< Jeremia 48 >

1 Ny amin’ i Moaba. Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Nidiran-doza Nebo, fa rava! Mangaihay Kiriataima, fa afaka; Mangaihay Misgaba sady raiki-tahotra.
De Moab. Así dijo el SEÑOR de los ejércitos, Dios de Israel: ¡Ay de Nebo! Que fue destruida, fue avergonzada; Quiriataim fue tomada; fue confusa Misgab, y desmayó.
2 Tsy misy ho reharehan’ i Moaba intsony; Tao Hesbona no niheverany hampididoza aminy hoe: Andeha horavantsika tsy ho firenena izy. Ho ringana koa ianao, ry Madmena, Hanenjika anao ny sabatra.
No se alabará ya más Moab; contra Hesbón maquinaron mal, diciendo: Venid, y quitémosla de entre las naciones. También tú, Madmena, serás cortada, espada irá tras ti.
3 Injay! misy feo fitarainana ao Horonaima hoe: Fandravana sy fandringanana be!
¡Voz de clamor de Horonaim, destrucción y gran quebrantamiento!
4 Rava Moaba, ny madinika ao dia mamoaka fitarainana.
Moab fue quebrantada; hicieron que se oyese el clamor de sus pequeños.
5 Fa miakatra mitomany lalandava eny amin’ ny fiakarana Lohita izy; Ary amin’ ny fidinana mankany Horonaima no andrenesana fitarainana mafy noho ny fandringanana.
Porque a la subida de Luhit con lloro subirá el que llora; porque a la bajada de Horonaim los enemigos oyeron clamor de quebranto.
6 Mandosira, vonjeo ny ainareo. Ary aoka ho tahaka ny olona mahantra any an-efitra ianareo.
Huid, salvad vuestra vida, y sed como retama en el desierto.
7 Fa noho ny nitokianao tamin’ ny asanao sy ny rakitrao dia ho voasambotra koa ianao; Ary Kemosy ho lasan-ko babo, dia ny mpisorony sy ny mpanapaka rehetra.
Pues por cuanto confiaste en tus haciendas, en tus tesoros, tú también serás tomada; y Quemos saldrá en cautiverio, sus sacerdotes y sus príncipes juntamente.
8 Ary ny mpandringana ho tonga ao amin’ ny tanàna rehetra, ka tsy hisy tanàna tsy ho afaka; Ny lohasaha koa ho simba, ary ny tany lemaka ho rava, araka izay nolazain’ i Jehovah.
Y vendrá destruidor a cada una de las ciudades, y ninguna ciudad escapará; se arruinará también el valle, y será destruida la campiña, como dijo el SEÑOR.
9 Omeo elatra Moaba, fa hanidina izy ka ho lasa; Ary ho lao ny tanànanay, ka tsy hisy mponina.
Dad alas a Moab, para que volando se vaya; pues serán desiertas sus ciudades hasta no quedar en ellas morador.
10 Ho voaozona anie Izay manao tsirambina foana ny asa asain’ i Jehovah atao! Eny, ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-drà!
Maldito el que hiciere engañosamente la obra del SEÑOR, y maldito el que detuviere su cuchillo de la sangre.
11 Moaba nandry fahizay hatry ny fony izy mbola kely ka niotrika tao amin’ ny faikany, fa tsy naidina nafindrafindra siny, ary tsy mbola lasan-ko babo izy; koa izany no aharetan’ ny tsirony ao aminy sy tsy iovan’ ny fofony.
Quieto estuvo Moab desde su juventud, y sobre sus heces ha estado él reposado, y no fue vaciado de vaso en vaso, ni nunca fue en cautiverio; por tanto, quedó su sabor en él, y su olor no se ha cambiado.
12 Koa, indro, avy ny andro hanirahako mpanohoka ho any aminy, hoy Jehovah, Izay hanohoka azy ka hahafoana ny fitoeran-divainy sady hanorotoro ny sininy.
