinuko ya kilima. Ujapojenga kiota chako juu sana kama cha tai, nitakushusha chini kutoka huko,” asema Bwana.
17 Ary ho figagana Edoma: Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga ka hisitrisitra noho ny loza rehetra efa namelezana azy.
“Edomu atakuwa kitu cha kuogofya; wote wapitao karibu watashangaa na kuzomea kwa sababu ya majeraha yake yote.
18 Ary toy ny nandravana an’ i Sodoma sy Gomora mbamin’ ny tanàna teny akaikiny, hoy Jehovah, no tsy hisian’ olona honina any, na zanak’ olombelona hivahiny any.
Kama vile Sodoma na Gomora zilivyoangamizwa, pamoja na miji iliyokuwa jirani nayo,” asema Bwana, “vivyo hivyo hakuna mtu yeyote atakayeishi humo. Naam, hakuna mtu yeyote atakayekaa humo.
19 Indro, toy ny fiakatry ny liona avy any amin’ ny kirihitrala eny amoron’ i Jordana no hiakarany ho any amin’ ny misy ahitra mateza; Fa hampandosiriko tampoka Edoma hiala ao, ary izay olona iray voafidy no hotendreko hanapaka azy. Fa iza no tahaka Ahy, ary iza no hifandahatra amiko, ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako?
“Kama simba anayepanda kutoka vichaka vya Yordani kuja kwenye nchi ya malisho mengi, ndivyo nitamfukuza Edomu kutoka nchi yake ghafula. Ni nani aliye mteule nitakayemweka kwa ajili ya jambo hili? Ni nani aliye kama mimi, na ni nani awezaye kunipinga? Tena ni mchungaji yupi awezaye kusimama kinyume nami?”
20 Koa henoy ny saina avy amin’ i Jehovah, Izay nosaininy hamelezana an’ i Edoma, sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny mponina ao Temana: Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny kely indrindra amin’ ny ondry; Ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy.
Kwa hiyo, sikia kile Bwana alichokipanga dhidi ya Edomu, kile alichokusudia dhidi ya wale waishio Temani: Aliye mchanga katika kundi ataburutwa mbali; yeye ataharibu kabisa malisho yao kwa sababu yao.
21 Tamin’ ny fiezinezin’ ny fianjerany dia nihorohoro ny tany; Ny feon’ ny fitarainany dia re hatrany amin’ ny Ranomasina Mena.
Kwa sauti ya anguko lao, dunia itatetemeka. Kilio chao kitasikika hadi Bahari ya Shamu.
22 Indro, hanidina hiakatra toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany eny ambonin’ i Bozra; Ary amin’ izany andro izany ny fon’ ny lehilahy maherin’ i Edoma dia ho tahaka ny fon’ ny vehivavy mihetsi-jaza.
Tazama! Tai atapaa juu angani na kuruka chini kwa ghafula, akitandaza mabawa yake juu ya Bosra. Katika siku hiyo, mioyo ya mashujaa wa Edomu itakuwa kama moyo wa mwanamke katika utungu wa kuzaa.
23 Ny amin’ i Damaskosy. Very hevitra Hamata sy Arpada, fa nandre filazan-doza izy ka kivy; Misamboaravoara ny ranomasina ka tsy mety tafatoetra.
Kuhusu Dameski: “Hamathi na Arpadi imetahayarika, kwa kuwa wamesikia habari mbaya. Wamevunjika moyo na wametaabika kama bahari iliyochafuka.
24 Efa ketraka Damaskosy ka mihodìna handositra, fa, toran-kovitra izy; Ary azon’ ny faharariana sy ny fanaintainana, toy ny vehivavy raha miteraka.
Dameski amedhoofika, amegeuka na kukimbia, hofu ya ghafula imemkamata sana; amepatwa na uchungu na maumivu, maumivu kama ya mwanamke katika utungu wa kuzaa.
25 Nahoana re no tsy nilaozana ny tanàna malaza, tanana fifaliako!
Kwa nini mji ambao unajulikana haujaachwa, mji ambao ninaupenda?
26 Ka dia hiampatrampatra eny an-kalalahana ny zatovony. Ary ny miaramila rehetra ho ringana avokoa amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Hakika, vijana wake wanaume wataanguka barabarani; askari wake wote watanyamazishwa siku hiyo,” asema Bwana Mwenye Nguvu Zote.
27 Ary hisy afo hampirehetiko ao anatin’ ny mandan’ i Damaskosy, handevona ny lapan’ i Beni-hadada.
“Nitatia moto kuta za Dameski; utaangamiza ngome za Ben-Hadadi.”
28 Ny amin’ i Kedara sy ny fanjakan’ i Hazora, izay resin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona. Izao no lazain’ i Jehovah: Mitsangàna ianareo, ka miakara hamely an’ i Kedara, ary aringano ny zanaky ny atsinanana.
