< Jeremia 31 >

1 Amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, dia ho Andriamanitry ny isam-pianakavian’ ny Isiraely Aho, ary izy ho oloko.
“At that time,” declares the LORD, “I will be the God of all the families of Israel, and they will be My people.”
2 Izao no lazain’ i Jehovah: Hahita fitia any an-efitra ny olona izay sisa tsy matin’ ny sabatra; Handeha Aho ka hanome fitsaharana ho an’ ny Isiraely.
This is what the LORD says: “The people who survived the sword found favor in the wilderness when Israel went to find rest.”
3 Tany lavitra any no nisehoan’ i Jehovah tamiko ka nanao hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao.
The LORD appeared to us in the past, saying: “I have loved you with an everlasting love; therefore I have drawn you with loving devotion.
4 Mbola hanorina anao indray Aho, ka dia hiorina ianao, ry Isiraely virijina! Ary mbola hiravaka mitondra ny ampongatapakao ianao ka hivoaka amin’ ny dihin’ ny mifaly.
Again I will build you, and you will be rebuilt, O Virgin Israel. Again you will take up your tambourines and go out in joyful dancing.
5 Mbola hanao tanim-boaloboka ao amin’ ny tendrombohitr’ i Samaria ianao; Ny mpamboly dia hamboly sady hihinana ny vokatra.
Again you will plant vineyards on the hills of Samaria; the farmers will plant and enjoy the fruit.
6 Fa mbola hisy andro hiantsoan’ ny mpitazana any amin’ ny tany havoan’ i Efraima hoe: Mitsangana ianareo, ka andeha isika hiakatra any Ziona, Ho any amin’ i Jehovah Andriamanitsika.
For there will be a day when watchmen will call out on the hills of Ephraim, ‘Arise, let us go up to Zion, to the LORD our God!’”
7 Fa izao no lazain’ i Jehovah: Mihobia amin’ ny fifaliana noho ny amin’ i Jakoba, ary mifalia noho ny amin’ ny lohan’ ny firenena, torionareo, deraonareo, ka ataovy hoe: Jehovah ô, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin’ ny Isiraely.
For this is what the LORD says: “Sing with joy for Jacob; shout for the foremost of the nations! Make your praises heard, and say, ‘O LORD, save Your people, the remnant of Israel!’
8 Indro, hitondra azy avy any amin’ ny tany avaratra Aho sy hanangona azy avy any amin’ ny faran’ ny tany, ka dia samy ho eny aminy avokoa na ny jamba na ny mandringa, na izay manan’ anaka na izay mihetsi-jaza; Irai-dia marenina no hiverina atỳ.
Behold, I will bring them from the land of the north and gather them from the farthest parts of the earth, including the blind and the lame, expectant mothers and women in labor. They will return as a great assembly!
9 Amin’ ny fitomaniana no hihaviany, ary amin’ ny fifonany no hitondrako azy; Ary ho entiko ho eny amoron’ ny renirano izy, amin’ ny lalana mahitsy izay tsy hahatafintohina azy; Fa Rain’ Isiraely Aho, ary Efraima no lahimatoako.
They will come with weeping, and by their supplication I will lead them; I will make them walk beside streams of waters, on a level path where they will not stumble. For I am Israel’s Father, and Ephraim is My firstborn.”
10 Mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ianareo jentilisa, ary torio any amin’ ny tany amoron-tsiraka any lavitra any izany, ka atao hoe: Izay nampiely ny Isiraely no hanangona azy indray sady hitandrina azy toy ny fitandrin’ ny mpiandry ondry ny ondriny.
Hear, O nations, the word of the LORD, and proclaim it in distant coastlands: “The One who scattered Israel will gather them and keep them as a shepherd keeps his flock.
11 Fa Jehovah efa nanavotra an’ i Jakoba sy efa nanafaka azy tamin’ ny tanan’ ny mahery noho izy.
For the LORD has ransomed Jacob and redeemed him from the hand that had overpowered him.
12 Ka dia ho avy ireny ka hihoby ao amin’ ny havoan’ i Ziona, dia hitanjozotra ho any amin’ ny zava-tsoan’ i Jehovah, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy ny zanak’ ondry ary ny zanak’ omby; Ary ny fanahiny ho toy ny tanimboly vonton-drano, ka tsy hihamalazo intsony.
They will come and shout for joy on the heights of Zion; they will be radiant over the bounty of the LORD— the grain, new wine, and oil, and the young of the flocks and herds. Their life will be like a well-watered garden, and never again will they languish.
