< Jeremia 38 >

1 Ary Safatia, zanak’ i Matana, sy Gedalia, zanak’ i Pasora, sy Jokala, zanak’ i Semelia, ary Pasora, zanak’ i Malkia, dia nandre ny teny izay efa nolazain’ i Jeremia tamin’ ny vahoaka rehetra nanao hoe:
Shefatiya ɗan Mattan, Gedaliya ɗan Fashhur, Yukal ɗan Shelemiya da Fashhur ɗan Malkiya ya ji abin da Irmiya yana faɗa wa dukan mutane sa’ad da ya ce,
2 Izao no lazain’ i Jehovah: Izay mitoetra amin’ ity tanàna ity dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana kosa no ho velona; fa ny ainy no ho babony, ka ho velona izy.
“Ga abin da Ubangiji yana cewa, ‘Duk wanda ya zauna a wannan birni zai mutu ta takobi, yunwa ko annoba, amma duk wanda ya je wurin Babiloniyawa zai rayu. Zai tsira da ransa, ya rayu.’
3 Izao no lazain’ i Jehovah: Ity tanàna ity dia hatolotra eo an-tànan’ ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Babylona tokoa ka ho afany.
Kuma ga abin da Ubangiji yana cewa, ‘Tabbatacce za a ba da wannan birni ga sojojin sarkin Babilon, wanda zai ci shi.’”
4 Dia hoy ny mpanapaka tamin’ ny mpanjaka: Trarantitra ianao, aoka hovonoina ity lehilahy ity; fa mampiraviravy tanana ny miaramila izay sisa amin’ ity tanàna ity mbamin’ ny olona rehetra izy noho ny nitenenany taminy araka izany teny izany; fa ity lehilahy ity tsy mba mitady izay hiadanan’ ity firenena ity, fa izay hahatonga loza aminy kosa.
Sai fadawa suka ce wa sarki, “Ya kamata a kashe wannan mutum. Yana karya zuciyar sojojin da suka ragu a birnin, da zuciyar sauran mutane, ta wurin abubuwan da yake faɗa musu. Wannan mutum ba ya neman jin daɗin zaman wannan sai dai wahala.”
5 Dia hoy Zedekia mpanjaka: Indro, eo an-tananareo izy; fa ny mpanjaka tsy mahefa na inona na inona hisakana anareo.
“Yana a hannuwanku” Sarki Zedekiya ya amsa. “Sarki ba zai iya yin kome ya hana ku ba.”
6 Ary naka an’ i Jeremia izy ka nandatsaka azy tao amin’ ny lavaka famorian-dranon’ i Malkia, zanak’ andriana, izay tao amin’ ny kianjan’ ny trano fiambenana; ary nampidininy tamin’ ny mahazaka Jeremia. Ary tsy nisy rano tao amin’ ny lavaka, fa fotaka fotsiny ihany, ka dia nilentika tamin’ ny fotaka Jeremia.
Saboda haka suka kama Irmiya suka sa a rijiyar da ba ruwa a ciki ta Malkiya, ɗan sarki, wadda take a sansanin matsara. Suka saukar da Irmiya cikin rijiyar da ba ruwa da igiya; babu ruwa a cikinta, sai laka, Irmiya ya nutse cikin laka.
7 Ary Ebeda-meleka Etiopiana, tandapa anankiray tao amin’ ny tranon’ ny mpanjaka, raha nandre ny nandatsahany an’ i Jeremia tao amin’ ny lavaka (nipetraka teo amin’ ny vavahadin’ ny Benjamina ny mpanjaka androtr’ iny),
Amma Ebed-Melek mutumin Kush, wani hafsa a fada, ya ji cewa sun sa Irmiya a rijiyar da ba ruwa. Yayinda sarki yana zama a Ƙofar Benyamin,
8 dia nivoaka avy tao an-tranon’ ny mpanjaka izy ka nanao tamin’ ny mpanjaka hoe:
Ebed-Melek ya fita daga fadar ya ce masa,
9 Ry tompokolahy mpanjaka, ratsy avokoa izay rehetra nataon’ ity firenena ity tamin’ i Jeremia mpaminany, fa nataony tao an-davaka izy ka ho faty mosary ao amin’ izay itoerany, satria tsy misy mofo intsony ato an-tanàna.
“Ranka yă daɗe sarki, waɗannan mutane sun yi mugun abu a duk abin da suka yi wa Irmiya annabi. Sun jefa shi cikin rijiyar da ba ruwa, inda zai mutu da yunwa gama ba sauran wani burodi a birnin.”
