< Jeremia 38 >
1 Ary Safatia, zanak’ i Matana, sy Gedalia, zanak’ i Pasora, sy Jokala, zanak’ i Semelia, ary Pasora, zanak’ i Malkia, dia nandre ny teny izay efa nolazain’ i Jeremia tamin’ ny vahoaka rehetra nanao hoe:
瑪坦的兒子示法提雅、巴施戶珥的兒子基大利、示利米雅的兒子猶甲、瑪基雅的兒子巴施戶珥聽見耶利米對眾人所說的話,說:
2 Izao no lazain’ i Jehovah: Izay mitoetra amin’ ity tanàna ity dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana kosa no ho velona; fa ny ainy no ho babony, ka ho velona izy.
「耶和華如此說:住在這城裏的必遭刀劍、饑荒、瘟疫而死;但出去歸降迦勒底人的必得存活,就是以自己命為掠物的,必得存活。
3 Izao no lazain’ i Jehovah: Ity tanàna ity dia hatolotra eo an-tànan’ ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Babylona tokoa ka ho afany.
耶和華如此說:這城必要交在巴比倫王軍隊的手中,他必攻取這城。」
4 Dia hoy ny mpanapaka tamin’ ny mpanjaka: Trarantitra ianao, aoka hovonoina ity lehilahy ity; fa mampiraviravy tanana ny miaramila izay sisa amin’ ity tanàna ity mbamin’ ny olona rehetra izy noho ny nitenenany taminy araka izany teny izany; fa ity lehilahy ity tsy mba mitady izay hiadanan’ ity firenena ity, fa izay hahatonga loza aminy kosa.
於是首領對王說:「求你將這人治死;因他向城裏剩下的兵丁和眾民說這樣的話,使他們的手發軟。這人不是求這百姓得平安,乃是叫他們受災禍。」
5 Dia hoy Zedekia mpanjaka: Indro, eo an-tananareo izy; fa ny mpanjaka tsy mahefa na inona na inona hisakana anareo.
西底家王說:「他在你們手中,無論何事,王也不能與你們反對。」
6 Ary naka an’ i Jeremia izy ka nandatsaka azy tao amin’ ny lavaka famorian-dranon’ i Malkia, zanak’ andriana, izay tao amin’ ny kianjan’ ny trano fiambenana; ary nampidininy tamin’ ny mahazaka Jeremia. Ary tsy nisy rano tao amin’ ny lavaka, fa fotaka fotsiny ihany, ka dia nilentika tamin’ ny fotaka Jeremia.
他們就拿住耶利米,下在哈米勒的兒子瑪基雅的牢獄裏;那牢獄在護衛兵的院中。他們用繩子將耶利米繫下去。牢獄裏沒有水,只有淤泥,耶利米就陷在淤泥中。
7 Ary Ebeda-meleka Etiopiana, tandapa anankiray tao amin’ ny tranon’ ny mpanjaka, raha nandre ny nandatsahany an’ i Jeremia tao amin’ ny lavaka (nipetraka teo amin’ ny vavahadin’ ny Benjamina ny mpanjaka androtr’ iny),
在王宮的太監古實人以伯‧米勒,聽見他們將耶利米下了牢獄(那時王坐在便雅憫門口),
8 dia nivoaka avy tao an-tranon’ ny mpanjaka izy ka nanao tamin’ ny mpanjaka hoe:
以伯‧米勒就從王宮裏出來,對王說:
9 Ry tompokolahy mpanjaka, ratsy avokoa izay rehetra nataon’ ity firenena ity tamin’ i Jeremia mpaminany, fa nataony tao an-davaka izy ka ho faty mosary ao amin’ izay itoerany, satria tsy misy mofo intsony ato an-tanàna.
「主-我的王啊,這些人向先知耶利米一味地行惡,將他下在牢獄中;他在那裏必因飢餓而死,因為城中再沒有糧食。」
10 Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Ebeda-meleta Etiopiana hoe: Mitondrà telo-polo lahy hiaraka aminao hampakatra an’ i Jeremia mpaminany hiala ao anaty lavaka, dieny tsy mbola maty izy.
王就吩咐古實人以伯‧米勒說:「你從這裏帶領三十人,趁着先知耶利米未死以前,將他從牢獄中提上來。」
11 Ary Ebeda-meleka nitondra ny olona niaraka taminy, ka dia lasa nankany amin’ ny tranon’ ny mpanjaka eo ambanin’ ny trano firaketana, ary naka lamba rovitra sy vorodamba tao izy, ka nampidininy tamin’ ny mahazaka ho ao amin’ ny lavaka izany ho ao amin’ i Jeremia.
於是以伯‧米勒帶領這些人同去,進入王宮,到庫房以下,從那裏取了些碎布和破爛的衣服,用繩子縋下牢獄去到耶利米那裏。
12 Dia hoy Ebeda-meleka Etiopiana tamin’ i Jeremia: Ataovy eo ambanin’ ny helikao ireto lamba rovitra sy vorodamba ireto ho efitry ny mahazaka, dia nataon’ i Jeremia izany;
古實人以伯‧米勒對耶利米說:「你用這些碎布和破爛的衣服放在繩子上,墊你的胳肢窩。」耶利米就照樣行了。
13 ka dia nosintoniny tamin’ ny mahazaka Jeremia ka nakariny avy tao anaty lavaka, ary dia nitoetra teo amin’ ny kianjan’ ny trano fiambenana izy.
這樣,他們用繩子將耶利米從牢獄裏拉上來。耶利米仍在護衛兵的院中。
14 Ary Zedekia mpanjaka naniraka naka an’ i Jeremia mpaminany hankao aminy tao amin’ ny fidirana fahatelo, izay ao an-tranon’ i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka tamin’ i Jeremia: Hanontany zavatra kely aminao aho, ka aza anafenana.
