< Jeremia 43 >
1 Ary rehefa tapitra voalazan’ i Jeremia tamin’ ny vahoaka rehetra izany teny rehetra avy tamin’ i Jehovah Andriamaniny izany, izay nanirahan’ i Jehovah Andriamanitra azy holazaina aminy,
Yeremiya atatsiriza kuwawuza anthuwo mawu onse a Yehova Mulungu wawo, amene Yehova anamutuma kuti akawawuze,
2 dia niteny Azaria, zanak’ i Hosaia, sy Johanana, zanak’ i Karea, mbamin’ ny olona mpirehareha rehetra ka niteny tamin’ i Jeremia hoe: Mandainga ianao; fa tsy naniraka anao Jehovah Andriamanitsika hilaza hoe: Aza mandeha hivahiny any Egypta;
Azariya mwana wa Hosayia ndi Yohanani mwana wa Kareya pamodzi ndi anthu onse odzikuza anawuza Yeremiya kuti, “Ukunama iwe! Yehova Mulungu wathu sanakutume kuti unene kuti, ‘Musapite ku Igupto kukakhala kumeneko.’
3 fa Baroka, zanak’ i Neria, no nanome fo anao hamely anay mba hanolotra anay ho eo an-tànan’ ny Kaldeana hahafaty anay sy hahalasa anay ho babo any Babylona.
Koma ndi Baruki mwana wa Neriya amene akukulimbikitsa kuti utiletse zopita ku Igupto ndi kuti mʼmalo mwake tidzipereke mʼmanja mwa Ababuloni, kuti iwo atiphe kapena kutitenga ukapolo ku Babuloni.”
4 Ary Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra ary ny vahoaka rehetra dia tsy nihaino ny feon’ i Jehovah ny amin’ ny honenany ao amin’ ny tanin’ ny Joda.
Motero Yohanani mwana wa Kareya ndi atsogoleri onse a ankhondo pamodzi ndi anthu onse sanamvere lamulo la Yehova loti akhale mʼdziko la Yuda.
5 Fa Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra dia nitondra ny sisa rehetra tamin’ ny Joda, izay niverina avy tany amin’ ny firenena rehetra nandroahana azy honina ao amin’ ny tanin’ ny Joda,
Mʼmalo mwake, Yohanani mwana wa Kareya ndi atsogoleri onse a ankhondo anatenga anthu onse otsala a ku Yuda amene anabwera kudzakhala mʼdziko la Yuda kuchokera ku mayiko onse kumene anabalakirako.
6 dia ny lehilahy sy ny zaza amim-behivavy sy ny vehivavy zanak’ andriana ary ny olona rehetra izay navelan’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, tao amin’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, sy tao amin’ i Jeremia mpaminany sy Baroka, zanak’ i Neria
Mʼgulu la anthu otengedwalo munali amuna onse, akazi ndi ana, ana aakazi a mfumu, ndiponso anthu amene Nebuzaradani mtsogoleri wa asilikali olonda mfumu anawasiya kwa Gedaliya mwana wa Ahikamu, mdzukulu wa Safani pamodzinso ndi mneneri Yeremiya ndi Baruki mwana wa Neriya.
7 ka dia nankany amin’ ny tany Egypta izy ireny, fa tsy nihaino ny feon’ i Jehovah, ary dia tonga hatrany Tapanesa.
Kotero anthuwo analowa mʼdziko la Igupto chifukwa anakana kumvera Yehova, nakafika ku Tapanesi.
8 Dia tonga tamin’ i Jeremia tao Tapanesa ny tenin’ i Jehovah hoe:
Ndipo Yehova anayankhula ndi Yeremiya ku Tapanesi kuti,
9 Mitondrà vato lehibe eny an-tananao, ka afeno ao amin’ ny feta ao amin’ ny gorodona taila, izay eo akaikin’ ny vavahady amin’ ny tranon’ i Farao ao Tapanesa, eo imason’ ny lehilahy amin’ ny Joda,
“Tenga miyala inayi yayikulu ndipo uyikwirire mʼdothi pa chiwundo cha polowera ku nyumba yaufumu ya Farao ku Tapanesi. Uchite zimenezi Ayuda onse akuona.
10 ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro Aho haniraka haka an’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, mpanompoko, ka haoriko amin’ ireto vato nafeniko ireto ny seza fiandrianany; ary hamelatra ny lambany tsara tarehy hatao alokaloka eo amboniny izy.
Ndipo uwawuze kuti, ‘Yehova Wamphamvuzonse, Mulungu wa Israeli akuti: Ndidzayitana mtumiki wanga Nebukadinezara mfumu ya ku Babuloni, ndipo adzakhazika mpando wake waufumu pa miyala imene ndayikwirira apayi. Iye adzafunyulula tenti yake yaufumu pa miyala imeneyi.
11 Eny, ho avy izy hamely ny tany Egypta, ka izay ho amin’ ny areti-mandringana dia ho amin’ ny areti-mandringana, ary izay ho amin’ ny fahababoana dia ho amin’ ny fahababoana, ary izay ho amin’ ny sabatra dia ho amin’ ny sabatra.
Iye adzabwera kudzathira nkhondo Igupto. Iwo oyenera kufa ndi mliri adzafa ndi mliri, iwo oyenera kutengedwa ukapolo adzatengedwa ukapolo, ndipo iwo oyenera kufa ndi lupanga adzafa ndi lupanga.
12 Ary handrehitra afo ao amin’ ny tranon’ ny andriamanitr’ i Egypta Aho, ka dia hodorany sy hobaboiny ireo, ary hitafy ny tany Egypta izy toy ny fitafin’ ny mpiandry ondry ny lambany; ary hiala any amin’ ny fiadanana izy.
Adzayatsa moto mʼnyumba zopembedzera milungu ya Igupto. Adzayeretsa dziko la Igupto monga momwe mʼbusa amayeretsera chovala chake pochotsamo nsabwe. Pambuyo pake adzachoka mʼdziko la Igupto mwa mtendere.
13 Ary hotorotoroiny ny tsangam-baton-tsampy ao Beti-semesy, izay any amin’ ny tany Egypta; ary hodorany amin’ ny afo ny tranon’ ny andriamanitr’ i Egypta.
Ku Iguptoko adzagwetsa zipilala zachipembedzo za ku nyumba yopembedzera mulungu wa dzuwa. Adzatentha ndi moto nyumba za milungu ya ku Igupto.’”