< Jeremia 32 >

1 Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah tamin’ ny taona fahafolo nanjakan’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, dia ny taona fahavalo ambin’ ny folo nanjakan’ i Nebokadnezara.
Yehova anayankhula ndi Yeremiya mʼchaka chakhumi cha Zedekiya mfumu ya Yuda, chimene chinalinso chaka cha 18 cha ulamuliro wa Nebukadinezara.
2 Fa tamin’ izany no nanaovan’ ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Babylona fahirano an’ i Jerosalema; ary Jeremia mpaminany nambenana teo an-kianjan’ ny trano fiambenana, izay teo amin’ ny tranon’ ny mpanjakan’ ny Joda.
Pa nthawi imeneyi nʼkuti ankhondo a mfumu ya ku Babuloni atazinga Yerusalemu, ndipo mneneri Yeremiya ndiye anamutsekera mʼbwalo la alonda mʼnyumba yaufumu ya ku Yuda.
3 Fa Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, nampiambina azy ka nanao hoe: Nahoana ianao no maminany hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hatolotro eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona ity tanàna ity, ka ho afany;
Tsono Zedekiya mfumu ya Yuda nʼkuti itamutsekera mʼmenemo, ndipo inati, “Nʼchifukwa chiyani ukulosera motero? Iwe ukunena kuti, ‘Yehova akuti: Ndidzapereka mzinda uno kwa mfumu ya ku Babuloni, ndipo idzawulanda.
4 ary Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, dia tsy ho afa-mandositra ny tanan’ ny Kaldeana, fa hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona tokoa izy, ary hiteny aminy mifanatrika izy sady hifankahita maso aminy;
Zedekiya mfumu ya Yuda sidzapulumuka mʼmanja mwa Ababuloni, koma idzaperekedwa kwa mfumu ya ku Babuloni. Adzayankhula naye ndi kuonana naye maso ndi maso.
5 ary ho any Babylona no hitondrana an’ i Zedekia, ka ho any izy ambara-pamangiko azy, hoy Jehovah; na dia miady amin’ ny Kaldeana aza ianareo, dia tsy hambinina.
Zedekiya adzatengedwa kupita naye ku Babuloni, kumene adzakhale mpaka nditamukhawulitsa, akutero Yehova. Ngakhale iye adzamenyane ndi Babuloni, koma sadzapambana.’”
6 Ary hoy Jeremia: Tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah hoe:
Yeremiya anati, “Yehova wandiwuza kuti:
7 Indro Hanamela, zanak’ i Saloma, rahalahin-drainao, ho avy eto aminao hanao hoe: Vidionao ny sahako izay ao Anatota, fa ianao no havana akaiky tokony hanavotra azy.
Taonani, Hanameli mwana wa Salumu, amalume ako akubwera ndipo adzakuwuza kuti, ‘Gula munda wanga wa ku Anatoti, chifukwa iwe ndiwe mʼbale wanga ndipo ndiwe woyenera kuwuwombola.’”
8 Ary Hanamela, zana-drahalahin’ ikaky, dia tonga tamiko teo an-kianjan’ ny trano fiambenana araka ny tenin’ i Jehovah, ka hoy izy tamiko: Masìna ianao, vidio ny sahako izay ao Anatota, dia ilay ao amin’ ny tanin’ ny Benjamina, fa ianao no havana akaiky tokony handova sy hanavotra azy, vidio re ho anao. Ka dia fantatro fa tenin’ i Jehovah izany.
Ndipo monga momwe Yehova ananenera, Hanameli, msuweni wanga anabweradi ku bwalo la alonda ndipo anati, “Gula munda wanga wa ku Anatoti mʼdziko la Benjamini. Popeza ndiwe woyenera kuwugula ndi kukhala wako, gula munda umenewu kuti ukhale wako.” “Ine ndinadziwa kuti amenewa anali mawu a Yehova aja;
9 Ary novidiko tamin’ i Hanamela, zana-drahalahin’ ikaky, ny saha izay tao Anatota, ary nolanjaiko ny vola, dia sekely volafotsy fito ambin’ ny folo.
choncho ndinagula munda wa ku Anatoti kwa Hanameli msuweni wanga, ndipo ndinamupatsa masekeli asiliva 17.