Por eso, he aquí que vienen días, dijo el SEÑOR, en que yo le enviaré transportadores que lo harán transportar; y vaciarán sus vasos, y romperán sus odres.
13 Ary Moaba ho menatra noho ny amin’ i Kemosy toy ny nahamenaran’ ny taranak’ Isiraely noho ny amin’ i Betela tokiny.
Y se avergonzará Moab de Quemos, a la manera que la Casa de Israel se avergonzó de Betel, su confianza.
14 Ahoana no anaovanareo hoe: Lehilahy matanjaka sady mahery an’ ady izahay?
¿Cómo diréis: Somos valientes, y robustos hombres para la guerra?
15 Rava Moaba, fa ny tanànany dia efa nanihina. Ary ny zatovony voafantina efa nidina ho any amin’ ny famonoana. Hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany.
Destruido fue Moab, y sus ciudades asoló, y sus jóvenes escogidos descendieron al degolladero, dijo el Rey, el SEÑOR de los ejércitos es su Nombre.
16 Efa antomotra ny loza hanjo an’ i Moaba, ary mimaona ny fahoriany.
Cercano está el quebrantamiento de Moab para venir, y su mal se apresura mucho.
17 Mitomania azy, ianareo rehetra izay manodidina azy sy ianareo rehetra izay mahalala ny anarany! Eny, manaova hoe: Indrisy! tapaka ny tehina mafy sy ny tsorakazo tsara tarehy!
Compadeceos de él todos los que estáis alrededor suyo; y todos los que sabéis su nombre, decid: ¿Cómo se quebró la vara de fortaleza, el báculo de hermosura?
18 Ry Dibona, zanakavavy mponina, midìna miala amin’ ny voninahitrao, ka mitoera ao amin’ ny tany mangentana, fa ilay mandringana an’ i Moaba dia miakatra mamely anao sady mandrava ny fiarovanao.
Desciende de la gloria, siéntate en seco, moradora hija de Dibón; porque el destruidor de Moab subió contra ti, disipó tus fortalezas.
19 Ry mponina any Aroera, mijanòna eny an-dalambe, ka mitazàna, ary izay mandositra, na lehilahy na vehivavy, dia anontanio hoe: Nozoin’ inona ianareo?
Párate en el camino, y mira, oh moradora de Aroer; pregunta a la que va huyendo, y a la que escapó; dile: ¿Qué ha acontecido?
20 Afa-baraka Moaba, eny, raiki-tahotra izy; Midradradradra sy mitaraina, ka ambaraonareo ao Arnona fa rava Moaba.
Se avergonzó Moab, porque fue quebrantado; aullad y clamad; denunciad en Arnón que Moab es destruido.
21 Ary ny fitsarana dia miakatra ao amin’ ny tany lemaka, dia ao Holona sy Jahaza sy Mefata
Y que vino juicio sobre la tierra de la campiña; sobre Holón, sobre Jahaza, y sobre Mefaat,
22 Sy Dibona sy Nebo sy Beti-diblataima
y sobre Dibón, y sobre Nebo, y sobre Bet-diblataim,
23 Sy Kiriataima sy Beti-gamola sy Beti-meona
y sobre Quiriataim, y sobre Bet-gamul, y sobre Bet-meon,
24 Sy Keriota ary Bozra, eny, ny tanànan’ i Moaba rehetra, na ny lavitra na ny akaiky.
y sobre Queriot, y sobre Bosra, y sobre todas las ciudades de tierra de Moab, las de lejos y las de cerca.
25 Voakapa ny tandrok’ i Moaba, ary tapaka koa ny sandriny, hoy Jehovah.
Cortado es el cuerno de Moab, y su brazo quebrantado, dijo el SEÑOR.
26 Ataovy leony izy, fa niavonavona tamin’ i Jehovah; Moaba hihosinkosina amin’ ny loany sady mba ho tonga fihomehezana kosa.
