< Jeremia 36 >

1 Ary tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, dia tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah izao teny izao hoe:
This message from the Lord came to Jeremiah in the fourth year of the reign of Jehoiakim son of Josiah king of Judah:
2 Makà horonan-taratasy ianao, ka soraty amin’ izany ny teny rehetra izay nolazaiko taminao ny amin’ ny Isiraely sy ny Joda ary ny firenena rehetra hatramin’ ny andro nilazako taminao dia hatramin’ ny andron’ i Josia ka mandraka androany.
Get a scroll and write down everything I've told you condemning Israel, Judah, and all the other nations, from the time I first spoke to you during the reign of Josiah right up till now.
3 Angamba hoheverin’ ny taranak’ i Joda ny loza rehetra izay kasaiko hatao aminy, dia samy hiala amin’ ny lalany ratsy avy izy, ka havelako ny helony sy ny fahotany.
Maybe when the people of Judah hear about all the disasters I plan to bring down on them, everyone will stop their evil ways. Then I will forgive their guilt and sin.
4 Ary Jeremia niantso an’ i Baroka, zanak’ i Neria, ary dia nosoratan’ i Baroka tamin’ ny horonan-taratasy ny tenin’ i Jehovah rehetra avy tamin’ ny vavan’ i Jeremia, dia izay efa nolazainy taminy.
So Jeremiah called Baruch son of Neriah to come, and while Jeremiah dictated, Baruch wrote down on a scroll everything that the Lord had told Jeremiah.
5 Ary Jeremia nandidy an’ i Baroka hoe: Izaho izao dia voahazona ka tsy afaka mankany an-tranon’ i Jehovah;
Then Jeremiah gave Baruch these instructions: “I'm a prisoner here so I can't go into the Lord's Temple.
6 fa mandehana ianao, ka vakio eo anatrehan’ ny vahoaka ao an-tranon’ i Jehovah amin’ ny andro fifadiankanina ny tenin’ i Jehovah, izay efa nosoratanao avy tamin’ ny vavako, ary vakio eo anatrehan’ ny Joda rehetra izay tonga avy any amin’ ny tanànany koa.
So you have to go to the Lord's Temple on a day when people are fasting, and read to them the Lord's messages from the scroll I dictated to you. Read them to all the people of Judah who come in from their towns.
7 Fa angamba ny fifonany hoborahina eo anatrehan’ i Jehovah, ka dia samy hiala amin’ ny lalany ratsy avy izy; fa loza ny fahatezerana sy ny fahavinirana izay nolazain’ i Jehovah ny amin’ ity firenena ity.
Maybe they will come and ask the Lord for forgiveness, and all of them will stop their evil ways, for the Lord is threatening terrible anger against them.”
8 Ary Baroka, zanak’ i Neria, dia nanao araka izay rehetra nandidian’ i Jeremia mpaminany azy ka namaky ny tenin’ i Jehovah tamin’ ny taratasy teo an-tranon’ i Jehovah.
Baruch son of Neriah did exactly what Jeremiah the prophet had told him to do. He went and read the Lord's message from the scroll in the Temple.
9 Fa tamin’ ny volana fahasivy tamin’ ny taona fahadimy manjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, dia niantso fifadian-kanina teo anatrehan’ i Jehovah izy tamin’ ny vahoaka rehetra tany Jerosalema sy tamin’ ny olona rehetra izay efa tonga tany Jerosalema avy eny amin’ ny tanànan’ ny Joda.
This is how it happened. A fast to honor the Lord was declared involving all the people of Jerusalem and everyone who had come there from the towns of Judah. This was in the ninth month of the fifth year of the reign of Jehoiakim son of Josiah king of Judah.
10 Dia novakin’ i Baroka teo anatrehan’ ny vahoaka rehetra tao an-tranon’ i Jehovah ny tenin’ i Jeremia tamin’ ny taratasy, dia tao amin’ ny efi-tranon’ i Gemaria, zanak’ i Safana mpanoratra, teo amin’ ny kianja ambony, teo anoloan’ ny vavahady vaovao amin’ ny tranon’ i Jehovah.
Baruch read from the scroll what Jeremiah had dictated so that everyone could hear. He read it from the room of Gemariah son of Shaphan the scribe. This was in the upper Temple courtyard at the New Gate entrance.