10 Ary nosoratako tamin’ ny taratasy izany ka nasiako tombo-kase sady nasiako vavolombelona, ary nolanjaiko tamin’ ny mizana ny vola.
Ndinasayina panganolo ndikulimata pamaso pa mboni, kenaka ndinayeza ndalama zasilivazo pa sikelo.”
11 Ka dia noraisiko ny taratasy nisy ny fanekena tamin’ ny vidin-tany, dia ilay voaisy tombo-kase araka ny lalàna sy ny fanao, mbamin’ ny taratasy mivelatra koa;
Pambuyo pake ndinatenga makalata anga a pangano, imodzi yomatidwa mʼmene munali malamulo onse a panganolo ndi ina yosamatidwa.
12 dia natolotro an’ i Baroka, zanak’ i Neria, zanak’ i Mahaseia, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin’ ny vidin-tany, teo imason’ i Hanamela, zana-drahalahin’ ikaky, sy teo anatrehan’ ny vavolombelona izay nanao sonia tamin’ ny taratasy nisy ny fanekena tamin’ ny vidin-tany, dia teo anatrehan’ ny Jiosy rehetra izay nipetraka teo an-kianjan’ ny trano fiambenana.
Ndinapereka makalatawo kwa Baruki mwana wa Neriya, mdzukulu wa Maseya pamaso pa Hanameli msuweni wanga, pamaso pa mboni zimene zinasayina panganoli ndiponso pamaso pa Ayuda onse okhala mʼbwalo la alonda.
13 Ary nandidy an’ i Baroka teo anatrehan’ ireo aho nanao hoe:
“Ndinamulangiza Baruki pamaso pa onsewo kuti,
14 Izao no lazain’ i Jenovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ento ireto taratasy ireto, dia ireto taratasy misy ny fanekena amin’ ny vidin-tany, dia ilay misy tombo-kase, mbamin’ ny taratasy mivelatra, ary ataovy ao anaty vilany tany izy mba haharitra ela.
‘Yehova Wamphamvuzonse, Mulungu wa Israeli akuti: Tenga makalata awa a umboni wapangano, iyi yokhala ndi chizindikiro ndi yopanda chizindikiro, uwasunge mʼmbiya kuti akhale nthawi yayitali.
15 Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola hisy trano sy saha ary tanim-boaloboka hovidina indray eto amin’ ity tany ity.
Pakuti Yehova Wamphamvuzonse, Mulungu wa Israeli akuti: Anthu adzagulanso nyumba, minda ndi mitengo yamphesa mʼdziko lino.’”
16 Ary rehefa voatolotra an’ i Baroka, zanak’ i Neria, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin’ ny vidin-tany, dia nivavaka tamin’ i Jehovah aho hoe:
Nditamupatsa makalata a panganowa Baruki mwana wa Neriya, ndinapemphera kwa Yehova:
17 Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indro, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin’ ny herinao lehibe sy ny sandrinao ahinjitra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao.
“Aa, inu Ambuye Yehova, munalenga dziko lakumwamba ndi dziko lapansi. Munazilenga ndi dzanja lanu lamphamvu ndipo palibe chokulakani.
18 Mamindra fo amin’ ny arivo arivo Hianao ary mamaly ny heloky ny ray ho ao an-tratran’ ny zanany mandimby azy dia Andriamanitra lehibe sy mahery, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany,
Mumaonetsa chikondi chanu kwa anthu osawerengeka koma mumalanga ana chifukwa cha machimo a makolo awo. Inu ndinu Mulungu Wamkulu ndi Wamphamvu. Dzina lanu ndinu Yehova Wamphamvuzonse.
