< Jeremia 37 >
1 Ary Zedekia mpanjaka, zanak’ i Josia, dia nanjaka nandimby an’ i Jekonia, zanak’ i Joiakima, fa nampanjakain’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, tao amin’ ny tanin’ ny Joda izy;
Zedhekia mwanakomana waJosia akagadzwa kuva mambo weJudha naNebhukadhinezari mambo weBhabhironi; iye akabata ushe panzvimbo yaJehoyakini mwanakomana waJehoyakimi.
2 nefa na izy, na ny mpanompony, na ny vahoaka, dia samy tsy nihaino ny tenin’ i Jehovah, izay nampilazainy an’ i Jeremia mpaminany.
Asi iye kana varanda vake kana vanhu venyika iyoyo, havana kuteerera mashoko akanga ataurwa naJehovha kubudikidza naJeremia muprofita.
3 Ary Zedekia mpanjaka naniraka an’ i Jehokala, zanak’ i Selemia, sy Zefania, zanak’ i Mahaseia, mpisorona, ho any amin’ i Jeremia mpaminany hanao hoe: Mba ivavaho amin’ i Jehovah Andriamanitsika re izahay.
Kunyange zvakadaro, mambo Zedhekia akatuma Jehukari mwanakomana waSheremia, nomuprista Zefania mwanakomana waMaaseya kuna Jeremia muprofita namashoko aya: “Ndapota tinyengetererewo kuna Jehovha Mwari wedu.”
4 Ary Jeremia mbola niditra sy nivoaka teo amin’ ny olona ihany; fa tsy mbola nataony tao an-trano-maizina izy.
Zvino Jeremia akanga akasununguka kupinda nokubuda pakati pavanhu, nokuti akanga asati apfigirwa mutorongo.
5 Ary efa niainga avy tany Egypta ny miaramilan’ i Farao, ka raha nahare izany ny Kaldeana izay nanao fahirano an’ i Jerosalema, dia niala tany Jerosalema izy.
Hondo yaFaro yakanga yauya ichibva kuIjipiti, zvino vaBhabhironi vakanga vakakomba Jerusarema vakati vanzwa shoko pamusoro pavo, vakabva paJerusarema.
6 Dia tonga tamin’ i Jeremia mpaminany ny tenin’ i Jehovah hoe:
Ipapo shoko raJehovha rakasvika kuna Jeremia muprofita, richiti,
7 Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izao no lazaonareo amin’ ny mpanjakan’ ny Joda, izay naniraka anareo hankatỳ amiko hanontany amiko: Indro, ny miaramilan’ i Farao, izay efa niainga hamonjy anareo, dia hiverina ho any Egypta taniny;
“Zvanzi naJehovha, Mwari weIsraeri: Udza mambo weJudha, iye akakutuma kuzondibvunza, kuti, ‘Hondo yaFaro yakauya kuzokubatsirai, ichadzokera kuIjipiti kunyika yavo.
8 fa ho avy indray ny Kaldeana ka hamely ity tanana ity sady hanafaka azy sy handoro azy amin’ ny afo.
Ipapo vaBhabhironi vachadzokazve vagorwisa guta rino; vacharikunda uye vacharipisa nomoto.’
9 Izao no lazain’ i Jehovah: Aza mamita-tena foana ianareo ka manao hoe: Hiala amintsika tokoa ny Kaldeana; fa tsy hiala izy tsy akory.
“Zvanzi naJehovha: Musazvinyengera muchifunga kuti, ‘Zvirokwazvo vaBhabhironi vachabva kwatiri.’ Kwete, havangabvi!
10 Fa na dia mamely ny miaramilan’ ny Kaldeana rehetra izay miady aminareo aza ianareo, ka izay voalefona no ho sisa velona, ireo aza dia samy hitsangana avy ao anaty lainy ka handoro ity tanàna ity amin’ ny afo.
Kunyange dai mungakunda hondo yose yavaBhabhironi iri kukurwisai uye kugosara vakakuvara bedzi mumatende, ivavo vachauya vagopisa guta rino.”
11 Ary raha niala tany Jerosalema ny miaramilan’ ny Kaldeana noho ny amin’ ny miaramilan’ i Farao,
Shure kwokubva kwehondo yavaBhabhironi muJerusarema nokuda kwehondo yaFaro,
12 dia nivoaka Jeremia avy tao Jerosalema hankany amin’ ny tanin’ ny Benjamina mba handray izay anjarany eo amin’ ny vahoaka.
