< Jeremia 45 >

1 Ny teny izay nataon’ i Jeremia mpaminany tamin’ i Baroka, zanak’ i Neria, fony izy nanoratra ireto teny ireto tamin’ ny taratasy avy tamin’ ny vavan’ i Jeremia tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, hoe:
Palabra que habló Jeremías profeta a Baruc, hijo de Nerías, cuando escribía en el libro estas palabras de la boca de Jeremías, el año cuarto de Joacim, hijo de Josías, rey de Judá, diciendo:
2 Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny aminao, ry Baroka:
Así dijo Jehová Dios de Israel a ti, Baruc:
3 Hoy ianao: Idiran-doza aho ity! fa nampian’ i Jehovah alahelo ny fanaintainako; efa sasatra ny misento aho ka tsy mahita fitsaharana.
Dijiste: ¡Ay de mi ahora! porque me ha añadido Jehová tristeza sobre mi dolor: trabajé con mi gemido, y no he hallado descanso.
4 Lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, horavako izay efa naoriko, ary hongotako izay efa namboleko, dia izao tany rehetra izao.
Decirle has así: Así dijo Jehová: He aquí que yo destruyo los que edifiqué, y arranco los que planté, y toda esta tierra.
5 Mitady zavatra lehibe ho anao va ianao? aza mitady izany! fa, indro, hahatonga loza ho amin’ ny nofo rehetra Aho, hoy Jehovah; fa raha ny ainao dia homeko anao ho babonao ihany any amin’ izay rehetra nalehanao.
¿Y tú buscas para ti grandezas? No busques; porque he aquí que yo traigo mal sobre toda carne, dijo Jehová, y a ti darte he tu vida por despojo en todos los lugares donde fueres.

< Jeremia 45 >