< Jeremia 4 >
1 Raha hiverina ianao, ry Isiraely, hoy Jehovah, dia ho amiko no hiverenanao, ary raha hanaisotra ny fahavetavetanao tsy ho eo imasoko ianao, dia tsy hivezivezy foana,
« Oh Isalaele, soki okozonga, zonga epai na Ngai, » elobi Yawe, « soki olongoli banzambe na yo ya bikeko liboso na Ngai mpe otiki kotambola libanda ya nzela na Ngai;
2 Fa hianiana amin’ ny hitsiny sy ny rariny ary ny fahamarinana hoe: Raha velona koa Jehovah, dia Izy no holazain’ ny firenena ho fahasambarany, ary Izy no ho reharehany.
soki olapi ndayi na bosolo mpe na bosembo: ‹ Na Kombo na Yawe, › bikolo ekomipambola mpe ekomipesa nkembo mpo na yo. »
3 Fa izao no lazain’ i Jehovah amin’ ny Joda sy Jerosalema: Hevoy ny tombamborakareo, fa aza mamafy amin’ ny tsilo.
Tala liloba oyo Yawe alobi epai ya bato ya Yuda mpe ya Yelusalemi: « Bokata bilanga ya sika, mpe botika kolona kati na banzube.
4 Miforà ho an’ i Jehovah ianareo, eny, forao ny fonareo, ry Joda sy ry mponina any Jerosalema! Fandrao hiseho toy ny afo ny fahatezerako noho ny faharatsian’ ny ataonareo ka hirehitra, sady tsy hisy hamono azy.
Bomibulisa mpo na Yawe, bopetola mitema na bino, bino bato ya Yuda mpe bato ya Yelusalemi; noki te kanda na Ngai ekopela mpe ekozikisa bino lokola moto mpo na mabe oyo bozali kosala; ekopela makasi mpe moto moko te akokoka koboma yango.
5 Ambaraonareo ao amin’ ny Joda, ary torio ao Jerosalema, ka ataovy hoe: Tsofy ao amin’ ny tany ny anjomara; Miantsoantsoa mafy, ka ataovy hoe: Mivoria ianareo, ka andeha isika hiditra amin’ ny tanàna mimanda.
Bopanza sango na mokili ya Yuda, botatola na Yelusalemi mpe boloba: ‹ Bobeta kelelo na mokili! › Boganga makasi mpe bobelela: ‹ Bosangana, bino nyonso! Tokima na bingumba batonga makasi! ›
6 Manangàna faneva manandrify an’ i Ziona; Mandosira faingana, aza mijanona; Fa Izaho hahatonga loza sy fandringanana be avy any avaratra.
Botombola bendele mpo na kokende na Siona! Bobombama noki, pamba te nakoyeisa pasi wuta na nor mpe kobebisama ya somo! »
7 Misy liona miakatra avy any anaty kirihitrala, ary ilay mpanimba ny firenena dia efa miainga, efa mivoaka avy amin’ ny fitoerany hahafoana ny taninao, ary hahalao ny tanànanao, ka tsy hisy mponina.
Nkosi moko ebimi na ndako na yango; mobebisi moko ya bikolo abimi. Atiki esika na ye mpo na koya kobebisa mokili na yo. Bingumba na yo ekobukana mpe ekotikala lisusu na bato te.
8 Ary noho izany dia misikìna lamba fisaonana ianareo, ka mitomania sy midradradradrà; Fa ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah tsy afaka amintsika.
Yango wana, bolata bilamba ya basaki, bosala matanga mpe bolela, pamba te kanda makasi ya Yawe elongwe na mito na biso te.
9 Ary amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, dia ho very hevitra ny mpanjaka sy ny lehibe, ary ho kepoka ny mpisorona, sy ho gaga ny mpaminany.
« Na mokolo wana, » elobi Yawe, « mokonzi mpe bakalaka na ye bakolemba nzoto, Banganga-Nzambe bakoyoka somo mpe basakoli bakokamwa. »
10 Dia hoy izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Efa nofitahinao tokoa ity firenena ity sy Jerosalema tamin’ ny nanaovanao hoe: Hisy fiadanana ho anareo; Kanjo mihatra amin’ ny aina ny sabatra.
