< Jeremia 31 >

1 Amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, dia ho Andriamanitry ny isam-pianakavian’ ny Isiraely Aho, ary izy ho oloko.
“Wakati huo, nitakuwa Mungu wa koo zote za Israeli nao watakuwa watu wangu,” asema Bwana.
2 Izao no lazain’ i Jehovah: Hahita fitia any an-efitra ny olona izay sisa tsy matin’ ny sabatra; Handeha Aho ka hanome fitsaharana ho an’ ny Isiraely.
Hili ndilo asemalo Bwana: “Watu watakaopona upanga watapata upendeleo jangwani; nitakuja niwape Israeli pumziko.”
3 Tany lavitra any no nisehoan’ i Jehovah tamiko ka nanao hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao.
Bwana alitutokea wakati uliopita, akisema: “Nimekupenda kwa upendo wa milele, nimekuvuta kwa wema.
4 Mbola hanorina anao indray Aho, ka dia hiorina ianao, ry Isiraely virijina! Ary mbola hiravaka mitondra ny ampongatapakao ianao ka hivoaka amin’ ny dihin’ ny mifaly.
Nitakujenga tena nawe utajengeka upya, ewe Bikira Israeli. Utachukua tena matari yako na kwenda kucheza na wenye furaha.
5 Mbola hanao tanim-boaloboka ao amin’ ny tendrombohitr’ i Samaria ianao; Ny mpamboly dia hamboly sady hihinana ny vokatra.
Utapanda tena shamba la mizabibu juu ya vilima vya Samaria, wakulima watapanda na kufurahia matunda yake.
6 Fa mbola hisy andro hiantsoan’ ny mpitazana any amin’ ny tany havoan’ i Efraima hoe: Mitsangana ianareo, ka andeha isika hiakatra any Ziona, Ho any amin’ i Jehovah Andriamanitsika.
Itakuja siku wakati walinzi watakapowapigia kelele juu ya vilima vya Efraimu wakisema, ‘Njooni, twendeni juu Sayuni, kwake Bwana Mungu wetu.’”
7 Fa izao no lazain’ i Jehovah: Mihobia amin’ ny fifaliana noho ny amin’ i Jakoba, ary mifalia noho ny amin’ ny lohan’ ny firenena, torionareo, deraonareo, ka ataovy hoe: Jehovah ô, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin’ ny Isiraely.
Hili ndilo asemalo Bwana: “Mwimbieni Yakobo kwa furaha, mpigieni kelele aliye mkuu wa mataifa. Zifanyeni sifa zenu zisikike, nanyi mseme, ‘Ee Bwana, okoa watu wako, mabaki ya Israeli.’
8 Indro, hitondra azy avy any amin’ ny tany avaratra Aho sy hanangona azy avy any amin’ ny faran’ ny tany, ka dia samy ho eny aminy avokoa na ny jamba na ny mandringa, na izay manan’ anaka na izay mihetsi-jaza; Irai-dia marenina no hiverina atỳ.
Tazama, nitawaleta kutoka nchi ya kaskazini na kuwakusanya kutoka miisho ya dunia. Miongoni mwao watakuwepo vipofu na viwete, mama wajawazito na wenye utungu wa kuzaa. Umati mkubwa wa watu utarudi.
9 Amin’ ny fitomaniana no hihaviany, ary amin’ ny fifonany no hitondrako azy; Ary ho entiko ho eny amoron’ ny renirano izy, amin’ ny lalana mahitsy izay tsy hahatafintohina azy; Fa Rain’ Isiraely Aho, ary Efraima no lahimatoako.
Watakuja wakilia; wataomba wakati ninawarudisha. Nitawaongoza kando ya vijito vya maji katika mapito yaliyo tambarare ambapo hawatajikwaa, kwa sababu mimi ndimi baba wa Israeli, naye Efraimu ni mzaliwa wangu wa kwanza.
10 Mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ianareo jentilisa, ary torio any amin’ ny tany amoron-tsiraka any lavitra any izany, ka atao hoe: Izay nampiely ny Isiraely no hanangona azy indray sady hitandrina azy toy ny fitandrin’ ny mpiandry ondry ny ondriny.