Embriagadlo, porque contra el SEÑOR se engrandeció; y revuélquese Moab sobre su vómito, y sea también él por escarnio.
27 Fa tsy efa nataonao ho fihomehezana va ny Isiraely? Moa hita fa naman’ ny mpangalatra va izy, no dia mihifikifika ianao isaky ny milaza azy?
¿Y no te fue a ti Israel por escarnio, como si lo tomaran entre ladrones? Porque desde que de él hablaste, tú te has movido.
28 Ry mponina any Moaba! ilaozy ny tanàna, ka mitoera ao amin’ ny harambato, ary aoka ho tahaka ny voromailala izay manao ny akaniny erỳ am-pitan’ ny hantsana ianao.
Desamparad las ciudades, y habitad en peñascos, oh moradores de Moab; y sed como la paloma que hace nido detrás de la boca de la caverna.
29 Ffa renay ny fiavonavonan’ i Moaba fatra-piavonavona loatra izy dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fiaingitrainginy ary ny avonavon’ ny fony.
Hemos oído la soberbia de Moab, que es muy soberbio, su hinchazón y su orgullo, y su altivez y la altanería de su corazón.
30 Izaho mahalala ny fihoa-bavany sy ny fibedibediny foana, hoy Jehovah; Tsinontsinona ny ataony.
Yo conozco, dice el SEÑOR, su cólera; mas no tendrá efecto; sus mentiras no han de aprovecharle.
31 Koa hidradradradra noho ny amin’ i Moaba aho; Eny, hitomany noho ny amin’ i Moaba rehetra aho, ary hitsetra noho ny amin’ ny mponina ao Kira-haresa ny olona.
Por tanto, yo aullaré sobre Moab; y sobre todo Moab haré clamor, y sobre los varones de Kir-hares gemiré.
32 Mihoatra noho ny fitomanian’ i Jazera no hitomaniako anao, ry voalobok’ i Sibma, tafita ny ranomasina ny rantsanao ary tonga hatrany amin’ ny ranomasin’ i Jazera; Ny mpandripaka dia tonga handripaka ny voankazonao masaka fahavaratra sy ny voalobokao.
Con lloro de Jazer lloraré por ti, oh vid de Sibma; tus sarmientos pasaron el mar, llegaron hasta el mar de Jazer; sobre tu agosto y sobre tu vendimia vino destruidor.
33 Ary ny hafaliana sy ny faharavoravoana nesorina tamin’ ny saha nahavokatra sy tamin’ ny tany Moaba, ary nataoko tankina ny divay tamin’ ny vata fanantazana ranom-boaloboka, tsy hisy hihoby amin’ ny fanitsakitsahana; Ny fihobiana dia tsy fihobiana akory.
Y será cortada la alegría y el regocijo de los campos labrados, y de la tierra de Moab; y haré cesar el vino de los lagares; no pisarán con canción; la canción no será canción.
34 Ny fitarainan’ i Hesbona dia re hatrany Elale sy Jahaza. Hatrany Zoara ka hatrany Horonaima sy Eglata-selisia; Fa na dia ny ranon’ i Nimrima aza dia ho ritra koa.
El clamor, desde Hesbón hasta Eleale; hasta Jahaza dieron su voz; desde Zoar hasta Horonaim, becerra de tres años: porque también las aguas de Nimrim serán destruidas.
35 Ary hatsahatro ao Moaba koa Izay miakatra hanatitra amin’ ny fitoerana avo sy izay mandoro ditin-kazo manitra ho an’ ny andriamaniny, hoy Jehovah.
Y haré cesar de Moab, dice el SEÑOR, quien sacrifique en altar, y quien ofrezca sahumerio a sus dioses.
36 Ary noho izany ny foko dia mitomany manao feon-tsodina noho ny amin’ i Moaba, ary ny foko mitomany manao feon-tsodina noho ny amin’ ny mponina ao Kira-haresa. Eny, noho izany dia levona ny harena be izay nohariny.
