< Jeremia 40 >
1 Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah, taorian’ ny nandefasan’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, azy niala tany Rama, tamin’ ilay nampanalany azy fony izy mbola nigadra tao amin’ ny babo rehetra avy tany Jerosalema sy Joda, izay nentina ho babo tany Babylona.
Hili lilikuwa neno ambalo lilikuja kwa Yeremia toka kwa Yahwe baada ya Nebuzaradni, amri wa walinzi wa mfalme, amemtuma mbali kutoka Ramah. Huko ndiko Yeremia alikuwa amechukuliwa, na huko alikuwa amefungwa kwa minyororo. Alikuwa miongoni mwa mateka wote ya Yerusalem na Yuda ambayo walipaswa kuwa matekani Babeli.
2 An’ ny lehiben’ ny mpiambina dia naka an’ i Jeremia ka nanao taminy hoe: Jehovah Andriamanitrao nanambara izao loza izao, izay nanjo ity tanàna ity.
Mlinzi mkuu alimchukua Yeremia na kusema kwake, “Yahwe Mungu wako aliamrisha maafa haya dhidi ya eneo hili.
3 Ary Jehovah nahatonga izany ka nanao araka izay nolazainy, noho ny nanotanareo tamin’ i Jehovah sy ny tsy nihainoanareo ny feony, dia izany no nahatonga izao zavatra izao taminareo.
Basi Yahwe alileta. Alifanya kama alivyoamrisha, kwani ninyi watu mmefanya dhambi dhidi yake na hamkutii sauti yake. Hii ni sababu ya jambo hili limetokea kwenu. Lakini sasa tazama!
4 Ary, indro, ankehitriny vahako izao ny gadra amin’ ny tananao. Koa raha sitraky ny fonao kosa ny hiaraka amiko hankany Babylona, dia andeha, fa hotandremako tsara ianao; nefa raha tsy sitraky ny fonao ny hiaraka amiko ho any Babylona, dia mijanòna ihany; indro, ny tany rehetra dia eo anoloanao, koa izay tany tianao sy sitrakao no andehano.
Nimekuacha huru leo toka kwenye minyororo iliyokuwa kwenye mikono yako. Kama ni vizuri katika macho yako kuja nami Babeli, njoo, na nitakujali. Lakini kama si vizuri katika macho yako kuja pamoja nami, basi usifanye hivyo. Tazama nchi yote mbele yako. Nenda ambapo ni pazuri na sawa katika macho yako kwenda.”
5 Ary raha tsy mbola nety nandeha izy, dia hoy Nebozaradana: Miverena indray any amin’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, izay voatendrin’ ny mpanjakan’ i Babylona ho mpanapaka ny tanànan’ ny Joda ka tomoera aminy ao amin’ ny olona, na mandehana any amin’ izay tianao haleha na aiza na aiza. Dia nomen’ ny lehiben’ ny mpiambina vatsy sy fanomezana izy ka nalefany handeha.
Wakati Yeremia hakujibu, Nebuzaradani alisema, “Nenda kwa Gedalia mwana wa Ahikam mwana wa Shafani, ambaye mfalme wa Babeli amemweka msimamizi wa miji ya Yuda. Baki pamoja naye miongoni mwa watu au nenda popote ni pazuri katika macho yako kwenda.” Amri wa walinzi wa mfalme alimpa chakula na zawadi, na kisha akamtuma mbali.
6 Ary Jeremia nankany amin’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, tany Mizpa ka niara-nonina taminy tao amin’ ny vahoaka izay sisa velona tamin’ ny tany.
Basi Yeremia alienda kwa Gedalia mwana wa Ahikam, huko Mizpah. Alibaki pamoja naye miongoni mwa watu ambao walibaki nyuma katika nchi.
7 Ary raha ren’ ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha sy ny olom-peheziny fa ny mpanjakan’ i Babylona efa nanendry an’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, ho mpanapaka ny tany sy ho mpitandrina ny lehilahy mbamin’ ny zaza amim-behivavy ary ny malahelo sasany teo amin’ ny tany izay tsy mbola lasan-ko babo tany Babylona,
Sasa baadhi ya amri wa wanawajeshi wa Yuda ambao walikuwa bado katika uwanja- wao na watu wao - walisikia kuwa mfalme wa Babeli alimfanya Gedalia mwana wa Ahikam, liwali juu ya nchi. Pia walisikia kuwa amemweka kusimamia wanaume, wanawake, na watoto ambao walikuwa watu maskini katika nchi, wale ambao hawakuwa wamechukuliwa mateka Babeli.
8 dia tonga tany amin’ i Gedalia tany Mizpa izy, dia Isimaela, zanak’ i Netania, sy Johanana sy Jonatana, zanak’ i Karea, sy Seraia, zanak’ i Tanometa, sy ny zanak’ i Efay Netofatita ary Jazania, zanak’ ilay Makatita, dia izy ireny sy ny olom-peheziny avy.