Bongo nalobaki: « Oh Nkolo Yawe, tala ndenge okosaki bato oyo mpe Yelusalemi tango olobaki: ‹ Bokozala na kimia! › Nzokande mopanga ezalaki kozela biso. »
11 Amin’ izany andro izany dia holazaina amin’ ity firenena ity sy Jerosalema hoe: Hisy rivo-mahamay avy any an-tendrombohitra mangadihady any an-efitra hankamin’ ny oloko zanakavavy, kanefa tsy hikororohana na hanadiovana.
Na tango wana, bakoloba na bato oyo mpe na Yelusalemi: « Wuta likolo ya bangomba oyo ezali kati na esobe, mopepe moko ya makasi ezali koya epai ya bato na ngai; ezali koya te mpo na koyungola to mpo na kopetola.
12 Dia ho tonga avy amiko izay rivotra mahery noho ireny; Ary ankehitriny Izaho kosa hifandahatra aminy.
Ezali mopepe moko ya makasi penza, pamba te ewuti epai na ngai. Sik’oyo, ngai moko nde nazali kosambisa bango. »
13 Indro, avy toy ny rahona izy, Ary tahaka ny tadio ny kalesiny, faingana noho ny voromahery ny soavaliny; Lozantsika! fa lany ringana isika.
Tala! Monguna azali koya na elulu lokola mapata, bashar na ye ezali konguluma lokola mopepe ya makasi; mpunda na ye kutu eleki mpongo na mbangu. Mawa na biso! Tokufi na biso!
14 Ry Jerosalema, sasao ny fonao ho afaka amin’ ny ratsy, mba hovonjena ianao! Mandra-pahoviana no hitoeran’ ny hevi-dratsinao ao am-ponao?
Oh Yelusalemi, petola motema na yo na mabe mpo ete obikisama. Kino tango nini okotika kosala mabongisi ya mabe?
15 Fa injany! misy feo manambara avy any Dana sy filazam-pahoriana avy amin’ ny tany havoan’ i Efraima,
Mongongo moko ezali koyokana wuta na Dani, ezali kopanza sango ya pasi na bangomba ya Efrayimi.
16 Lazaonareo amin’ ny firenena, torio amin’ i Jerosalema hoe: Misy mpanao fahirano avy any an-tany lavitra ka manakora hamely ny tanànan’ ny Joda.
« Boloba yango na bikolo mpe botatola yango na Yelusalemi: ‹ Wuta na mboka mosika, mampinga ya banguna ezali koya, ezali koya na lokito mpo na kobundisa bingumba ya Yuda.
17 Manodidina azy ireo toy ny fanaon’ ny mpiandry saha, fa efa niodina tamiko izy, hoy Jehovah.
Ezingeli Yelusalemi lokola bakengeli bilanga, pamba te etombokelaki Ngai, › » elobi Yawe.
18 Ny alehanao sy ny asanao no nahatonga izany taminao; Izany no faharatsianao, eny, mangidy izany sady mihatra amin’ ny ainao.
« Etamboli mpe misala na yo moko nde ememelaki yo yango. Tala, etumbu na yo ezali bololo mpe ekosala pasi makasi na motema. »
19 Endrey ny kiboko! Endrey izany kiboko! Manaintaina aho; Endrey! mila ho triatra izany ny foko! Mitoloko ny foko, ka tsy mahay mangìna aho; Fa ny feon’ anjomara sy ny akoran’ ady dia renao, ry fanahiko.
Ah ngai eh! Ah motema pasi eh! Ah! Motema na ngai ezali kobeta makasi, ezali koswa makasi kati na ngai, mpe nazali kokoka kokanga monoko te, pamba te nayoki lolaka ya kelelo mpe ya bitumba.
20 Fandravana mifanontona no ambara, rava ny tany rehetra; Rava tampoka ny laiko, eny, rava indray mipi-maso monja ny ambain-daiko.
Sango moko kaka ezali kotambola: libebi na libebi; mokili mobimba ekufi. Na mbalakata, bandako ya kapo ekufi-kufi, mpe ebombamelo na ngai ebebi na mbala moko.
21 Mandra-pahoviana re no mbola hijereko ny faneva sy handrenesako ny feon’ anjomara?
Kino tango nini nakomona bendele ya bitumba, mpe nakoyoka makelele ya bitumba?
22 Fa adala ny oloko, Izaho tsy mba fantany; Zaza tsy misy saina izy sady tsy manam-pahalalana; Raha ny hanao ratsy, dia hendry izy; Fa ny hanao soa kosa tsy fantany.