13 Ary amin’ izany dia ho faly amin’ ny fandihizana ny virijina mbamin’ ny zatovo sy ny antitra koa; Fa hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany, ka hampiononiko sy hampifaliko izy ho afaka alahelo.
Then the maidens will rejoice with dancing, young men and old as well. I will turn their mourning into joy, and give them comfort and joy for their sorrow.
14 Dia hovokisako zava-matavy ny fanahin’ ny mpisorona, ary ny oloko ho voky ny zava-tsoako, hoy Jehovah.
I will fill the souls of the priests abundantly, and will fill My people with My goodness,”
15 Izao no lazain’ i Jehovah: Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, ary tsy azo nampiononina izy noho ny amin’ ny zanany, satria lany ritra ireny.
This is what the LORD says: “A voice is heard in Ramah, mourning and great weeping, Rachel weeping for her children, and refusing to be comforted, because they are no more.”
16 Izao no lazain’ i Jehovah: Atsaharo ny fitomanianao sy ny fandatsahanao ranomaso; Fa hisy valiny tokoa ny ataonao, hoy Jehovah, ary hody avy any amin’ ny tanin’ ny fahavalo ireny.
This is what the LORD says: “Keep your voice from weeping and your eyes from tears, for the reward for your work will come, declares the LORD. Then your children will return from the land of the enemy.
17 Ary misy fanantenana ho anao any am-parany, hoy Jehovah; Fa ny zaza dia hiverina ho any amin’ ny taniny indray.
So there is hope for your future, declares the LORD, and your children will return to their own land.
18 Efa reko tokoa Efraima nitomany ny tenany hoe: Nofaizanao aho, eny, nofaizana toy ny ombilahy kely tsy voafolaka; Avereno aho, dia ho tafaverina, fa Hianao no Jehovah Andriamanitro.
I have surely heard Ephraim’s moaning: ‘You disciplined me severely, like an untrained calf. Restore me, that I may return, for You are the LORD my God.
19 Nony efa niverina tokoa aho, dia vao nahalala fanenenana; Ary rehefa nampahafantarina ny toe-tenako aho, dia niteha-tratra; Menatra sady mangaihay aho, fa latsain’ ny tsinin’ ny fahatanorako.
After I returned, I repented; and after I was instructed, I struck my thigh in grief. I was ashamed and humiliated because I bore the disgrace of my youth.’
20 Zanako mahafinaritra va Efraima, zaza malalako va izy, no dia fatra-pahatsiaro azy isaky ny mitezitra azy Aho? Noho izany dia onena azy ny foko; Hamindra fo aminy tokoa Aho, hoy Jehovah.
Is not Ephraim a precious son to Me, a delightful child? Though I often speak against him, I still remember him. Therefore My heart yearns for him; I have great compassion for him,”
21 Manangàna famantaran-dalana ho anao ianao, manorena tsangam-bato; Saino tsara ny lalana efa voavoatra, dia ilay lalana efa nalehanao; Miverena indray, ry Isiraely virijina, miverena indray ho amin’ ireto tanànanao ireto.
“Set up the roadmarks, establish the signposts. Keep the highway in mind, the road you have traveled. Return, O Virgin Israel, return to these cities of yours.
22 Mandra-pahoviana no hirioriovanao, ry zanakavavy mpiodina? Fa Jehovah efa namorona zava-baovao amin’ ny tany: Vehivavy no hanodidina lehilahy.
How long will you wander, O faithless daughter? For the LORD has created a new thing in the land— a woman will shelter a man.”
23 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola holavina indray ao amin’ ny tanin’ ny Joda sy ao amin’ ny tanànany izao teny izao, raha hampodiko avy amin’ ny fahababoany izy: Hotahin’ i Jehovah anie ianao, ry fonenan’ ny fahamarinana, sy ry tendrombohitry ny fahamasinana!
This is what the LORD of Hosts, the God of Israel, says: “When I restore them from captivity, they will once again speak this word in the land of Judah and in its cities: ‘May the LORD bless you, O righteous dwelling place, O holy mountain.’
24 Ary ny Joda sy ny tanànany rehetra dia hiara-monina ao aminy ho mpiasa tany sy ho mpilasy mitondra ny andian’ ny ondry aman’ osiny.
And Judah and all its cities will dwell together in the land, the farmers and those who move with the flocks,
25 Fa ny fanahy ana dia hampisotroiko, ary ny fanahy mihaosa rehetra dia hovokisako.
for I will refresh the weary soul and replenish all who are weak.”