Kuhusu Kedari na falme za Hazori, ambazo Nebukadneza mfalme wa Babeli alizishambulia: Hili ndilo asemalo Bwana: “Inuka, ushambulie Kedari na kuwaangamiza watu wa mashariki.
29 Halainy ny lainy sy ny ondry aman’ osiny, ho entin’ ny ambain-dainy mbamin’ ny fanaka rehetra sy ny ramevany, sady hiantsoantso hilaza aminy hoe izy: Misy fampangorohoroana manodidina!
Hema zao na makundi yao ya kondoo yatachukuliwa; vibanda vyao vitatwaliwa pamoja na mali zao zote na ngamia zao. Watu watawapigia kelele, ‘Hofu kuu iko kila upande!’
30 Mandosira, ka mandehana lavitra! Mamitsaha ao amin’ ny lalina, ry mponina any Hazora! hoy Jehovah; Fa Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, nanao saina hamelezany anareo sy namoron-kevitra hamelezany anareo.
“Kimbieni haraka! Kaeni kwenye mapango marefu sana, ninyi mkaao Hazori,” asema Bwana. “Nebukadneza, mfalme wa Babeli amepanga shauri baya dhidi yenu; amebuni hila dhidi yenu.
31 Mitsangàna, iakaro ny firenena miadana izay tsy manana ahiahy, hoy Jehovah. Dia izay tsy misy vavahady mirindrina na mihidy sady mitoka-monina.
“Inuka na ulishambulie taifa lililo starehe, linaloishi kwa kujiamini,” asema Bwana, “taifa lisilo na malango wala makomeo; watu wake huishi peke yao.
32 Ho babo ny ramevany, ary horobaina ny omby aman’ ondriny betsaka, haeliko ho any amin’ ny rivotra rehetra ireo voahety sisim-bolo; Ary ho entiko avy amin’ ny manodidina rehetra ny loza hanjo azy, hoy Jehovah,
Ngamia wao watakuwa nyara, nayo makundi yao makubwa ya ngʼombe yatatekwa. Wale walio maeneo ya mbali nitawatawanya pande zote, nami nitaleta maafa juu yao kutoka kila upande,” asema Bwana.
33 Ary Hazora dia ho fonenan’ ny amboadia sy ho tany lao mandrakizay; Tsy hisy olona honina any, Na zanak’ olombelona hivahiny any.
“Hazori itakuwa makao ya mbweha, mahali pa ukiwa milele. Hakuna yeyote atakayeishi humo; hakuna mtu atakayekaa ndani yake.”
34 Ny tenin’ i Jehovah izay tonga tamin’ i Jeremia mpaminany ny amin’ i Elama tamin’ ny niandohan’ ny nanjakan’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, hoe:
Hili ndilo neno la Bwana lililomjia nabii Yeremia kuhusu Elamu, mapema katika utawala wa Sedekia mfalme wa Yuda:
35 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Indro, hotapatapahiko ny tsipìkan’ i Elama, Izay fototry ny heriny.
Hili ndilo Bwana Mwenye Nguvu Zote asemalo: “Tazama, nitavunja upinde wa Elamu, ulio tegemeo la nguvu zao.
36 Ary hitondra Avotra efatra avy amin’ ny lafiny efatry ny lanitra Aho hamelezana an’ i Elama, ary haeliko ho amin’ izany rivotra rehetra izany izy, ka tsy hisy firenena izay tsy halehan’ ny voaroaka avy any Elama.
Nitaleta pepo nne dhidi ya Elamu toka pande nne za mbingu, nitawatawanya katika hizo pande nne, wala hapatakuwa na taifa ambalo watu wa Elamu waliofukuzwa hawatakwenda.
37 Fa hampivadi-po an’ i Elama eo anoloan’ ny fahavalony sy eo anoloan’ izay mitady ny ainy Aho ka hahatonga loza aminy, dia ny firehetan’ ny fahatezerako, hoy Jehovah; Ary hampanenjehiko azy ny sabatra Mandra-pandaniko azy;
Nitamfadhaisha Elamu mbele ya adui zao, mbele yao wale wanaotafuta uhai wao; nitaleta maafa juu yao, naam, hasira yangu kali,” asema Bwana. “Nitawafuatia kwa upanga mpaka nitakapowamaliza.
38 Dia hapetrako ao Elasma ny seza fiandrianako. Ary hofongorako tsy hisy intsony any na ny mpanjaka na ny mpanapaka, hoy Jehovah.
Nitaweka kiti changu cha enzi huko Elamu na kumwangamiza mfalme wake na maafisa wake,” asema Bwana.
39 Nefa any am-parany dia mbola hampodiko avy amin’ ny fahababoany ihany Elama, hoy Jehovah.
“Lakini nitarudisha mateka wa Elamu katika siku zijazo,” asema Bwana.