< Jeremia 41 >
1 Ary tamin’ ny volana fahafito dia tonga tany amin’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, tao Mizpa Isimaela, zanak’ i Netania, zanak’ i Elisama, taranaky ny mpanjaka, sy ny mpanapaky ny mpanjaka; ary nisy folo lahy niaraka taminy; ary niara-nihinan-kanina tao Mizpa izy.
I KA hiku o ka malama, hiki mai la keia mau mea; o Isemaela, ke keiki a Netania, ke keiki a Elisama, no ka hanauna alii, a me na luna o ke alii, he umi kanaka pu me ia, hele mai la lakou ia Gedalia, i ke keiki a Ahikama, ma Mizepa; a malaila lakou i ai pu ai i ka berena ma Mizepa.
2 Dia nitsangana Isimaela, zanak’ i Netania, sy ireo olona folo lahy niaraka taminy ka namely sabatra an’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, dia nahafaty ilay efa nataon’ ny mpanjakan’ i Babylona ho mpanapaka ny tany.
Alaila, ku mai la o Isemaela, ke keiki a Netania, a me na kanaka he umi e noho pu ana me ia, a pepehi iho la ia Gedalia i ke keiki a Ahikama, i ke keiki a Sapana i ka pahikaua, a make oia, o ka mea hoi a ke alii o Babulona i hoolilo ai i kiaaina o ia aina.
3 Ary ny Jiosy rehetra izay tao aminy, dia izay tao amin’ i Gedalia tao Mizpa, sy ny Kaldeana izay hita tao ary ny miaramila dia novonoin’ Isimaela avokoa.
A pepehi no hoi o Isemaela i na Iudaio a pau e noho pu ana me ia, me Gedalia hoi ma Mizepa, a me ko Kaledea i loaa ia ia malaila, o na kanaka kaua hoi.
4 Ary nony ampitson’ ny andro namonoana an’ i Gedalia, raha tsy mbola nisy olona nahalala izany,
A i ka lua o ka la mahope iho o kona pepehi ana ia Gedalia, aole kanaka i ike,
5 dia nisy valo-polo lahy avy tany Sekema sy Silo ary Samaria, izay samy mihara-bolom-bava, sady voatriatra ny fitafiany, ary voatetika ny tenany, nitondra fanatitra sy ditin-kazo mani-pofona teny an-tànany ho entina ao an-tranon’ i Jehovah.
Alaila, hele mai la kekahi mau kanaka, mai Sekema, a mai Silo, a mai Samaria mai, he kanawalu lakou, ua kahi ko lakou nmiumi, ua haehaeia ko lakou aahu, ua okioki ia lakou iho: he mau mohai, a he mea ala ma ko lakou lima e lawe i ka hale o Iehova.
6 Ary Isimaela, zanak’ i Netania, dia nivoaka avy tao Mizpa hitsena azy sady nitomany teny am-pandehanana, ary nony efa nihaona taminy izy, dia niteny taminy hoe: Mankanesa any amin’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama.
A hele aku la o Isemaela, ke keiki a Netania, mai Mizepa aku, e halawai me lakou, a uwe no hoi i kona hele ana; a i kona halawai ana me lakou, i ae la ia ia lakou, E hele mai ia Gedalia, i ke keiki a Ahikama.
7 Ary nony tonga tao afovoan’ ny tanàna izy ireo, dia novonoin’ Isimaela, zanak’ i Netania, mbamin’ ny olona nanaraka azy izy ka nariany tao anaty lavaka famorian-drano.
A ia lakou i hele ai iloko o ke kulauakauhale, Pepehi aku la o Isemaela ke keiki a Netania ia lakou, a hoolei aku la iloko o ka lua, oia, a me na kanaka pu me ia.
8 Fa nisy folo lahy tamin’ ireo nanao tamin’ Isimaela hoe: Aza vonoina izahay; fa manan-tahiry any an-tsaha izahay, dia vary tritika sy vary hordea sy diloilo ary tantely. Ka dia nijanona izy, fa tsy namono ireo tahaka ny efa nataony tamin’ ny namany.
A loaa iwaena o lakou, he umi kanaka, i mai la lakou ia Isemaela, Mai pepehi ia makou; no ka mea, he waiwai ko makou ma ka papu, he huapalaoa, he huabale, a he aila, a he meli. Nolaila, oki iho la oia, aole i pepehi pu ia lakou me ko lakou poe hoahanau.
