< Jeremia 44 >

1 Ny teny izay tonga tamin’ i Jeremia ho amin’ ny Jiosy rehetra izay nonina tany amin’ ny tany Egypta, dia izay nonina tao Migdola sy Tapanesa sy Memfisa, ary tany amin’ ny tany Patrosa, nanao hoe:
Ĩno nĩyo ndũmĩrĩri ĩrĩa yakinyĩrĩire Jeremia ĩkoniĩ Ayahudi othe arĩa matũũraga bũrũri wa Misiri ya Mũhuro: kũu Migidoli, na Tahapanahesi, na Nofu, o na kũu Misiri ya mwena wa rũgongo, akĩĩrwo atĩrĩ:
2 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Hianareo efa nahita ny loza rehetra izay nataoko nihatra tamin’ i Jerosalema sy ny tanànan’ ny Joda rehetra; ary, indro, efa tany lao ireo ankehitriny, ka tsy misy olona monina intsony ao aminy,
“Ũũ nĩguo Jehova Mwene-Hinya-Wothe, Ngai wa Isiraeli, ekuuga: Inyuĩ nĩmweyoneire mwanangĩko mũnene ũrĩa ndaarehithĩirie Jerusalemu o na matũũra mothe ma Juda. Ũmũthĩ ũyũ nĩmatiganĩirio, magakira ihooru na makaanangĩka
3 noho ny ratsy nataony hampahatezitra Ahy tamin’ ny nandehanany handoro ditin-kazo manitra sy hanompo andriamani-kafa izay tsy fantany, na iza, na ianareo, na ny razanareo.
nĩ ũndũ wa ũũru ũrĩa mekĩte. Nĩmathirĩkirie, magĩtũma ndakare nĩ ũndũ wa gũcinĩra ngai ingĩ ũbumba, o na nĩ ũndũ wa kũhooya ngai ingĩ iria matooĩ, kana ikamenywo nĩ inyuĩ, o na kana nĩ maithe manyu.
4 Ary naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy hanao hoe: Masìna ianareo, aza manao izany fahavetavetana halako izany.
Ndatũũrĩte ndĩmatũmagĩra ndungata ciakwa cia anabii kaingĩ, o arĩa maameeraga atĩrĩ: ‘Tigai gwĩka ũndũ ũyũ ũrĩ magigi, o ũyũ niĩ thũire!’
5 Nefa tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny hialany amin’ ny haratsiany tsy handoro ditin-kazo manitra ho an’ andriamani-kafa.
No rĩrĩ, matiigana gũthikĩrĩria kana kũrũmbũiya ũhoro ũcio; matiagarũrũkire matigane na waganu wao, kana matige gũcinĩra ngai ingĩ ũbumba.
6 Ka dia naidina ny fahavinirako sy ny fahatezerako, eny, nandoro ny tanànan’ ny Joda, sy ny teny amin’ ny lalamben’ i Jerosalema izany, ka dia rava sy lao ireny tahaka ny amin’ izao anio izao.
Nĩ ũndũ ũcio, marakara makwa mahiũ magĩitĩka; magĩakana matũũra-inĩ ma Juda na njĩra-inĩ cia Jerusalemu, nakuo gũgĩtigwo gwatuĩka kũndũ kwanangĩku gũgakira ihooru, o ta ũguo gũtariĩ ũmũthĩ.
7 Koa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny maro, dia Andriamanitry ny Isiraely: Ahoana no anaovanareo izao ratsy lehibe singotry ny ainareo izao, haharingana ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy madinika sy ny zaza minono ao amin’ ny Joda tsy hahamisy miangana anareo,
“Rĩu-rĩ, Jehova Ngai Mwene-Hinya-Wothe, Ngai wa Isiraeli, ekũũria ũũ: Nĩ kĩĩ gĩgũtũma mwĩrehere mwanangĩko mũnene ũguo na njĩra ya kweheria arũme na andũ-a-nja, na ciana na ngenge kuuma Juda, na inyuĩ mũkeniina, gũkaaga mũndũ o na ũmwe ũtigarĩte?
