< Jeremia 42 >

1 Ary ny mpifehy ny miaramila rehetra sy Johanana, zanak’ i Karea, sy Jazania, zanak’ i Hosaia, mbamin’ ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe, dia nanatona
Kisha amri wote wa jeshi na Yonathan mwana wa Karea, Jezania mwana wa Hoshaia, na watu wote kutoka mdogo kwa mkubwa walimkaribia Yeremia nabii.
2 ka niteny tamin’ i Jeremia mpaminany hoe: Masìna ianao, aoka hoborahina eto anatrehanao ny fifonanay, ary mba ivavaho amin’ i Jehovah Andriamanitrao re izahay, dia ireto sisa rehetra ireto (fa vitsy izahay no sisa, na dia maro aza fahiny, dia araka izao hitan’ ny masonao izao),
Walisema naye, “Acha maombi yetu yaje mbele yako. Omba kwa ajili yetu kwa Yahwe Mungu wako kwa ajili ya watu hawa ambao wanabaki kwani tuko wachache katika idadi, kama unavyoona.
3 mba hambaran’ i Jehovah Andriamanitrao anay izay lalana mety halehanay sy izay zavatra tokony hataonay.
Muulize Yahwe Mungu wako atuambia sisi njia yakuendea na nini tufanye.”
4 Dia hoy Jeremia mpaminany taminy: Efa reko izany; koa, indro, hivavaka amin’ i Jehovah Andriamanitrareo ary aho araka ny teninareo; ary ny teny rehetra Izay havalin’ i Jehovah anareo dia hambarako anareo, fa tsy hisy hafeniko.
Basi Yeremia nabii alisema nao, “Nimewasikia, Tazama, Nitaomba kwa Yahwe Mungu wenu kama mlivyoomba. Vyovyote Yahwe ananijibu, Nitawambia. Sitawaficha chochote ninyi.”
5 Dia hoy izy tamin’ i Jeremia: Jehovah no aoka ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika, raha tsy manao araka ny teny rehetra izay anirahan’ i Jehovah Andriamanitrao anao aminay izahay.
Walisema na Yeremia, “Na Yawhe awe shahidi mkweli na mwaminifu dhidi yenu, kama hatutafanya kila kitu ambacho Yahwe Mungu wenu anatuambia kufanya.
6 Na ho soa, na ho ratsy, dia hohenoinay ny feon’ i Jehovah Andriamanitray, izay nanirahanay anao, mba hahasoa anay, raha mihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitray izahay.
Hata kama ni vizuri au vibaya, tutatii sauti ya Yahwe Mungu wetu, ambaye tunawatuma ninyi, ili kwamba iwe vizuri pamoja nasi wakati tunatii sauti ya Yahwe Mungu wetu.”
7 Ary nony afaka hafoloana, dia tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah.
Basi ilitokea kwamba baada ya siku kumi, neno la Yahwe lilikuja kwa Yeremia.
8 Ary izy niantso an’ i Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay teo aminy mbamin’ ny olona rehetra, na kely na lehibe,
Kwa hiyo Yeremia alimwita Yonathan mwana wa Karea na amri wote jeshi pamoja naye, na watu wote kutoka mdogo kwa mkubwa.
9 ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa nanirahanareo ahy mba hoborahiko eo anatrehany ny fifonanareo:
Na alisema nao, “Yahwe, Mungu wa Israel, ambaye umenituma mimi ili niweze kuweka maombi yako mbele zake. Yahwe asema hivi,
10 Raha mbola honina amin’ ity tany ity ihany ianareo, dia haoriko ianareo, fa tsy horavako, ary hamboleko ianareo, fa tsy hongotako, fa manenina Aho ny amin’ ny loza namelezako anareo.
Kama mtarudi na kuishi katika nchi hii, basi nitawajenga na sitawararua chini; Nitapanda na sitawangoa, kwa kuwa nitageuza maafa ambayo nimeleta juu yako.
11 Aza matahotra ny mpanjakan’ i Babylona izay atahoranareo; eny, aza matahotra azy, hoy Jehovah, fa momba anareo Aho hamonjy sy hanafaka anareo amin’ ny tànany.
Msimugope mfalme wa Babeli, ambaye mnamuogopa. Msimuogope-hili ni tamko la Yahwe kwani niko pamoja nanyi kuwahifadhi na kuwaokoa toka mkono wake.
12 Ary hataoko mahita famindram-po ianareo, dia hamindra fo aminareo izy ka hampody anareo ho any amin’ ny taninareo.
Kwa kuwa nitawapa rehema. Nitakuwa na huruma juu yenu, na nitawarudisha kwenye nchi yenu.