9 Ary ilay lavaka nanarian’ Isimaela ny fatin’ ny olona rehetra, izay novonoiny ho eo anilan’ i Gedalia, dia ilay efa nataon’ i Asa mpanjaka mba hiereny an’ i Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, dia nofenoin’ Isimaela, zanak’ i Netania, faty.
O ka lua, kahi o Isemaela i hoolei ai i na kupapau a pau o na kanaka ana i pepehi aku ai me Gedalia, oia ka mea a Asa ke alii i hana'i no ka makau ia Baasa, ke alii o ka Iseraela; a hoopiha iho la o Isemaela ke keiki o Netania ia wahi i ka poe i make.
10 Ary nentin’ Isimaela ho babo ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, na ny vehivavy zanak’ andriana, na ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, izay napetrak’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, tao amin’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama; eny, Isimaela, zanak’ i Netania, nitondra azy ireny ho babo, ka dia lasa niala nankany amin’ ny taranak’ i Amona izy.
Alaila, lawepio aku la o Isemaela i ke koena a pau o na kanaka ma Mizepa, i na kaikamahine a ke alii, a me na kanaka a pau i koe ma Mizepa, ka poe a Nebuzaredana, ka lunakaua i haawi ai ia Gedalia, ke keiki a Ahikama; lawepio aku la o Isemaela ke keiki a Netania ia lakou, a hele aku la, i hiki i ka Amona.
11 Fa nony ren’ i Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy ny ratsy rehetra nataon’ Isimaela, zanak’ i Netania,
A lohe o Iohanana, ke keiki a Karea, a me na luna a pau o na koa me ia, i ka hewa a pau a Isemaela ke keiki a Netania i hana'i,
12 dia novoriny ny olona rehetra ka nentiny niady tamin’ Isimaela, zanak’ i Netania ary hitany teo amoron’ ny kamory ao Gibeona izy.
Alaila, lawe ae la ia i na kanaka a pau, a hele aku la, e kaua me Isemaela, i ke keiki a Netania, a loaa oia ma na wai nui ma Gibeona.
13 Ary ny olona rehetra izay tao amin’ Isimaela, nony nahita an’ i Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy, dia faly.
A hiki i ka manawa a na kanaka a pau me Isemaela i ike mai ai ia Iohanana, i ke keiki a Karea, a me na luna a pau o na koa me ia, alaila, olioli iho la lakou.
14 Ary ny olona rehetra izay nentin’ Isimaela ho babo avy tany Mizpa dia nitodika ka niverina nanatona an’ i Johanana, zanak’ i Karea.
O na kanaka a pau a Isemaela i lawepio ai, huli lakou, a hoi, a hele ia Iohanana i ke keiki a Karea.
15 Fa Isimaela, zanak’ i Netania, sy ny olona valo lahy kosa dia afaka nandositra an’ i Johanana ka lasa nankany amin’ ny taranak’ i Amona.
Pakele aku la o Isemaela ke keiki a Netania mai Iohanana aku, oia a me na kanaka ewalu i hele pu me ia i ka Amona.
16 Ary Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy dia nitondra ny olona rehetra izay voavonjiny ho afaka tamin’ Isimaela, zanak’ i Netania, avy tany Mizpa, taorian’ ny namonoany an’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, dia ny lehilahy mpiady sy ny zaza amim-behivavy ary ny tandapa, izay nentiny niverina avy tany Gibeona;
Alaila, lawe o Iohanana, ke keiki a Karea a me na luna a pau o na koa me ia, i ke koena a pau o na kanaka i loaa ia ia ma Mizepa mai Isemaela mai, ke keiki a Netania mai, mahope iho o kona pepehi ana ia Gedalia, i ke keiki a Ahika ma, o na kanaka kaua a me na wahine, a me na Keiki, a me ua mea i poaia, ka poe ana i lawe ae ai, mai Gibeona mai;
17 ary dia lasa izy ireo ka nitoetra tao Gerota-kimama, izay ao akaikin’ i Betlehema, mba handehanany hankany Egypta.
A hele aku la lakou, a noho ma kahi noho o Kimehama, aia kokoke i Betelehema, ma ke ala e komo aku ai i Aigupita,
18 tsy ho tratry ny Kaldeana; fa natahotra azy izy, satria Isimaela, zanak’ i Netania, efa namono an’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, izay notendren’ ny mpanjakan’ i Babylona ho mpanapaka ny tany.
No ko Kaledea; no ka mea, ua makau ia lakou, no ko Isemaela, ke keiki a Netania pepehi ana ia Gedalia, i ke keiki a Ahikama, ka mea a ke alii o Babulona i hoonoho ai i kiaaina no ia aina.