8 noho ny ampahatezeranareo Ahy amin’ ny asan’ ny tananareo sy amin’ ny andoroana ditin-kazo manitra ho an’ andriamani-kafa any amin’ ny tany Egypta izay alehanareo hivahiniana, mba haharingana anareo ka hahatonga anareo ho fanozonana sy ho fandatsa any amin’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany?
Mũraathirĩkia nĩkĩ, mũgatũma ndaakare nĩ ũndũ wa kĩrĩa mũthondekete na moko manyu na ũndũ wa gũcinĩra ngai ingĩ ũbumba gũkũ bũrũri wa Misiri, kũrĩa mũũkĩte gũtũũra? Nĩmũkwĩniina na mũtuĩke kĩndũ gĩa kũrumagwo na gĩa kũnyararwo thĩinĩ wa ndũrĩrĩ ciothe cia thĩ.
9 Moa hadinonareo va ny ratsy nataon’ ny razanareo sy ny mpanjakan’ ny Joda sy ny vadiny ary ny tenanareo sy ny vadinareo, dia izay nataony tany amin’ ny tanin’ ny Joda sy teny amin’ ny lalamben’ i Jerosalema?
Kaĩ mũriganĩirwo nĩ maũndũ ma waganu marĩa mekirwo nĩ maithe manyu, na athamaki na atumia-athamaki a Juda, na maũndũ ma waganu marĩa inyuĩ na atumia anyu mwekire bũrũri-inĩ wa Juda na njĩra-inĩ cia Jerusalemu?
10 Tsy mbola torotoro fo izy na dia mandraka androany aza sady tsy natahotra na nandeha araka ny lalàko sy ny didiko, izay napetrako teo anoloanareo sy teo anoloan’ ny razanareo.
Nginya ũmũthĩ, matirĩ menyiihia, kana makaahe gĩtĩĩo, kana makarũmĩrĩra watho wakwa, o na kana uuge wa kũrũmagĩrĩrwo ũrĩa ndaamũheire inyuĩ na maithe manyu.
11 Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hanandrina anareo Aho hahatonga loza haharingana ny Joda rehetra.
“Nĩ ũndũ ũcio, Jehova Mwene-Hinya-Wothe, Ngai wa Isiraeli, ekuuga atĩrĩ: Nĩnduĩte atĩ nĩngũmũrehithĩria mwanangĩko, na nyanangithie Juda guothe.
12 Ary halaiko ny sisa amin’ ny Joda, izay nikiry hankany amin’ ny tany Egypta hivahiny any, ka ho lany ritra izy rehetra; any amin’ ny tany Egypta no hahalavoany, samy ho ringan’ ny sabatra sy ny mosary, eny, na ny kely na ny lehibe dia samy ho fatin-tsabatra sy mosary izy rehetra ka ho tonga fianianana sy figagana sy fanozonana ary fandatsa.
Nĩngweheria matigari ma Juda macio matuĩte atĩ nĩmegũthiĩ bũrũri wa Misiri magatũũre kuo. Othe magaathirĩra bũrũri wa Misiri; makooragwo na rũhiũ rwa njora, kana makue nĩ ngʼaragu, kuuma ũrĩa mũnini nginya ũrĩa mũnene, othe makaaniinwo na rũhiũ rwa njora kana ngʼaragu. Magaatuĩka o ta kĩndũ kĩrume na kĩndũ kĩrĩ magigi, o na kĩndũ gĩa kũmenwo na kĩa njono;
13 Fa hovaliako izay monina any amin’ ny tany Egypta, toy ny namaliako an’ i Jerosalema, dia amin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana.
andũ arĩa matũũraga bũrũri wa Misiri nĩngamaherithia na rũhiũ rwa njora, na ndĩmaherithie na ngʼaragu o na mũthiro, o ta ũrĩa ndaaherithirie Jerusalemu.
14 Ary na sisa amin’ ny Joda izay lasa nivahiny tany Egypta dia tsy hisy ho afa-mandositra ho tafaverina any amin’ ny tanin’ ny Joda, izay niriny hiverenana mba honenany, afa-tsy izay vitsy sendra afa-mandositra ihany.