“Sikieni neno la Bwana, enyi mataifa, litangazeni katika nchi za pwani ya mbali: ‘Yeye aliyewatawanya Israeli atawakusanya na atalichunga kundi lake la kondoo kama mchungaji.’
11 Fa Jehovah efa nanavotra an’ i Jakoba sy efa nanafaka azy tamin’ ny tanan’ ny mahery noho izy.
Kwa kuwa Bwana atamlipia fidia Yakobo na kuwakomboa mkononi mwa walio na nguvu kuliko wao.
12 Ka dia ho avy ireny ka hihoby ao amin’ ny havoan’ i Ziona, dia hitanjozotra ho any amin’ ny zava-tsoan’ i Jehovah, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy ny zanak’ ondry ary ny zanak’ omby; Ary ny fanahiny ho toy ny tanimboly vonton-drano, ka tsy hihamalazo intsony.
Watakuja na kupiga kelele kwa furaha katika miinuko ya Sayuni; watashangilia ukarimu wa Bwana: nafaka, divai mpya na mafuta, wana-kondoo wachanga na ndama wa makundi ya ngʼombe nitakaowapa. Watakuwa kama bustani iliyonyeshewa vizuri, wala hawatahuzunika tena.
13 Ary amin’ izany dia ho faly amin’ ny fandihizana ny virijina mbamin’ ny zatovo sy ny antitra koa; Fa hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany, ka hampiononiko sy hampifaliko izy ho afaka alahelo.
Kisha wanawali watacheza na kufurahi, vijana waume na wazee pia. Nitageuza maombolezo yao kuwa furaha, nitawapa faraja na furaha badala ya huzuni.
14 Dia hovokisako zava-matavy ny fanahin’ ny mpisorona, ary ny oloko ho voky ny zava-tsoako, hoy Jehovah.
Nitawashibisha makuhani kwa wingi, nao watu wangu watajazwa kwa ukarimu wangu,” asema Bwana.
15 Izao no lazain’ i Jehovah: Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, ary tsy azo nampiononina izy noho ny amin’ ny zanany, satria lany ritra ireny.
Hili ndilo asemalo Bwana: “Sauti imesikika huko Rama, maombolezo na kilio kikubwa, Raheli akiwalilia watoto wake na anakataa kufarijiwa, kwa sababu watoto wake hawako tena.”
16 Izao no lazain’ i Jehovah: Atsaharo ny fitomanianao sy ny fandatsahanao ranomaso; Fa hisy valiny tokoa ny ataonao, hoy Jehovah, ary hody avy any amin’ ny tanin’ ny fahavalo ireny.
Hili ndilo asemalo Bwana: “Izuie sauti yako kulia, na macho yako yasitoe machozi, kwa kuwa kazi yako itapata thawabu,” asema Bwana. “Watarudi kutoka nchi ya adui.
17 Ary misy fanantenana ho anao any am-parany, hoy Jehovah; Fa ny zaza dia hiverina ho any amin’ ny taniny indray.
Kwa hiyo kuna tumaini kwa siku zijazo,” asema Bwana. “Watoto wako watarudi nchi yao yenyewe.
18 Efa reko tokoa Efraima nitomany ny tenany hoe: Nofaizanao aho, eny, nofaizana toy ny ombilahy kely tsy voafolaka; Avereno aho, dia ho tafaverina, fa Hianao no Jehovah Andriamanitro.
“Hakika nimeyasikia maombolezo ya Efraimu: ‘Ulinirudi kama ndama mkaidi, nami nimekubali kutii. Unirudishe, nami nitarudi, kwa sababu wewe ndiwe Bwana, Mungu wangu.
19 Nony efa niverina tokoa aho, dia vao nahalala fanenenana; Ary rehefa nampahafantarina ny toe-tenako aho, dia niteha-tratra; Menatra sady mangaihay aho, fa latsain’ ny tsinin’ ny fahatanorako.
Baada ya kupotea, nilitubu; baada ya kuelewa, nilijipiga kifua. Niliaibika na kuona haya kwa sababu niliibeba aibu ya ujana wangu.’