19 lehibe amin’ ny fisainana sy mahery amin’ ny atao; fa ny masonao mibanjina ny alehan’ ny zanak’ olombelona rehetra mba hanome azy rehetra araka ny lalany avy sy araka ny vokatry ny asany,
Zolinga zanu ndi zazikulu ndipo zochita zanu ndi zamphamvu. Maso anu amaona zonse zimene anthu amachita. Mumapereka mphotho kwa munthu aliyense molingana ndi makhalidwe ake ndi ntchito zake.
20 dia Ilay nanisy famantarana sy fahagagana tany amin’ ny tany Egypta ka mandraka androany koa, na ao amin’ ny Isiraely, na ao amin’ ny olona hafa koa, ka dia nanao anarana ho Anao tahaka ny amin’ izao anio izao.
Inu munachita zizindikiro zozizwitsa ku Igupto, ndipo mwakhala mukuzichita mpaka lero, pakati pa Aisraeli ndiponso pakati pa anthu onse. Choncho mwadzitchukitsa mpaka lero lino.
21 Ary nitondra ny Isiraely olonao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta Hianao tamin’ ny famantarana sy ny fahagagana ary ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe,
Munatulutsa Aisraeli mʼdziko la Igupto ndi dzanja lanu lamphamvu pochita zizindikiro zozizwitsa ndi zodabwitsa zimene zinaopseza adani anu.
22 ka dia nanome azy ity tany ity, izay efa nianiananao nolazainao tamin’ ny razany homena azy, dia tany tondra-dronono sy tantely.
Munawapatsa dziko lino limene munalonjeza mwalumbiro kulipereka kwa makolo awo, dziko loyenda mkaka ndi uchi.
23 Ary tonga teto izy, dia nandova azy, nefa tsy nihaino ny feonao izy sady tsy nandeha araka ny lalànao; ary tsy nanao na inona na inona tamin’ izay rehetra nasainao nataony izy, ka dia nataonao mihatra aminy izao loza rehetra izao.
Iwo analowa nʼkulitenga kukhala lawo, koma sanamvere Inu kapena kutsatira lamulo lanu; ndipo sanachite zomwe munawalamula. Choncho inu mwawagwetsera masautso onsewa.”
24 Indro, ny tovon-tany efa miorina akaikin’ ny tanàna hanafahana azy, ary ny tanàna dia atolotra eo an-tànan’ ny Kaldeana izay mamely azy noho ny sabatra sy ny mosary sy ny areti-mandringana; ary izay nolazainao dia tonga, ka indro, hitan’ ny masonao izany.
“Onani momwe adani azingira ndi mitumbira yankhondo mzindawu kuti awulande ndipo akuwuthira nkhondo. Chifukwa cha lupanga, njala ndi mliri. Mzindawu udzaperekedwa kwa Ababuloni anthu atafowoka ndi nkhondo, njala ndi mliri. Zimene munkanena zija zachitikadi monga mukuzionera tsopano.
25 Ary Hianao, Jehovah Tompo ô, dia niteny tamiko ka nanao hoe: Vidionao vola ny saha, ary makà vavolombelona, na dia efa voatolotra eo an-tànan’ ny Kaldeana aza ny tanàna.
Ngakhale mzindawu udzaperekedwa kwa Ababuloni, komabe Inu Ambuye Yehova, munandiwuza kuti, ‘Gula munda ndi siliva ndipo upereke ndalamazo pali mboni.’”
26 Dia tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah hoe:
Tsono Yehova anawuza Yeremiya kuti,
27 Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va?
“Taonani, Ine ndine Yehova, Mulungu wa anthu onse. Kodi chilipo chinthu choti Ine nʼkundikanika?
28 Koa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, efa hatolotro eo an-tànan’ ny Kaldeana ity tanàna ity sy eo an-tànan’ i Nebokadnezara mpanjakan’ i Babylona, ka ho afany.