Gũtirĩ mũndũ o na ũmwe wa matigari ma Juda acio mathiĩte gũtũũra bũrũri wa Misiri ũkaahonoka, kana atigare nĩguo acooke bũrũri wa Juda, ũrĩa meriragĩria gũgaacooka magatũũre kuo; gũtirĩ ũgaacooka, tiga o andũ anini arĩa mageethara.”
15 Ary ny lehilahy rehetra, izay nahalala fa ny vadiny efa nandoro ditin-kazo manitra ho an’ andriamani-kafa, sy ny vehivavy rehetra izay nitsangana teo, dia vahoaka be dia be, ary ny olona rehetra izay nonina tany amin’ ny tany Egypta, tao Patrosa, dia namaly an’ i Jeremia hoe:
Hĩndĩ ĩyo andũ othe arĩa maamenyete atĩ atumia ao nĩmacinagĩra ngai ingĩ ũbumba, marĩ hamwe na atumia arĩa othe maarĩ ho, marĩ kĩũngano kĩnene, o hamwe na andũ arĩa othe maatũũraga Misiri ya mũhuro na ya Rũgongo, makĩĩra Jeremia atĩrĩ,
16 Raha ny amin’ ilay teny voalazanao taminay tamin’ ny anaran’ i Jehovah, dia tsy hihaino anao izahay.
“Ithuĩ tũtingĩthikĩrĩria ndũmĩrĩri ĩyo ũtwarĩirie ũkĩgwetaga rĩĩtwa rĩa Jehova!
17 Fa hataonay tokoa ny teny rehetra izay naloaky ny vavanay, dia ny handoro ditin-kazo manitra ho an’ ny mpanjakavavin’ ny lanitra sy ny hanidina fanatitra aidina ho azy, toy ny efa nataonay sy ny razanay sy ny mpanjakanay ary ny mpanapaka anay tany amin’ ny tanànan’ ny Joda sy teny amin’ ny lalamben’ i Jerosalema; fa fahizany dia voky hanina izahay sady nambinina ary tsy nahita loza.
Gũtirĩ nganja ithuĩ no tũgwĩka ũrĩa wothe tuoigire atĩ nĩtũgwĩka: Nĩtũrĩcinagĩra Mũthamaki-Mũndũ-wa-nja wa kũũrĩa Igũrũ ũbumba, na tũmũitagĩre maruta ma indo cia kũnyuuo, o ta ũrĩa ithuĩ ene, na maithe maitũ, na athamaki aitũ o na anene aitũ, meekaga matũũra-inĩ ma Juda na njĩra-inĩ cia Jerusalemu. Mahinda macio twarĩ na irio nyingĩ, na tũkagaacĩra, na tũtioonaga ũũru.
18 Fa hatrizay nitsaharanay tsy nandoro ditin-kazo manitra ho an’ ny mpanjakavavin’ ny lanitra na nanidina fanatitra aidina ho azy izay, dia saiky tsy nanana na inona na inona akory izahay sady ringan’ ny sabatra sy ny mosary.
No rĩrĩ, kuuma twatiga gũcinĩra Mũthamaki-Mũndũ-wa-nja wa kũũrĩa Igũrũ ũbumba, na tũgĩtiga kũmũrutagĩra magongona ma indo cia kũnyuuo-rĩ, tũtirĩ kĩndũ tũkoretwo tũrĩ nakĩo, na tũniinagwo na rũhiũ rwa njora na ngʼaragu.”
19 Ary raha nandoro ditin-kazo manitra ho an’ ny mpanjakavavin’ ny lanitra izahay sy nanidina fanatitra aidina ho azy, moa tsy fantatry ny vadinay va ny nanaovanay mofo hasiana ny sariny sy ny nanidinanay fanatitra aidina ho azy?
Atumia nao magĩcooka makĩongerera atĩrĩ, “Rĩrĩa twacinagĩra Mũthamaki-Mũndũ-wa-nja wa kũũrĩa Igũrũ ũbumba, na tũkamũrutagĩra magongona ma indo cia kũnyuuo-rĩ, githĩ o nao athuuri aitũ matiamenyaga atĩ nĩtwamũthondekagĩra tũmĩgate tũrĩ na mũhianano wake, na tũkamũrutagĩra magongona ma indo cia kũnyuuo?”