11 Ary nony ren’ i Mikaia, zanak’ i Gemaria, zanak’ i Safana, ny tenin’ i Jehovah rehetra tamin’ ny boky,
When Micaiah son of Gemariah, son of Shaphan, heard all the Lord's messages read from the scroll,
12 dia nidina nankany amin’ ny tranon’ ny mpanjaka izy ka nankao amin’ ny efi-tranon’ ny mpanoratra; ary indreo ny mpanapaka rehetra nipetraka teo, dia Elisama mpanoratra sy Delaia, zanak’ i Semaia, sy Elnatana zanak’ i Akbora, sy Gemaria, zanak’ i Safana, sy Zedekia, zanak’ i Hanania, mbamin’ ny mpanapaka rehetra.
he went down to the royal secretary's room in the king's palace, where all the officials had gathered. Elishama the secretary, Delaiah son of Shemaiah, Elnathan son of Achbor, Gemariah son of Shaphan, Zedekiah son of Hananiah, and all the other officials were there.
13 Dia nambaran’ i Mikaia azy ny teny rehetra izay efa reny tamin’ ny namakian’ i Baroka ny taratasy teo anatrehan’ ny vahoaka.
Micaiah gave them a report of everything he'd heard Baruch read from the scroll to the people.
14 Dia nirahin’ ny mpanapaka rehetra Jehody, zanak’ i Netania, zanak’ i Selemia, zanak’ i Kosy, ho any amin’ i Baroka hanao hoe: Ento eny an-tananao ny horonan-taratasy, ilay novakinao teo anatrehan’ ny vahoaka, ka mankanesa atỳ. Dia nentin’ i Baroka, zanak’ i Neria, teny an-tànany ny horonan-taratasy, ka dia nankany aminy izy.
The officials sent Jehudi son of Nethaniah, son of Shelemiah, son of Cushi, to summon Baruch, telling him, “Bring the scroll that you read to the people, and come here.” So Baruch went to see them taking the scroll with him.
15 Ary hoy izy Ireo taminy: Mipetraha ary, ka vakio eto anatrehanay. Dia novakin’ i Baroka teo anatrehany.
“Please sit down and read it to us,” they said. So Baruch read it to them.
16 Ary rehefa reny ny teny rehetra, dia nifampijerijery tamin-tahotra izy, ka hoy izy tamin’ i Baroka: Tsy maintsy holazainay amin’ ny mpanjaka izany teny rehetra izany.
After they'd heard everything, they were frightened and looked at each other. They said to Baruch, “We've got to tell the king about all this.”
17 Ary Baroka dia nadininy hoe: Lazao aminay ny nanoratanao izao teny rehetra izao avy tamin’ ny vavany.
Then they asked Baruch, “Now tell us, how did you come to write all this? Did Jeremiah dictate it to you?”
18 Dia hoy Baroka taminy: Ny vavany no nanonona izany teny rehetra izany tamiko, ka dia nosoratako an-taratasy tamin’ ny ranomainty.
“Yes, he dictated it,” Baruch replied. “I wrote down in ink on the scroll everything he told me.”
19 Dia hoy ny mpanapaka tamin’ i Baroka: Mandehana, ka miere ianao sy Jeremia, ary aoka tsy hisy olona hahita izay itoeranareo.
The officials told Baruch, “You and Jeremiah are going to have to hide. Don't tell anyone where you are.”
20 Dia niditra tao amin’ ny mpanjaka tao amin’ ny kianja izy ireo (nefa ny horonan-taratasy efa napetrany tao amin’ ny efi-tranon’ i Elisama mpanoratra), ary nambarany teo anatrehan’ ny mpanjaka ny teny rehetra.
Then the officials went to see the king in the courtyard. They had kept the scroll safe in Elishama the secretary's room while they gave a full report to the king.
21 Ary nirahin’ ny mpanjaka Jehody haka ilay horonan-taratasy, dia nalainy tao amin’ ny efi-tranon’ i Elisama mpanoratra iny. Ary dia novakin’ i Jehody teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka rehetra izay nitsangana teo anatrehan’ ny mpanjaka izany.
The king sent Jehudi to fetch the scroll. He went and got it from Elishama the secretary's room. Then Jehudi read it to the king and all the officials who were there standing next to him.