10 Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Ebeda-meleta Etiopiana hoe: Mitondrà telo-polo lahy hiaraka aminao hampakatra an’ i Jeremia mpaminany hiala ao anaty lavaka, dieny tsy mbola maty izy.
Sai sarki ya umarce Ebed-Melek mutumin Kush, “Ka ɗauko mutane talatin daga nan ku fid da Irmiya annabi daga rijiyar kafin ya mutu.”
11 Ary Ebeda-meleka nitondra ny olona niaraka taminy, ka dia lasa nankany amin’ ny tranon’ ny mpanjaka eo ambanin’ ny trano firaketana, ary naka lamba rovitra sy vorodamba tao izy, ka nampidininy tamin’ ny mahazaka ho ao amin’ ny lavaka izany ho ao amin’ i Jeremia.
Saboda haka Ebed-Melek ya ɗauki mutane tare da shi suka shiga ɗaki a ƙarƙashin baitulmali a cikin fada. Ya ɗauko waɗansu tsofaffin tsummoki da tsofaffi riguna daga can ya kuma zurara su da igiya wa Irmiya a cikin rijiyar.
12 Dia hoy Ebeda-meleka Etiopiana tamin’ i Jeremia: Ataovy eo ambanin’ ny helikao ireto lamba rovitra sy vorodamba ireto ho efitry ny mahazaka, dia nataon’ i Jeremia izany;
Ebed-Melek mutumin Kush ya ce wa Irmiya, “Ka sa waɗannan tsummoki da tsofaffin rigunan a hammatarka, ya zarga igiya.” Irmiya ya yi haka,
13 ka dia nosintoniny tamin’ ny mahazaka Jeremia ka nakariny avy tao anaty lavaka, ary dia nitoetra teo amin’ ny kianjan’ ny trano fiambenana izy.
suka kuma ja shi sama da igiya suka fid da shi daga rijiyar. Irmiya kuwa ya zauna a sansanin matsara.
14 Ary Zedekia mpanjaka naniraka naka an’ i Jeremia mpaminany hankao aminy tao amin’ ny fidirana fahatelo, izay ao an-tranon’ i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka tamin’ i Jeremia: Hanontany zavatra kely aminao aho, ka aza anafenana.
Sai Sarki Zedekiya ya aika a kawo Irmiya annabi, ya sa aka kawo shi a ƙofa ta uku ta haikalin Ubangiji. Sai sarki ya ce wa Irmiya, “Zan tambaye ka wani abu, kada ka ɓoye mini wani abu.”
15 Ary hoy Jeremia tamin’ i Zedekia: Raha ambarako anao, dia tsy hovonoinao tokoa va re aho? Fa na dia omeko saina aza ianao, dia tsy hihaino ahy tsinona.
Irmiya ya ce wa Zedekiya, “In na ba ka amsa, ba za ka kashe ni ba? Ko da na ba ka shawara, ba za ka saurare ni ba.”
16 Ary Zedekia mpanjaka nianiana mangingina tamin’ i Jeremia nanao hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nanao izao fanahintsika izao, dia tsy hamono anao tokoa aho, na hanolotra anao eo an-tànan’ ireto olona mitady ny ainao ireto.
Amma Sarki Zedekiya ya yi wannan rantsuwa a kaɗaice ga Irmiya cewa, “Muddin Ubangiji yana a raye, wanda ya ba mu numfashi, ba zan kashe ka ko in ba da kai ga waɗanda suke neman ranka ba.”
17 Dia hoy Jeremia tamin’ i Zedekia: Izao ary no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Raha mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan’ i Babylona tokoa ianao, dia ho velona ny ainao, sady tsy hodorana amin’ ny afo ity tanàna ity, fa ho velona ianao sy ny mpianakavinao;
Sa’an nan Irmiya ya ce wa Zedekiya, “Ga abin da Ubangiji Allah Maɗaukaki, Allah na Isra’ila, yana cewa, ‘In ka miƙa wuya ga hafsoshin sarkin Babilon, za a bar ka da rai ba za a kuma ƙone wannan birni ba; da kai da iyalinka za ku rayu.
18 fa raha tsy mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan’ i Babylona kosa ianao, dia hatolotra eo an-tànan’ ny Kaldeana ity tanàna ity, sady hodorany amin’ ny afo izy, ary tsy ho afa-mandositra ny tànany ianao.
Amma in ba ka miƙa wuya ga hafsoshin sarkin Babilon ba, za a ba da wannan birni ga Babiloniyawa za su kuma cinna mata wuta; kai kanka ba za ka tsira daga hannuwansu ba.’”