20 Ary hoy Jeremia tamin’ ny olona rehetra, na ny lehilahy na ny vehivavy, dia ny olona rehetra izay efa namaly azy:
Hĩndĩ ĩyo Jeremia akĩarĩria andũ othe, arũme na andũ-a-nja, acio maamũcookagĩria ũhoro, akĩmeera atĩrĩ,
21 Ny nandoroanareo ditin-kazo manitra tany an-tanànan’ ny Joda sy tany an-dalamben’ i Jerosalema, dia ianareo sy ny razanareo sy ny mpanjakanareo sy ny mpanapaka anareo mbamin’ ny vahoaka, moa tsy hotsarovan’ i Jehovah va izany, ary tsy tao an-tsainy va?
“Githĩ Jehova ndaaririkanire na agĩĩciiria ũhoro wa ũbumba ũcio wacinagĩrwo matũũra-inĩ macio ma Juda na njĩra-inĩ cia Jerusalemu nĩ inyuĩ, na maithe manyu, na athamaki anyu, na anene anyu, o na andũ othe a bũrũri ũcio?
22 Ka dia tsy nahalefitra intsony Jehovah noho ny faharatsian’ ny nataonareo sy noho ny fahavetavetana izay nataonareo; koa izany no nanaovana ny taninareo ho lao sy ho figagana ary ho fanozonana, ka tsy misy mponina, tahaka ny amin’ izao anio izao.
Na rĩrĩa Jehova aaremirwo nĩ gũcooka gũkirĩrĩria ciĩko cianyu cia waganu na maũndũ marĩ magigi macio mwekaga-rĩ, bũrũri wanyu ũgĩtuĩka kũndũ gwa kũnyiitwo nĩ kĩrumi, na ũgĩtuĩka kũndũ gũkirĩte ihooru, gũtarĩ andũ matũũraga kuo, o ta ũguo gũtariĩ ũmũthĩ.
23 Noho ny nandoroanareo ditin-kazo manitra sy ny nanotanareo tamin’ i Jehovah, fa tsy nihaino ny feon’ i Jehovah, na nandeha araka ny lalàny sy ny didiny ary ny teny vavolombelony ianareo, dia izany no nahatonga izao loza izao taminareo tahaka ny amin’ izao anio izao,
Nĩ ũndũ inyuĩ nĩmũcinĩte ũbumba mũkehĩria Jehova, na nĩmũregete kũmwathĩkĩra, kana kũrũmĩrĩra watho wake kana uuge wake wa kũrũmĩrĩrwo, o na kana irĩra ciake-rĩ, nĩkĩo mwanangĩko ũyũ ũmũkorete rĩu, o ta ũrĩa mũrona.”
24 Ary hoy koa Jeremia tamin’ ny olona rehetra sy tamin’ ny vehivavy rehetra: Mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ry Joda rehetra, izay atỳ amin’ ny tany Egypta:
Ningĩ Jeremia akĩĩra andũ othe, hamwe na andũ-a-nja acio, atĩrĩ, “Ta iguai ndũmĩrĩri ya Jehova, inyuĩ andũ othe a Juda mũrĩ gũkũ bũrũri wa Misiri.
25 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Hianareo sy ny vadinareo samy niteny tamin’ ny vavanareo sady nanatanteraka tamin’ ny tananareo ka nanao hoe: Hanefa tokoa izay efa nivoadianay izahay ka handoro ditin-kazo manitra ho an’ ny mpanjakavavin’ ny lanitra sy hanidina fanatitra aidina ho azy; eny, hefainareo tokoa ny voadinareo sady hataonareo tanteraka.
Jehova Mwene-Hinya-Wothe, Ngai wa Isiraeli, ekuuga atĩrĩ: Inyuĩ na atumia anyu nĩmuonanĩtie na ciĩko cianyu ũrĩa mweranĩire rĩrĩa mwoigire atĩrĩ, ‘Gũtirĩ nganja, ithuĩ no nginya tũhingie mĩĩhĩtwa ĩrĩa twehĩtire atĩ nĩtũrĩcinagĩra Mũthamaki-Mũndũ-wa-nja wa kũũrĩa Igũrũ ũbumba, na nĩtũrĩmũrutagĩra maruta ma indo cia kũnyuuo.’ “Thiĩi na mbere, ĩkai ũrĩa mweranĩire! Hingiai mĩĩhĩtwa yanyu!