26 Ary tamin’ izay dia nahatsiaro aho ka nahita; Ary mamiko ny torimasoko.
At this I awoke and looked around. My sleep had been most pleasant to me.
27 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, ka hafafiko eo amin’ ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda Ny taranak’ olombelona sy ny taranaky ny biby fiompy.
“The days are coming,” declares the LORD, “when I will sow the house of Israel and the house of Judah with the seed of man and of beast.
28 Ary toy ny niambenako azy hongotana sy hazera sy harodana sy horavana ary hampahorina, dia ho toy izany no hiambenako azy Haorina sy hambolena kosa, hoy Jehovah.
Just as I watched over them to uproot and tear down, to demolish, destroy, and bring disaster, so I will watch over them to build and to plant,” declares the LORD.
29 Amin’ izany andro izany izy dia tsy hanao intsony hoe: ny ray no nihinana voaloboka maharikivy, ka ny nifin’ ny zanany no madilo.
“In those days, it will no longer be said: ‘The fathers have eaten sour grapes, and the teeth of the children are set on edge.’
30 Fa ny olona rehetra samy ho fatin’ ny helony avy; Izay rehetra homana ny voaloboka maharikivy. Dia izy ihany no hadilo nify.
Instead, each will die for his own iniquity. If anyone eats the sour grapes, his own teeth will be set on edge.
31 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin’ ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda,
Behold, the days are coming, declares the LORD, when I will make a new covenant with the house of Israel and with the house of Judah.
32 Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ ny razany tamin’ ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta; Fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, Nefa Izaho no vadiny, hoy Jehovah.
It will not be like the covenant I made with their fathers when I took them by the hand to lead them out of the land of Egypt— a covenant they broke, though I was a husband to them,”
33 Fa izao no fanekena havoko amin’ ny taranak’ Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.
“But this is the covenant I will make with the house of Israel after those days, declares the LORD. I will put My law in their minds and inscribe it on their hearts. And I will be their God, and they will be My people.
34 Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà an’ i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin’ ny kely indrindra ka hatramin’ ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; Fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
No longer will each man teach his neighbor or his brother, saying, ‘Know the LORD,’ because they will all know Me, from the least of them to the greatest, declares the LORD. For I will forgive their iniquities and will remember their sins no more.”
35 Izao no lazain’ i Jehovah, Izay manome ny masoandro ho fahazavana amin’ ny antoandro ary ny filahatry ny volana sy ny kintana ho fahazavana amin’ ny alina, Izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany:
Thus says the LORD, who gives the sun for light by day, who sets in order the moon and stars for light by night, who stirs up the sea so that its waves roar—the LORD of Hosts is His name:
36 Raha miova eo anoloako izany filahatra izany, hoy Jehovah, dia hitsahatra tsy ho firenena eo anatrehako mandrakizay kosa ny taranak’ Isiraely.
“Only if this fixed order departed from My presence, declares the LORD, would Israel’s descendants ever cease to be a nation before Me.”
37 Izao no lazain’ i Jehovah: Raha misy maharefy ny lanitra ambony, na mahafantatra ny fanorenan’ ny tany ambany, dia Izaho kosa hanary ny taranak’ Isiraely rehetra noho izay rehetra nataony, hoy Jehovah.
This is what the LORD says: “Only if the heavens above could be measured and the foundations of the earth below searched out would I reject all of Israel’s descendants because of all they have done,”
38 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanorenana ity tanàna ity indray ho an’ i Jehovah hatramin’ ny tilikambon’ i Hananela ka hatramin’ ny vavahady an-jorony.
“The days are coming,” declares the LORD, “when this city will be rebuilt for Me, from the tower of Hananel to the Corner Gate.
39 Ary ny famolaina dia mbola hohenjaniko mahitsy hatreo an-tampon’ ny tendrombohitra Gareba, dia hasangodina ho any Goa;
The measuring line will once again stretch out straight to the hill of Gareb and then turn toward Goah.
40 Ary ny lohasaham-paty sy lavenona rehetra sy ny saha rehetra hatramin’ ny Lohasahan-driaka Kidrona ka hatramin’ ny zoron’ ny vavahadin-tsoavaly atsinanana dia ho masìna ho an’ i Jehovah; Tsy hongotana na horavana intsony izy mandrakizay.
The whole valley of the dead bodies and ashes, and all the fields as far as the Kidron Valley, to the corner of the Horse Gate to the east, will be holy to the LORD. It will never again be uprooted or demolished.”

< Jeremia 31 >