19 Ary hoy Zedekia mpanjaka tamin’ i Jeremia: Matahotra ny Jiosy izay efa nanatona ny Kaldeana aho, fandrao hatolony eo an-tànany aho ka hataony fihomehezana.
Sarki Zedekiya ya ce wa Irmiya, “Ina jin tsoron Yahudawan da suka tafi wurin Babiloniyawa, gama Babiloniyawa mai yiwuwa su ba da ni gare su su kuma wulaƙanta ni.”
20 Fa hoy Jeremia: Tsy hanolotra anao izy tsy akory. Trarantitra ianao, ankatoavy ny tenin’ i Jehovah, izay lazaiko aminao, mba hahita soa ianao, ka ho velona ny ainao.
Irmiya ya ce, “Ba za su ba da kai ba, ka yi biyayya ga Ubangiji ta wurin yin abin da na faɗa maka. Ta haka zai zama maka da amfani, za ka kuwa rayu.
21 Fa raha tsy mety mivoaka kosa ianao, dia izao no teny efa nasehon’ i Jehovah ahy:
Amma in ka ƙi miƙa wuya, ga abin da Ubangiji ya bayyana mini.
22 Indreo, ny vehivavy rehetra izay sisa ao an-tranon’ ny mpanjakan’ ny Joda dia ho entina mivoaka ho any amin’ ny mpanapaky ny mpanjakan’ i Babylona, ary ireo vehivavy ireo dia hanao hoe: Ireo sakaizanao no nitaona anao sady naharesy anao; Ary latsaka tao amin’ ny honahona ny tongotrao, dia nilaozany nihemotra ianao.
Za a fitar da dukan matan da suka ragu a fadan sarkin Yahuda wa hafsoshin sarkin Babilon. Waɗannan mata za su ce maka, “‘Sun ruɗe ka suka kuma rinjaye ka, waɗannan abokanka. Ƙafafunka sun nutse a cikin laka; abokanka sun yashe ka.’
23 Ny vadinao rehetra sy ny zanakao dia ho entina mivoaka ho any amin’ ny Kaldeana; ary ianao tsy ho afa-mandositra ny tànany, fa ho azon’ ny tanan’ ny mpanjakan’ i Babylona; ary noho ianao no handoroana ity tanàna ity amin’ ny afo.
“Za a kawo dukan matanka da’ya’yanka wa Babiloniyawa. Kai kanka ba za ka tsira daga hannuwansu ba amma za su sa sarkin Babilon zai kama ka; za a kuma ƙone wannan birni.”
24 Dia hoy Zedekia tamin’ i Jeremia: Aoka tsy ho ren’ olona ary izany teny izany, mba tsy ho faty ianao.
Sai Zedekiya ya ce wa Irmiya, “Kada ka bar wani ya san wannan zance, in ba haka ba za ka mutu.
25 Fa raha ren’ ny mpanapaka fa niresaka taminao aho, ary tonga aminao izy ka manao aminao hoe: Ambarao aminay ankehitriny izay nolazainao tamin’ ny mpanjaka, aza afenina anay, fa tsy hamono anao izahay; ary ambarao koa izay nolazain’ ny mpanjaka taminao;
In fadawa suka ji cewa na yi magana da kai, suka kuma zo wurinka suka ce, ‘Faɗa mana abin da ka faɗa wa sarki da kuma abin da sarki ya faɗa maka; kada ka ɓoye mana, in ba haka za mu kashe ka,’
26 dia ataovy aminy hoe: Noborahina teo anatrehan’ ny mpanjaka ny fifonako, mba tsy hamerenany ahy ho faty any amin’ ny tranon’ i Jonatana.
sai ka ce musu cewa, ‘Na roƙi sarki kada yă mai da ni gidan Yonatan in mutu a can.’”
27 Ary nankany amin’ i Jeremia ny mpanapaka rehetra ka nanontany azy; dia nolazainy taminy araka izay teny rehetra nandidian’ ny mpanjaka azy. Ary tsy niresaka taminy intsony ireo, ka dia tsy re ny raharaha.
Dukan fadawa kuwa suka zo wurin Irmiya suka tambaye shi, ya kuma faɗa musu dukan abin da sarki ya umarce shi ya faɗa. Saboda haka ba su ƙara ce masa kome ba, gama ba wanda ya ji zance da suka yi da sarki.
28 Ary Jeremia nitoetra teo amin’ ny kianjan’ ny trano fiambenana mandra-pahatongan’ ny andro nanafahana an’ i Jerosalema.
Irmiya kuwa ya zauna a sansanin masu gadi har ranar da aka ci Urushalima da yaƙi. Ga yadda aka ci Urushalima,

< Jeremia 38 >