« Bato na Ngai bazali bazoba, bayebi Ngai te; bazali bana bazangi bososoli, bazali na mayele te, bayebi kaka kosala mabe, kasi bayebi kosala bolamu te. »
23 Nojereko ny tany, ka, indro, tsy nisy endrika izy sady foana, ary ny lanitra koa, ka, indro, tsy nanam-pahazavana izy;
Tango natalaki mabele, namonaki ete ezalaki kaka bongo-bongo mpe ezalaki ata na eloko moko te; tango natalaki likolo, namonaki ete pole ezalaki lisusu te.
24 Nojereko ny tendrombohitra, ka, indro, nihorohoro izy, ary ny havoana rehetra nihozongozona;
Tango natalaki bangomba, namonaki yango koningana, bangomba nyonso ya mike ezalaki kobukana.
25 Nojereko, ka, indro, tsy nisy olona, ary ny voro-manidina rehetra efa nandositra;
Mpe tango natalaki malamu, namonaki lisusu ata moto moko te, mpe bandeke nyonso ya likolo ekimaki.
26 Nojereko, ka, indro, ny saha mahavokatra aza efa tonga efitra, ary ny tanànany rehetra dia rava teo anatrehan’ i Jehovah, dia teo anoloan’ ny firehetan’ ny fahatezerany.
Tango nakobaki kotala, namonaki ete mokili oyo ezalaki na mabele ya malamu ekomaki esobe; bingumba na yango nyonso ebebisamaki liboso ya Yawe, na kanda makasi na Ye.
27 Fa izao no lazain’ i Jehovah: Ho lao ny tany rehetra, nefa tsy dia holevoniko avokoa izy.
Tala liloba oyo Yawe alobi: « Mokili mobimba ekobebisama, kasi nakobebisa yango nyonso te.
28 Noho izany dia hisaona ny tany, ary ho tonga mainty ny lanitra ambony, satria efa niteny izany Aho, sady efa nikasa izany ka tsy hanenina na hanatsoaka izany.
Yango wana, mokili ekozala na matanga; mpe kuna na lola, likolo ekokoma mwindo pamba te nalobaki yango, mpe nakobongola maloba na Ngai te; lokola nazwaki mokano, nakozonga lisusu sima te. »
29 Noho ny fihorakoraky ny mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa tsipìka dia efa mandositra avokoa ny tanàna rehetra; Mitsofoka any anatin’ ny kirihitrala sy mananika ny vatolampy izy; Lao avokoa ny tanàna rehetra, ka tsy misy mponina intsony ao.
Bato nyonso ya engumba bakimi, kaka na makelele ya basoda oyo batambolaka likolo ya bampunda, mpe oyo babundaka na matolotolo. Bamoko babombami na bazamba, bamosusu bakimi na madusu ya mabanga ya bangomba; bingumba nyonso etikali lisusu na bato te, mpe ata moto moko te atikali kuna.
30 Ary hanao ahoana ianao, ry ilay rava? Na dia miakanjo jaky aza ianao, na dia miravaka volamena aza ianao, na dia hosoranao loko mainty aza ny masonao, foana ny itadiavanao hahatsara tarehy anao; Hanifika anao ireo lehilahy tia anao, ka ny ainao aza no hotadiaviny.
Oh engumba ekufa, ozali kosala nini? Olati bilamba ya motane mpe babiju ya wolo; otie bonzenga na miso na yo. Ozali komikomisa kitoko na pamba, bamakangu na yo bazali kotiola yo mpe bazali koluka koboma yo.
31 Fa efa nandre feo Aho tahaka ny vehivavy raha miteraka sy fidridridridriana tahaka ny vehivavy izay vao miteraka ny matoany, dia ny feon’ i Ziona zanakavavy, izay misefosefo sady mamelatra ny tànany ka manao hoe: Lozako! Fa reraka ny aiko azon’ ireo mpamono olona.
Nayoki makelele lokola koganga ya mwasi oyo azali na pasi ya kobota, kolela ya pasi lokola mwasi oyo azali kobota mwana na ye ya liboso: ezali makelele ya kolela ya Siona, mboka kitoko; azali kolela, maboko likolo, mpe azali koloba: « Nabebi na ngai, nakomi na suka liboso ya babomi. »