Nʼchifukwa chake ine Yehova ndikuti: Ndidzawupereka mzinda uno kwa Nebukadinezara mfumu ya ku Babuloni, amene adzawulanda.
29 Ary ny Kaldeana, izay efa mamely ity tanàna ity dia hiditra ary handrehitra afo eto ka handoro azy mbamin’ ny trano izay efa nandoroana ditin-kazo manitra teo an-tampony ho an’ i Bala, sady nanidinana fanatitra aidina ho an’ andriamani-kafa mba hampahatezitra Ahy.
Ndipo Ababuloni amene akuwuthira nkhondo mzinda uno adzalowa ndi kuwutentha; adzatentha ndi kugwetsa nyumba zimene pa denga pake anthu ankandipsetsa mtima pofukiza lubani kwa Baala ndi popereka chopereka cha chakumwa kwa milungu ina.
30 Fa izay ratsy eo imasoko ihany no nataon’ ny Zanak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda hatry ny fony ireo mbola kely; fa ny Zanak’ Isiraely efa nampahatezitra Ahy tamin’ ny asan’ ny tànany, hoy Jehovah.
“Aisraeli ndi Ayuda akhala akuchita zoyipa zokhazokha pamaso panga kuyambira ubwana wawo. Kunena zoona Aisraeli akumandikwiyitsa ndi ntchito zawo zoyipa, akutero Yehova.
31 Fa ity tanàna ity dia efa nampahatezitra sy nampahavinitra Ahy hatramin’ ny andro nanorenana azy ka mandraka androany, mba hanesorako azy tsy ho eo anatrehako,
Kuyambira tsiku limene mzindawu unamangidwa mpaka lero, wakhala ukuwutsa mkwiyo wanga ndi ukali wanga. Nʼchifukwa chake ndiyenera kuwuchotsa pamaso panga.
32 noho ny ratsy rehetra nataon’ ny Zanak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda, dia izy sy ny mpanjakany sy ny mpanapaka azy sy ny mpisorony sy ny mpaminaniny sy ny lehilahy amin’ ny Joda ary ny mponina any Jerosalema, mba hampahatezitra Ahy.
Aisraeli ndi Ayuda, anthu a ku Yuda ndi a ku Yerusalemu, mafumu awo, nduna zawo, ansembe ndi aneneri awo anandikwiyitsa ndi ntchito zawo zoyipa.
33 Fa efa niamboho Ahy izy, fa tsy nanatrika Ahy, ary na dia nampianariko aza izy ― eny, nifoha maraina koa Aho ka nampianatra azy, dia tsy nihaino mba hahazoany anatra izy.
Anandifulatira ndipo ngakhale ndinakhala ndikuwaphunzitsa kawirikawiri, sanamve kapena kuphunzirapo kanthu.
34 Fa nametraka ny fahavetavetany tato amin’ ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy handotoany azy;
Iwo anayika mafano awo onyansa mʼnyumba imene imadziwika ndi dzina langa ndipo anayipitsa.
35 ary nanorina ny fitoerana avon’ i Bala, izay ao amin’ ny Lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, izy mba hampandeha ny zananilahy sy ny zananivavy hamaky ny afo ho an’ i Moloka, izay tsy nandidiako azy, na tao an-tsaiko akory aza, ka dia nanao izany fahavetavetana izany izy mba hampanota ny Joda.
Anamanga malo opembedzerapo Baala mʼChigwa cha Hinomu kuti aziperekapo ana awo aamuna ndi aakazi ngati nsembe kwa Moleki. Ine sindinawalamulire kutero, ndipo sindinaganizepo nʼkomwe kuti iwo angachite chinthu chonyansa chotero, ndi kuchimwitsa anthu a ku Yuda.