Jeremia akatanga kubuda muguta kuti aende kunyika yeBhenjamini kundotora mugove wake wenhaka pakati pavanhu ikoko.
13 Ary raha tonga teo am-bavahadin’ i Benjamina izy, dia, indro, ny kapitenin’ ny mpiambina, atao hoe Jiria, zanak’ i Selemia, zanak’ i Hanania, no teo; dia nisambotra an’ i Jeremia mpaminany izy ka nanao hoe: Miray tetika amin’ ny Kaldeana ianao.
Asi akati asvika paSuo raBhenjamini, mukuru wavarindi, ainzi Irija mwanakomana waSheremia, mwanakomana waHanania, akamusunga ndokuti, “Iwe wava kutiza uchienda kuvaBhabhironi!”
14 Fa hoy Jeremia: Lainga izany. Tsy miray tetika amin’ ny Kaldeana aho. Nefa tsy nino azy ireo, ka dia nosamborin’ i Jiria ihany Jeremia ary nentiny ho ao amin’ ny mpanapaka.
Jeremia akati, “Handizvo, kwete! Handizi kutiza ndichienda kuvaBhabhironi!” Asi Irija haana kuda kumunzwa; asi akasunga Jeremia ndokumuendesa kumachinda.
15 Ary tezitra tamin’ i Jeremia ny mpanapaka ka nikapoka azy, dia nandatsaka azy tao an-trano-maizina tao amin’ ny tranon’ i Jonatana mpanoratra; fa izany no nataony trano-maizina.
Ivo vakatsamwira Jeremia vakaita kuti arohwe uye kuti aiswe mutorongo mumba maJonatani munyori, yavakanga vaita torongo.
16 Ary nony tafiditra tao an-trano-maizina, tao amin’ ilay niefitrefitra, Jeremia, ka efa nitoetra tao andro maro,
Jeremia akaiswa mutorongo romugomba, umo maakagara nguva yakareba.
17 dia naniraka haka azy Zedekia mpanjaka; ary ny mpanjaka nanontany azy mangingina tao an-tranony nanao hoe: Moa misy teny avy tamin’ i Jehovah tokoa va? Dia hoy Jeremia: Eny, misy; ary hoy koa izy: Hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona ianao.
Ipapo mambo Zedhekia akatuma nhume kundomutora akaita kuti aiswe kumuzinda, kwaakamubvunza pakavanda, achiti, “Pane shoko rabva kuna Jehovha here?” Jeremia akapindura akati, “Hongu, muchaiswa muruoko rwamambo weBhabhironi.”
18 Ary hoy koa Jeremia tamin’ i Zedekia mpanjaka: Inona no ratsy nataoko taminao, na tamin’ ny mpanomponao, na tamin’ ity firenena ity, no dia nataonareo tao an-trano-maizina aho?
Ipapo Jeremia akati kuna Mambo Zedhekia, “Mhaka yandakapara nemi kana machinda enyu kana navanhu ava, ndeyeiko kuti mundipfigire mutorongo?
19 Aiza moa ireo mpaminaninareo, izay naminany taminareo hoe: Tsy ho avy hiady aminareo na hamely ity tany ity ny mpanjakan’ i Babylona?
Varipiko vaprofita venyu vakakuprofitirai vachiti, ‘Mambo weBhabhironi haazi kuzokurwisai kana kurwisa nyika ino’?
20 Koa trarantitra ianao, ry tompokolahy mpanjaka, henoy kely ange! aoka hoborahina eto anatrehanao ny fifonako, ka aza averina ho ao amin’ ny tranon’ i Jonatana mpanoratra aho, fandrao dia maty ao.
Asi zvino ishe wangu mambo, ndapota inzwai. Regai ndisvitse kwamuri chikumbiro changu: Musandidzoserazve kumba kwaJonatani munyori nokuti ndingafirako.”
21 Dia nasain’ i Zedekia mpanjaka nataony teo amin’ ny kianjan’ ny trano fiambenana Jeremia, ka nasainy nomena mofo iray isan’ andro isan’ andro avy any amin’ ny fitoeran’ ny mpanao mofo izy, ambara-pahalanin’ ny mofo rehetra tao an-tanàna. Toy izany no nitoeran’ i Jeremia teo amin’ ny kianjan’ ny trano fiambenana.
Ipapo mambo Zedhekia akarayira kuti Jeremia aiswe muruvazhe rwavarindi uye kuti apiwe chingwa chaibva mumugwagwa wavabiki zuva rimwe nerimwe kusvikira musisina chingwa muguta. Saka Jeremia akaramba ari muruvazhe rwavarindi.