20 Zanako mahafinaritra va Efraima, zaza malalako va izy, no dia fatra-pahatsiaro azy isaky ny mitezitra azy Aho? Noho izany dia onena azy ny foko; Hamindra fo aminy tokoa Aho, hoy Jehovah.
Je, Efraimu si mwanangu mpendwa, mtoto ninayependezwa naye? Ingawa mara kwa mara ninanena dhidi yake, bado ninamkumbuka. Kwa hiyo moyo wangu unamwonea shauku, nina huruma kubwa kwa ajili yake,” asema Bwana.
21 Manangàna famantaran-dalana ho anao ianao, manorena tsangam-bato; Saino tsara ny lalana efa voavoatra, dia ilay lalana efa nalehanao; Miverena indray, ry Isiraely virijina, miverena indray ho amin’ ireto tanànanao ireto.
“Weka alama za barabara, weka vibao vya kuelekeza. Zingatia vyema njia kuu, barabara ile unayoipita. Rudi, ee Bikira Israeli, rudi kwenye miji yako.
22 Mandra-pahoviana no hirioriovanao, ry zanakavavy mpiodina? Fa Jehovah efa namorona zava-baovao amin’ ny tany: Vehivavy no hanodidina lehilahy.
Utatangatanga hata lini, ee binti usiye mwaminifu? Bwana ameumba kitu kipya duniani: mwanamke atamlinda mwanaume.”
23 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola holavina indray ao amin’ ny tanin’ ny Joda sy ao amin’ ny tanànany izao teny izao, raha hampodiko avy amin’ ny fahababoany izy: Hotahin’ i Jehovah anie ianao, ry fonenan’ ny fahamarinana, sy ry tendrombohitry ny fahamasinana!
Hili ndilo Bwana Mwenye Nguvu Zote, Mungu wa Israeli, asemalo, “Nitakapowarudisha toka nchi ya kutekwa kwenu, watu walio katika nchi ya Yuda na miji yake kwa mara nyingine tena watatumia maneno haya: ‘Bwana akubariki, ee makao ya haki, ee mlima mtakatifu.’
24 Ary ny Joda sy ny tanànany rehetra dia hiara-monina ao aminy ho mpiasa tany sy ho mpilasy mitondra ny andian’ ny ondry aman’ osiny.
Watu wataishi pamoja katika Yuda na miji yake yote, wakulima na wote wanaohamahama na mifugo yao.
25 Fa ny fanahy ana dia hampisotroiko, ary ny fanahy mihaosa rehetra dia hovokisako.
Nitawaburudisha waliochoka na kuwatuliza walio na huzuni.”
26 Ary tamin’ izay dia nahatsiaro aho ka nahita; Ary mamiko ny torimasoko.
Kwa jambo hili niliamka na kuangalia pande zote. Usingizi wangu ulikuwa mtamu kwangu.
27 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, ka hafafiko eo amin’ ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda Ny taranak’ olombelona sy ny taranaky ny biby fiompy.
Bwana asema, “Siku zinakuja, nitakapoongeza idadi ya watu, na kuzidisha hesabu ya mifugo katika nyumba ya Israeli na nyumba ya Yuda.
28 Ary toy ny niambenako azy hongotana sy hazera sy harodana sy horavana ary hampahorina, dia ho toy izany no hiambenako azy Haorina sy hambolena kosa, hoy Jehovah.
Kama vile nilivyowaangalia ili kungʼoa na kubomoa, kuharibu, kuangamiza na kuleta maafa juu yao, vivyo hivyo nitawaangalia ili kujenga na kupanda,” asema Bwana.
29 Amin’ izany andro izany izy dia tsy hanao intsony hoe: ny ray no nihinana voaloboka maharikivy, ka ny nifin’ ny zanany no madilo.
“Katika siku hizo, watu hawatasema tena, “‘Baba wamekula zabibu chachu, nayo meno ya watoto yakatiwa ganzi.’
30 Fa ny olona rehetra samy ho fatin’ ny helony avy; Izay rehetra homana ny voaloboka maharikivy. Dia izy ihany no hadilo nify.
Badala yake, kila mmoja atakufa kwa ajili ya dhambi zake mwenyewe; yeyote alaye zabibu chachu, meno yake mwenyewe yatatiwa ganzi.