13 Fa raha hoy kosa ianareo: Tsy honina amin’ ity tany ity izahay, ka tsy hihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo,
Lakini tudhani kusema kwamba, “Hatutakaa katika nchi hii”- kama hamtasikiliza sauti yangu, sauti ya Yahwe Mungu wenu.
14 fa manao hoe: Tsia; fa hankany amin’ ny tany Egypta izahay, fa any no tsy hahitanay ady, na handrenesanay ny feon’ ny anjomara na hahitanay mosary, ka dia any no honenanay,
Tudhani kwamba mnasema, “Hapana! Tutaenda kwenye nchi ya Misri, ambayo hatutaona vita yoyote, ambayo hatutasikia sauti ya tarumbeta, na hatutaona njaa ya chakula. Tutaishi huko.”
15 dia mihainoa ny tenin’ i Jehovah ankehitriny ianareo izay sisa amin’ ny Joda: Izao no lazain’ i Jehovah. Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Raha dia mikiry hankany Egypta ihany ianareo ka mandeha hivahiny any,
Sasa sikiliza neno hili la Yahwe, wewe mabaki ya Yuda. Yahwe wa majeshi, Mungu wa Israel, asema hivi, 'Kama kweli mtatoka kwenda Misri, kwenda na kuishi huko,
16 dia hahatratra anareo any amin’ ny tany Egypta ny sabatra izay atahoranareo, ary ny mosary izay ahinareo no hanjohy anareo any amin’ ny tany Egypta, ary any no hahafaty anareo.
basi upanga ambao mnauogopa utawapita huko kwenye nchi ya Misri. Njaa ambayo mnawasiwasi nayo itawafatilia huko Misri. Na mtakufa huko.
17 Ary ny olona rehetra izay mikiry hankany Egypta hivahiny any dia ho fatin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana any; ary tsy hisy sisa ho afa-mandositra ny loza izay hataoko mihatra aminy.
Basi itatokea kwamba wanaume wote waliondoka kwenda Misri kuishi huko watakufa kwa upanga, njaa, au pigo. Hapatakuwa na mwathirika wao, hakuna atakayetoroka maafa ambayo nitaleta juu yao.
18 Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Toy ny nanidinana ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin’ ny mponina any Jerosalema, dia toy izany no hanidinana ny fahatezerako aminareo, raha mankany Egypta ianareo; ary ho fianianana sy ho figagana sy ho fanozonana ary ho fandatsa ianareo, sady tsy hahita ity tany ity intsony.
Kwa kuwa Yahwe wa majeshi, Mungu wa Israel, asema hivi: Kama gadhabu yangu na hasira yangu imemwanga juu ya wakazi wa Yerusalem, kwa njia hiyo hasira yangu itamwangwa juu yenu kama mtaenda Misri. Mtakuwa sababu ya hasira na hofu, sababu la kuzungumza laana, na kitu kisichokuwa na heshima. Na hamtaona eneo hili tena.”
19 Jehovah efa nilaza ny aminareo, ry sisa amin’ ny Joda, hoe: Aza mankany Egypta ianareo; aoka ho fantatrareo tokoa fa efa nanariko androany ianareo.
Basi Yeremia alisema, “Yahwe amezungumza kuhusu ninyi - mabaki ya Yuda. Msiende Misri! Unajua kwa hakika kwamba nimekuwa shahidi dhidi yenu leo.
20 Kanjo efa nivily ianareo ka nahavoa ny ainareo tamin’ ny nanirahanareo ahy ho amin’ i Jehovah Andriamanitrareo hanao hoe: Mba ivavaho amin’ i Jehovah Andriamanitsika re izahay, ary izay rehetra holazain’ i Jehovah Andriamanitsika dia ambarao aminay, fa hataonay.
Kwa kuwa mmejidanganya vibaya wenyewe wakati mliponituma mimi kwenda kwa Yahwe Mungu wenu na kusema, 'Omba kwa Yahwe Mungu wetu kwa ajili yetu. Kila kitu ambacho Yahwe Mungu wetu asema, tuambie, na tutaibeba.'
21 Ary efa nambarako taminareo androany; nefa tsy nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ny amin’ izay zavatra nanirahany ahy ho aminareo.
Kwa kuwa nimekwisha toa taarifa kwako leo, lakini hajusikiliza sauti ya Yahwe Mungu wenu au kwa chochote kuhusu ambacho alinituma mimi kwako.
22 Koa aoka ho fantatrareo marimarina fa ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana ianareo any amin’ ny tany izay tianareo hivahiniana.
Basi sasa, utajua kwa hakika kwamba utakufa kwa upanga, njaa, na pigo katika eneo ambalo ulitamani kwenda kuishi.”

< Jeremia 42 >