26 Koa henoinareo ny tenin’ i Jehovah, ry Joda rehetra, izay monina atỳ amin’ ny tany Egypta: Indro Aho efa nianiana tamin’ ny anarako lehibe, hoy Jehovah, fa tsy hotononin’ ny vavan’ ny lehilahy amin’ ny Joda eran’ ny tany Egypta intsony ny anarako hanao hoe: Raha velona koa Jehovah Tompo.
No rĩrĩ, iguai ndũmĩrĩri ya Jehova, inyuĩ Ayahudi othe arĩa mũtũũraga bũrũri wa Misiri: Jehova ekuuga atĩrĩ, ‘Nĩndĩhĩtĩte na rĩĩtwa rĩakwa inene, ngoiga gũtirĩ mũndũ o na ũmwe wa kuuma Juda ũtũũraga handũ o hothe thĩinĩ wa bũrũri wa Misiri ũgaacooka kũgweta rĩĩtwa rĩakwa kana ehĩte akiugaga atĩrĩ, “Ti-itherũ o ta ũrĩa Mwathani Jehova atũũraga muoyo.”
27 Indro, miambina anareo Aho hahatonga loza, fa tsy soa; ary ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda, izay atỳ amin’ ny tany Egypta, dia ho ringan’ ny sabatra sy ny mosary mandra-pahalany ritrany.
Nĩgũkorwo nĩndĩmacũthĩrĩirie ndĩmarehere ũũru, no ti ndĩmarehere wega; Ayahudi arĩa marĩ bũrũri wa Misiri nĩmakaniinwo na rũhiũ rwa njora na ngʼaragu, nginya othe mathire biũ.
28 Ary izay afa-mandositra ny sabatra dia ho tafaverina avy atỳ amin’ ny tany Egypta ho any amin’ ny tanin’ ny Joda, ho vitsy foana anefa ireny; ary ny sisa amin’ ny Joda rehetra izay mankany amin’ ny tany Egypta hivahiny any dia hahafantatra izay ho tò teny, na ho Izaho, na ho izy.
Arĩa makaahonoka kũũragwo na rũhiũ rwa njora macooke bũrũri wa Juda moimĩte bũrũri wa Misiri magaakorwo marĩ anini mũno. Hĩndĩ ĩyo matigari mothe ma andũ a Juda arĩa mathiĩte gũtũũra bũrũri wa Misiri, nĩmakamenya nĩ kiugo kĩa ũ gĩkaarũgama: nĩ gĩakwa kana nĩ kĩao.’
29 Ary izao no famantarana ho anareo, hoy Jehovah, fa hovaliako eto amin’ ity tany ity ianareo, mba hahafantaranareo fa tò tokoa ny teniko hahatonga loza aminareo:
“Jehova ekuuga atĩrĩ: ‘Ũndũ ũyũ nĩguo ũgaatuĩka kĩmenyithia kĩanyu atĩ nĩngamũherithia mũrĩ gũkũ, nĩguo mũmenye atĩ ti-itherũ uuge wakwa wa kũmũrehithĩria ũũru nĩũkehaanda.’
30 Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, Farao-hofra, mpanjakan’ i Egypta, hatolotro eo an-tànan’ ny fahavalony sy eo an-tànan’ izay miady ny ainy, toy ny efa nanolorako an’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, ho eo an-tànan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, izay fahavalony nitady ny ainy.
Ũũ nĩguo Jehova ekuuga: ‘Nĩngũneana Firaũni Hofira mũthamaki wa bũrũri wa Misiri kũrĩ thũ ciake iria icaragia kũmũruta muoyo, o ta ũrĩa ndaaneanire Zedekia mũthamaki wa Juda moko-inĩ ma Nebukadinezaru mũthamaki wa Babuloni, thũ ĩrĩa yacaragia kũmũruta muoyo.’”

< Jeremia 44 >