Por tanto, mi corazón resonará como flautas por causa de Moab, asimismo resonará mi corazón a modo de flautas por los hombres de Kir-hares; porque las riquezas que hizo perecieron.
37 Fa mibory ny loha rehetra. Ary voaharatra ny somotra rehetra, misy tetika amin’ ny tanana rehetra sy lamba fisaonana amin’ ny valahana.
Porque en toda cabeza habrá calvicie, y toda barba será raída; sobre todas las manos rasguños, y cilicio sobre todos los lomos.
38 Eny, amin’ ny tampon-trano rehetra any Moaba sy eny an-kalalahana dia misy fisaonana avokoa; Satria torotoroiko toy ny fanaka tsy mahafinaritra intsony Moaba, hoy Jehovah.
Sobre todas las techumbres de Moab y en sus plazas, todo él será llanto; porque yo quebranté a Moab como a vaso que no agrada, dijo el SEÑOR.
39 Indrisy! raiki-tahotra izy! Midradradradrà! Indrisy! efa miamboho Moaba, mangaihay Izy, ka dia tonga fihomehezana sy fampitahorana ho an’ izay rehetra manodidina azy.
Aullad: ¡Cómo ha sido quebrantado! ¡Cómo volvió la cerviz Moab, y fue avergonzado! Y fue Moab en escarnio y en espanto a todos los que están en sus alrededores.
40 Fa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hanidina toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany hipaoka an’ i Moaba.
Porque así dijo el SEÑOR: He aquí que como águila volará, y extenderá sus alas a Moab.
41 Afaka ny tanàna, ka azo ny batery fiarovana, ary amin’ izany andro izany ny fon’ ny lehilahy maherin’ i Moaba dia ho tahaka ny fon’ ny vehivavy mihetsi-jaza.
Tomadas son las ciudades, y tomadas son las fortalezas; y será aquel día el corazón de los valientes de Moab como el corazón de mujer en angustias.
42 Ary horavana tsy ho firenena intsony Moaba. Satria niavonavona tamin’ i Jehovah izy.
Y Moab será destruido para dejar de ser pueblo: porque se engrandeció contra el SEÑOR.
43 Tahotra sy lavaka ary fandrika no mahazo anao, ry mponina any Moaba, hoy Jehovah.
Miedo y hoyo y lazo sobre ti, oh morador de Moab, dijo el SEÑOR.
44 Izay mandositra ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; Ary izay miakatra avy any an-davaka dia ho voan’ ny fandrika; Fa hataoko tonga amin’ i Moaba ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah.
El que huyere del miedo, caerá en el hoyo; y el que saliere del hoyo, será preso del lazo; porque yo traeré sobre él, sobre Moab, el año de su visitación, dijo el SEÑOR.
45 Ao amin’ ny alokalok’ i Hesbona no ijanonan’ ny mpandositra, satria lany hery ireny; Kanjo misy afo mivoaka avy any Hesbona, ary lelafo avy any Sihona, ka mandevona ny sisin’ i Moaba sy ny tampon-dohan’ ny mpitabataba.
A la sombra de Hesbón se pararon los que huían de la fuerza; porque salió fuego de Hesbón, y llama de en medio de Sehón, y quemó el rincón de Moab, y la mollera de los hijos revoltosos.
46 Idiran-doza ianao, ry Moaba! Ringana ny olon’ i Kemosy! Fa ho babo ny zanakao-lahy, ary ho sambotra ny zanakao-vavy.
¡Ay de ti, Moab! Pereció el pueblo de Quemos; porque tus hijos fueron presos para cautividad, y tus hijas para cautiverio.
47 Nefa mbola hampodiko avy amin’ ny fahababoana ihany Moaba any am-parany, hoy Jehovah. Hatreto ny amin’ ny fitsarana an’ i Moaba.
Pero haré tornar el cautiverio de Moab en lo postrero de los tiempos, dijo el SEÑOR. Hasta aquí es el juicio de Moab.

< Jeremia 48 >