36 Koa noho izany dia izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin’ ity tanàna ity, izay ataonareo hoe: Hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona amin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy:
“Anthu ponena za mzindawu akuti udzaperekedwa kwa mfumu ya ku Babuloni mwa nkhondo, njala ndi mliri, koma Yehova Mulungu wa Israeli akuti,
37 Indro izy hangoniko avy any amin’ ny tany rehetra izay nandroahako azy tamin’ ny fahatezerako sy ny fisafoahako ary ny fahavinirana be; ary ho entiko amin’ ity tany ity indray izy ka hataoko mandry fahizay;
Ine ndidzawasonkhanitsadi anthuwa kuchokera ku mayiko onse kumene ndinawapirikitsira ndili wokwiya ndi waukali kwambiri. Ndidzabwera nawo ku malo ano ndipo ndidzawalola kukhala mwamtendere.
38 ary izy ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
Iwo adzakhala anthu anga, ndipo Ine ndidzakhala Mulungu wawo.
39 Dia homeko fo iray sy lalana iray izy, mba hatahorany Ahy lalandava hahasoa azy sy ny zanany mandimby azy;
Ndidzawapatsa mtima umodzi ndi khalidwe limodzi kotero kuti azidzandiopa nthawi zonse ndipo iwo pamodzi ndi zidzukulu zawo zinthu zidzawayendera bwino.
40 dia hanao fanekena mandrakizay aminy Aho, dia ny tsy hitsaharako amin’ ny fanasoavako azy; ary ny fahatahorana Ahy dia hataoko ao am-pony kosa, mba tsy hialany amiko.
Ndidzachita nawo pangano losatha: sindidzaleka kuwachitira zabwino, ndipo ndidzawapatsa mtima woti azidzandiopa, kuti asadzandisiyenso.
41 Eny, ho faly aminy Aho ka hahasoa azy, dia hamboly azy amin’ ity tany ity tokoa amin’ ny foko rehetra sy ny fanahiko rehetra.
Ndidzakondwera powachitira zabwino, ndipo ndidzawakhazikitsa ndithu mʼdziko lino ndi mtima wanga wonse ndi moyo wanga wonse.
42 Fa izao no lazain’ i Jehovah: Araka ny nampahatongavako izao loza lehibe rehetra izao tamin’ ity firenena ity, dia araka izany asa no hampahatongavako ny soa rehetra izay nokasaiko ho azy.
“Yehova akuti: Monga momwe ndinagwetsera masautso aakulu onsewa pa anthuwa, momwemonso ndidzawapatsa zinthu zonse zabwino zimene ndinawalonjeza.
43 Ary mbola hisy fividianana saha eto amin’ ity tany ity, izay ataonareo hoe Tany lao tsy misy olona na biby fiompy sady efa voatolotra eo an-tànan’ ny Kaldeana.
Adzagulanso minda mʼdziko muno, limene inu mukuti, ‘Ndi dziko losiyidwa, lopanda anthu kapena nyama, pakuti linaperekedwa kwa Ababuloni.’
44 Eny, saha no hovidin’ ny olona vola, ka hosoratany amin’ ny taratasy sy hasiany tombo-kase ary hasiany vavolombelona ao amin’ ny tanin’ ny Benjamina sy amin’ ny manodidina an’ i Jerosalema sy amin’ ny tanànan’ ny Joda sy amin’ ny tanàna any amin’ ny tany havoana sy amin’ ny tanàna ny amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka ary amin’ ny tanàna any amin’ ny tany atsimo; fa hampodiko avy amin’ ny fahababoany izy, hoy Jehovah.
Adzagula minda ndi ndalama zasiliva, ndipo achita pangano, ndi kumata pamaso pa mboni. Izi zidzachitika mʼdziko la Benjamini, ku malo ozungulira Yerusalemu, mʼmizinda ya Yuda, mʼmizinda ya ku mapiri, mʼmizinda ya kuchigwa ndi yakummwera ku Negevi. Zoona, ndidzabwezera ufulu wawo, akutero Yehova.”

< Jeremia 32 >