22 Ary ny mpanjaka nipetraka tao an-trano ririnina tamin’ ny volana fahasivy, sady nisy afo nirehitra teo am-patana teo anoloany.
It was the ninth month and the king was sitting in front of a fire in his winter quarters.
23 Ary nony efa namaky toko telo na efatra Jehody, dia notapatapahin’ ny mpanjaka tamin’ ny antsipika ny horonan-taratasy ka natsipitsipiny teo anaty afo teo am-patana, mandra-pahalevon’ ny afo azy rehetra teo am-patana.
Whenever Jehudi finished reading three or four columns, Jehoiakim would chop them off with a scribe's knife and toss them into the fire. Eventually the whole scroll was completely burned up.
24 Nefa ny natahotra akory ireo na nandriatra ny fitafiany, na ny mpanjaka, na ny mpanompony rehetra, izay efa nandre izany teny rehetra izany.
Despite hearing all these messages, the king and his attendants weren't frightened and didn't tear their clothes in remorse.
25 Ary na dia efa nifona tamin’ ny mpanjaka aza Elnatana sy Delaia ary Gemaria, mba tsy handoro ny horonan-taratasy, dia tsy nety nihaino azy izy.
Even when Elnathan, Delaiah, and Gemariah pleaded with the king not to burn the scroll, he refused to listen to them.
26 Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Jeremeia, zanak’ andriana, sy Seraia, zanak’ i Azriela, ary Selemia, zanak’ i Abdela, hisambotra an’ i Baroka mpanoratra sy Jeremia mpaminany; fa nafenin’ i Jehovah izy roa lahy.
In fact the king ordered Jerahmeel, one of the princes, as well as Seraiah son of Azriel and Shelemiah son of Abdeel, to go and arrest Baruch and Jeremiah. But the Lord hid them.
27 Dia tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah, taorian’ ny nandoroan’ ny mpanjaka ny horonan-taratasy sy ny teny izay nosoratan’ i Baroka avy tamin’ ny vavan’ i Jeremia, nanao hoe:
After the king burned the scroll Jeremiah had dictated to Baruch, a message from the Lord came to Jeremiah:
28 Makà horonan-taratasy hafa koa indray ianao, ka soraty aminy ilay teny rehetra tamin’ ny horonan-taratasy teo, dia ilay nodoran’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda.
Get another scroll and write everything out that was on the first scroll that Jehoiakim king of Judah burned.
29 Ary ny amin’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, dia holazainao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hianao efa nandoro iny horonan-taratasy iny ka nanao hoe: Ahoana no nanoratanao tamin’ iny hoe: Ho avy tokoa ny mpanjakan’ i Babylona ka handrava ity tany ity sy hahalany ritra ny olona mbamin’ ny biby eto?
Regarding Jehoiakim king of Judah announce that this is what the Lord says: You have burned the scroll and asked, “Why did you write that the king of Babylon is going to come and destroy this country and kill all its people and animals?”
30 Koa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda: Tsy hanana fara handimby eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida izy; ary ny fatiny dia hariana ka hasian’ ny hainandro amin’ ny antoandro ary ny fanala amin’ ny alina.
So this is what the Lord says about Jehoiakim king of Judah: He won't have anyone to succeed him as king, sitting on David's throne. His body will be thrown out to lie in the heat of the day and the cold of the night.
31 Ary hampijaliko izy mbamin’ ny taranany sy ny mpanompony noho ny helony; ary havoko mihatra aminy sy amin’ ny mponina any Jerosalema ary amin’ ny lehilahy amin’ ny Joda ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy, fa tsy nohenoiny.
I'm going to punish him and his descendants and officials for their sins. I will bring down on them and on the people living in Jerusalem and Judah, all the disasters I warned them about but they refused to listen.
32 Ary Jeremia dia naka horonan-taratasy hafa koa, ka natolony an’ i Baroka mpanoratra, zanak’ i Neria, ary izy nanoratra tao avy tamin’ ny vavan’ i Jeremia ny teny rehetra izay tao amin’ ilay horonan-taratasy nodoran’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, tamin’ ny afo; sady nampiany teny maro tahaka ireny koa aza.
Jeremiah got another scroll and gave it to Baruch. Jeremiah dictated everything that was in the scroll that Jehoiakim had burned in the fire and Barcuh wrote it down. Even more messages of a similar kind were added.

< Jeremia 36 >