西底家王打發人帶領先知耶利米,進耶和華殿中第三門裏見王。王就對耶利米說:「我要問你一件事,你絲毫不可向我隱瞞。」
15 Ary hoy Jeremia tamin’ i Zedekia: Raha ambarako anao, dia tsy hovonoinao tokoa va re aho? Fa na dia omeko saina aza ianao, dia tsy hihaino ahy tsinona.
耶利米對西底家說:「我若告訴你,你豈不定要殺我嗎?我若勸戒你,你必不聽從我。」
16 Ary Zedekia mpanjaka nianiana mangingina tamin’ i Jeremia nanao hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nanao izao fanahintsika izao, dia tsy hamono anao tokoa aho, na hanolotra anao eo an-tànan’ ireto olona mitady ny ainao ireto.
西底家王就私下向耶利米說:「我指着那造我們生命之永生的耶和華起誓:我必不殺你,也不將你交在尋索你命的人手中。」
17 Dia hoy Jeremia tamin’ i Zedekia: Izao ary no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Raha mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan’ i Babylona tokoa ianao, dia ho velona ny ainao, sady tsy hodorana amin’ ny afo ity tanàna ity, fa ho velona ianao sy ny mpianakavinao;
耶利米對西底家說:「耶和華-萬軍之上帝、以色列的上帝如此說:你若出去歸降巴比倫王的首領,你的命就必存活,這城也不致被火焚燒,你和你的全家都必存活。
18 fa raha tsy mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan’ i Babylona kosa ianao, dia hatolotra eo an-tànan’ ny Kaldeana ity tanàna ity, sady hodorany amin’ ny afo izy, ary tsy ho afa-mandositra ny tànany ianao.
你若不出去歸降巴比倫王的首領,這城必交在迦勒底人手中。他們必用火焚燒,你也不得脫離他們的手。」
19 Ary hoy Zedekia mpanjaka tamin’ i Jeremia: Matahotra ny Jiosy izay efa nanatona ny Kaldeana aho, fandrao hatolony eo an-tànany aho ka hataony fihomehezana.
西底家王對耶利米說:「我怕那些投降迦勒底人的猶大人,恐怕迦勒底人將我交在他們手中,他們戲弄我。」
20 Fa hoy Jeremia: Tsy hanolotra anao izy tsy akory. Trarantitra ianao, ankatoavy ny tenin’ i Jehovah, izay lazaiko aminao, mba hahita soa ianao, ka ho velona ny ainao.
耶利米說:「迦勒底人必不將你交出。求你聽從我對你所說耶和華的話,這樣你必得好處,你的命也必存活。
21 Fa raha tsy mety mivoaka kosa ianao, dia izao no teny efa nasehon’ i Jehovah ahy:
你若不肯出去,耶和華指示我的話乃是這樣:
22 Indreo, ny vehivavy rehetra izay sisa ao an-tranon’ ny mpanjakan’ ny Joda dia ho entina mivoaka ho any amin’ ny mpanapaky ny mpanjakan’ i Babylona, ary ireo vehivavy ireo dia hanao hoe: Ireo sakaizanao no nitaona anao sady naharesy anao; Ary latsaka tao amin’ ny honahona ny tongotrao, dia nilaozany nihemotra ianao.
猶大王宮裏所剩的婦女必都帶到巴比倫王的首領那裏。這些婦女必說: 你知己的朋友催逼你, 勝過你; 見你的腳陷入淤泥中, 就轉身退後了。
23 Ny vadinao rehetra sy ny zanakao dia ho entina mivoaka ho any amin’ ny Kaldeana; ary ianao tsy ho afa-mandositra ny tànany, fa ho azon’ ny tanan’ ny mpanjakan’ i Babylona; ary noho ianao no handoroana ity tanàna ity amin’ ny afo.
「人必將你的后妃和你的兒女帶到迦勒底人那裏;你也不得脫離他們的手,必被巴比倫王的手捉住;你也必使這城被火焚燒。」
24 Dia hoy Zedekia tamin’ i Jeremia: Aoka tsy ho ren’ olona ary izany teny izany, mba tsy ho faty ianao.
西底家對耶利米說:「不要使人知道這些話,你就不至於死。
25 Fa raha ren’ ny mpanapaka fa niresaka taminao aho, ary tonga aminao izy ka manao aminao hoe: Ambarao aminay ankehitriny izay nolazainao tamin’ ny mpanjaka, aza afenina anay, fa tsy hamono anao izahay; ary ambarao koa izay nolazain’ ny mpanjaka taminao;
首領若聽見了我與你說話,就來見你,問你說:『你對王說甚麼話不要向我們隱瞞,我們就不殺你。王向你說甚麼話也要告訴我們。』
26 dia ataovy aminy hoe: Noborahina teo anatrehan’ ny mpanjaka ny fifonako, mba tsy hamerenany ahy ho faty any amin’ ny tranon’ i Jonatana.
你就對他們說:『我在王面前懇求不要叫我回到約拿單的房屋死在那裏。』」
27 Ary nankany amin’ i Jeremia ny mpanapaka rehetra ka nanontany azy; dia nolazainy taminy araka izay teny rehetra nandidian’ ny mpanjaka azy. Ary tsy niresaka taminy intsony ireo, ka dia tsy re ny raharaha.
隨後眾首領來見耶利米,問他,他就照王所吩咐的一切話回答他們。他們不再與他說話,因為事情沒有洩漏。
28 Ary Jeremia nitoetra teo amin’ ny kianjan’ ny trano fiambenana mandra-pahatongan’ ny andro nanafahana an’ i Jerosalema.
於是耶利米仍在護衛兵的院中,直到耶路撒冷被攻取的日子。