Basi walienda kwa Gedalia huko Mizpa. Hawa watu walikuwa Ishmaeli mwana Nethania; Yonathan na Yonathani, wana wa Kareaa; Seraya mwana wa Tanhumethi; wana wa Efai Netophathite; na Yezania mwana wa Mmaaka-wao na watu wao.
9 Ary Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, dia nianiana taminy sy tamin’ ny olona-peheziny nanao hoe: Aza matahotra hanompo ny Kaldeana; monena amin’ ny tany, ka manompoa ny mpanjakan’ i Babylona, dia hahita soa ianareo.
Gedalia mwana wa Ahikam mwana wa Shafan, alichukua kiapo kwao na kwa watu wao, na kusema kwao, “Usiogope kuwatumikia maafisa wa Wakaldayo. Ishi katika nchi na kumtumkia mfalme wa Babeli, na itakuwa vizuri kwenu.
10 Ary ny amiko, dia, indro, honina any Mizpa aho hanompo ny Kaldeana izay ho avy etỳ amintsika; fa ianareo dia manangona divay sy voankazo masaka fahavaratra ary diloilo, ka ataovy ao amin’ ny fitehirizanareo, dia monena amin’ izay tanàna nidiranareo.
Na tazama, Ninaishi Mizpa kukutana pamoja na Wakaldayo waliokuja kwetu. Basi vuna mvinyo, matunda ya kiangazi, na mafuta na viweke kwenye vyombo vyako. Uishi katika miji ambayo umechukua.”
11 Ary koa, ny Jiosy rehetra izay tany Moaba sy tany amin’ ny taranak’ i Amona sy tany Edoma ary izay tany amin’ ny tany rehetra dia nahare fa ny mpanjakan i Babylona efa namela ny Joda hisy sisa sady efa nanendry an’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, ho mpanapaka azy,
Kisha Wayahudi wote katika Moabu, miongoni mwa watu wa Ammoni, na katika Edomu, na katika kila nchi ilisikiwa kwamba mfalme wa Babalei ameruhusu mabaki ya Yuda kubaki, kwamba alimteua Gedalia mwana wa Ahikam mwana wa Shafani juu yao.
12 dia niverina ny Jiosy rehetra avy tany amin’ ny tany rehetra izay efa nandroahana azy ka tonga tany amin’ ny tanin’ ny Joda ho any amin’ i Gedalia tao Mizpa, ka nanangona divay sy voankazo sesehena masaka fahavaratra izy.
Basi Wayahudi wote walirudi toka kila eneo ambako walikuwa wametawanyika. Walirudi kwenye nchi ya Yuda, kwa Gedalia huko Mizpa. Walivuna mvinyo na matunda ya kiangazi kwa wingi.
13 Ary Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha dia tonga tany amin’ i Gedalia tany Mizpa
Yonathan mwana wa Karea na amri wote wa jeshi katika uwanja walikuja kwa Gedalia huko Mizpa.
14 ka nanao taminy hoe: Moa fantatrao tokoa va fa Balisa, mpanjakan’ ny taranak’ i Amona, dia naniraka an’ Isimaela, zanak’ i Netania, hamono anao? Nefa tsy nino azy Gedalia, zanak i Ahikama.
Walisema kwake, “Haujui kuwa Baalis mfalme wa watu wa Ammoni amemtuma Ishmael mwana wa Nethania kukuua?” Lakini Gedalia mwana wa Ahikim hakuwaamini.
15 Ary Johanana, zanak’ i Karea, nilaza mangingina tamin’ i Gedalia tao Mizpa nanao hoe: masìna ianao, aoka aho handeha hamono an’ Isimaela, zanak’ i Netania, fa tsy hisy olona hahalala izany tsy akory; fa nahoana no havela hamono anao izy ka hampiely ny Jiosy rehetra izay tafangona eto aminao ary hahalany ringana ny sisa amin’ ny Joda?
Basi Yonathan mwana wa Karea alizungumza kwa siri kwa Gedalia huko Mizpa na kusema, “Niruhusu niende kumuua Ishmael mwana wa Nethania. Hakuna atakaye nituhumu. Kwanini asikuue wewe? Kwanini kuruhusu Yuda yote ambayo imekusanywa kwako kutawanyishwa na mabaki ya Yuda kuharibiwa?”
16 Fa hoy Gedalia, zanak’ i Ahikama, tamin’ i Johanana, zanak’ i Karea: Aza manao izany ianao, fa miampanga lainga foana an’ Isimaela ianao.
Lakini Gedalia mwana wa Ahikam alisema kwa Yonathan mwana wa Karea, “Usifanye jambo hili, kwa kuwa unasema uongo kuhusu Ishmael.”