< Jeremia 47 >

1 Ny tenin’ i Jehovah izay tonga tamin’ i Jeremia mpaminany ny amin’ ny Filistina, fony Farao tsy mbola namely an’ i Gaza.
Реч Господња која дође Јеремији пророку за Филистеје пре него Фараон освоји Газу.
2 Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, misy rano mizotra avy any avaratra ka ho tonga ony maria manafotra ny tany mbamin’ izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna mbamin’ izay monina ao aminy; Ka dia hitaraina ny olona, ary hidradradradra ny mponina rehetra amin’ ny tany.
Овако вели Господ: Ево, вода долази са севера, и биће као поток који се разлива, и потопиће земљу и шта је у њој, град и оне који живе у њему; и људи ће викати, и ридаће сви становници земаљски.
3 Noho ny fikatrokatroky ny kitron’ ny soavaliny matanjaka sy ny fikorodondrodon’ ny kalesiny ary ny fikotrototroky ny kodiany ny ray dia tsy miherika ny zanany, fa efa miraviravy tanana,
Од топота копита јаких коња његових, од тутњаве кола његових, и праске точкова његових, неће се обазрети очеви на синове, јер ће им руке клонути,
4 Noho ny hihavian’ ny andro handravana ny Filistina rehetra sy handringanana izay sisa rehetra amin’ ny mpamonjy an’ i Tyro sy Sidona; Fa horavan’ i Jehovah ny Filistina, dia ny sisa avy any amin’ ny nosy Kaftora.
Од оног дана који ће доћи да истреби све Филистеје и да затре Тир и Сидон и све остале помоћнике, јер ће Господ истребити Филистеје, остатак острва Кафтора.
5 Voaharatra Gaza, ringana Askelona mbamin’ ny sisa amin’ ny lohasahany; Mandra-pahoviana no mbola hitetika ny tenanao ianao?
Оћелавиће Газа, пропашће Аскалон и остатак долине њихове; докле ћеш се резати?
6 Indrisy ry sabatr’ i Jehovah! Mandra-pahoviana no tsy hitsaharanao? Midìra ao amin’ ny tranonao ihany; Mitsahara, ka mijanòna.
Јаох, мачу Господњи, кад ћеш се смирити? Врати се у корице своје, стани и смири се.
7 Hataony ahoana no fitsahatra. Fa Jehovah no nandidy azy, eny, hamely an’ i Askelona mbamin’ ny eny amoron-dranomasina no efa nanendreny azy.
Али како би се смирио? Јер му Господ даде заповест на Аскалон и на приморје; онамо га одреди.

< Jeremia 47 >