< Jeremia 39 >

1 Ary rehefa afaka Jerosalema (tamin’ ny volana fahafolo tamin’ ny taona fahasivy nanjakan’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, no nahatongavan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy ny miaramilany rehetra hamely an’ i Jerosalema ka nanao fahirano azy;
La neuvième année de Sédécias, roi de Juda, au dixième mois, Nabuchodonosor, roi de Babylone, vint et toute son armée devant Jérusalem, et ils en faisaient le siège.
2 ary nony tamin’ ny andro fahasivy tamin’ ny volana fahefatra tamin’ ny taona fahiraika ambin’ ny folo nanjakan’ i Zedekia, dia nisy voabanga ny tanàna),
Mais la onzième année de Sédécias, au quatrième mois, le cinquième jour, la cité fut ouverte.
3 dia niditra ny mpanapaky ny mpanjakan’ i Babylona rehetra ka nipetraka teo amin’ ny vavahady ampovoany, dia Nergala-sarezera sy Samgarnebo sy Sarsekima. Raba-sarisa, sy Nergala-sarezera Raba-magy, mbamin’ ny sisa rehetra amin’ ny mpanapaky ny mpanjakan’ i Babylona.
Et tous les princes du roi de Babylone entrèrent, et se postèrent à la porte du milieu: Nérégel, Séréser, Sémégarnabu, Sarsachim, Rabsarès, Nérégel, Séréser, Rebmag, et tous les autres princes du roi de Babylone.
4 Ary rehefa nahita ireo Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ny miaramila rehetra, dia nandositra izy ka lasa nandeha alina niala tao an-tanàna, nahazo ny lalana mankamin’ ny sahan’ ny mpanjaka, tamin’ ny vavahady eo anelanelan’ ny manda roa; ary lasa nivoaka nankany amin’ ny lalana mankeny amin’ ny tani-hay izy.
Et lorsque Sédécias, roi de Juda, et tous les hommes de guerre les eurent aperçus, ils s’enfuirent; et ils sortirent la nuit de la cité par la voie du jardin du roi, et par la porte qui était entre les deux murs, et ils se dirigèrent vers la voie du désert.
5 Fa ny miaramilan’ ny Kaldeana nanenjika azy ka nahatratra an’ i Zedekia teny amin’ ny tani-hay any Jeriko; ary nony azony izy, dia nentiny niakatra ho any amin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, tao Ribla tao amin’ ny tany Hamata; ka dia notsarainy tao izy.
Mais l’armée des Chaldéens les poursuivit; et ils prirent Sédécias dans les champs de la solitude de Jéricho, et ils l’amenèrent prisonnier à Nabuchodonosor, roi de Babylone, à Réblatha qui est en la terre d’Emath; et Nabuchodonosor lui prononça son arrêt.
6 Ary ny zanakalahin’ i Zedekia dia novonoin’ ny mpanjakan’ i Babylona tao Ribla teo imason-drainy; ary ny manan-kaja rehetra tamin’ ny Joda koa dia novonoin’ ny mpanjakan’ i Babylona.
Et le roi de Babylone fit mourir les deux fils de Sédécias à Réblatha, sous ses yeux, et tous les nobles de Juda, le roi de Babylone les fit mourir.
7 Ary nopotsiriny ny mason’ i Zedekia, dia nafatony tamin’ ny gadra varahina izy ho entiny any Babylona.
Il arracha aussi les yeux à Sédécias, et le chargea de fers aux pieds, afin qu’il fût emmené à Babylone.
8 Ary nodoran’ ny Kaldeana tamin’ ny afo ny tranon’ ny mpanjaka sy ny tranon’ ny vahoaka, ary ny mandan’ i Jerosalema noravany.
Les Chaldéens mirent aussi le feu à la maison du roi et aux maisons du peuple, et ils renversèrent le mur de Jérusalem.
9 Ary ny olona sisa tao an-tanàna sy izay efa nanatona azy ary ny vahoaka sisa koa dia nentin’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, ho babo tany Babylona.
Et les restes du peuple qui étaient demeurés dans Jérusalem, et les transfuges qui s’étaient réfugiés auprès de lui, et les restants du peuple qui étaient demeurés, Nabuzardan, chef de la milice, les transféra à Babylone.
10 Nefa ny olona malahelo izay tsy nanana na inona na inona kosa dia nisy ihany navelan’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, tao amin’ ny tanin’ ny Joda sady nomeny tanim-boaloboka sy tanimboly tamin’ izany andro izany.
Et quant à la foule des pauvres qui ne possédaient absolument rien, Nabuzardan, chef de la milice, la laissa dans la terre de Juda et lui donna des vignes et des citernes en ce jour-là.
11 Ary Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, nanome teny an’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, ny amin’ i Jeremia nanao hoe:
Mais Nabuchodonosor, roi de Babylone, avait donné à Nabuzardan, chef de la milice, cet ordre touchant Jérémie, disant:
12 Ento izy, ka tandremo tsara, fa aza asian-dratsy fa araka izay lazainy aminao no ataovy aminy.
Prends-le et tiens sur lui tes yeux, et ne lui fais aucun mal: mais comme il voudra, ainsi tu lui feras.
13 Ary Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, sy Nebosazbana, Raba-sarisa, sy Nergala-sarezera, Raba-magy, ary ny mpanapaky ny mpanjakan’ i Babylona rehetra
Nabuzardan donc, chef de la milice, envoya, et Nabusezban, et Rabsarès, et Nérégel, et Séréser, et Rebmag, et tous les autres grands du roi de Babylone,
14 dia naniraka haka an’ i Jeremia teo amin’ ny kianjan’ ny trano fiambenana, ka natolony an’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, mba ho entiny any an-trano izy, ka dia nitoetra tao amin’ ny olona.
Envoyèrent et firent sortir Jérémie du vestibule de la prison, et ils le remirent à Godolias, fils d’Ahicam, fils de Saphan, afin qu’il entrât dans une maison et qu’il habitât au milieu du peuple.
15 Ary tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah, fony izy mbola voahazona tao amin’ ny kianjan’ ny trano fiambenana ihany, nanao hoe:
Mais à Jérémie avait été adressée la parole du Seigneur, lorsqu’il était enfermé dans le vestibule de la prison, disant:
16 Mandehana, ka lazao amin’ i Ebeda-meleka Etiopiana hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hotoviko amin’ ity tanàna ity ny teniko hahatonga loza, fa tsy soa; ary ho tanteraka eo imasonao izany amin’ izany andro izany.
Va, et parle à Abdémélech l’Ethiopien, disant: Voici ce que dit le Seigneur des armées, Dieu d’Israël: Voilà que j’amènerai mes paroles sur cette cité, pour son mal, et non pour son bien: elles auront lieu en ce jour-là devant tes yeux.
17 Nefa hovonjeko ianao amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, fa tsy mba hatolotra eo an-tànan’ ny olona izay atahoranao.
Et je te délivrerai, en ce jour-là, dit le Seigneur; et tu ne seras pas livré aux mains des hommes que tu redoutes;
18 Fa hovonjeko tokoa ianao ka tsy holavon-tsabatra; eny, ny ainao no ho babonao, satria efa natoky Ahy, hoy Jehovah.
Mais, t’en retirant, je te délivrerai, et tu ne tomberas pas sous le glaive; mais ta vie te sera sauvée, parce que tu as eu confiance en moi, dit le Seigneur.

< Jeremia 39 >