31 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin’ ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda,
“Siku zinakuja,” asema Bwana, “nitakapofanya agano jipya na nyumba ya Israeli na nyumba ya Yuda.
32 Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ ny razany tamin’ ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta; Fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, Nefa Izaho no vadiny, hoy Jehovah.
Halitafanana na agano nililofanya na baba zao wakati nilipowashika mkono kuwaongoza watoke Misri, kwa sababu walivunja agano langu, ijapokuwa nilikuwa mume kwao,” asema Bwana.
33 Fa izao no fanekena havoko amin’ ny taranak’ Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.
“Hili ndilo agano nitakalofanya na nyumba ya Israeli baada ya siku zile,” asema Bwana. “Nitaweka sheria yangu katika nia zao, na kuiandika mioyoni mwao. Nitakuwa Mungu wao, nao watakuwa watu wangu.
34 Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà an’ i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin’ ny kely indrindra ka hatramin’ ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; Fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
Mtu hatamfundisha tena jirani yake, wala mtu kumfundisha ndugu yake akisema, ‘Mjue Bwana Mungu,’ kwa sababu wote watanijua mimi, tangu aliye mdogo kabisa kwao, hadi aliye mkuu sana,” asema Bwana. “Kwa sababu nitasamehe uovu wao, wala sitazikumbuka dhambi zao tena.”
35 Izao no lazain’ i Jehovah, Izay manome ny masoandro ho fahazavana amin’ ny antoandro ary ny filahatry ny volana sy ny kintana ho fahazavana amin’ ny alina, Izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany:
Hili ndilo asemalo Bwana, yeye aliyeweka jua liwake mchana, yeye anayeamuru mwezi na nyota kungʼaa usiku, yeye aichafuaye bahari ili mawimbi yake yangurume; Bwana Mwenye Nguvu Zote ndilo jina lake:
36 Raha miova eo anoloako izany filahatra izany, hoy Jehovah, dia hitsahatra tsy ho firenena eo anatrehako mandrakizay kosa ny taranak’ Isiraely.
“Ikiwa amri hizi zitaondoka machoni pangu,” asema Bwana, “ndipo wazao wa Israeli watakoma kuwa taifa mbele yangu daima.”
37 Izao no lazain’ i Jehovah: Raha misy maharefy ny lanitra ambony, na mahafantatra ny fanorenan’ ny tany ambany, dia Izaho kosa hanary ny taranak’ Isiraely rehetra noho izay rehetra nataony, hoy Jehovah.
Hili ndilo asemalo Bwana: “Ikiwa mbingu zilizo juu zitaweza kupimika na misingi ya dunia chini ikaweza kuchunguzwa, ndipo nitakapowakataa wazao wote wa Israeli kwa sababu ya yote waliyoyatenda,” asema Bwana.
38 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanorenana ity tanàna ity indray ho an’ i Jehovah hatramin’ ny tilikambon’ i Hananela ka hatramin’ ny vavahady an-jorony.
“Siku zinakuja,” asema Bwana, “wakati mji huu utajengwa upya kwa ajili yangu, kuanzia mnara wa Hananeli hadi Lango la Pembeni.
39 Ary ny famolaina dia mbola hohenjaniko mahitsy hatreo an-tampon’ ny tendrombohitra Gareba, dia hasangodina ho any Goa;
Kamba ya kupimia itaanzia hapo kuendelea hadi kwenye kilima cha Garebu, na kisha kugeuka kuelekea Goa.
40 Ary ny lohasaham-paty sy lavenona rehetra sy ny saha rehetra hatramin’ ny Lohasahan-driaka Kidrona ka hatramin’ ny zoron’ ny vavahadin-tsoavaly atsinanana dia ho masìna ho an’ i Jehovah; Tsy hongotana na horavana intsony izy mandrakizay.
Bonde lote watupwapo maiti na majivu pia na matuta yote kutoka Bonde la Kidroni upande wa mashariki hadi pembe ya Lango la Farasi, itakuwa takatifu kwa Bwana. Kamwe mji huu hautangʼolewa tena wala kubomolewa.”

< Jeremia 31 >